Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no dikan’ilay fanamarihana ao amin’ny Hebreo 12:4 hoe: ‘Hianareo tsy mbola nanohitra hatramin’ny fahalatsahan-dra’?

Midika hoe miaritra hatramin’ny fahafatesana ilay hoe ‘nanohitra hatramin’ny fahalatsahan-dra.’

Fantatry ny apostoly Paoly fa efa ‘naharitra ny ady mafy tamin’ny fahoriana’ ny Kristianina hebreo sasany, satria nanam-pinoana. (Hebreo 10:32, 33) Rehefa nilaza izany i Paoly dia toa noraisiny ho ohatra ny ady mafy teo amin’ny fifaninanana atletisma grika. Mety ho tafiditra tamin’izany ny hazakazaka, tolona, ady totohondry, ary ny fanipazana kapila sy lefona. Nampirisika ireo Kristianina namany toy izao àry izy, ao amin’ny Hebreo 12:1: “Aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao.”

Mety ho ny ady totohondry indray no noraisin’i Paoly ho ohatra fa tsy ny hazakazaka, ao amin’ny Hebreo 12:4. (Samy resahina ao amin’ny 1 Korintiana 9:26 na ny mpihazakazaka, na ny mpanao ady totohondry.) Nofonosina tady hoditra ny totohondry sy ny hatotanan’ireo mpanao ady totohondry fahiny. Nety ho nasiana ‘firamainty na vy boribory mihitsy aza tamin’ilay tady hoditra, ka nandratra mafy an’ireo mpilalao.’ Nampibaba ra na nahafaty mihitsy aza indraindray ny ady tsy nisy indrafo toy izany.

Maro tamin’ireo Kristianina hebreo no nenjehina sy nampijalijalina. Namoy ny ainy mihitsy ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky ireo, izany hoe tonga “hatramin’ny fahalatsahan-dra.” Mariho ny zavatra niaretan’ny olo-mahatoky fahiny, araka ny nolazain’i Paoly:

“Notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin’ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr’ondry sy hoditr’osy; efa lao, ory, fadiranovana.” Nasongadin’i Paoly avy eo i Jesosy, ilay Mpandavorary ny finoantsika, ‘Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy.’—Hebreo 11:37; 12:2.

Eny, maro no ‘nanohitra hatramin’ny fahalatsahan-dra’, izany hoe hatramin’ny fahafatesana. Mbola mafy kokoa noho ny ady amin’ny tsy fahampiam-pinoana, izay sokajina ho fahotana, ny adin’izy ireo. Tsy nivadika izy ireo na dia nampijalijalina aza, fa nahatoky hatramin’ny fahafatesana.

Mbola tsy voasedra mafy toy izany ireo vaovao teo anivon’ny fiangonana tany Jerosalema, satria mety ho efa nihena ilay fanenjehana nahery vaika vao lasa Kristianina izy ireo. (Asan’ny Apostoly 7:54-60; 12:1, 2; Hebreo 13:7) Vao tratran’ny fisedrana nalefaka kokoa noho izany anefa ny sasany tamin’izy ireo dia efa kivy, ka tsy nanohy ilay ady intsony. ‘Ketraka izy ireo, ka reraka ny fanahiny.’ (Hebreo 12:3) Nila nihamatotra izy ireo, mba hahafahany hiaritra izay rehetra mety hitranga, na dia fampijalijaliana mandra-pahafaty aza.—Hebreo 6:1; 12:7-11.

Kristianina maro ankehitriny no ‘nanohitra hatramin’ny fahalatsahan-dra’, ka novonoina satria tsy nety nampandefitra ny finoany kristianina. Tsy tokony hampahatahotra ny tenin’i Paoly ao amin’ny Hebreo 12:4. Asehon’izy io kosa fa tapa-kevitra ny hahatoky eo anatrehan’Andriamanitra isika, hatramin’ny farany. Nanoratra toy izao koa i Paoly ao amin’io taratasiny ho an’ny Hebreo io: “Aoka isika hanana fahasoavana ho entintsika manao izay fanompoana sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana.”—Hebreo 12:28.