Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mivavaka Amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana ny Kristianina

Mivavaka Amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana ny Kristianina

Mivavaka Amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana ny Kristianina

“Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.”—JAONA 4:24.

1. Fivavahana ahoana no ankasitrahan’Andriamanitra?

NANAZAVA tsara ny fivavahana ankasitrahan’i Jehovah, Rainy any an-danitra, i Jesosy Kristy, Zanany lahitokana. Rehefa nitory tamin’ny vehivavy samaritanina iray i Jesosy, teo amin’ny fantsakana tsy lavitra ny tanànan’i Sykara, dia hoy izy: “Hianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin’izay fantatray, satria avy amin’ny Jiosy ny famonjena. Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:22-24) Inona no hevitr’ireo teny ireo?

2. Inona no zavatra ninoan’ny Samaritanina?

2 Diso ny hevitry ny Samaritanina momba ny fivavahana. Ny boky dimy voalohany tamin’ny Soratra Masina, sy tamin’ny dikan-tenin’izy ireo ihany no nekeny ho ara-tsindrimandry. Tsy nahafantatra tsara an’Andriamanitra izy ireo, fa ny Jiosy kosa nomena ny fahalalana ny Soratra Masina. (Romana 3:1, 2) Afaka nahazo ny fankasitrahan’i Jehovah ny Jiosy nahatoky sy ny hafa. Nitaky inona tamin’izy ireo anefa izany?

3. Inona no takina mba hivavahana amin’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”?

3 Inona no tsy maintsy nataon’ny Jiosy sy ny Samaritanina ary ny olona taloha, mba hampifaliana an’i Jehovah? Tsy maintsy nivavaka taminy “tamin’ny fanahy sy ny fahamarinana” izy ireo, ary toy izany koa isika. Tsy maintsy mazoto isika rehefa manompo an’Andriamanitra, ary atosiky ny fo feno fitiavana sy finoana. Mba hanompoana an’Andriamanitra amin’ny fanahy koa anefa dia mila ny fanahiny masina isika, ary mila manaiky ny tari-dalan’izy io. Tsy maintsy mianatra sy mampihatra ny Tenin’Andriamanitra isika, mba hampifanarahana ny toe-tsaintsika amin’ny azy. (1 Korintiana 2:8-12) Tsy maintsy atao amin’ny fahamarinana koa ny fivavahantsika mba haneken’i Jehovah azy io. Tsy maintsy mifanaraka amin’izay lazainy momba ny tenany sy ny fikasany, ao amin’ny Teniny, izy io.

Tena afaka mahita ny fahamarinana isika

4. Ahoana no fiheveran’ny sasany ny fahamarinana?

4 Misy mpianatra filozofia milaza fa tsy hahita ny tena fahamarinana mihitsy ny olombelona. Hoy ilay mpanoratra soedoà atao hoe Alf Ahlberg: “Maro ny fanontaniana filozofika no tsy ahazoam-baliny hentitra.” Misy milaza fa azo iadian-kevitra daholo ny fahamarinana, nefa izany tokoa ve no izy? Tsy izany no hevitr’i Jesosy Kristy.

5. Nahoana i Jesosy no tonga teto amin’izao tontolo izao?

5 Eritrereto hoe manatri-maso an’izao fisehoan-javatra izao isika: Vao manomboka ny taona 33, ary mijoro manoloana ny governora romanina Pontio Pilato i Jesosy. Hoy izy amin’i Pilato: “Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” Manontany i Pilato hoe: “Inona no marina?”, nefa tsy miandry ny valin-tenin’i Jesosy izy.—Jaona 18:36-38.

6. a) Inona no atao hoe fahamarinana? b) Nirahin’i Jesosy hanao inona ny mpanara-dia azy?

6 Lazaina fa ny fahamarinana dia ny fitambaran’ny zavatra sy ny toe-javatra tena misy. Fahamarinana tamin’ny ankapobeny anefa ve no nambaran’i Jesosy? Tsia. Fahamarinana voafaritra tsara no tao an-tsainy. Nirahiny hanambara io fahamarinana io ny mpanara-dia azy, satria hoy izy tamin’izy ireo: “Ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20) Hanambara ny “fahamarinan’ny filazantsara” eran-tany ny tena mpanara-dia an’i Jesosy, alohan’ny “fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 24:3; Galatiana 2:14) Ho tanteraka amin’izany ireto tenin’i Jesosy ireto: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Tena ilaintsika àry ny mamantatra hoe iza no mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ka mampianatra fahamarinana ny firenena rehetra.

Ny fomba ianarantsika ny fahamarinana

7. Ahoana no hanaporofoanao fa avy amin’i Jehovah ny fahamarinana?

7 Avy amin’i Jehovah ny fahamarinana momba ny tenany sy ny fikasany. “Andriamanitry ny fahamarinana” izy, hoy i Davida mpanao salamo. (Salamo 31:5; 43:3) Neken’i Jesosy fa ny tenin’ny Rainy no fahamarinana, ary hoy koa izy: “Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe: ‘Ary izy rehetra dia hampianarin’Andriamanitra.’ Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ny Ray no manatona Ahy.” (Jaona 6:45; 17:17; Isaia 54:13) Mazava àry fa tsy maintsy ampianarin’i Jehovah, ilay Mpampianatra Lehibe, ny olona mitady ny fahamarinana. (Isaia 30:20, 21) Mila mandray ny “fahalalana an’Andriamanitra” izy ireo. (Ohabolana 2:5) Nampiasa fomba maro i Jehovah mba hampianarana na hampitana ny fahamarinana tamim-pitiavana.

8. Ahoana no nampianaran’Andriamanitra na nampitany ny fahamarinana?

8 Tamin’ny alalan’ny anjely, ohatra, no nampitan’Andriamanitra ny Lalàna tamin’ny Isiraelita. (Galatiana 3:19) Tamin’ny nofy no nampanantenany fitahiana ho an’i Abrahama sy Jakoba. (Genesisy 15:12-16; 28:10-19) Niteny avy tany an-danitra mihitsy izy. Rehefa natao batisa i Jesosy, ohatra, dia re teto an-tany ireto teny nampientam-po ireto: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:17) Velom-pankasitrahana koa isika satria nanome tsindrimandry ireo mpanoratra Baiboly Andriamanitra, mba hampitana ny fahamarinana. (2 Timoty 3:16, 17) Afaka manana “ny finoana ny marina” àry isika, rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra.—2 Tesaloniana 2:13.

Ny fahamarinana sy ny Zanak’Andriamanitra

9. Ahoana no nampiasan’Andriamanitra ny Zanany mba hanambarana ny fahamarinana?

9 I Jesosy Kristy Zanany no tena nampiasain’Andriamanitra mba hanambarana ny fahamarinana amin’ny olombelona. (Hebreo 1:1-3) Tsy nisy olona nanambara ny fahamarinana toy ny nataon’i Jesosy mihitsy. (Jaona 7:46) Mbola nanambara ny fahamarinana avy tamin’ny Rainy ihany izy na dia efa niakatra tany an-danitra aza. Ny apostoly Jaona, ohatra, dia nandray “ny fanambaran’i Jesosy Kristy, izay nomen’Andriamanitra Azy, mba hasehony amin’ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana.”—Apokalypsy 1:1-3.

10, 11. a) Mifandray amin’ny inona ny fahamarinana nambaran’i Jesosy? b) Ahoana no nanatanterahan’i Jesosy ny fahamarinana?

10 Nilaza tamin’i Pontio Pilato i Jesosy fa ny hanambara ny fahamarinana no nahatongavany teto an-tany. Nasehon’i Jesosy nandritra ny fanompoany, fa io fahamarinana io dia mifandray amin’ny fanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra, amin’ny alalan’ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Kristy Mpanjaka. Tsy tamin’ny fitoriana sy ny fampianarana ihany anefa no nanambaran’i Jesosy ny fahamarinana. Nanatanteraka ny fahamarinana koa izy. Hoy ny apostoly Paoly momba izany: “Aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an’i Kristy.”—Kolosiana 2:16, 17.

11 Tanteraka, ohatra, ny fahamarinana rehefa teraka tany Betlehema i Jesosy, araka ny efa voalaza. (Mika 5:1; Lioka 2:4-11) Tanteraka koa ny fahamarinana rehefa tonga tokoa ny Mesia tamin’ny faran’ny ‘herinandron-taona’ 69, araka ny faminanian’i Daniela. Tamin’io fotoana io mihitsy, izany hoe tamin’ny taona 29, no niseho teo anatrehan’Andriamanitra i Jesosy ka natao batisa ary nohosorana tamin’ny fanahy masina. (Daniela 9:25; Lioka 3:1, 21, 22) Tanteraka koa ny fahamarinana rehefa nitory i Jesosy ka nanazava ny momba ilay Fanjakana. (Isaia 8:23; 9:1, 5, 6; 61:1, 2; Matio 4:13-17; Lioka 4:18-21) Tanteraka koa izy io rehefa maty izy ary avy eo natsangana tamin’ny maty.—Salamo 16:8-11; Isaia 53:5, 8, 11, 12; Matio 20:28; Jaona 1:29; Asan’ny Apostoly 2:25-31.

12. Nahoana i Jesosy no afaka nilaza hoe: ‘Izaho no fahamarinana’?

12 Mandray anjara lehibe amin’ny fanatanterahana ny fahamarinana i Jesosy Kristy, ka afaka nilaza hoe: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6) Tsy voafitaky ny fivavahan-diso intsony ny olona, rehefa miandany “amin’ny marina”, na manaiky ny toeran’i Jesosy ao amin’ny fikasan’Andriamanitra. (Jaona 8:32-36; 18:37) Hahazo fiainana mandrakizay ny olona toy ny ondry, satria manaiky ny fahamarinana sady manaraka an’i Kristy amim-pinoana.—Jaona 10:24-28.

13. Handinika lafiny telo amin’ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina isika. Inona avy izy ireo?

13 Ny fitambaran’ireo fahamarinana nambaran’i Jesosy sy ny mpianany nahazo tsindrimandry no mahaforona ny tena finoana kristianina. ‘Mandeha araka ny fahamarinana’ àry ny olona ‘manaiky ny finoana.’ (Asan’ny Apostoly 6:7; 3 Jaona 3, 4) Iza àry no mandeha araka ny fahamarinana ankehitriny? Iza no tena mampianatra fahamarinana ny firenena rehetra? Hamaly izany isika, ka hifantoka amin’ny nataon’ny Kristianina voalohany ary handinika ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina mahakasika ny: 1) zavatra inoana, 2) ny fomba fivavahana, ary 3) ny fitondran-tena.

Ny fahamarinana sy ny zavatra inoana

14, 15. Ahoana no fiheveran’ny Kristianina voalohany sy ny Vavolombelon’i Jehovah ny Soratra Masina?

14 Nanaja fatratra ny Tenin’i Jehovah ny Kristianina voalohany. (Jaona 17:17) Io no namaritra ny zavatra ninoany sy nataony. Nilaza toy izao i Clément avy any Aleksandria, mpampianatra ara-pivavahana tamin’ny taonjato faharoa: “Ireo miezaka mafy ny ho tsara toetra, dia tsy hitsahatra hitady ny fahamarinana, mandra-pahitany fa voaporofo araka ny Soratra Masina ny zavatra inoany.”

15 Manaja fatratra ny Baiboly koa ny Vavolombelon’i Jehovah, toy ny Kristianina voalohany. Mino izy ireo fa ‘mahasoa ho fampianarana ny soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra.’ (2 Timoty 3:16) Andeha àry hodinihintsika ny zavatra sasany ninoan’ny Kristianina voalohany. Hampitahaintsika amin’izay nianaran’ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny izany, satria ny Baiboly no tena boky fianaran’izy ireo.

Ny fahamarinana momba ny fanahy

16. Inona ny fahamarinana momba ny fanahy?

16 Nampianatra ny fahamarinana momba ny fanahy ny Kristianina voalohany, satria nino izay lazain’ny Soratra Masina. Neken’izy ireo fa mety maty ny fanahy olombelona. (Ezekiela 18:4; Jakoba 5:20) Fantany koa fa tsy ‘mahalala na inona na inona ny maty.’—Mpitoriteny 9:5, 10.

17. Ahoana no hanazavanao ny fanantenan’ny maty?

17 Natoky tanteraka anefa ireo mpianatr’i Jesosy voalohany fa hatsangana amin’ny maty, na hovelomina indray, ireo maty ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra. Nanambara izany finoana izany i Paoly nanao hoe: “Manantena amin’Andriamanitra aho . . . fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka.” (Asan’ny Apostoly 24:15) Na taorian’izay aza dia hoy ilay Kristianina anarana antsoina hoe Minucius Félix: “Iza no dondrina ka sahy hilaza fa tsy hain’Andriamanitra ny hamorona indray ny olona efa noforoniny?” Mino ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina, momba ny fanahy sy ny fahafatesana ary ny fitsanganana amin’ny maty, koa ny Vavolombelon’i Jehovah, toy ny Kristianina voalohany. Aoka isika izao handinika ny momba an’Andriamanitra sy Kristy.

Ny fahamarinana sy ny Andriamanitra telo izay iray

18, 19. Nahoana no azo lazaina fa tsy fampianarana ao amin’ny Soratra Masina ny Andriamanitra telo izay iray?

18 Tsy nino ny Kristianina voalohany hoe Andriamanitra sy Kristy ary ny fanahy masina dia Andriamanitra telo izay iray. Hoy ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): “Na ny teny hoe Andriamanitra telo izay iray na ny fampianarana azy io dia tsy hita ao amin’ny Testamenta Vaovao, ary na i Jesosy na ny mpanara-dia azy, dia tsy nikasa hanohitra izao vavaka hebreo izao, ao amin’ny Testamenta Taloha: ‘Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany’ (Deot. 6:4)” Tsy nivavaka tamin’ny fitambaran’andriamanitra telo romanina, na andriamani-kafa ny Kristianina. Neken’izy ireo ny tenin’i Jesosy hoe Jehovah irery ihany no tokony hivavahana. (Matio 4:10) Nino izao tenin’i Kristy izao koa izy ireo: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho.” (Jaona 14:28) Mino izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny.

19 Nanavaka tsara an’Andriamanitra sy Kristy ary ny fanahy masina ny mpanara-dia an’i Jesosy voalohany. Nanao batisa ny mpianatra izy ireo 1) tamin’ny anaran’ny Ray 2) tamin’ny anaran’ny Zanaka, ary 3) tamin’ny anaran’ny fanahy masina. Tsy nanao izany tamin’ny anaran’ny Andriamanitra telo izay iray izy ireo. Mampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina koa ny Vavolombelon’i Jehovah, ka manavaka an’Andriamanitra sy ny Zanany ary ny fanahy masina.—Matio 28:19.

Ny fahamarinana sy ny batisa

20. Inona no fahalalana tsy maintsy raisin’ny mpilatsaka hatao batisa?

20 Nodidian’i Jesosy ny mpanara-dia azy mba hanao mpianatra, amin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo ny fahamarinana. Mila fahalalana fototra ny Soratra Masina izy ireo vao azo atao batisa. Tsy maintsy manaiky ny toerana sy ny fahefan’ny Ray sy Jesosy Kristy Zanany, ohatra, izy ireo. (Jaona 3:16) Tokony ho takatry ny mpilatsaka hatao batisa koa fa tsy Andriamanitra akory ny fanahy masina, fa hery ampiasainy.—Genesisy 1:2.

21, 22. Ahoana no hanaporofoanao fa ny mpino ihany no atao batisa?

21 Tsy nataon’ny Kristianina voalohany batisa ny olona, raha tsy efa nianatra ny Soratra Masina sy nibebaka ary nanolo-tena tsy nisy fepetra ho an’Andriamanitra mba hanao ny sitrapony. Efa nahafantatra ny Soratra Hebreo ny Jiosy sy ny proselyta nivory tany Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33. Rehefa niresaka momba an’i Jesosy Mesia ny apostoly Petera, dia 3 000 teo ho eo no “nandray tsara ny teniny” sy “natao batisa.”—Asan’ny Apostoly 2:41; 3:19–4:4; 10:34-38.

22 Ny mpino no atao batisa kristianina. Nanaiky ny fahamarinana ny olona tany Samaria, ary “rehefa nino an’i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra sy ny anaran’i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.” (Asan’ny Apostoly 8:12) Proselyta mpivavaka be ilay ionoka etiopianina sady nahafantatra an’i Jehovah. Nanaiky ny tenin’i Filipo mahakasika ny fahatanterahan’ny faminaniana momba ny Mesia izy aloha vao natao batisa. (Asan’ny Apostoly 8:34-36) Nilaza tamin’i Kornelio sy ny Jentilisa hafa i Petera tatỳ aoriana, fa “izay olona matahotra [an’Andriamanitra] ka manao ny marina no ankasitrahany”, ary hahazo famelan-keloka izay mino an’i Jesosy Kristy. (Asan’ny Apostoly 10:35, 43; 11:18) Izany rehetra izany dia mifanaraka amin’ny baikon’i Jesosy hoe ‘manaova mpianatra ary ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.’ (Matio 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 1:8) Izany koa no arahin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka ny olona manana fahalalana fototra ny Soratra Masina sy nanolo-tena ho an’Andriamanitra ihany no ataony batisa.

23, 24. Ahoana no tokony hanaovana batisa ny Kristianina?

23 Tokony haroboka tanteraka ao anaty rano ny mpino rehefa atao batisa. “Niakatra avy teo amin’ny rano” i Jesosy rehefa avy natao batisa tao amin’ny Ony Jordana. (Marka 1:10) Natao batisa tao anaty rano koa ilay Etiopianina, satria “nidina ho eo amin’ny rano” izy sy Filipo ary “niakatra avy teo” avy eo. (Asan’ny Apostoly 8:36-40) Koa satria ampitahain’ny Soratra Masina amin’ny fandevenana ny batisa, dia fandrobohana tanteraka izany izy io.—Romana 6:4-6; Kolosiana 2:12.

24 Hoy ilay boky Fanazavana ny Baiboly (anglisy): “Rehefa mitantara ny tsipiriany momba ny batisa ny Testamenta Vaovao dia milaza fa naroboka tao anaty rano ilay olona natao batisa.” Milaza ilay boky frantsay hoe Larousse ho An’ny Taonjato Faha-20 (Paris, 1928) fa “naroboka tany amin’izay toerana rehetra nisy rano ny Kristianina voalohany rehefa natao batisa.” Hoy koa ny boky Fandresen’ny Kristianisma Taorian’i Jesosy (anglisy): “Tany am-boalohany, dia tsy maintsy nanambara ny finoany ampahibemaso ny olona atao batisa ary avy eo naroboka tanteraka tao anaty rano, tamin’ny anaran’i Jesosy.”

25. Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

25 Ireo hevitra nodinihintsika ireo dia ohatra fotsiny, mampiseho ny zavatra ninoana sy fanaon’ny Kristianina voalohany, miorina amin’ny Baiboly. Mbola misy zavatra hafa inoan’izy ireo mitovy amin’ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba hafa hamantarana ny olona mampianatra ny fahamarinana.

Ahoana no Havalinao?

• Fivavahana ahoana no takin’Andriamanitra?

• Ahoana no nanatanterahan’i Jesosy Kristy ny fahamarinana?

• Inona no fahamarinana momba ny fanahy sy ny fahafatesana?

• Ahoana no anaovana ny batisa kristianina, ary inona no takina amin’ireo mpilatsaka hatao batisa?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16]

Hoy i Jesosy tamin’i Pilato: ‘Ny hanambara ny marina no nihaviako amin’izao tontolo izao’

[Sary, pejy 17]

Hainao hazavaina ve ny antony nilazan’i Jesosy hoe: ‘Izaho no fahamarinana’?

[Sary, pejy 18]

Inona no fahamarinana momba ny batisa kristianina?