Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manintona ny Olona Indray ny “Olo-masina”

Manintona ny Olona Indray ny “Olo-masina”

Manintona ny Olona Indray ny “Olo-masina”

“Asa raha tadidinareo fa toa nankaleo antsika izany resaka olo-malaza izany? Toa tsy mba leo an’izany anefa ireo Amerikanina 4 200 000 nanaraka tamin’ny tele ny fandevenana an’i Mamera Teresa, ny 13 Sept. Nanomboka tamin’ny andro nahafatesany, ny 5 Sept., dia be dia be mihitsy ny taratasy voarain’i Vatikana mangataka ny hanaovana azy ho olo-masina amin’ny fomba ofisialy. Mino ny ankamaroan’ny olona fa hatao olo-masina tokoa izy.”—Masoandro-mpiambina (anglisy), Etazonia, 3 Oktobra 1997.

OLONA maro no mihevitra fa ny tena atao hoe olo-masina dia izay manao asa fiantrana sy fanasoavana toy ny nataon’i Mamera Teresa, misionera katolika. Manindrahindra olona toy izany koa ny fivavahana hafa. Kanefa tsy misy amin’izy ireny angamba ekena ho olo-masina amin’ny fomba ofisialy, toy ny olo-masin’ny Eglizy Katolika.

Maherin’ny 450 izao ny olona nambaran’ny Papa Joany Paoly II ho olo-masina. Betsaka noho ny isan’ny olona nohamasinin’ireo Papa hafa rehetra tamin’iny taonjato faha-20 iny izany. * Nahoana ny olona no mifikitra hatrany amin’ny “olo-masina”, izay maro aminy no zara raha fantatry ny ankamaroan’ny Katolika?

Manazava toy izao i Lawrence Cunningham, teolojianina ao amin’ny Oniversite Notre Dame: “Mahaliana ny olona ilay hevitra hoe misy olo-masina eto amin’ity tontolo ity. Asehon’izany fa mbola azo atao ny manana fahafoizan-tena faran’izay miavaka na dia ankehitriny aza.” Lazaina koa fa manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra ny “olo-masina”, ka mpanelanelana mety tsara aminy sy ny olombelona. Ankamasinina ny relìka (na fananan’ny “olo-masina”) na ny taolam-patin’ny “olo-masina”, satria misy mino fa manana hery manokana izy ireny.

Nanamafy ny foto-pinoana katolika ny Katesizin’ny Konsilin’i Trente nivoaka tamin’ny taonjato faha-16. Izao no didy navoakany: “Rariny raha milaza isika fa tsy mampihena velively ny voninahitr’Andriamanitra ny manaja ny olo-masina ‘maty ao amin’ny Tompo’, sy mangataka azy ho mpanelanelana, ary manamasina ny relìka sy ny lavenon’ireo olo-masina nodorana. Vao mainka aza izany manome voninahitra an’Andriamanitra. Arakaraka ny anaovan’ny Kristianina izany rehetra izany mantsy no mahavelona sy mampahatanjaka ny fanantenany, ka voatosika izy hanahaka ny hatsaran-toetran’ireo olo-masina ireo.” (Ny Katesizin’ny Konsilin’i Trente, 1905, anglisy) Marina fa te ho tsara toetra ny tena Kristianina, sady te hanatona an’Andriamanitra araka ny tokony ho izy, ary hahazo ny fanampiany. (Jakoba 4:7, 8) Iza àry no tena olo-masina, araka ny Baiboly? Ary inona no anjara asan’izy ireo?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Ny fanamasinana dia fanambarana amin’ny fomba ofisialy fa olo-masina ny Katolika iray efa maty, ka mendrika ary tokony hankamasinin’ny rehetra.