Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Aoka Isika Hanao Soa Amin’ny Olona Rehetra”

“Aoka Isika Hanao Soa Amin’ny Olona Rehetra”

“Mankanesa atỳ Amiko, ... fa Izaho no Hanome Anareo Fitsaharana”

“Aoka Isika Hanao Soa Amin’ny Olona Rehetra”

NITORY sy nampianatra ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra no asa lehibe indrindra nataon’i Jesosy. (Marka 1:14; Lioka 8:1) Maniry hanahaka an’i Kristy ny mpanara-dia azy. Asa lehibe indrindra eo amin’ny fiainan’izy ireo koa àry ny fampianarana ny hafatra ao amin’ny Baiboly mahakasika ny Fanjakan’Andriamanitra. (Lioka 6:40) Tena mampahery ny Vavolombelon’i Jehovah ny mahita fa io hafatra io dia mitondra famelombelomana maharitra ho an’ireo mandray azy tsara, toy ny tamin’i Jesosy tetỳ an-tany.—Matio 11:28-30.

Nanao soa hafa koa i Jesosy, ankoatra ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra. Nanasitrana ny marary ary namahana ny noana izy. (Matio 14:14-21) Sady mampianatra ny Baiboly koa ny Vavolombelon’i Jehovah no manampy ny olona sahirana. Manomana ny Kristianina “ho amin’ny asa tsara rehetra” ny Soratra Masina, raha ny marina. Mampirisika azy ireo hanao “soa amin’ny olona rehetra” koa izy io.—2 Timoty 3:16, 17; Galatiana 6:10.

“Teo ireo rahalahinay”

Nisy horohoron-tany nandrava tany Taïwan, tamin’ny Septambra 1999. Nisy orana nikija sy tany nihotsaka koa tany Venezoela, volana vitsivitsy taorian’izay. Io no anisan’ny loza araka ny natiora nahatsiravina indrindra nisy tany hatramin’izay. Ravan’ny tondra-drano koa i Mozambika, tsy ela izay. Vetivety dia tonga tany amin’ireo toerana telo ireo ny Vavolombelon’i Jehovah. Nitondra sakafo, rano, fanafody, akanjo, lay ary fandrahoana sakafo ho an’ireo niharan-doza izy ireo. Nanangana toeram-pitsaboana vonjimaika hikarakarana ny naratra, ireo mpiasa an-tsitrapo nahay nitsabo. Nanorina trano vaovao ho an’ireo tra-boina koa ireo mpiasa an-tsitrapo mpanao fanorenana.

Nanohina ny fon’ireo niharan-doza ny fanampiana ara-potoana azony. “Teo ireo rahalahinay, tamin’ny fotoana nampamoy fo anay indrindra”, hoy i Malyori, any Venezoela. Ravan’ny tany nihotsaka ny tranony, ka nanorina trano vaovao ho an’ny fianakaviany ny mpiasa an-tsitrapo. Hoy izy rehefa vita ilay trano: “Tsy ho ampy mihitsy ny fisaoranay an’i Jehovah noho izay rehetra nataony taminay!” Rehefa naharay ny lakilen’ny tranony vaovao ireo tra-boina tatsy Mozambika, dia indray niredona ny hiran’ilay Fanjakana hoe “Fialofantsika i Jehovah.” *

Namelombelona an’ireo mpiasa an-tsitrapo koa ny nanampy ireo niharan-doza. “Faly aho fa mba afaka nanao zavatra ho an’ireo rahalahy izay nijaly mafy tokoa”, hoy i Marcelo, mpitsabo mpanampy tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana atsy Mozambika. Hoy koa i Huang, mpiasa an-tsitrapo any Taïwan: “Nahafaly be ny nizara sakafo sy lay ho an’ireo rahalahy tra-boina. Nanatanjaka ny finoana ilay izy.”

Misy vokany ilay fandaharana ataon’ny mpiasa an-tsitrapo

Nitondra famelombelomana ara-panahy ho an’ny voafonja an’alina maneran-tany koa ny asa an-tsitrapo. Tamin’ny fomba ahoana? Tato anatin’ny taona faramparany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nizara boky ara-baiboly tamina gadra maherin’ny 30 000, any amin’ireo fonja 4 000 eo ho eo any Etazonia fotsiny. Mandeha mitsidika ireo voafonja mihitsy koa ny Vavolombelona, rehefa azo atao, mba hampianatra azy ireo ny Baiboly sy hitarika fivoriana kristianina. Mandray soa avy amin’izany ve ireo voafonja?

Misy voafonja miresaka ny zavatra mamelombelona nianarany tao amin’ny Tenin’Andriamanitra amin’ny voafonja namany. Vokatr’izany, dia misy voafonja miara-manompo an’i Jehovah ankehitriny any amin’ny fonja maromaro eran-tany. Hoy ny voafonja iray any Oregon, any Etazonia, tamin’ny 2001: “Mandroso be ny ato aminay: 7 izahay no mpitory ilay Fanjakana ary 38 ny olona ampianarinay Baiboly. Maherin’ny 25 no manatrika ny lahateny ho an’ny besinimaro sy Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, ary nisy 39 izahay tamin’ny Fahatsiarovana [ny nahafatesan’i Kristy]. Hisy olona telo mihitsy hatao batisa ato ho ato!”

Valisoa sy fifaliana

Voamariky ny tompon’andraikitry ny fonja fa misy vokany tsara ny fandaharana ataon’ireo mpiasa an-tsitrapo. Ny vokatra maharitra nentin’izany fandaharana izany no tena mampiaiky volana azy ireo. Nisy iray nilaza hoe: “Nandritra ireo folo taona nisian’io fandaharana io, dia mbola tsy nisy mihitsy voafonja niverina nigadra, rehefa avy natao batisa tatỳ am-ponja ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Niverina nigadra kosa anefa ny antsasany mahery tamin’ireo voafonja hafa.” Nanoratra tany amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpitondra fivavahana iray tao amin’ny fonjan’i Idaho, rehefa nahita ny vokatra azon’ireo mpiasa an-tsitrapo Vavolombelona. Hoy izy: “Tena mampiaiky ahy ny fikambananareo, na dia tsy ekeko aza ny zavatra inoanareo.”

Afa-po koa ireo mpiasa an-tsitrapo manampy ireo voafonja. Izao no nosoratan’ny iray taminy rehefa avy nitarika fivoriana tamin’ny voafonja maromaro, izay sambany nihira ny hiran’ilay Fanjakana: “Nampahery ny nahita lehilahy 28 niara-niredona hira fiderana ho an’i Jehovah. Sady nihira mafy erỳ izy ireo! Tombontsoa tokoa ny nanatrika izany!” Hoy ny mpiasa an-tsitrapo iray nitsidika fonja any Arizona: “Tena nahasoa tokoa ny nandray anjara tamin’iny asa manokana iny!”

Mitovy hevitra amin’i Jesosy ireo mpiasa an-tsitrapo Vavolombelona maneran-tany. Hoy izy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Porofoin’izy ireo koa fa tena mamelombelona ny fanaovana soa ho an’ny olona rehetra, araka ny ampirisihan’ny Baiboly.—Ohabolana 11:25.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Jereo ny hira faha-85 ao amin’ny boky Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 8]

Venezoela

[Sary, pejy 8]

Taïwan

[Sary, pejy 8]

Mozambika