Aza Mahafoy ny Fiaraha-mivory
Aza Mahafoy ny Fiaraha-mivory
“Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona [na mivory], tahaka ny fanaon’ny sasany”, hoy ny Soratra Masina, “fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” (Hebreo 10:25) Mazava àry fa tsy maintsy mivory ao amin’ny toeram-pivavahana iray ny tena mpivavaka, mba “hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara.”—Hebreo 10:24.
TAMIN’NY apostoly Paoly nanoratra ireo teny ireo tamin’ny taonjato voalohany, dia tempoly iray lehibe tany Jerosalema no toeram-pivavahan’ny Jiosy. Nisy koa ny atao hoe synagoga. I Jesosy, ohatra, dia ‘nampianatra mandrakariva tao amin’ny synagoga sy ny kianjan’ny tempoly, izay niangonan’ny Jiosy rehetra.’—Jaona 18:20.
Toeram-pivoriana nanao ahoana no tao an-tsain’i Paoly rehefa nampirisika ny Kristianina hivory sy hifampahery izy? Ny tempoly tany Jerosalema ve no modely nanaovana ireo tranom-pivavahana lehiben’ny Kristianisma Anarana? Oviana ireo mitonona ho Kristianina no nanomboka nampiasa ireny tranom-pivavahana mijoalajoala ireny?
‘Trano ho an’ny anaran’Andriamanitra’
Hita ao amin’ny bokin’ny Eksodosy ny toromarika voalohany mahakasika ny toeram-pivavahana. Nanome toromarika ny Isiraelita, vahoaka voafidiny, i Jehovah Andriamanitra mba hanorina “ny 1 Samoela 1:9, 24.
tabernakely”, na “trano-lay fihaonana.” Notahirizina tao ny fiaran’ny fanekena sy ny fitaovana masina maro samihafa. ‘Nameno ny tabernakely ny voninahitr’i Jehovah’ rehefa vita izy io tamin’ny 1512 Talohan’i Kristy (T.K.). Io lay azo nafindrafindra io no fandaharana lehibe indrindra nataon’Andriamanitra mba hanatonana azy, nandritra ny 400 taona mahery. (Eksodosy, toko faha-25-27; 40:33-38) Antsoin’ny Baiboly koa izy io hoe “tempolin’i Jehovah” na “tranon’i Jehovah.”—Naniry mafy ny hanorina trano ho voninahitr’i Jehovah i Davida tatỳ aoriana, tamin’izy nanjaka tany Jerosalema. Noho izy nanao ady maro anefa, dia hoy i Jehovah taminy: “Tsy mahazo manao trano ho an’ny anarako hianao.” I Solomona zanany kosa no nofidin’i Jehovah hanorina ny tempoly. (1 Tantara 22:6-10) Naharitra fito taona sy tapany ilay fanorenana, ary notokanan’i Solomona izy io tamin’ny 1026 T.K. Nankasitraka an’io tempoly io i Jehovah, ka hoy izy: “Efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay: ary ho amin’ity mandrakariva ny masoko sy ny foko.” (1 Mpanjaka 9:3) Nankasitraka an’io trano io foana i Jehovah rehefa nahatoky teo anatrehany ny Isiraelita. Tsy nankasitraka azy io intsony anefa izy rehefa tsy nanao izay mahitsy intsony izy ireo, ka ‘nofongorany tsy ho eo imasony ilay trano.’—1 Mpanjaka 9:4-9; 2 Tantara 7:16, 19, 20.
Niala tamin’ny fivavahana marina tokoa ny Isiraelita rehefa nandeha ny fotoana. (2 Mpanjaka 21:1-5) “Koa nentin[’i Jehovah] namely azy ny mpanjakan’ny Kaldeana, . . . dia nodorany koa ny tranon’Andriamanitra, ary noravany ny màndan’i Jerosalema; ny lapan’andriana rehetra tao koa dia nodorany tamin’ny afo, ary ny fanaka tsara rehetra tao nosimbany. Ary ny olona sisa tsy matin-tsabatra dia nentiny ho babo tany Babylona, ka tonga mpanompo azy sy ny zanany ireny.” Lazain’ny Baiboly fa nitranga tamin’ny 607 T.K. izany.—2 Tantara 36:15-21; Jeremia 52:12-14.
Araka ny faminanian’i Isaia, dia nampiasa an’i Kyrosy, mpanjakan’i Persa, Andriamanitra mba hanafaka ny Jiosy tsy ho eo ambany fahefan’i Babylona intsony. (Isaia 45:1) Niverina tany Jerosalema mba hanorina indray ny tempoly izy ireo tamin’ny 537 T.K. rehefa avy natao sesitany 70 taona. (Ezra 1:1-6; 2:1, 2; Jeremia 29:10) Vita ihany izy io tamin’ny 515 T.K. na dia nahemotra aza ny fanorenana azy, ka niverina tamin’ny laoniny indray ny fivavahana madio. Naharitra efa ho 600 taona ilay tempoly na dia tsy be voninahitra toy ny an’i Solomona aza. Nanjary simba koa anefa izy io satria tsy niraharaha ny fivavahana tamin’i Jehovah ny Isiraelita. Teo an-dalam-panorenana an’ilay tempoly i Heroda Mpanjaka, tamin’i Jesosy Kristy tonga tetỳ an-tany. Inona no niafaran’io tempoly io?
“Tsy havela hisy vato hifanongoa”
Nilaza toy izao tamin’ny mpianany i Jesosy momba ny tempolin’i Jerosalema: “Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.” (Matio 24:1, 2) Marina tokoa izany satria noravan’ny tafika romanina tamin’ny taona 70, ilay toerana nekena ho foibem-pivavahana tamin’Andriamanitra nandritra ny taonjato maro. Tonga hampitsahatra ny fikomian’ny Jiosy izy ireo tamin’izay. * Tsy naorina intsony io tempoly io. Tamin’ny taonjato fahafito, dia nisy toerana masin’ny Silamo naorina teo amin’ilay toeram-pivavahana jiosy taloha. Dôme du Rocher no anaran’izy io ary mbola eo amin’io toerana io no misy azy hatramin’izao.
Ahoana ny amin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy? Mbola nivavaka tamin’Andriamanitra tao amin’ilay tempoly nadiva ho rava ve ireo Jiosy tonga Kristianina voalohany? Taiza ireo Kristianina tsy jiosy no nivavaka? Solon’ny tempoly ve ireo tranom-pivavahan’ny Kristianisma Anarana? Manampy antsika hahatakatra ny valin’izany ny resak’i Jesosy tamin’ny vehivavy samaritanina iray.
Nivavaka tao amin’ny tempoly lehibe teo an-tendrombohitra Gerizima, tany Samaria, ny Samaritanina nandritra ny taonjato maro. “Ny razantsika nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity; fa hianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana”, hoy ilay vehivavy samaritanina tamin’i Jesosy. Izao no navalin’i Jesosy azy: “Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ny Ray.” Tsy mila tempoly hita maso intsony ny olona mba hivavahana amin’i Jehovah, satria hoy i Jesosy: “Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:20, 21, 24) Tatỳ aoriana, dia hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Atenianina: “Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, Izy no Tompon’ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tànana.”—Asan’ny Apostoly 17:24.
Mazava àry fa tsy misy ifandraisana amin’ny tempoly talohan’ny Andro Kristianina mihitsy ny toeram-pivavahan’ny Kristianisma Anarana. Tsy nanana antony nanorenana trano toy ireny koa ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Araka ny efa nambara mialoha anefa, dia nisy nivadi-pinoana na niala tamin’ny fivavahana marina, rehefa maty ny apostoly. (Asan’ny Apostoly 20:29, 30) Nolazaina fa niova ho Kristianina i Constantin, Emperora romanina, tamin’ny taona 313. Taona maro talohan’izay anefa dia nanomboka niala tamin’ny fampianaran’i Jesosy ireo nitonona ho Kristianina.
I Constantin dia anisan’ny nampifangaro ilay noheverina ho “Kristianisma” sy ny fanompoan-tsampy romanina. Hoy ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): ‘I Constantin no nandidy ny hanorenana bazilika kristianina telo goavam-be tany Roma: ny Bazilikan’i Md. Piera, Bazilikan’i Md. Paolo Fuori le Mura ary Bazilikan’i Md. Giovanni in Laterano. Izy no namorona ilay drafitra miendrika lakroa, izay nanjary nataon’ny fiangonana modely tany amin’ny faritra andrefan’i Eoropa [fahiny].’ Ny Bazilikan’i Md. Piera naorina indray any Roma no mbola heverina fa toerana malaza indrindran’ny Eglizy Katolika.
Hoy i Will Durant, mpahay tantara: “Noraisin’ny Eglizy ny fombafomba ara-pivavahana sasany fanaon’ny Romanina [mpanompo sampy] talohan’ny Andro Kristianina.” Anisan’izany “ny firafitry ny bazilika.” Nitombo be ny trano fiangonana sy katedraly naorina nanomboka tamin’ireo taona 900 ka hatramin’ny 1400, ary nantitranterina be ny fiangaliana ny firafitry ny trano. Tamin’izany fotoana izany no naorina ny maro amin’ireo tranoben’ny Kristianisma Anarana, izay heverina ho anisan’ny zavakanto ankehitriny.
Mamelombelona sy mampahery ny olona foana ve ny mankany am-piangonana? “Nanjary nampiseho izay rehetra nandreraka sy nanorisory ahy tamin’ny fivavahana ny fiangonana”, hoy i Francisco avy any Brezila. “Fombafomba
tsy nisy dikany ny Lamesa, fa naverimberina fotsiny ary tsy nanome izay tena nilaiko akory. Tsy andriko izay nahavitan’ilay izy.” Didiana hivory anefa ireo tena mpino. Inona àry no fandaharana tokony harahiny momba ny fivoriana?“Ny fiangonana izay ao an-tranony”
Ny fandinihana izay nataon’ny mpino tamin’ny taonjato voalohany no ahitana ny modely tokony harahin’ny Kristianina mahakasika ny fivoriana. Milaza ny Soratra Masina fa nivory tao an-tranon’olona izy ireo mazàna. Nilaza, ohatra, ny apostoly Paoly hoe: “Veloma amin’i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin’i Kristy Jesosy; Ary veloma amin’ny fiangonana izay ao an-tranony.” (Romana 16:3, 5; Kolosiana 4:15; Filemona 2) Nadika avy amin’ny teny grika (ek·kle·siʹa) ny hoe “fiangonana.” Tsy milaza trano anefa io teny grika io, fa olona mivory ho amin-java-kendrena iray. (Asan’ny Apostoly 8:1; 13:1) Tsy mila tranom-pivavahana be renty ny tena Kristianina, rehefa mivavaka.
Ahoana no nitarihana ny fivoriana teo anivon’ny fiangonana kristianina voalohany? Nampiasa endriny iray amin’ilay teny grika hoe sy·na·go·geʹ i Jakoba mpianatra rehefa niresaka ny fivoriana kristianina. (Jakoba 2:2) Midika hoe “famoriana” io teny grika io ary mahasolo ilay teny hoe ek·kle·siʹa. Nanjary nanondro ilay toerana na trano nivoriana anefa ilay teny hoe ‘synagoga’ tatỳ aoriana. Nahafantatra tsara ny zavatra natao tao amin’ny synagoga, ny Kristianina jiosy voalohany. *
Tany amin’ny tempolin’i Jerosalema ny Jiosy no nivory nandritra ireo andro firavoravoana fanaony isan-taona. Tany amin’ny synagoga kosa izy no nianatra momba an’i Jehovah sy ny Lalàna. Toa ireto avy no natao tao: vavaka, famakiana sy famakafakana ny Soratra Masina ary fampaherezana. Rehefa nankany amin’ny synagoga tany Antiokia i Paoly sy ny olona niaraka taminy, dia ‘nampilaza taminy ny mpanapaka ny synagoga hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin’ny olona, dia ataovy.’ (Asan’ny Apostoly 13:15) Azo antoka fa nanao toy izany koa ny Kristianina jiosy voalohany tamin’izy ireo nivory tao an-tranon’olona. Nianatra ny Soratra Masina sy nifampahery izy ireo.
Fiangonana natao hifampaherezana
Toy ny Kristianina voalohany, dia mivory ao amin’ny toeram-pivavahana tsotra ny Vavolombelon’i Jehovah mba hianatra ny Baiboly sy hifanerasera amin’ny namana tsara. Nivory tany an-tranon’olona izy ireo nandritra ny taona maro ary mbola manao toy izany ihany any amin’ny toerana sasany. Efa 90 000 mahery anefa izao ny fiangonan’izy ireo, ary Efitrano Fanjakana no iantsoana ny tena toeram-pivoriany. Tsy be renty ireny Efitrano ireny sady tsy mitovy bika amin’ny trano fiangonana. Tsotra, nefa mety tsara amin’ny ilana azy, ny firafitr’izy ireny. Olona 100 ka hatramin’ny 200 no afaka mivory isan-kerinandro ao amin’izy ireny, mba hihaino sy hianatra ny Tenin’Andriamanitra.
Mivory intelo isan-kerinandro ny ankamaroan’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Anisan’ny fivorian’izy ireo ny lahateny ho an’ny besinimaro mahakasika foto-kevitra mahaliana. Manaraka azy io ny fianarana loha hevitra na faminaniana ara-baiboly, amin’ny alalan’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana. Ny fivoriana iray hafa dia sekoly fampiofanana momba ny fomba fampiseho ny hafatry ny Baiboly. Manaraka azy io ny fivoriana iray anomezana soso-kevitra azo ampiharina eny amin’ny fanompoana kristianina. Indray mandeha isan-kerinandro, dia miara-mivory any an-tranon’olona koa ny Vavolombelona vitsivitsy, mba hianatra ny Baiboly. Afaka manatrika ireny fivoriana ireny ny rehetra, ary tsy misy fanantazan-drakitra mihitsy.
Tsapan’i Francisco, voaresaka tetsy aloha, fa tena mahasoa ny fivoriana ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Hoy izy: “Nahafinaritra ahy ilay toeram-pivoriana nandehanako voalohany teo afovoan-tanàna, ary tiako ilay fivoriana. Sariaka ny olona nanatrika tao, ary tsapako hoe nifankatia izy ireo. Tsy andriko izay hiverenana tany. Raha ny marina, dia mbola tsy nanapaka fivoriana aho hatramin’izay. Mahaliana ireny fivoriana ireny sady manome izay ilaiko ara-panahy. Na dia kivikivy aza aho, dia mandeha mankany amin’ny Efitrano Fanjakana ihany, satria fantatro fa hahazo fampaherezana aho rehefa avy any.”
Afaka ny hianatra ny Baiboly sy hahazo fampaherezana ary hidera an’Andriamanitra koa ianao any amin’ny fivoriana kristianina alamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Asainay amim-pitiavana ianao hivory any amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky anao indrindra. Tena tsy hanenenanao izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 11 Noravan’ny Romanina tanteraka ilay tempoly. Tsy anisan’io tempoly io ilay Rindrina Fitomaniana, dia ilay toerana hahatongavan’ny Jiosy maro be avy lavitra, mba hivavaka. Anisan’ny mandan’ny kianjan’ny tempoly fotsiny izy io.
^ feh. 20 Toa nandritra ilay sesitany 70 taona tany Babylona no nanomboka nisy ny synagoga. Mbola tsy nisy tempoly tamin’izany. Na koa taoriana kelin’ny sesitany, raha mbola tsy vita ny fanamboarana ny tempoly. Efa samy nanana synagoga iray ny tanàna tany Palestina, tamin’ny taonjato voalohany. Maromaro kosa ny an’ny tanàn-dehibe.
[Sary, pejy 4, 5]
Nety tsara mba ho foibem-pivavahana tamin’i Jehovah ny tabernakely ary avy eo ny tempoly
[Sary, pejy 6]
Bazilikan’i Md. Piera any Roma
[Sary, pejy 7]
Nivory tany an-tranon’olona ny Kristianina voalohany
[Sary, pejy 8, 9]
Mivory any an-tranon’olona sy any amin’ny Efitrano Fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah