Nampianarin’i Jehovah Fiaretana sy Fikirizana Izahay
Tantaram-piainana
Nampianarin’i Jehovah Fiaretana sy Fikirizana Izahay
NOTANTARAIN’I ARISTOTELIS APOSTOLIDIS
Tanàna rosianina malaza noho ny ranovisiny sy ny toetaniny mangatsiatsiaka i Pyatigorsk, ary eo am-pototry ny Tendrombohitra Caucase eny avaratra no misy azy. Tany aho no teraka, tamin’ny 1929, ary mpitsoa-ponenana grika ny ray aman-dreniko tamin’izany. Voatery nifindra teto Gresy anefa izahay, ka nanjary mpitsoa-ponenana indray, folo taona tatỳ aoriana. Izany dia taorian’ny andron’i Staline, izay tena nampijaly noho ny fanadiovana ara-politika sy ny fampihorohoroana ary ny fanadiovana ara-pirazanana.
NANJARY hafa mihitsy ny hevitr’ilay teny hoe “mpitsoa-ponenana” ho anay, rehefa nifindra tatỳ Pirée, eto Gresy, izahay. Nahatsiaro tena ho vahiny tanteraka izahay. Tsindraindray ihany vao mba nantsoina tamin’ny anaranay hoe Socrate sy Aristote izaho sy ny zokiko lahy, na dia anarana filozofa grika malaza aza ireo. Izy roa lahy rosianina kely no fiantsoan’ny olona anay.
Maty ilay reny malalako taoriana kelin’ny nipoahan’ny Ady Lehibe II. Izy no andry niankinan’ny ankohonanay, ka tsapanay ho tena banga ny toerany. Efa nampianariny ahy ny fanaovana ny raharaha tao an-trano, satria efa elaela izy no narary. Tena nahasoa ahy izany fampiofanana izany tatỳ aoriana.
Ady sy fahafahana
Nanampo ny ho faty izahay isan’andro, noho ny ady sy ny fitondrana nazia ary ny zera baomba. Hita hatraiza hatraiza ny fahantrana sy hanoanana ary fahafatesana. Vao 11 taona aho dia efa voatery niasa mafy niaraka tamin’ny raiko, mba hivelomanay telo mianaka. Tsy nahavita nianatra tsara aho satria tsy tena nahay teny grika, ary tetsy an-danin’
izany koa moa ny ady sy ny voka-dratsy naterany.Nifarana tamin’ny Oktobra 1944 ny fitondrana alemà teto Gresy. Tafaresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho taoriana kelin’izay. Tao anatin’ny fahakiviana sy fijaliana aho tamin’ireny fotoana ireny, ka nanohina ny foko ny fampanantenan’ny Baiboly hoavy mamirapiratra eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Salamo 37:29) Tena nanasitrana ny ratram-poko ny fampanantenan’Andriamanitra fiainana mandrakizay ao anatin’ny fiadanana eto an-tany. (Isaia 9:6) Natao batisa izaho sy ny raiko tamin’ny 1946, ho fampisehoana ny fanoloran-tenanay ho an’i Jehovah.
Ny taona nanaraka izany, dia tena faly aho nahazo ny fanendrena ahy voalohany, dia ny ho mpizara gazety (nantsoina tatỳ aoriana hoe mpikarakara ny gazety), niasa ho an’ilay fiangonana faharoa niforona tatỳ Pirée. Hatreto Pirée ka hatrany Eleusis ny faritaninay, mirefy 50 kilaometatra eo ho eo. Kristianina voahosotry ny fanahy maro no nanompo teo anivon’ilay fiangonana tamin’izay. Nanana tombontsoa niara-niasa sy niana-javatra tamin’izy ireny aho. Tiako ny niaraka taminy, satria nanan-javatra hotantaraina foana izy momba ny ezaka mafy tsy maintsy nataony mba hanaovana ny asa fitoriana. Nasehon’ny fiainan’izy ireny fa mila fiaretana sy fikirizana be ny fanompoana an’i Jehovah amim-pahatokiana. (Asan’ny Apostoly 14:22) Tena faly aho satria misy 50 mahery ankehitriny ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto amin’ity faritra ity!
Zava-tsarotra tsy nampoizina
Nifankahalala tamin’i Eleni aho tatỳ aoriana. Anabavy nahafatifaty sady be zotom-po izy, avy tany amin’ny tanànan’i Patras. Nifamofo izahay tamin’ny faramparan’ny taona 1952. Narary mafy anefa i Eleni, rehefa afaka volana vitsivitsy. Hitan’ny dokotera fa nisy fivontosana tao amin’ny atidohany, ary tena ratsy ilay aretiny. Tsy maintsy nodidiana teo no ho eo izy. Nahita dokotera tany Atena izahay rehefa avy nikaroka mafy. Nanaiky izy io fa hanaja ny zavatra inoanay ka tsy hampiasa ra amin’ny fitsaboana hataony, na dia voafetra ihany aza ny fitaovana nisy tamin’izany. (Levitikosy 17:10-14; Asan’ny Apostoly 15:28, 29) Taorian’ilay fandidiana, dia nanantena ihany ireo mpitsabo fa hihatsara ny fahasalaman’i Eleni, kanefa neken’izy ireo koa fa mety hiverina ilay aretina.
Inona no tokony ho nataoko tamin’izany? Tsy tokony hisaraka aminy ve aho, raha ny fiovan’ny tarehin-javatra no jerena? Tsia! Efa nampanantena ny hanambady azy aho, ka naniry hitana ny teny nataoko. (Matio 5:37) Tsy nieritreritra ny hivadika tamin’izany mihitsy aho na dia kely aza. Nokarakarain’ny zokiny vavy i Eleni, ka nihasitrana, ary nivady izahay tamin’ny Desambra 1954.
Niverina ny aretin’i Eleni telo taona tatỳ aoriana, ary namerina fandidiana indray ilay dokoterany. Tamin’io indray mandeha io kosa, dia lalina kokoa ny fandidiana natao tamin’ny atidohany, mba hanesorana tanteraka an’ilay fivontosana. Nanjary nalemy sy tsy afaka niteny ny vadiko noho izany. Niteraka zava-nanahirana vaovao maro be teo amin’ny fiainanay
izany. Lasa sarotra be tamin’ilay vady malalako na dia ny fanaovan-javatra tsotra indrindra aza. Tsy maintsy nasiana fiovana lehibe ny fiainanay andavanandro, noho ny toe-pahasalamany niharatsy hatrany. Fiaretana sy fikirizana mafy anefa no tena nilaina indrindra.Tamin’izay no tena nilako ilay fampiofanana nomen’ny reniko ahy. Nanomana izay nilaina rehetra tamin’ny sakafo aho isaky ny maraina be, ary i Eleni no nahandro. Nanasa vahiny imbetsaka izahay, toa an’ireo olona niara-nianatra Baiboly taminay na ireo namana kristianina nahantra teo anivon’ny fiangonana. Samy niaiky izy rehetra fa tena natsiro ireny sakafo ireny! Nifandamina koa izahay sy i Eleni tamin’ny fanaovana ny raharaha, mba hadio sy hilamina foana ny tranonay. Nitohy nandritra ny 30 taona izany toe-javatra faran’izay sarotra izany.
Nazoto na dia kilemaina aza
Tena nampahery ahy sy ny hafa ny nahita fa tsy nihena mihitsy na ny fitiavan’ny vadiko an’i Jehovah na ny zotom-pony ho an’ny fanompoana. Nahavita niteny kely ihany i Eleni, rehefa nandeha ny fotoana, sy noho ny fikirizany. Tiany ny nanatona olona teny amin’ny arabe sy nitory ny vaovao tsara avy ao amin’ny Baiboly. Nentiko niaraka tamiko izy, rehefa nanao dia noho ny asako aho, ary napetrako teo amoron-dalana be olona ny fiarako. Nosokafan’i Eleni ny fitaratra ka nasainy naka gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ny mpandalo. Indray mandeha, dia nahapetraka gazety 80 izy tao anatin’ny adiny roa. Matetika izy no nandany ny tahirin-gazetin’ny fiangonana. Nandray anjara tsy tapaka tamin’ny karazana fitoriana hafa koa i Eleni.
Niaraka tamiko tany amin’ny fivoriana foana ny vadiko, nandritra ireo taona rehetra naha kilemaina azy. Tsy mba nanapaka fivoriambe mihitsy izy, na dia voatery nandeha tany ivelan’i Gresy aza izahay, noho ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah teto. Faly izy nanatrika fivoriambe tany Aotrisy, Alemaina, Chypre, ary tany an-tany hafa, na dia kilemaina aza. Nitombo ny andraikitro teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ka nanasarotra ny fiainan’i Eleni indraindray, kanefa tsy mba be taraina na nila voatsiary izy.
Izaho kosa nianatra ny hanana fiaretana sy fikirizana nandritra iny fotoan-tsarotra iny. Imbetsaka aho no nahatsapa ny fanampian’i Jehovah. Tena nanao sorona mba hanampiana anay tamin’ny fomba rehetra ireo rahalahy sy anabavy, ary tena nanohana anay tamin-katsaram-panahy ireo dokotera. Azonay foana izay zavatra nilainay tamin’ny fiainanay, nandritra ireny fotoan-tsarotra rehetra ireny, na dia tsy afaka nanao asa manontolo andro aza aho satria sahirana sy tsy nanam-potoana firy. I Jehovah sy ny fanompoana azy foana no nataonay zava-dehibe indrindra.—Matio 6:33.
Maro no nanontany hoe inona no nahatonga anay haharitra tamin’ireny fotoam-pisedrana ireny. Rehefa mitodika ny lasa aho izao, dia hitako fa ny fianarana manokana ny Baiboly, ny vavaka tamim-pahatsoram-po, ny fanatrehana Salamo 37:3-5 manao hoe: “Matokia an’i Jehovah hianao, ka manaova soa, ... Miravoravoa amin’i Jehovah hianao ... Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.” Tena nanampy anay koa ilay andininy ao amin’ny Salamo 55:22 manao hoe: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao.” Tsy vitan’ny hoe napetrakay tamin’i Jehovah fotsiny ny entanay, fa tena navelanay hoentiny mihitsy, toy ny ataon’ny zazakely matoky tanteraka ny rainy.—Jakoba 1:6.
ny fivoriana kristianina tsy tapaka, ary ny fitoriana tamin-jotom-po, no nanamafy ny fiaretanay sy ny fikirizanay. Tsaroanay foana ireo teny mampahery ao amin’nyTamin’ny 12 Aprily 1987, raha nitory teo anoloan’ny tranonay ny vadiko, dia voadonan’ny varavarana vy be ary nianjera teny amin’ny sisin-dalana, ka naratra mafy. Tsy nahatsiaro tena nandritra ny telo taona izy taorian’izay, ary maty tamin’ny voalohandohan’ny taona 1990.
Nanompo an’i Jehovah hatramin’izay fara heriko
Tamin’ny 1960 aho dia voatendry ho mpikarakara ny fiangonana tao Nikaia, teto Pirée. Nanomboka tamin’izay, dia nahazo tombontsoa hanompo tany amin’ny fiangonana maro teto Pirée aho. Na dia tsy nanan-janaka aza aho, dia faly nanampy zanaka ara-panahy maro be hijoro tsara ao amin’ny fahamarinana. Misy amin’izy ireny izao anti-panahin’ny fiangonana, mpanampy amin’ny fanompoana, mpisava lalana, ary mpiasan’ny Betela.
Afaka nanatrika fivoriambe tamin-kalalahana amin’izay ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy nila niafina tany anaty ala intsony, rehefa naverina teto Gresy indray ny fitondrana entim-bahoaka, tamin’ny 1975. Tena nanampy anay tamin’izay ireo zavatra niainanay fony izahay nikarakara fivoriambe tany ivelany. Koa faly àry aho nomena tombontsoa ho anisan’ny komitin’ny fivoriambe nandritra ny taona maro.
Nisy fandaharana natao avy eo, tamin’ny 1979, mba hanorenana ny Efitrano Fivoriambe voalohany teto Gresy, teny amin’ny manodidina an’i Atena. Notendrena hanampy handamina sy hanatanteraka io tetik’asa fanorenana goavana io aho. Nitaky faharetana sy fikirizana be koa io asa io. Nanjary tena nifankatia sy niray saina izahay, rehefa niara-niasa tamin’ny rahalahy sy anabavy feno fahafoizan-tena, nandritra ny telo taona. Tsy ho voakosoka ato am-poko na oviana na oviana ireo fahatsiarovana ny nataonay tamin’iny tetik’asa iny.
Fikarakarana ara-panahy an’ireo voafonja
Nisy toe-javatra vaovao azo nohararaotina indray, rehefa afaka taona vitsivitsy. Ao Korydallos, eo akaikin’ny faritanin’ny fiangonana nisy ahy, no misy ny iray amin’ireo fonja lehibe indrindra eto Gresy. Izaho no mpitory tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah nasaina nitsidika an’io fonja io isan-kerinandro, nanomboka tamin’ny Aprily 1991. Navela hitarika fampianarana Baiboly sy fivoriana kristianina tao aho, ho an’ireo voafonja liana tamin’izany. Maro tamin’izy ireo no nanao fiovana lehibe, ka nanaporofo fa tena mahery ny Tenin’Andriamanitra. (Hebreo 4:12) Nampiaiky volana an’ireo mpiasan’ny fonja sy ny voafonja hafa izany. Efa nafahana ny sasany tamin’ireo voafonja niara-nianatra Baiboly tamiko, ka lasa mpitory ny vaovao tsara ankehitriny.
Nisy fotoana niarahako nianatra Baiboly tamin’ny mpivarotra rongony telo lahy. Rehefa nandroso ara-panahy izy ireo, dia nanala volombava sy nihogo volo ary nanao lobaka sy karavato, rehefa hanatrika ny fianarana Baiboly, na dia tamin’ny volana Aogositra aza, dia ny vanim-potoana mafana indrindra eto Gresy! Nihazakazaka nivoaka ny biraony ny mpitantana ny fonja sy ny lehiben’ny mpiambina ary ny mpiasa hafa, mba hijery ilay zava-nahagaga. Tena saika tsy nino izy ireo!
Nisy zava-nitranga nampahery koa tao amin’ny trano nisy ny vehivavy voafonja. Isaia 11:6, 7) Vetivety dia nanaja sy natoky azy ilay mpitantana ny fonja. Faly aho nahita azy nandroso tsara ara-panahy sy nanolo-tena ho an’i Jehovah.
Nianatra Baiboly ny vehivavy iray voaheloka mandra-pahafatiny noho ny famonoana olona. Nalaza ho mpikomy izy io. Tsy ela anefa dia niova be izy, noho ny fahamarinana nianarany tao amin’ny Baiboly, hany ka maro no nanamarika fa toy ny liona niova ho ondry izy! (Fanampiana ny osa sy ny be taona
Nahatonga ahy hangoraka kokoa ny marary sy ny be taona teo aminay, ny nahitako ny vadiko niady ela be tamin’ny aretina. Tena nahaliana ahy ireo boky sy gazetintsika nampirisika ny hanampiana amim-pitiavana ny olona toy ireny. Tena tiako ireny lahatsoratra ireny, ka nangoniko. Nahangona lahatsoratra zato pejy mahery aho, rehefa afaka taona maromaro, ka ny voalohany tamin’izany dia ilay hoe “Aoka Isika Haneho Fiheverana An’ireo Olona Be Taona na Ory”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1970. Maro tamin’ireny lahatsoratra ireny no nampiseho fa tokony handamina fanampiana ho an’ny marary sy ny be taona ny fiangonana.—1 Jaona 3:17, 18.
Nandamina antokona rahalahy sy anabavy vonona hikarakara izay ilain’ireo marary sy be taona eo anivon’ny fiangonana, ny anti-panahy. Nozarainay ho ekipa samihafa ireo mpiasa an-tsitrapo. Teo ireo afaka nanampy nandritra ny andro, ny sasany nandritra ny alina, ny hafa kosa nanome fitaterana, ary nisy hafa vonon-kanampy na andro na alina. Ireto farany dia natao toy ny ekipa tselatra, izay namaly antso teo no ho eo.
Tena nampahery ny vokatr’izany ezaka natao izany. Nipetra-drery, ohatra, ny anabavy narary iray, ka tamin’ilay andro nalamina mba hitsidihana azy no nahitana azy tsy nahatsiaro tena teo amin’ny tany. Nampandrenesinay ny anabavy iray nanana fiara, nipetraka teo akaikiny. Folo minitra monja dia tonga tany amin’ny hopitaly akaiky indrindra izy! Nilaza ireo dokotera fa izany no namonjy ny ain’ilay anabavy.
Nahay nankasitraka ireo narary sy be taona, ka nahatsiaro ho afa-po ireo anisan’ilay antoko-mpanampy. Mampahery ny manantena fa hiaraka amin’ireny rahalahy sy anabavy ireny isika ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, ary ho hafa tanteraka ny fiainana amin’izay. Mahafa-po koa ny mieritreritra hoe afaka niaritra izy ireo, satria nahazo fanampiana tamin’ny fotoana nijaliany.
Nitondra valisoa ny fikirizana
Anti-panahy ao amin’ny iray amin’ny fiangonana eto Pirée aho izao. Faly aho fa mbola mavitrika amin’ny asan’ny fiangonana, na dia efa mandroso taona sy tsy dia salama loatra aza.
Nitaky faharetana sy fikirizana be tsy toy ny mahazatra ireo fisedrana sy zava-tsarotra ary zava-nitranga tsy nampoizina hitako nandritra ny taona maro. Nanome ahy foana ny tanjaka nilaiko mba handresena ireny zava-manahirana ireny anefa i Jehovah. Matetika aho no nahatsapa fa marina ilay tenin’ny mpanao salamo manao hoe: “Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, dia ny famindramponao, Jehovah ô, no nanohana ahy. Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.”—Salamo 94:18, 19.
[Sary, pejy 25]
Izahay sy Eleni vadiko, rehefa avy nodidiana fanindroany izy, tamin’ny 1957
[Sary, pejy 26]
Tany amin’ny fivoriambe tany Nuremberg, any Alemaina, tamin’ny 1969
[Sary, pejy 28]
Ireo rahalahy sy anabavy nanampy ny marary sy ny be taona