“Aoka ho Tsara ny Fitondran-tenanareo eo Amin’ny Jentilisa”
“Aoka ho Tsara ny Fitondran-tenanareo eo Amin’ny Jentilisa”
“Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy.”—1 Petera 2:17.
1, 2. a) Inona no nolazain’ny mpanao gazety iray momba ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Nahoana izy ireo no miezaka hanana fitsipi-pitondran-tena ambony hatrany?
NISY mpanao gazety nitatitra izay hitany, rehefa avy nitsidika toeram-pivavahana maromaro tany Amarillo, any Etazonia, taona vitsivitsy lasa izay. Nisy antokom-pivavahana iray tena nampiaiky azy satria niavaka. Hoy izy: ‘Telo taona aho no nanatrika ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah fanaony isan-taona, tany amin’ny Tranom-pokonolon’i Amarillo. Rehefa nifanerasera tamin’izy ireo aho, dia tsy nahita mihitsy olona nandrehitra sigara na nanokatra tavoahangy-na labiera, na niteny ratsy. Izy ireo no olona madio sy tsara fitondran-tena ary mora ifampiraharahana indrindra hitako hatramin’izay. Izy ireo koa no manao fitafiana maotina indrindra hitako.’ Matetika no misy manoratra zavatra tsara toy izany momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana tokoa izy ireo no matetika derain’ny olona tsy mitovy finoana aminy?
2 Deraina noho ny fitondran-tenany tsara mazàna ny vahoakan’Andriamanitra. Mihamikororosy ny fitsipika momba izay tsara sy ratsy amin’ny ankapobeny. Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa anefa mihevitra fa adidy sady anisan’ny fivavahany ny manaraka fitsipi-pitondran-tena ambony. Fantany fa misy akony eo amin’i Jehovah sy ny rahalahiny kristianina ny ataony. Fantany koa fa mahasarika ny olona ho amin’ny fahamarinana toriny, ny fitondran-tenany tsara. (Jaona 15:8; Titosy 2:7, 8) Hojerentsika àry hoe ahoana no hananantsika fitondran-tena tsara hatrany mba ho tsara laza foana i Jehovah sy ny Vavolombelony. Hojerentsika koa ny soa horaisintsika rehefa manao izany isika.
Ny fianakaviana kristianina
3. Mila harovana amin’ny inona ny fianakaviana kristianina?
3 Diniho ny fitondran-tenantsika eo anivon’ny fianakaviana. Hoy ilay boky momba ny fahalalahana ara-pivavahana nataon’i Gerhard Besier sy Erwin Scheuch: “Ho an’ny [Vavolombelon’i Jehovah] dia ny fianakaviana no zavatra mila harovana indrindra.” Marina izany, ary mila harovana amin’ny loza maro ny fianakaviana ankehitriny. Misy mantsy ankizy “tsy manoa ray sy reny”, ary olon-dehibe “tsy manam-pitiavana” na “tsy mahonom-po”, izany hoe tsy mahafehy tena. (2 Timoty 3:2, 3) Ao ny mikasi-tanana ny vadiny, ao ny ray aman-dreny mampijaly na tsy miraharaha ny zanany. Ao koa ny ankizy mikomy, midoroka zava-mahadomelina sy maloto fitondran-tena, na mitsoaka miala ny trano. ‘Ny fanahin’ity tontolo ity’, izay manana fitaomana manimba, no mahatonga izany rehetra izany. (Efesiana 2:1, 2) Mila harovantsika amin’izy io àry ny fianakaviantsika. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanarahana ny torohevitra sy ny tari-dalan’i Jehovah ho an’ny mpianakavy.
4. Inona no andraikitry ny mpianakavy kristianina eo anivon’ny fianakaviany?
4 Eken’ny mpivady kristianina fa manana adidy amin’ny vadiny izy ireo, eo amin’ny lafiny ara-pihetseham-po, ara-panahy ary ara-batana. (1 Korintiana 7:3-5; Efesiana 5:21-23; 1 Petera 3:7) Manana andraikitra lehibe amin-janany koa ny ray aman-dreny kristianina. (Ohabolana 22:6; 2 Korintiana 12:14; Efesiana 6:4) Takatry ny ankizy mihalehibe eo anivon’ny tokantrano kristianina koa fa manana adidy izy ireo. (Ohabolana 1:8, 9; 23:22; Efesiana 6:1; 1 Timoty 5:3, 4, 8) Mitaky ezaka sy fahatapahan-kevitra ary fitiavana sy fahafoizan-tena ny fiantsorohana ny adidy ara-pianakaviana. Manjary mpikambana sarobidy eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiangonana anefa ny mpianakavy rehetra, rehefa samy miantsoroka ny adidy nankinin’Andriamanitra taminy. Ny zava-dehibe kokoa dia hoe manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra, ilay namorona ny fianakaviana, izy ireo rehefa manao izany.—Genesisy 1:27, 28; Efesiana 3:15.
Ny firahalahiana kristianina
5. Inona avy no soa raisintsika rehefa mifanerasera amin’ny Kristianina hafa isika?
5 Manana andraikitra amin’ny mpiray finoana amintsika eo anivon’ny fiangonana koa isika Kristianina. Tsy amin’izy ireo ihany anefa fa amin’ny ‘rahalahy rehetra eran’izao tontolo izao’ koa. (1 Petera 5:9) Miankina amin’ny fifaneraserantsika amin’ny fiangonana ny fahasalamantsika ara-panahy. Mahazo hery sy mandray sakafo ara-panahy avy amin’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina’ isika, rehefa mifanerasera amin’ny Kristianina hafa. (Matio 24:45-47) Afaka manatona ireo rahalahintsika isika raha manana olana, mba hitadiavana torohevitra mahasoa miorina amin’ny toro lalan’ny Soratra Masina. (Ohabolana 17:17; Mpitoriteny 4:9; Jakoba 5:13-18) Tsy mandao antsika ao anatin’ny sarotra izy ireo. Tombontsoa tokoa izany hoe anisan’ny fandaminan’Andriamanitra izany!
6. Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa manana andraikitra amin’ny Kristianina hafa isika?
6 Tsy natao handray fotsiny anefa isika eo anivon’ny fiangonana, fa natao hanome koa. Hoy i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Nanasongadina ny toe-tsaina tia manome ny apostoly Paoly, rehefa nilaza hoe: “Aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana); ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.”—Hebreo 10:23-25.
7, 8. Ahoana no ampisehoantsika toe-tsaina tia manome eo anivon’ny fiangonantsika, ary koa tia manome ho an’ny Kristianina any an-tany hafa?
7 ‘Manaiky ny fanantenantsika’ isika, rehefa mamaly mandritra ny fivoriana, na mandray anjara amin’ny fomba hafa. Azo antoka fa mampahery ny rahalahintsika izany ezaka ataontsika izany. Mampahery azy ireo koa isika rehefa miresaka aminy, aloha sy aorian’ny fivoriana. Afaka manatanjaka ny reraka sy mampahery ny kivy ary mampionona ny marary isika amin’izay. (1 Tesaloniana 5:14) Mazoto manao io karazana fanomezana io ny tena Kristianina. Izany no mahatonga olona maro hiaiky fa tena mifankatia isika, na dia sambany aza izy ireo vao nanatrika ny fivoriantsika.—Salamo 37:21; Jaona 15:12; 1 Korintiana 14:25.
8 Tsy ny fiangonantsika ihany anefa no tiantsika, fa ny rahalahintsika rehetra eran-tany koa. Noho izany, ohatra, dia misy boaty ho an’ny Tahirim-bola ho An’ny Efitrano Fanjakana, any amin’ny ankamaroan’ny Efitrano Fanjakana. Na ny fiangonana no manapa-kevitra ny amin’izay vola harotsaka isam-bolana ao amin’io Tahirim-bola io. Mety ho tsara ny Efitrano Fanjakanantsika, nefa an’arivo ny namantsika kristianina any an-tany hafa no tsy manana toerana mendrika ivoriana. Asehontsika fa tia azy ireny isika, na dia mety tsy ho fantatsika aza izy ireny, rehefa mandrotsaka vola ho an’ny Tahirim-bola ho An’ny Efitrano Fanjakana isika.
9. Inona no tena antony ifankatiavan’ny Vavolombelon’i Jehovah?
9 Nahoana no mifankatia ny Vavolombelon’i Jehovah? Satria nodidian’i Jesosy hanao izany izy ireo. (Jaona 15:17) Ny fifankatiavany koa dia porofo fa miasa eo amin’izy tsirairay sy amin’ny fitambarany, ny fanahin’Andriamanitra. Anisan’ny “vokatry ny Fanahy” mantsy ny fitiavana. (Galatiana 5:22, 23) Manjary mandeha ho azy ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny maneho fitiavana, noho izy ireo mianatra ny Baiboly sy manatrika fivoriana ary mivavaka tsy tapaka. Izany no izy na dia ‘mihamangatsiaka aza ny fitiavan’ny maro’ eto amin’ity tontolo ity.—Matio 24:12.
Fifandraisana amin’ny mpiara-belona
10. Inona no andraikitsika amin’ny mpiara-belona?
10 Mampahatsiahy antsika andraikitra hafa koa ilay tenin’i Paoly hoe “ny fanekena ny fanantenantsika.” Tafiditra amin’izany ny fitoriana ny vaovao tsara amin’ireo mbola tsy rahalahintsika kristianina. (Matio 24:14; 28:19, 20; Romana 10:9, 10, 13-15) Anisan’ny fanomezana koa izany. Mitaky fotoana, hery, fanomanana, sy fiofanana ary fampiasana ny fananantsika io asa io. Nilaza anefa i Paoly hoe: “Ananan’ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho; koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho.” (Romana 1:14, 15) Enga anie isika ho toa an’i Paoly, ka tsy hahihitra rehefa manefa an’io “trosa” io.
11. Inona ireo toro lalana roa ao amin’ny Soratra Masina izay mibaiko antsika rehefa mifandray amin’ity tontolo ity isika, nefa inona no ekentsika na izany aza?
11 Manana andraikitra hafa amin’ireo tsy mpiray finoana amintsika koa ve isika? Eny tokoa. Marina fa ekentsika hoe ‘mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa izao tontolo izao.’ (1 Jaona 5:19) Fantatsika fa niteny tamin’ny mpianany i Jesosy hoe: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” Mbola miaina sy mamelon-tena eo anivon’izao tontolo izao anefa isika ary mandray fanampiana avy aminy. (Jaona 17:11, 15, 16) Manana adidy amin’ny mpiara-belona àry isika. Inona avy izany? Namaly izany ny apostoly Petera, rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina tany Azia Minora, taloha kelin’ny naharavan’i Jerosalema. Misy teny ao amin’izy io manampy antsika hahay handanjalanja rehefa mifanerasera amin’ity tontolo ity.
12. Nahoana no lazaina fa “vahiny sy mpivahiny” ny Kristianina, ka inona no tokony hohalaviriny?
12 Nanomboka toy izao i Petera: “Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny hianareo, fadio ny filan’ny nofo, fa miady amin’ny fanahy ireny.” (1 Petera 2:11) Toy ny “vahiny sy mpivahiny” tokoa ny tena Kristianina, satria ny fanantenana hiaina mandrakizay no tena ifantohany. Ho any an-danitra ireo voahosotry ny fanahy, fa ho eto an-tany lasa Paradisa kosa ny “ondry hafa.” (Jaona 10:16; Filipiana 3:20, 21; Hebreo 11:13; Apokalypsy 7:9, 14-17) Inona anefa ireo filana na fanirian’ny nofo? Anisan’izany ny faniriana hanankarena, halaza, hijangajanga, ary ny “fialonana” sy “fieremana.”—Kolosiana 3:5; 1 Timoty 6:4, 9; 1 Jaona 2:15, 16.
13. Nahoana ny fanirian’ny nofo no “miady amin’ny [fanahintsika]”?
13 “Miady amin’ny [fanahintsika]” tokoa ireny faniriana ireny. Manimba tsikelikely ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra izy ireny, ka mety hahatonga antsika hamoy ny fanantenantsika kristianina (izany hoe ny ‘fanahintsika’ na aintsika). Ahoana tokoa moa, ohatra, no hanolorantsika ny tenantsika ho “fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra”, raha liana amin’ny fahalotoam-pitondran-tena isika? Ahoana no ‘hikatsahantsika ilay fanjakana aloha’ raha voafandriky ny fitiavan-karena isika? (Romana 12:1, 2; Matio 6:33; 1 Timoty 6:17-19) Tsara kokoa ny manahaka an’i Mosesy, ka manohitra ny fakam-panahin’ity tontolo ity ary manome ny toerana voalohany ho an’ny fanompoana an’i Jehovah. (Matio 6:19, 20; Hebreo 11:24-26) Zava-dehibe ny hanaovana izany mba hahaizana handanjalanja rehefa mifandray amin’ity tontolo ity.
‘Aoka ho tsara ny fitondran-tenantsika’
14. Nahoana isika Kristianina no miezaka hanana fitondran-tena tsara hatrany?
14 Nilaza ity toro lalana tena lehibe ity i Petera avy eo: “Aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny jentilisa, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.” (1 Petera 2:12) Miezaka ny ho fakan-tahaka isika Kristianina. Mianatra tsara isika any am-pianarana. Mazoto sy manao ny marina isika any am-piasana, na dia toa tafahoatra aza ny ataon’ny mpampiasa antsika. Miezaka mafy hampihatra ny toro lalana kristianina eo anivon’ny ankohonany koa ny Vavolombelona, na dia tsy mitovy finoana aminy aza ny vadiny. Tsy mora izany indraindray nefa fantatsika fa mahafaly an’i Jehovah ny fitondran-tenantsika fakan-tahaka. Misy vokany tsara eo amin’ireo tsy Vavolombelona koa izany matetika.—1 Petera 2:18-20; 3:1.
15. Ahoana no ahalalantsika fa betsaka no manaiky hoe ambony ny fitsipi-pitondran-tenan’ny Vavolombelon’i Jehovah?
15 Asehon’ny zavatra nosoratana momba ny
Vavolombelon’i Jehovah fa vitan’ny ankamaroan’izy ireo ny manana fitondran-tena fakan-tahaka hatrany. Nilaza, ohatra, ny gazety italianina Il Tempo hoe: “Milaza ny olona miara-miasa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa mpiasa manao ny marina izy ireo. Resy lahatra tanteraka ny amin’ny finoany ireo Vavolombelona ka toy ny hoe mafana fo tafahoatra. Mendri-panajana anefa izy ireo, satria tsara fitondran-tena foana.” Hoy koa ny gazety iray any Buenos Aires, any Arzantina: “Efa hatramin’ny taona maro ny Vavolombelon’i Jehovah no hita fa olom-pirenena miasa mafy, tsy manao kitoatoa, mitsitsy vola ary matahotra an’Andriamanitra.” Hoy ilay manam-pahaizana rosianina atao hoe Sergei Ivanenko: “Fantatra eran-tany fa tsy misy hokianina ny Vavolombelon’i Jehovah raha resaka fankatoavan-dalàna, indrindra fa ny fandoavan-ketra.” Hoy ny mpitantana ny toerana iray nanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah fivoriambe any Zimbabwe: “Mahita Vavolombelona mitsimpona taratasy sy manadio kabine aho. Madio kokoa noho ny tamin’ny voalohany ilay toerana rehefa avy nampiasainareo. Hendry ny zatovonareo. Iriko ho feno Vavolombelon’i Jehovah ny tany manontolo.”Faneken’ny Kristianina ny fitondram-panjakana
16. Manao ahoana ny fifandraisantsika amin’ny fitondram-panjakana, ary nahoana?
16 Niresaka momba ny fifandraisantsika amin’ny fitondram-panjakana koa i Petera. Hoy izy: “Noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin’ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy, na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara. Fa toy izany no sitrapon’Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan’ny olona adala amin’ny fanaovan-tsoa.” (1 Petera 2:13-15) Mankasitraka ny soa raisintsika avy amin’ny fitondram-panjakana tan-dalàna isika. Mankatò ny lalàny sy mandoa hetra isika, araka ny tenin’i Petera. Ekentsika fa nomen’Andriamanitra zo hanasazy ny mpandika lalàna ny fitondram-panjakana. “Noho ny Tompo” anefa no tena ankatoavantsika azy ireny. Izany no sitrapon’Andriamanitra. Tsy te ho voasazy noho ny fanaovan-dratsy koa isika, satria tsy te hanala baraka ny anaran’i Jehovah.—Romana 13:1, 4-7; Titosy 3:1; 1 Petera 3:17.
17. Inona no azontsika antoka rehefa misy “olona adala” manohitra antsika?
17 Mampalahelo anefa fa misy “olona adala” manana fahefana, manenjika na manohitra antsika amin’ny fomba hafa. Misy, ohatra, ny manoso-potaka sy manaratsy laza antsika. Hiharihary foana anefa ny laingan’izy ireny, amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah, ka hampangina ‘ny tsi-fahalalany’ izany. Asehon’ny fitondran-tenantsika kristianina ihany hoe iza no milaza ny marina. Izany matetika no mahatonga ny olona ambony sasany ao amin’ny fitondrana hiaiky ny marina ka hidera antsika ho mpanao ny tsara.—Romana 13:3; Titosy 2:7, 8.
Mpanompon’Andriamanitra
18. Inona no ataontsika Kristianina mba tsy hanararaotana ny fahafahantsika?
18 Nampitandrina i Petera hoe: “Fa olona afaka hianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon’Andriamanitra.” (1 Petera 2:16; Galatiana 5:13) Manafaka antsika amin’ny fampianaran’ny fivavahan-diso ny fahalalantsika ny fahamarinana ara-baiboly. (Jaona 8:32) Manana safidy malalaka koa isika, nefa tsy manararaotra ny fahafahantsika. Tsaroantsika fa mpanompon’Andriamanitra ny tena Kristianina fa tsy mitady izay mahafinaritra ny tenany. Mitadidy izany isika rehefa mifidy namana, ohatra, na mifidy akanjo sy taovolo, fialam-boly, na ny sakafo sy zava-pisotro mihitsy aza. Mifidy ny hanompo an’i Jehovah isika fa tsy ny filan’ny nofontsika, na ny lamaody sy izay be mpitia eto amin’ity tontolo ity.—Galatiana 5:24; 2 Timoty 2:22; Titosy 2:11, 12.
19-21. a) Ahoana no fiheverantsika ireo manam-pahefana? b) Ahoana no nampisehoan’ny sasany fa ‘tiany ny rahalahy’ rehetra? d) Inona no andraikitsika lehibe indrindra?
19 Hoy ihany i Petera: “Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an’Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.” (1 Petera 2:17) Manaja ny manam-pahefana isika satria avelan’i Jehovah Andriamanitra hitana izany toerana izany izy ireo. Mivavaka momba azy ireny mihitsy aza isika, mba hahafahantsika hanompo hatrany amim-piadanana sy amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. (1 Timoty 2:1-4) ‘Tia ny rahalahintsika’ rehetra koa anefa isika. Mikatsaka izay hahasoa azy ireo foana isika, fa tsy izay hitondra fahavoazana ho azy.
20 Niavaka, ohatra, ny fitondran-tena kristianina nasehon’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa rotidrotiky ny adim-poko ny tany afrikanina iray. Nisy gazety soisa nilaza fa ‘voaporofon’ny fikambanana antsoina hoe Zo Afrikanina tamin’ny 1995, fa nandray anjara tamin’[ilay ady] ny fivavahana rehetra, afa-tsy ny Vavolombelon’i Jehovah.’ Rehefa nahare ilay loza ny Vavolombelon’i Jehovah tany Eoropa, dia nandefa haingana sakafo sy fanampiana ara-pitsaboana ho an’ireo rahalahiny sy ny hafa tany amin’io firenena nijaly io izy ireo. (Galatiana 6:10) Narahin’izy ireo ny voalazan’ny Ohabolana 3:27 hoe: “Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, raha azon’ny tananao atao ihany.”
21 Mbola misy zava-dehibe kokoa noho ny fanajana ny fitondram-panjakana anefa, sady mbola lehibe noho ny adidy ho tia ny rahalahintsika mihitsy aza. Inona izany? Hoy i Petera: “Matahora an’Andriamanitra.” Lehibe lavitra noho ny adidintsika amin’ny olombelona, ny adidintsika amin’i Jehovah. Nahoana no izany no izy? Ahoana no hampifandanjana ny adidintsika amin’Andriamanitra sy ny adidintsika amin’ny fitondram-panjakana? Hamaly ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.
Tadidinao Ve?
• Inona no andraikitry ny Kristianina eo anivon’ny fianakaviana?
• Ahoana no ampisehoantsika toe-tsaina tia manome eo anivon’ny fiangonana?
• Inona no andraikitsika amin’ny mpiara-belona?
• Inona no soa sasany raisintsika, rehefa manaraka fitsipi-pitondran-tena ambony foana isika?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 9]
Ahoana no hahatonga ny fianakaviana kristianina ho loharanom-pifaliana lehibe?
[Sary, pejy 10]
Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mifankatia?
[Sary, pejy 10]
Afaka maneho fitiavana amin’ny rahalahintsika ve isika, na dia tsy fantatsika aza izy ireny?