Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niaritra Tsilo Tamin’ny Nofony Izy Ireo

Niaritra Tsilo Tamin’ny Nofony Izy Ireo

Niaritra Tsilo Tamin’ny Nofony Izy Ireo

‘Nasiana tsilo tamin’ny nofo aho, dia irak’i Satana, hamely ahy [tsy an-kijanona].’—2 KORINTIANA 12:7.

1. Inona no anisan’ny olana atrehin’ny olona ankehitriny?

MIATRIKA fisedrana mitohy ve ianao? Tsy irery ianao, raha izany no izy. “Andro mahory” izao, ka misy Kristianina mahatoky miaritra fanoherana mafy, olana ao an-tokantrano, aretina, fanahiana ara-bola, fahakiviana ary fahafatesan’ny havan-tiana sy zava-tsarotra hafa. (2 Timoty 3:1-5) Mitady haningotra ny ain’ny maro ny mosary sy ny ady any amin’ny tany sasany.

2, 3. Inona no fihetsika mahakivy mety ho vokatry ny olana toy ny tsilo atrehintsika, ary nahoana izany no mety hampidi-doza?

2 Mety hahatonga ny olona iray hahatsiaro ho tototra tanteraka ireny olana ireny, indrindra fa rehefa indray mianjady aminy. Mariho izao lazain’ny Ohabolana 24:10 izao: “Raha reraka amin’ny andro fahoriana hianao, dia kely ny herinao.” Mety handany ny hery tena ilaintsika tokoa ny fahakiviana ateraky ny fisedrana, ka mety hahatonga antsika tsy ho tapa-kevitra tsara ny hiaritra hatramin’ny farany. Nahoana?

3 Satria mety tsy hahay hieritreritra tsara intsony isika rehefa kivy. Mety hoheverintsika ho lehibe loatra, ohatra, ny zava-manahirana antsika, ka hanomboka hitsetra tena isika. Mety hisy mihitsy aza hitalaho amin’Andriamanitra hoe: “Fa nahoana aho no avelanao hijaly toy izao?” Mety hampihena tsikelikely ny fifaliana sy ny fatokisan’ny olona iray ny toe-tsaina mora kivy toy izany, raha mamaka ao am-pony. Mety hanjary ho kivy tanteraka ny mpanompon’i Jehovah iray, ka mety tsy hiady “ny ady tsaran’ny finoana” intsony.—1 Timoty 6:12.

4, 5. Nahoana no lazaina fa anisan’ny mahatonga ny olana mahazo antsika i Satana, nefa inona no atokisantsika?

4 Tsy i Jehovah Andriamanitra mihitsy no misedra antsika. (Jakoba 1:13) Noho isika miezaka ny tsy hivadika aminy fotsiny, ohatra, no mahatonga ny fisedrana sasany. Izay rehetra manompo an’i Jehovah tokoa dia lasibatr’i Satana Devoly, ilay fahavalony lehibe indrindra. Miezaka hitarika ny olona tsy hanao ny sitrapon’i Jehovah intsony io “andriamanitr’izao tontolo izao” io, ao anatin’ilay fotoana kely sisa ananany. (2 Korintiana 4:4) Ampahorin’i Satana mafy araka izay vitany ireo rahalahintsika rehetra eran’izao tontolo izao. (1 Petera 5:9) Marina fa tsy i Satana mivantana no mahatonga ny olana rehetra atrehintsika, nefa hararaotiny ny olana mahazo antsika mba hampihenana ny herintsika.

5 Afaka mandresy an’i Satana anefa isika, na mampahatahotra toy inona aza izy na ny fiadiany! Nahoana isika no mahazo antoka ny amin’izany? Satria miady ho antsika i Jehovah Andriamanitra. Nampahafantariny tsara an’ireo mpanompony ny tetik’i Satana. (2 Korintiana 2:11) Velabelarin’ny Tenin’Andriamanitra amintsika mihitsy ireo fisedrana mihatra amin’ny tena Kristianina. Nantsoin’ny Baiboly hoe “tsilo tamin’ny nofo” ny fisedrana nanjo ny apostoly Paoly. Nahoana? Andeha hojerentsika ny fanazavan’ny Tenin’Andriamanitra an’io teny io. Ho hitantsika koa fa tsy isika irery no mila ny fanampian’i Jehovah mba hiaretana fisedrana.

Nahoana no toy ny tsilo ny fitsapana?

6. Inona no tian’i Paoly holazaina tamin’ilay hoe “tsilo tamin’ny nofo”, ary mety ho inona izy io?

6 Nahazo tsindrimandry hanoratra toy izao i Paoly, izay voasedra mafy: ‘Nasiana tsilo tamin’ny nofo aho, dia irak’i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho.’ (2 Korintiana 12:7) Inona io tsilo tamin’ny nofon’i Paoly io? Manaintaina tokoa ny tsilo milentika lalina any anaty nofo. Asehon’io fanoharana io àry fa nisy zavatra nampanaintaina, na nampijaly an’i Paoly. Mety ho ara-batana ilay izy na ara-pihetseham-po, na izy roa mitambatra. Narary maso angamba i Paoly na voan’ny aretina hafa. Mety ho anisan’ilay tsilo koa ireo olona tsy nanaiky ny porofo nomen’i Paoly fa apostoly izy, ary nanda fa zava-dehibe ny fitoriany sy ny fampianarany. (2 Korintiana 10:10-12; 11:5, 6, 13) Na inona anefa io tsilo io na inona, dia niraikitra mafy ary tsy azo nesorina.

7, 8. a) Inona no dikan’ilay teny hoe ‘mamely’ tsy an-kijanona? b) Nahoana isika no tena mila miaritra ny tsilo rehetra mampahory antsika ankehitriny?

7 Mariho fa namely tsy an-kijanona an’i Paoly ilay tsilo. Mahaliana fa nalain’i Paoly avy tamin’ilay teny grika hoe “tonon-taolan’ny rantsantanana” ilay matoanteny nampiasainy teto. Ampiasaina ara-bakiteny io teny io ao amin’ny Matio 26:67, ary atao fanoharana ao amin’ny 1 Korintiana 4:11. Manondro famelezana amin’ny totohondry izy io ao amin’ireo andinin-teny ireo. Tena mankahala an’i Jehovah sy ny mpanompony i Satana Devoly, ka azontsika antoka fa faly izy nahita ilay tsilo namely tsy an-kijanona an’i Paoly. Faly koa i Satana ankehitriny, rehefa ampijalin’ny tsilo amin’ny nofo isika.

8 Mila mahafantatra ny fomba hiaretana ireny tsilo ireny toa an’i Paoly àry isika. Iankinan’ny aintsika mihitsy ny fanaovana izany! Tadidio fa irin’i Jehovah ny hiainantsika mandrakizay ao amin’ny tontolony vaovao tsy hisy olana toy ny tsilo mampijaly intsony. Manome ohatra maro ho antsika Andriamanitra ao amin’ny Teniny, mba hanampiana antsika hahazo io loka faran’izay tsara io. Asehon’ireo ohatra ireo fa nahavita niaritra ny tsilo tamin’ny nofony ny mpanompony nahatoky. Toy ny olon-drehetra sady tsy lavorary toa antsika ihany izy ireo. Mety hanampy antsika ‘hihazakazaka amin’ny faharetana amin’ny fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika’, ny fandinihana ny sasany amin’ireo “vavolombelona maro be” ireo. (Hebreo 12:1) Ny fisaintsainana ny zavatra niaretan’izy ireo dia hanamafy ny fatokisantsika fa afaka miaritra ny tsilo rehetra mety hamelezan’i Satana antsika isika.

Ireo tsilo nampahory an’i Mefiboseta

9, 10. a) Inona no nahatonga an’i Mefiboseta hanana tsilo tamin’ny nofony? b) Ahoana no nampisehoan’i Davida Mpanjaka fiantrana tamin’i Mefiboseta, ary ahoana no anahafantsika an’i Davida?

9 Diniho i Mefiboseta, zanak’i Jonatana naman’i Davida. Dimy taona i Mefiboseta rehefa nisy namono i Jonatana rainy sy Saoly Mpanjaka raibeny. Raiki-tahotra ilay mpitaiza azy. “Nentiny nandositra tamin’ny fahatairana izy [Mefiboseta], dia nianjera ka tonga malemy tongotra.” (2 Samoela 4:4) Azo antoka fa tena toy ny tsilo tamin’i Mefiboseta io kilema tsy maintsy niaretany io, rehefa nihalehibe izy.

10 Niantra an’i Mefiboseta i Davida Mpanjaka, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, noho ny fitiavany lalina an’i Jonatana. Nomeny an’i Mefiboseta ny tanin’i Saoly rehetra, ary notendreny hikarakara an’io tany io i Ziba, mpanompon’i Saoly. Nilaza toy izao tamin’i Mefiboseta koa i Davida: “Hihinana eo amin’ny latabatro mandrakariva” ianao. (2 Samoela 9:6-10) Azo antoka fa sady nampionona an’i Mefiboseta ny fiantran’i Davida no nanamaivana ny fahoriana nateraky ny kilemany. Lesona faran’izay tsara izany! Tokony ho tsara fanahy amin’ny olona miaritra tsilo amin’ny nofo koa isika.

11. Inona no nolazain’i Ziba momba an’i Mefiboseta, nefa ahoana no ahafantarantsika fa nandainga izy? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

11 Tsy maintsy niaritra tsilo hafa tamin’ny nofony koa i Mefiboseta tatỳ aoriana. Nanendrikendrika azy tany amin’i Davida Mpanjaka i Ziba mpanompony, rehefa iny nandositra an’i Jerosalema iny indrindra i Davida, noho ny fikomian’i Absaloma zanany. Nilaza i Ziba fa nivadika i Mefiboseta, ka nitaredretra tany Jerosalema satria nanantena ny ho lasa mpanjaka. * Nino ny fanendrikendrehan’i Ziba i Davida, ka nomeny an’io mpandainga io ny fananan’i Mefiboseta rehetra!—2 Samoela 16:1-4.

12. Inona no nataon’i Mefiboseta tamin’ny toe-javatra nisy azy, ary nahoana no ohatra tsara ho antsika izy?

12 Nolazain’i Mefiboseta tamin’i Davida Mpanjaka anefa ny tena marina, rehefa nihaona izy ireo. Niomana hanaraka an’i Davida mihitsy izy, saingy nofitahin’i Ziba. Nanolo-tena hisolo tena azy mantsy i Ziba. Nanonitra io ratsy natao io ve i Davida? Ny ampahany ihany, satria nozarainy tamin’ireo lehilahy roa ireo ilay tany. Nety ho tsilo hafa tamin’ny nofon’i Mefiboseta izany. Diso fanantenana be ve izy? Tsy nekeny ve ny fanapahan-kevitr’i Davida, ka nitaraina izy hoe tsy rariny izany? Tsia. Nanetry tena kosa izy ary nanaraka ny fanirian’ny mpanjaka. Nifantoka tamin’ny zavatra tsara izy, ka nifaly satria tafaverina soa aman-tsara ilay tokony ho mpanjakan’ny Isiraely. Ohatra faran’izay tsara tokoa i Mefiboseta tamin’ny fiaretana kilema sy fanendrikendrehana ary fahadisoam-panantenana.—2 Samoela 19:25-31.

Niaritra ny fisedrana nahazo azy i Nehemia

13, 14. Inona ireo tsilo tsy maintsy niaretan’i Nehemia rehefa niverina mba hanorina indray ny mandan’i Jerosalema izy?

13 Eritrereto koa ireo olana toy ny tsilo niaretan’i Nehemia, rehefa niverina tany Jerosalema tsy nimanda izy, tamin’ny taonjato fahadimy al.f.i. Tena tsy nanam-piarovana ilay tanàna, ary nikorontana sy kivy ary naloto teo imason’i Jehovah ireo Jiosy tafaverina. Na dia nahazo fahazoan-dalana tamin’i Artaksersesy Mpanjaka mba hanorina indray ny mandan’i Jerosalema aza i Nehemia, dia hitany fa halan’ireo governoran’ny tanàna nanodidina ny asa nanirahana azy. ‘Sosotra loatra izy ireo, satria nisy lehilahy tonga hitady izay hahasoa ny Zanak’Isiraely.’—Nehemia 2:10.

14 Nanao araka izay fara heriny ireo mpanohitra avy amin’ny firenen-kafa ireo mba hampitsaharana ny asan’i Nehemia. Nandrahona, nandainga, nanendrikendrika, nampitahotra, ary nampiasa mpitsikilo mihitsy izy ireo mba hanakiviana an’i Nehemia. Azo antoka fa toy ny tsilo niraikitra tamin’ny nofon’i Nehemia izany. Resin’ny tetik’ireo fahavalo ireo ve anefa izy? Tsia! Nitoky tanteraka tamin’Andriamanitra izy, ka tsy kivy mihitsy. Nanjary porofon’ny fitiavana sy ny fanampian’i Jehovah an’i Nehemia ny mandan’i Jerosalema, rehefa tafaorina.—Nehemia 3:33–4:6; 6:1-19.

15. Inona avy ny olana teo amin’ny Jiosy, ka nampahory mafy an’i Nehemia?

15 Governora i Nehemia, ka tsy maintsy niatrika olana hafa teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra. Toy ny tsilo nampanaintaina azy mafy ireny zava-nanahirana ireny, satria nisy fiantraikany teo amin’ny fifandraisan’ilay vahoaka tamin’i Jehovah. Nitaky zanabola be ireo mpanan-karena, ary voatery namoy ny taniny sy nivarotra ny zanany ho andevo mihitsy aza ny rahalahin’izy ireo nahantra, mba handoavana ny trosany sy hetra ho an’i Persia. (Nehemia 5:1-10) Maro ny Jiosy tsy nitandrina ny Sabata sady tsy nanao ny fanomezana tokony ho natao ho an’ny Levita sy ny tempoly. Nisy koa nanambady “vehivavy avy any Asdoda sy Amona sy Moaba.” Tena nampalahelo an’i Nehemia izany! Tsy nampitsahatra azy mihitsy anefa ireo tsilo rehetra ireo. Niezaka mafy hatrany izy mba hazoto hankatò ireo lalàna marin’Andriamanitra. Aoka isika hanahaka an’i Nehemia, ka tsy hamela ny fivadihan’ny olon-kafa hahatonga antsika hitsahatra tsy hanompo an’i Jehovah amim-pahatokiana.—Nehemia 13:10-13, 23-27.

Niaritra ny olona mahatoky maro

16-18. Inona no olana tao an-tokantranon’i Isaka, Rebeka, Hana sy Davida ary Hosea, ka nampahory azy ireo?

16 Misy ohatra maro mampiseho olona niaritra toe-javatra nampahory toy ny tsilo, ao amin’ny Baiboly. Ny olana tao an-tokantrano no nahatonga ireny tsilo ireny matetika. “Nangidy tamin’ny fanahin’Isaka sy Rebeka [ray aman-drenin’i Esao] indrindra” ireo vehivavy roa vadin’i Esao. Nilaza mihitsy aza i Rebeka fa tsy te ho velona izy, noho ireo vehivavy ireo. (Genesisy 26:34, 35; 27:46) Eritrereto koa ny nanjo an’i Hana. “Nanorisory azy” i Penina rafiny, satria tsy niteraka i Hana. Matetika angamba i Hana no niaritra mangina izany fanesoana izany tao an-tranon’izy ireo. Nanaratsy azy teny imasom-bahoaka koa i Penina, rehefa nanatrika ny andro firavoravoana tany Silo ny fianakaviana, ka azo inoana ho nanao izany nanoloana ny havana sy namana izy. Toy ny nandentika ilay tsilo lalindalina kokoa tao anatin’ny nofon’i Hana izany.—1 Samoela 1:4-7.

17 Saintsaino koa ny zavatra niaretan’i Davida, satria nialona azy tsy amin’ny antony i Saoly Mpanjaka rafozany. Voatery niaina tany anaty zohy tany an’efitr’i En-jedy i Davida, mba hiarovana ny ainy, ary tsy maintsy nananika lalana mideza sady mampidi-doza no feno vato. Tsy maintsy ho nampahatezitra azy izany tsy rariny nihatra taminy izany, satria tsy nanisy ratsy an’i Saoly mihitsy izy. Tsy maintsy nandositra nandritra ny taona maro anefa i Davida, ary ny fialonan’i Saoly ihany no anton’izany rehetra izany.—1 Samoela 24:15, 16; Ohabolana 27:4.

18 Eritrereto koa ny olana tao an-tokantranon’i Hosea mpaminany. Lasa nanitsakitsaka azy ny vadiny. Tsy maintsy ho toy ny tsilo nanindrona ny fony ny fahalotoam-pitondran-tenan’ny vadiny. Azo antoka koa fa vao mainka nalahelo izy rehefa niteraka zazasary roa io vadiny io!—Hosea 1:2-9.

19. Inona no fanenjehana nampahory an’i Mikaia mpaminany?

19 Tsilo amin’ny nofo koa ny fanenjehana. Diniho ny zavatra niainan’i Mikaia mpaminany. Azo antoka fa ory mafy i Mikaia lehilahy marina, rehefa nahita fa naka mpaminany sandoka maro i Ahaba Mpanjaka ratsy fanahy, sady nino ny lainga be nataon’izy ireo. Inona no nataon’ny lehiben’ireo mpamitaka ireo, rehefa nilaza tamin’i Ahaba i Mikaia fa avy amin’ny “fanahy mandainga” no itenenan’ireo mpaminany rehetra ireo? “Namely ny takolak’i Mikaia” izy! Ratsy kokoa noho izany aza ny nataon’i Ahaba, rehefa nampitandrina i Jehovah fa ho resy izy rehefa hiady mba haka indray an’i Ramota-gileada. Nasain’i Ahaba nampidirina an-tranomaizina i Mikaia, ary tsy nomena afa-tsy sakafo kely. (1 Mpanjaka 22:6, 9, 15-17, 23-28) Tadidio koa i Jeremia sy ny nataon’ireo mpanenjika te hamono azy.—Jeremia 20:1-9.

20. Inona avy ireo tsilo tsy maintsy niaretan’i Naomy, ary inona no valisoa azony?

20 Mangidy koa ny fahafatesan’ny havan-tiana, ka azo lazaina hoe tsilo amin’ny nofo. Tsy maintsy niaritra ny fahafatesan’ny vadiny sy ny zanany roa lahy i Naomy ary nampalahelo tokoa izany. Niverina tany Betlehema izy, na dia mbola tao anatin’izany fahoriana mivaivay izany aza. Tsy nasainy niantso azy hoe Naomy intsony ny namany, fa Mara, satria asongadin’io anarana io fa nangidy tokoa ny zavatra niainany. Namaly soa an’i Naomy noho ny fiaretany anefa i Jehovah tamin’ny farany, ka nanome azy zafikely, izay lasa razamben’ilay Mesia.—Rota 1:3-5, 19-21; 4:13-17; Matio 1:1, 5.

21, 22. Inona no nafoin’i Joba ka nampahory azy, ary ahoana no niatrehany izany?

21 Eritrereto koa i Joba. Azo antoka fa taitra mafy izy, rehefa nandre fa maty tampoka ny zanany folo malalany, ary tsy vitan’izay fa ripaka daholo ny bibiny sy ny mpanompony. Toy ny potika tanteraka tampoka ny fiainany manontolo! Nasian’i Satana aretina koa i Joba, na dia mbola tsy tafarina tamin’izany fahoriana izany aza. Nieritreritra ny ho fatin’io areti-mandoza io mihitsy angamba i Joba. Nanaintaina loatra izy, ka nieritreritra fa ny fahafatesana no fanafodiny.—Joba 1:13-20; 2:7, 8.

22 Vao mainka nanampy trotraka ny fahoriany koa ny vadiny. Nalahelo izy ka nilaza tamin’i Joba hoe: “Mahafoiza an’Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty.” Tena tsilo tamin’ny nofon’i Joba efa narary izany! Tonga avy eo izy telo lahy naman’i Joba. Tsy nampionona azy akory izy ireo, fa namely azy tamin’ny fanjohian-kevitra mamitaka, nanendrikendrika azy ho nanota niafina, ary nilaza fa izany no nahatonga an’i Joba hijaly. Azo lazaina fa vao mainka nandentika ilay tsilo lalindalina kokoa tamin’ny nofon’i Joba ny hevi-dison’izy ireo. Tadidio koa fa tsy fantatr’i Joba ny antony nahatonga azy ho voan’ireny zava-doza ireny, ary tsy fantany koa fa ho voatsimbina ny ainy. Kanefa, “tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an’Andriamanitra.” (Joba 1:22; 2:9, 10; 3:3; 14:13; 30:17) Tsy nivadika mihitsy izy, na dia maro be aza ireo tsilo indray nanindrona azy. Mampahery tokoa izany!

23. Nahoana ireo olona nahatoky noresahintsika ireo no afaka niaritra tsilo samy hafa tamin’ny nofo?

23 Tsy ireo ihany akory no ohatra azo raisina. Mbola betsaka no hita ao amin’ny Baiboly. Samy tsy maintsy niaritra ny tsilony avy ireny mpanompo nahatoky ireny. Tena samy hafa koa ny olana natrehin’izy ireo! Misy zavatra iombonan’izy rehetra anefa. Tsy nisy namela ny fanompoany an’i Jehovah izy ireo. Mafy ny fitsapana azy ireo, nefa naharesy an’i Satana izy ireo, satria nomen’i Jehovah hery. Tamin’ny fomba ahoana? Hamaly io fanontaniana io ny lahatsoratra manaraka sady hampiseho amintsika ny fomba hiaretantsika ny zava-drehetra mitovy amin’ny tsilo amin’ny nofontsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Tsy ho namorona tetika toy izany i Mefiboseta, satria tsy mba olona tia laza izy fa nahay nankasitraka sy nanetry tena kosa. Azo antoka fa fantany tsara ny fahatokian’i Jonatana rainy. Zanak’i Saoly Mpanjaka i Jonatana, nefa nanetry tena ary nanaiky fa i Davida no nofidin’i Jehovah ho mpanjakan’ny Isiraely. (1 Samoela 20:12-17) Tsy ho nampirisika an’i Mefiboseta zanany haniry ho mpanjaka i Jonatana, satria natahotra an’Andriamanitra sady tsy nivadika tamin’i Davida namany.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana no azo oharina amin’ny tsilo amin’ny nofo ireo olana atrehintsika?

• Inona avy no anisan’ny tsilo tsy maintsy niaretan’i Mefiboseta sy Nehemia?

• Maro ireo lehilahy sy vehivavy niaritra tsilo tamin’ny nofo, voaresaka ao amin’ny Baiboly. Iza tamin’ireny no tena nampihetsi-po anao, ary nahoana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Tsy maintsy niaritra kilema sy fanendrikendrehana ary fahadisoam-panantenana i Mefiboseta

[Sary, pejy 16]

Naharitra i Nehemia na dia teo aza ny fanoherana