Zava-dehibe ve ny Fahadiovana?
Zava-dehibe ve ny Fahadiovana?
SAMY manana ny ataony hoe madio ny olona. Rehefa asain’ny reniny manasa tanana sy tarehy, ohatra, ny ankizilahy kely iray, dia mety hihevitra izy fa ampy raha lemany fotsiny ny rantsantanana sy ny molotra. Mahay kokoa noho izy anefa i Neny. Averiny kosehina amin’ny savony sy rano be ny tanana sy ny tarehin-janany, na dia mikiakiaka toy inona aza izy!
Marina fa tsy mitovy ny fitsipika momba ny fahadiovana maneran-tany, ary samihafa ny zavatra ampianarina ny olona momba azy io. Fahiny, dia nanampy ny mpianatra hahalala hadio ny faritry ny sekoly nadio sy nilamina. Feno fako sy potipoti-javatra kosa ny tokotanin-tsekoly sasany ankehitriny, ka lasa toy ny fanariam-pako, fa tsy toy ny toerana filalaovana sy fanaovana fanatanjahan-tena. Ary ny ao an-dakilasy? Hoy i Darren, mpanadio ao amin’ny lise iray any Aostralia: “Misy fako koa izao ao an-dakilasy.” Misy mpianatra mihevitra fa voasazy izy matoa tenenina hoe: “Tsimpony io” na “diovy io.” Izao no olana: Tena ampiasain’ny mpampianatra sasany ho fanasaziana ny fanadiovana.
Etsy an-danin’izany, dia tsy manome ohatra tsara eo amin’ny fahadiovana foana ny olon-dehibe, na eo amin’ny fiainana andavanandro izany, na eo amin’ny asa. Betsaka, ohatra, ny toerana falehan’ny olona no mikorontana sy tsy mahate hijery. Mandoto ny tontolo iainana ny indostria sasany. Ny olona anefa no tena mandoto azy io fa tsy ny indostria sy ny orinasa. Mety ho ny fitiavam-bola no fototry ny fandotoana ny tontolo iainana maneran-tany sy ny zava-manahirana maro aterak’izany. Kanefa noho ny olona tsirairay tsy zatra mitandro ny fahadiovana no mahatonga ny ampahany amin’io olana io. Nanaiky izany ny tale jeneralin’ny Commonwealth taloha, any Aostralia, rehefa nilaza hoe: “Miankina amin’ny fitandrovan’ny tsirairay ny fahadiovana ny fahasalamam-bahoaka.”
Misy anefa mihevitra fa raharahan’ny tena manokana ny fahadiovana ka tsy tokony hidiran’olon-kafa. Izany tokoa ve?
Tena zava-dehibe mihitsy ny fahadiovan’ny sakafontsika, na vidintsika any an-tsena izany, na hanintsika any amin’ny hotely, na any an-tranon’ny namantsika. Tokony hanaraka fitsipika hentitra momba ny fahadiovana ireo mikarakara na mandroso ny sakafo hanintsika. Mety hiteraka aretina maro ny tanana maloto, na ny azy ireo izany, na ny antsika. Ahoana
kosa ny amin’ny hopitaly, izay toerana antenaintsika ho madio indrindra? Nilaza ny Gazetin’i Nouvelle-Angleterre Momba ny Fitsaboana (anglisy) fa, noho ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy tsy misasa tanana angamba no mahatonga ny marary ho voan’ny aretina hafa, ka andaniana iray alina tapitrisa dolara isan-taona ny fitsaboana izany. Rariny raha antenaintsika hadio hatrany ny olona mba tsy hanimba ny fahasalamantsika.Tena ratsy ny vokany raha nisy tsy nitandrina na ninia nandoto ny famatsian-dranontsika. Tsy hampidi-doza koa ve ny mandeha tsy mikiraro eny amoron-dranomasina, nefa mety hisy fitaovam-panindronana narian’ny olona nandevozin’ny zava-mahadomelina sy ny olon-kafa teny? Mbola zava-dehibe kokoa ho an’ny tsirairay angamba ny hoe: Hajaina ve ny fahadiovana ao an-tranontsika?
Nanontany toy izao i Suellen Hoy, tao amin’ny bokiny hoe Esory ny Loto (anglisy): “Madio toy ny taloha ve isika?” Namaly toy izao izy: “Tsia angamba.” Ny antony voalohany mahatonga izany, hoy izy, dia ny fiovan’ny fitsipika arahin’ny olona. Mihakely ny fotoana ipetrahan’ny olona ao an-trano, ka olon-kafa no karamainy hanadio. Tsy loha laharana eo amin’ny isam-batan’olona intsony ny fitandrovana ny fahadiovan’ny manodidina. “Ny tenako no dioviko, fa tsy ny efitra fidiovana”, hoy ny lehilahy iray. “Fara faharatsiny, mba madio ny tenako, na maloto aza ny tranoko.”
Mihoatra lavitra noho izay miseho ivelany anefa ny fahadiovana. Tafiditra amin’izy io ny zava-drehetra atao mba hananana fiainana mahasalama. Izy io koa dia toe-tsaina sy toe-po, mahafaoka ny fitsipi-pitondran-tena sy ny fivavahana. Andeha hojerentsika ny antony ilazana izany.