Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manomana Antsika ho Mpampianatra Mahay ny Fianarana Samirery

Manomana Antsika ho Mpampianatra Mahay ny Fianarana Samirery

Manomana Antsika ho Mpampianatra Mahay ny Fianarana Samirery

“Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao. Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao.”—​1 TIMOTY 4:15, 16.

1. Inona no marina momba ny fotoana sy ny fianarana samirery?

“NY ZAVATRA rehetra samy manana ny fotoany avy”, hoy ny Baiboly ao amin’ny Mpitoriteny 3:1. Tena marina izany raha ny amin’ny fianarana samirery. Sarotra amin’ny olona maro ny misaintsaina zavatra ara-panahy raha tsy amin’ny fotoana sy toerana mety tsara no hanaovany izany. Te hianatra ve ianao, ohatra, raha reraka avy niasa sady voky be, ka mitsilany amin’ny seza lava malemilemy eo anoloan’ny tele? Azo inoana fa tsy izany. Inona àry no vahaolana? Tsy maintsy mifidy fotoana sy toerana hianarana isika, mba handraisan-tsoa faran’izay betsaka avy amin’ny ezaka ataontsika.

2. Inona matetika no fotoana tsara indrindra hianarana samirery?

2 Maro no mahita fa vao maraina no fotoana tsara indrindra hianarana, satria misokatra tsara ny sainy amin’izay. Misy indray manararaotra ny fiatoana amin’ny antoandro mba hianarana vetivety. Mariho ny fotoana anaovana asa ara-panahy lehibe amin’ireto ohatra ireto. Hoy i Davida mpanjakan’ny Isiraely fahiny: “Ampandreneso ny famindramponao aho nony maraina, fa Hianao no itokiako; ampahalalao ahy izay làlana tokony halehako, fa aminao no ananganako ny fanahiko.” (Salamo 143:8) Sarobidy tamin’ny mpaminany Isaia koa ny fianarana. Hoy izy: “Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan’ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay.” Midika izany fa rehefa misokatra tsara ny saintsika no mila mianatra sy mifandray akaiky amin’i Jehovah isika, na amin’ny firy izany na amin’ny firy.—Isaia 50:4, 5; Salamo 5:3; 88:13.

3. Inona avy no ilaina mba handraisan-tsoa ny fianarana?

3 Tsy tokony hipetraka amin’ny seza mampahazo aina be koa isika, raha te handray soa avy amin’ilay fianarana. Tsy hisokatra tsara mantsy ny saintsika raha izany. Tsy maintsy mandrisika ny saintsika hiasa isika rehefa mianatra. Toa mifanohitra amin’izany anefa no mitranga raha mampahazo aina loatra ny toerana ipetrahantsika. Tsara koa raha mangina tsy misy manelingelina ny toerana ianarantsika sy isaintsainantsika. Tsy tena handray soa ianao raha sady mianatra no mihaino radio, na mijery tele, na misy ankizy manelingelina anao. Nandeha tany amin’ny toerana mangina i Jesosy rehefa naniry hisaintsaina. Nilaza koa izy fa ilaina ny mitady toerana mangina rehefa mivavaka.—Matio 6:6; 14:13; Marka 6:30-32.

Manomana antsika hahay hamaly ny fianarana samirery

4, 5. Nahoana ny bokikely Takina no tena manampy?

4 Mahafa-po ny fianarana samirery rehefa mampiasa fitaovana ara-baiboly samihafa isika, mba handalinana loha hevitra iray. Marina indrindra izany rehefa hamaly ny fanontaniana napetraky ny olona tamim-pahatsorana isika. (1 Timoty 1:4; 2 Timoty 2:23) Maro amin’ireo vaovao no manomboka mianatra amin’ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, * izay misy amin’ny fiteny 261 izao. Tena tsotra izy io nefa marina tsara, ary mifototra tanteraka amin’ny Baiboly. Vetivety dia takatry ny mpamaky azy io ny zavatra takin’Andriamanitra amin’ny tena mpivavaka. Tsy voadinika amin’ny an-tsipiriany anefa ny loha hevitra tsirairay, satria bokikely ilay izy. Raha mametraka fanontaniana momba ny loha hevitra ara-baiboly sasany àry ilay olona ampianarinao, aiza ianao no hahita fanazavana hanampiana azy hahita ny valiny?

5 Ho an’ireo manana ny Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny CD-ROM amin’ny fiteniny, dia mora ho azy ireo ny mahazo fanazavana be dia be amin’ny ordinatera. Ahoana kosa anefa ny amin’ireo tsy manana izany? Andeha isika handinika loha hevitra roa resahin’ny bokikely Takina, mba hahitana ny fomba handalinana bebe kokoa azy ireo. Hojerentsika koa ny fomba amaliana amin’ny an-tsipiriany kokoa, indrindra rehefa misy olona manontany hoe: Iza moa Andriamanitra? ary iza marina moa i Jesosy?—Eksodosy 5:2; Lioka 9:18-20; 1 Petera 3:15.

Iza moa Andriamanitra?

6, 7. a) Inona no fanontaniana mipetraka momba an’Andriamanitra? b) Inona no hevi-dehibe tsy noresahin’ny mpitondra fivavahana iray tao amin’ny toriteniny?

6 Voavaly ao amin’ny lesona faharoa amin’ny bokikely Takina ilay fanontaniana lehibe hoe: Iza moa Andriamanitra? Fampianarana fototra io, satria tsy afaka mivavaka amin’ilay Andriamanitra marina ny olona, raha tsy mahafantatra hoe iza izy sy tena mino hoe misy izy. (Romana 1:19, 20; Hebreo 11:6) Samy manana ny heviny momba an’Andriamanitra anefa ny olona eran-tany. (1 Korintiana 8:4-6) Ny filozofia ara-pivavahana dia samy manana ny fomba amaliany ilay fanontaniana hoe “iza moa Andriamanitra?” Telo izay iray Andriamanitra, araka ny finoan’ny ankamaroan’ny fivavahana ao amin’ny Kristianisma Anarana. Nisy mpitondra fivavahana amerikanina malaza nanao toriteny nitondra ny lohateny hoe: “Fantatrao ve Andriamanitra?” Tsy nanonona ny anaran’Andriamanitra mihitsy anefa izy, na dia naka teny imbetsaka avy ao amin’ny Soratra Hebreo aza. Mazava fa tsy nisy hoe Jehovah na Iaveh ny Baiboly nampiasainy, fa ilay teny hoe “Tompo” tsy fantatra anarana sady tsy mazava.

7 Tena nisy hevi-dehibe tsy takatr’ilay mpitondra fivavahana rehefa namaky ny Jeremia 31:33, 34 izy, manao hoe: “Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony na olona hampianatra ny rahalahiny hoe: Mahalalà ny Tompo [teny hebreo: Mahalalà an’i Jehovah]; fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, hoy ny Tompo [teny hebreo: Jehovah].” Tsy nampiasa ilay anarana mampiavaka an’Andriamanitra hoe Jehovah ny fandikan-teny nampiasainy.—Salamo 103:1, 2.

8. Inona no mampiseho fa tena ilaina ny mampiasa ny anaran’Andriamanitra?

8 Asehon’ny Salamo 8:9 hoe nahoana no tena ilaina ny mampiasa ny anaran’i Jehovah: “Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra!” Izao anefa no vakintsika ao amin’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques sy ny fandikan-tenin’ny Baiboly maromaro amin’ny teny anglisy: “Ry TOMPO, Tomponay ô, endrey ny hatsaran’ny anaranao amin’ny tany rehetra!” Araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha anefa, dia afaka hahazo “ny fahalalana an’Andriamanitra” isika, raha mamela ny Teniny hanazava antsika. Inona anefa no boky fianarana Baiboly hamaly tsara ny fanontaniantsika momba ny maha zava-dehibe ny anaran’Andriamanitra?—Ohabolana 2:1-6.

9. a) Inona no bokikely afaka manampy antsika hanazava ny maha zava-dehibe ny ampiasana ny anaran’Andriamanitra? b) Inona no mampiseho fa mpandika teny maro no tsy nanaja io anarana io?

9 Azontsika ampiasaina ny bokikely Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, izay voadika amin’ny fiteny 69. * Ao amin’ilay toko mitondra ny lohateny hoe “Ny Anaran’Andriamanitra—Ny Dikany sy ny Fanononana Azy” (pejy 6-11), dia voalaza fa efa ho im-7 000 ny Litera Efatra no miseho ao amin’ny Soratra Hebreo fahiny. Ninian’ny mpitondra fivavahana sy ny mpandika teny tao amin’ny Jodaisma sy ny Kristianisma Anarana nesorina tao amin’ny ankamaroan’ny fandikan-tenin’ny Baiboliny anefa izy io. * Ahoana moa no hilazany hoe mahalala an’Andriamanitra sy mifandray tsara aminy izy, raha tsy mety hiantso azy amin’ny anarany? Ny tena anarany mantsy no manampy antsika hahatakatra hoe inona ny fikasany sy hoe iza izy. Ankoatra izany, inona no ilana ny tapany amin’ilay vavaka modelin’i Jesosy hoe “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao”, raha tsy ampiasaina akory ny anaran’Andriamanitra?—Matio 6:9; Jaona 5:43; 17:6.

Iza moa i Jesosy Kristy?

10. Inona no azontsika atao mba hamantarana tsara ny fiainana sy fanompoan’i Jesosy?

10 “Iza moa i Jesosy Kristy?” no lohatenin’ny lesona fahatelo ao amin’ilay bokikely Takina. Fehintsoratra enina monja no hanomezana fanazavana fohy momba an’i Jesosy sy ny niandohany ary ny antony nidinany tetỳ an-tany. Raha te hahita ny tantaram-piainany manontolo anefa ianao, dia tsy misy tsara toy ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, ankoatra ny Filazantsara. * Misy amin’ny fiteny 111 io boky io ary mifototra amin’ireo Filazantsara efatra. Voatantara ao ny fiainana sy fampianaran’i Kristy, araka ny fotoana nisehoany. Voaresaka ao amin’ireo toko 133 ao anatiny koa ny zava-niseho teo amin’ny fiainany sy fanompoany. Raha isaky ny foto-kevitra indray no tianao handinihana ny momba an’i Jesosy, dia azonao jerena ny Fahatakarana (frantsay), Boky 2, eo ambanin’ny lohateny hoe “Jesosy Kristy” sy ny toko fahefatra amin’ny boky Fahalalana.

11. a) Inona no mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah raha ny amin’ny finoany an’i Jesosy? b) Manomeza andinin-teny manaporofo fa diso ny fampianarana ny Andriamanitra telo izay iray, ary inona no bokikely manampy hahita izany?

11 Iadian-kevitra eo anivon’ny Kristianisma Anarana ny maha “Zanak’Andriamanitra” sy “Andriamanitra Zanaka” an’i Jesosy. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia miady hevitra momba ny Andriamanitra telo izay iray izy ireo, na ny “mistery lehiben’ny finoana kristianina” araka ny iantsoan’ny Katesizin’ny Eglizy Katolika azy. Tsy sahala amin’ny fivavahan’ny Kristianisma Anarana anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Mino izy ireo fa noforonin’Andriamanitra i Jesosy fa tsy izy no Andriamanitra. Mamelabelatra izany tsara ilay bokikely hoe Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?, izay voadika amin’ny fiteny 95. * Manome andinin-teny maro izy ao, mba hanaporofoana fa diso ny fampianarana ny Andriamanitra telo izay iray. Anisan’izany ny Marka 13:32 sy 1 Korintiana 15:24, 28.

12. Inona no fanontaniana hafa tokony hodinihintsika?

12 Izany fandinihantsika momba an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy izany, dia ohatra mampiseho ny fomba azontsika anaovana fianarana samirery, mba hanampiana ireo tsy mahalala ny fahamarinana ara-baiboly hahazo fahalalana ny marina. (Jaona 17:3) Ahoana kosa ny amin’ireo nifanerasera tamin’ny fiangonana kristianina hatramin’ny taona maro? Mbola mila mianatra samirery ny Tenin’i Jehovah ihany ve izy ireo, na dia efa betsaka aza ny fahalalana ara-baiboly voangony?

Nahoana isika no tokony ‘hitandrina’ hatrany?

13. Inona no hevi-diso mety hananan’ny sasany momba ny fianarana samirery?

13 Efa an-taonany maro ny olona sasany no anisan’ny fiangonana. Misy amin’izy ireo mety ho lasa zatra miantehitra fotsiny amin’ny fahalalana nangoniny nandritra ireo taona vitsivitsy voalohany nahatongavany ho Vavolombelon’i Jehovah. Mora erỳ ny mieritreritra hoe: “Tsy mila mianatra be sahala amin’ireo vaovao aho. Efa impiry aho izao no nahavaky ny Baiboly sy ireo boky sy gazety ara-baiboly!” Toy ny milaza io olona io hoe: “Tsy mila manahy firy ny amin’ny sakafo hohaniko aho. Efa firifiry izay ny sakafo nohaniko hatramin’izay.” Fantatsika fa mila sakafo mahavelona sy voaomana tsara foana ny vatana mba ho salama sy tomady. Vao mainka marina izany raha ny amin’ny fahasalamana sy tanjatsika ara-panahy!—Hebreo 5:12-14.

14. Nahoana isika no mila mitandrin-tena foana?

14 Na efa ela àry isika no nianatra ny Baiboly na vao haingana, dia ilaintsika rehetra ny manaraka ny torohevitr’i Paoly ho an’i Timoty, izay efa mpiandraikitra matotra tamin’izany fotoana izany. Hoy izy: “Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.” (1 Timoty 4:15, 16) Nahoana isika no tokony handray am-po ny torohevitr’i Paoly? Tadidio fa nilaza koa izy fa miady amin’ny “fanangolen’ny devoly [na hafetseny]” sy “amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra” isika. Nampitandrina koa ny apostoly Petera fa “mitady izay harapany” ny Devoly, ka mety ho ny iray amintsika izany. Ny fanaovantsika tsirambina sy ny fianteherantsika amin’ny fahalalantsika tany am-boalohany fotsiny dia efa hirika azony hararaotina.—Efesiana 6:11, 12; 1 Petera 5:8.

15. Inona no fiarovana ara-panahy ananantsika, ary ahoana no hikojakojantsika azy io?

15 Inona àry no fiarovana ananantsika? Mampahatsiahy antsika ny apostoly Paoly hoe: “Raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo.” (Efesiana 6:13) Tsy ny hatsaran’io fiadiana ara-panahy io tany am-boalohany fotsiny no miantoka ny hamafiny, fa ny fikojakojana azy io tsy tapaka koa. Tsy maintsy tafiditra ao amin’io fiadian’Andriamanitra io àry ny fahalalana azo farany momba ny Tenin’Andriamanitra. Midika izany fa ilaina ny maharaka ny fahamarinana hazavain’i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny sy ny mpanompo mahatoky sy malina. Ilaina ny mianatra samirery ny Baiboly ary ny boky sy gazety ara-baiboly mba hikojakojana ny fiadiantsika ara-panahy.—Matio 24:45-47; Efesiana 6:14, 15.

16. Inona no azontsika atao mba hahazoana antoka fa mafy tsara ny ‘ampingan’ny finoantsika’?

16 Nasongadin’i Paoly fa anisan’ny fiarovana tena ilaintsika ny ‘ampingan’ny finoana.’ Amin’ny alalan’izy io no hamiliantsika sy hamonoantsika ny zana-tsipìka mirehitra alefan’i Satana, dia ny fiampangana lainga sy ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana. (Efesiana 6:16) Tena ilaina àry ny mijery raha mafy tsara ny ampingan’ny finoantsika, ary mitady izay fomba hikojakojana sy hanamafisana azy io. Afaka manontany tena ianao, ohatra, hoe: ‘Manao ahoana ny fanomanako ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana isan-kerinandro? Mianatra tsara azy io ve aho ka manome valin-teny voaomana tsara any am-pivoriana mba “hampandrosoana ny fitiavana sy ny asa tsara”? Manokatra Baiboly ve aho ary mamaky ireo andinin-teny voatonona nefa tsy voasoratra? Mazoto mandray anjara amin’ny fivoriana ve aho mba hampaherezana ny hafa?’ Ventin-kanina ara-panahy no raisintsika, ka mila levonina tsara izy io raha tiantsika ny handray soa feno.—Hebreo 5:14; 10:24.

17. a) Inona no poizina ampiasain’i Satana mba hiezahana hanimbana ny ara-panahintsika? b) Inona no fanafodin’izany poizina izany?

17 Fantatr’i Satana ny fahalemen’ny olombelona tsy lavorary, ary an-kolaka ny tetika ampiasainy. Mitaona olona maro amin’ny ratsy izy, ohatra, amin’ny alalan’ny sary vetaveta hita mora foana amin’ny tele, Internet, vidéo, ary boky sy gazety. Nisy Kristianina namela an’io poizina io hanimba ny fiarovany izay efa narefo. Vokatr’izany, dia namoy tombontsoa teo anivon’ny fiangonana izy ireo, ary nisy ratsy kokoa noho izany mihitsy aza. (Efesiana 4:17-19) Inona no fanafodin’io poizina ara-panahy ampiasain’i Satana io? Tsy maintsy mianatra samirery ny Baiboly tsy tapaka isika, sy manatrika fivoriana, ary mitondra ny fiadian’Andriamanitra rehetra. Manampy antsika ireo rehetra ireo mba hahay hanavaka ny ratsy sy ny tsara, ary hankahala izay halan’Andriamanitra.—Salamo 97:10; Romana 12:9.

18. Nahoana ny “sabatry ny Fanahy” no afaka manampy amin’ny ady ara-panahy ataontsika?

18 Raha zatra mianatra samirery ny Baiboly tsy tapaka isika, dia ho fiarovana mafy ho antsika ny fahalalana marina ny Tenin’Andriamanitra. Hanampy antsika hanafika tsara koa izany, amin’ny alalan’ny ‘sabatry ny Fanahy, dia ny tenin’Andriamanitra.’ “Maranitra noho ny sabatra roa lela” mantsy izy io, “ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.” (Efesiana 6:17; Hebreo 4:12) Raha kinga tsara isika mampiasa an’io “sabatra” io, dia tsy ho voafitaka rehefa misy fakam-panahy toa tsy mampaninona, na manintona mihitsy aza. Amin’izay koa isika, dia afaka hampiharihary fa fandrika mahafaty avy amin’ilay ratsy izany. Hanampy antsika handa ny ratsy sy hanao ny tsara ny fahalalana ara-baiboly voangontsika. Mila manontany tena àry isika rehetra hoe: ‘Maranitra ve ny sabatro sa dombo? Sarotra amiko ve ny mitadidy andinin-teny izay afaka manamafy ny fanafihako?’ Aoka àry isika ho zatra mianatra samirery foana, ka hahatohitra ny Devoly.—Efesiana 4:22-24.

19. Inona no soa horaisintsika raha milofo amin’ny fianarana samirery isika?

19 Hoy i Paoly: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” Afaka hanatanjaka ny ara-panahintsika isika ary hahomby kokoa amin’ny fanompoana, raha mandray am-po ireo tenin’i Paoly ho an’i Timoty ireo. Hitondra soa kokoa ho an’ny fiangonana ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana amin’izay, ka afaka hiorina hatrany amin’ny finoana isika rehetra.—2 Timoty 3:16, 17; Matio 7:24-27.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Mazàna ny olona mianatra amin’ny bokikely Takina no hianatra ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay avy eo, izay samy boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hanampy anao hanala izay mety hisakana an’ilay olona tsy handroso àry ny fanoloran-kevitra omena eto.

^ feh. 9 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka mijery ny Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (frantsay), Boky 2, izay manana azy io, eo ambanin’ny lohateny hoe “Jehovah” na ny toko fahatelo amin’ny boky Fahalalana.

^ feh. 9 Tsara homarihina fa mandika ilay Litera Hebreo Efatra amin’ny hoe ‘Yaveh’ sy ‘Jehovah’ ny ankamaroan’ny Baiboly malagasy.

^ feh. 10 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 11 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tadidinao Ve?

• Inona avy no ilaina mba handraisan-tsoa ny fianarana samirery?

• Inona no fahadisoana nataon’ny olona maro nandika ny Baiboly, mahakasika ny anaran’Andriamanitra?

• Inona avy no andinin-teny azonao ampiasaina mba hanaporofoana fa tsy telo izay iray Andriamanitra?

• Inona no tsy maintsy ataontsika mba hiarovan-tena amin’ny fanangolen’i Satana, na dia efa an-taonany maro aza isika no tena Kristianina?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 19]

Mba handraisan-tsoa amin’ny fianarana samirery, dia tokony hety tsara ny toerana hanaovana izany ary tsy hisy fanelingelenana

[Sary, pejy 23]

Maranitra ve ny ‘sabatrao’ sa dombo?