Mampisava ny Haizina ny Fahazavana avy Amin’Andriamanitra!
Mampisava ny Haizina ny Fahazavana avy Amin’Andriamanitra!
“Jehovah mampahazava ny fahamaizinako.”—2 SAMOELA 22:29.
1. Inona no ifandraisan’ny fahazavana sy ny fiainana?
“ANDRIAMANITRA nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.” (Genesisy 1:3) Mafonja ireo teny mitantara ny famoronana ao amin’ny Genesisy ireo, ary asehony fa avy amin’i Jehovah ny hazavana mahatonga ny fiainana hisy eto an-tany. Avy aminy koa ny fahazavana ara-panahy, izay tena ilaina mba hitari-dalana antsika eo amin’ny fiainana. (Salamo 43:3) Nasehon’i Davida Mpanjaka fa mifandray akaiky ny fahazavana ara-panahy sy ny fiainana. Izao no nosoratany: “Ao aminao no misy loharanon’aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.”—Salamo 36:9.
2. Mifandray akaiky amin’ny inona ny fahazavana, araka ny nasehon’i Paoly?
2 Niresaka ny amin’ny famoronana ny apostoly Paoly, 1 000 taona teo ho eo taorian’ny andron’i Davida. Izao no nosoratany ho an’ny fiangonana kristianina tany Korinto: “Andriamanitra, Izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ny maizina.” Nasehon’i Paoly avy eo fa mifandray akaiky ny fahazavana ara-panahy sy ny fahalalana an’i Jehovah. Hoy izy: ‘Izy no nampahazava ny fonay ho amin’ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny tavan’i Jesosy Kristy.’ (2 Korintiana 4:6) Ahoana no hahatongavan’izany fahazavana izany atỳ amintsika?
Mpampita fahazavana ny Baiboly
3. Inona no fahazavana omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny Baiboly?
3 Amin’ny alalan’ny Teniny ara-tsindrimandry, dia ny Baiboly, no tena ampitan’i Jehovah ny fahazavana ara-panahy. Koa mamela ny fahazavany hamiratra eo amintsika isika rehefa mianatra azy io sy mahazo fahalalana avy amin’Andriamanitra. Hazavain’i Jehovah ao amin’ny Baiboly ny fikasany sy ny fomba anaovana ny sitrapony. Mampisy zava-kendrena ny fiainantsika izany ary manome fahafaham-po amin’izay ilaintsika ara-panahy. (Mpitoriteny 12:1; Matio 5:3) Nantitranterin’i Jesosy fa tsy maintsy karakaraintsika izay ilaintsika ara-panahy, rehefa nanonona izao Lalàn’i Mosesy izao izy: “Voasoratra hoe: ‘Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.’”—Matio 4:4; Deoteronomia 8:3.
4. Nahoana i Jesosy no antsoina hoe “fahazavan’izao tontolo izao”?
4 Ampifandraisina akaiky amin’ny fahazavana ara-panahy i Jesosy. Niantso ny tenany ho “fahazavan’izao tontolo izao” mihitsy izy. Hoy izy: “Izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.” (Jaona 8:12) Takatsika avy amin’izany teny izany fa mandray anjara faran’izay lehibe amin’ny fampitana ny fahamarinan’i Jehovah amin’ny olombelona, i Jesosy. Tsy maintsy mihaino izay rehetra lazain’i Jesosy isika, raha te hanalavitra ny haizina sy handeha amin’ny fahazavan’Andriamanitra. Tsy maintsy arahintsika akaiky koa ny ohatra nomeny sy ny fampianarany ao amin’ny Baiboly.
5. Inona no andraikitry ny mpanara-dia an’i Jesosy taorian’ny nahafatesany?
5 Nilaza ny tenany ho toy ny fahazavana indray i Jesosy, andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Mbola kely ihany no hitoeran’ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava hianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin’ny maizina dia tsy mahalala izay alehany. Raha mbola manana ny mazava hianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava.” (Jaona 12:35, 36) Nianatra ny “mariky ny teny tsy misy kilema” ao amin’ny Baiboly ireo tonga zanaky ny mazava. (2 Timoty 1:13, 14) Nampiasainy avy eo izany teny tsy misy kilema izany mba hanintonana ny olona tso-po hiala amin’ny haizina ho amin’ny fahazavan’Andriamanitra.
6. Inona no fahamarinana fototra momba ny fahazavana sy ny haizina, hitantsika ao amin’ny 1 Jaona 1:5?
6 Izao no nosoratan’ny apostoly Jaona: “Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.” (1 Jaona 1:5) Mariho fa mifanohitra eto ny mazava sy ny maizina. Avy amin’i Jehovah ny fahazavana ara-panahy, koa tsy misy ifandraisana aminy ny haizina ara-panahy. Avy amin’iza àry izany haizina izany?
Ny niavian’ny haizina ara-panahy
7. Iza no ao ambadiky ny haizina ara-panahin’ity tontolo ity, ary inona no hery ananany?
7 Niresaka ny amin’ny “andriamanitr’izao tontolo izao” ny apostoly Paoly. I Satana Devoly no tiany horesahina amin’izany. Nolazainy koa fa ‘nanajamba ny sain’ny tsy mino izy, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra.’ (2 Korintiana 4:4) Maro no milaza fa mino an’Andriamanitra, kanefa betsaka amin’izy ireo no milaza fa tsy mino ny fisian’ny Devoly. Fa nahoana? Tsy ekeny fa mety hisy hery ratsy mahery noho ny olombelona hanan-kery eo amin’ny fomba fisainany. Tena misy anefa ny Devoly, araka ny asehon’i Paoly, ary tena manan-kery amin’ny olona izy io, mba tsy hahitan’izy ireo ny fahazavan’ny fahamarinana. Manan-kery amin’ny sain’ny olona i Satana satria voalazan’ny faminaniana fa izy no “ilay ... mamitaka izao tontolo izao.” (Apokalypsy 12:9) Noho ny asan’i Satana, dia mihatra amin’ny olona rehetra tsy manompo an’i Jehovah, izay nolazain’ny mpaminany Isaia mialoha hoe: “Indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena.”—Isaia 60:2.
8. Ahoana no ahitana fa tsy mahalala izay alehany ireo ao anatin’ny haizina ara-panahy?
8 Mora very na tsy mahalala izay alehany ny olona ao anatin’ny haizim-pito, satria tsy mahita na inona na inona. Toy izany koa ny olona ao anatin’ny haizina ara-panahy. Tsy mahataka-javatra firy izy, ka tsy ela dia tsy mahalala izay alehany, raha ny ara-panahy no resahina. Tsy hainy intsony ny manavaka ny marina sy ny diso, na ny tsara sy ny ratsy. Izao no nosoratan’ny mpaminany Isaia momba ny olona ao anatin’ny haizina toy izany: “Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mazava ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!” (Isaia 5:20) Iharan’ny herin’i Satana Devoly, ilay andriamanitry ny haizina, ireo mitoetra ao anatin’ny haizina ara-panahy, hany ka tafasaraka amin’ilay loharanon’ny fahazavana sy ny fiainana.—Efesiana 4:17-19.
Sarotra ny miala amin’ny haizina ho amin’ny fahazavana
9. Hazavao ny antony itiavan’ny ratsy fanahy ny haizina ara-bakiteny sy ara-panahy.
9 Izao no itiavan’ny ratsy fanahy ny haizina ara-bakiteny, hoy i Joba, lehilahy nahatoky: “Ny mason’ny mpijangajanga miandry ny maizimaizina, ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy; ka dia manao very maso izy.” (Joba 24:15) Ao anatin’ny haizina ara-panahy ny ratsy fanahy ary tena mety hikitroka ilay haizina. Nilaza ny apostoly Paoly fa fanaon’ny olona ao anatin’izany haizina izany ny fahalotoam-pitondran-tena, halatra, fitsiriritana tafahoatra, fimamoana sy fanaratsiana ary fanaovana an-keriny. Afaka miova anefa ny olona manatona ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra. Ahariharin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Korintianina fa azo atao tsara izany fiovana izany. Kristianina maro tany Korinto no nanao ny asan’ny maizina taloha, kanefa hoy i Paoly tamin’izy ireo: “Saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika.”—1 Korintiana 6:9-11.
10, 11. a) Ahoana no nanehoan’i Jesosy fiheverana ny lehilahy iray nampahiratiny? b) Nahoana no maro no tsy mifidy ny fahazavana?
10 Azo inoana fa elaela ihany vao ho zatra amin’ny hazavana ny mason’ny olona avy ao amin’ny haizim-pito. Nanasitrana jamba tany Betsaida i Jesosy, saingy nataony tsikelikely izany ho fitsimbinana azy. “Nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan’ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy: Mahita zavatra va hianao? Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny olona aho; fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra. Dia napetrany tamin’ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra.” (Marka 8:23-25) Toa nampahiratra tsikelikely an’ilay jamba i Jesosy mba hahafahany hifankazatra amin’ny hazavan’ny andro. Azontsika alaina sary an-tsaina ny hafalian’io lehilahy io rehefa afaka nahita ny masony.
11 Mbola faly kokoa noho io lehilahy io anefa ireo olona hampiana hiala tsikelikely amin’ny haizina ara-panahy ho amin’ny fahazavan’ny fahamarinana. Rehefa mahita ny hafalian’izy ireo isika, dia mety hanontany tena hoe nahoana no tsy maro kokoa no voasinton’ny fahazavana. Izao no antony nomen’i Jesosy: “Izao no fanamelohana, fa tonga amin’izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.” (Jaona 3:19, 20) Maro no tia “manao ratsy”, toy ny fahalotoam-pitondran-tena, fampahoriana, lainga sy fanaovana hosoka ary fangalarana. Mety tsara amin’izany rahateo ny haizina ara-panahin’i Satana.
Mandroso ao amin’ny fahazavana
12. Inona avy no soa noraisintsika noho isika nanatona ny fahazavana?
12 Inona avy no fiovana nataontsika hatramin’ny nahalalantsika ny fahazavana? Tsara indraindray ny mitadidy sy mandinika ny fandrosoana ara-panahy efa nataontsika. Inona avy no fahazaran-dratsy efa nialantsika? Inona avy no olana teo amin’ny fiainantsika ka efa voalamina? Ahoana no niovan’ny fikasantsika ny amin’ny hoavy? Azontsika ovana hatrany ny toetra sy ny fomba fisainantsika, noho ny herin’i Jehovah sy ny fanampian’ny fanahiny masina. Asehontsika amin’izany fa mandray tsara ny fahazavana isika. (Efesiana 4:23, 24) Toy izao no ilazan’i Paoly izany: “Maizina hianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin’ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana).” (Efesiana 5:8, 9) Mahatonga antsika hanana fanantenana sy zava-kendrena ny fanekentsika hotarihin’ny fahazavan’i Jehovah no sady manatsara ny fiainan’ny manodidina antsika koa. Faly tokoa ny fon’i Jehovah rehefa manao fiovana toy izany isika!—Ohabolana 27:11.
13. Ahoana no ampisehoana fa ankasitrahantsika ny fahazavan’i Jehovah, ary inona no ilaina amin’izany?
13 Ho fankasitrahana ny fiainana sambatra kokoa ananantsika dia mba asehontsika koa ny fahazavan’i Jehovah, izany hoe resahintsika amin’ny havana aman-tsakaiza mbamin’ny mpiara-belona izay nianarantsika tao amin’ny Baiboly. (Matio 5:12-16; 24:14) Manjary fananarana ho an’ireo mandà tsy hihaino, ny fitoriana sy ny fitondran-tenantsika kristianina tsara dia tsara. Manazava toy izao i Paoly: ‘Fantaro izay ankasitrahan’ny Tompo. Ary aza miray amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.’ (Efesiana 5:10, 11) Mitaky herim-po ny manampy olona hiala amin’ny haizina ka hifidy ny fahazavana. Mbola ilaina kokoa anefa ny fangoraham-po sy fiahiana ary faniriana amim-pahatsorana hilaza ny fahazavan’ny fahamarinana amin’izy ireo, mba hahasoa azy mandrakizay.—Matio 28:19, 20.
Tandremo ny fahazavana mamitaka!
14. Inona no fampitandremana momba ny hazavana tokony harahintsika?
14 Mahafaly ny tantsambo eny an-dranomasina rehefa maizina, ny mahita hazavana, na inona io na inona. Nisy afo narehitra fahiny teny amin’ny hantsam-baton’i Angletera mba hanoroana toeram-pialofana, raha sendra tafio-drivotra. Nankasitraka ireny hazavana mpitari-dalana ireny ny tantsambo. Namitaka anefa ny afo sasany. Tsy toeram-pialofana no hitan’ny sambo maro fa voafitaka izy ireo ka nidona tamin’ny vato amoron-tsiraka ary nangalarina ny entany. Tsy maintsy mitandrina àry isika eto amin’ity tontolo mamitaka ity, sao ho voasinton’ny hazavana mamitaka ka ho rendrika eo amin’ny ara-panahy. Ilazana isika fa “Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava.” Ny mpanompony koa, anisan’izany ny mpivadi-pinoana, dia “mpiasa mamitaka” izay ‘mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana.’ Raha dinihintsika ny hevi-diso aroson’izy ireny, dia hihena ny fitokisantsika ny Tenim-pahamarinan’i Jehovah, izany hoe ny Baiboly, ary ho faty ny finoantsika.—2 Korintiana 11:13-15; 1 Timoty 1:19.
15. Inona no hanampy antsika hitoetra eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana?
15 Nanoratra toy izao ny mpanao salamo: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.” (Salamo 119:105) Eny, manazava tsara ny ‘lalana tery mankany amin’ny fiainana’ i Jehovah, ilay Andriamanitsika be fitiavana. ‘Tiany hovonjena ny olona rehetra ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.’ (Matio 7:14; 1 Timoty 2:4) Hiaro antsika tsy hiala amin’ilay lalana tery ka ho lasa any amin’ny lalan’ny maizina, ny fampiharana ny fitsipiky ny Baiboly. Nanoratra toy izao i Paoly: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana.” (2 Timoty 3:16) Mampianatra antsika ny Tenin’Andriamanitra rehefa mitombo ara-panahy isika. Afaka mananatra ny tenantsika isika amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra. Afaka mananatra antsika koa ny mpiandry be fitiavana eo anivon’ny fiangonana, raha ilaina izany. Afaka manitsy ny diso koa isika ary hanetry tena ka hanaiky hotezaina amin’ny fahamarinana, mba tsy hialana amin’ny lalan’ny fiainana.
Mankasitraka ny fandehanana amin’ny fahazavana
16. Ahoana no anehoantsika fankasitrahana ny fahazavana, izay fanomezana mahagaga avy amin’i Jehovah?
16 Ahoana no hanehoantsika fankasitrahana ny fahazavana, izay fanomezana mahagaga avy amin’i Jehovah? Milaza ny Jaona toko faha-9 fa naneho fankasitrahana ny lehilahy iray teraka jamba, rehefa avy nositranin’i Jesosy. Tamin’ny fomba ahoana? Nino an’i Jesosy ho Zanak’Andriamanitra izy ary nilaza azy ampahibemaso ho “mpaminany.” Notoheriny koa ireo nanandrana nanao tsinontsinona ny fahagagana nataon’i Jesosy. (Jaona 9:17, 30-34) Nantsoin’ny apostoly Petera hoe “olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany” ny voahosotra anisan’ny fiangonana kristianina. Nahoana? Noho izy ireo mahay mankasitraka sahala amin’ilay lehilahy teraka jamba nositranina. Maneho ny fankasitrahany an’i Jehovah, ilay Mpanasoa azy, izy ireo rehefa ‘milaza ny hatsaran’Ilay niantso azy ireo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.’ (1 Petera 2:9; Kolosiana 1:13) Velom-pankasitrahana toy izany koa ireo manantena ny ho eto an-tany, ka manampy ny rahalahiny voahosotra hilaza ampahibemaso ny ‘hatsaran’i’ Jehovah. Tombontsoa tsy hay tombanana tokoa izany omen’Andriamanitra ny olona tsy lavorary izany!
17, 18. a) Inona no andraikitry ny tsirairay? b) Inona no asaina halavirin’ny Kristianina tsirairay, toa an’i Timoty?
17 Tena ilaina ny mankasitraka amim-pahatsorana ny fahazavan’ny fahamarinana. Tsarovy fa tsy misy amintsika nahalala ny fahamarinana hatrany an-kibon-dreniny. Misy efa lehibe vao mianatra azy io ary vetivety dia hitany ny tombon’ny fahazavana amin’ny haizina. Ny hafa manana tombontsoa manokana nobeazin’ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra. Mety ho mora ho azy ireny ny hihevitra ny fahazavana ho tsy misy vidiny firy. Mbola tsy teraka, ohatra, ny Vavolombelona iray dia efa nanompo an’i Jehovah ny ray aman-dreniny. Miaiky izy fa nitaky fotoana sy ezaka be taminy vao takany tsara sy tsapany ny hasarobidin’ny fahamarinana nampianarina azy hatramin’ny fahakeliny. (2 Timoty 3:15) Mila miezaka hankasitraka fatratra ny fahamarinana nambaran’i Jehovah isika tsirairay, na antitra na tanora.
18 Mbola zazakely i Timoty dia efa nampianarina ny “Soratra Masina.” Tsy tonga Kristianina matotra anefa izy raha tsy niezaka mafy teo amin’ny fanompoany. (2 Timoty 3:15) Tamin’izay izy vao afaka nanampy ny apostoly Paoly izay nampirisika azy toy izao: “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.” Enga anie isika rehetra ho sahala amin’i Timoty ka tsy hanao na inona na inona hampahamenatra antsika, na hampahamenatra an’i Jehovah!—2 Timoty 2:15.
19. a) Inona no tokony holazaintsika rehetra, toa an’i Davida? b) Inona no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
19 Tena tokony hidera an’i Jehovah isika noho ny nanomezany antsika ny fahazavan’ny fahamarinany. Milaza sahala amin’i Davida Mpanjaka isika hoe: “Hianao no jiroko, Jehovah ô; Jehovah mampahazava ny fahamaizinako.” (2 Samoela 22:29) Na izany aza, dia tsy sahy hipetrapetraka amin’izay isika, sao ho tafaverina indray any amin’ilay haizina efa namonjena antsika. Hanampy antsika àry ny lahatsoratra manaraka hahita raha sarobidy amintsika ny fahamarinan’Andriamanitra.
Inona no Nianaranao?
• Ahoana no anomezan’i Jehovah fahazavana ara-panahy?
• Inona no zava-tsarotra atrehintsika noho ny fisian’ny haizina ara-panahy manodidina antsika?
• Inona avy no loza tsy maintsy halavirintsika?
• Ahoana no hanehoantsika fankasitrahana ny fahazavan’ny fahamarinana?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 8]
Avy amin’i Jehovah ny fahazavana ara-bakiteny sy ara-panahy
[Sary, pejy 10]
Tahaka ny nanasitranan’i Jesosy tsikelikely an’ilay lehilahy jamba, no anampiany antsika koa hiala amin’ny haizina ara-panahy
[Sary, pejy 11]
Ho rendrika ara-panahy izay voafitaky ny fahazavana mamitak’i Satana