‘Mahazo Sitraka Amin’Andriamanitra ny Tsara Fanahy’
‘Mahazo Sitraka Amin’Andriamanitra ny Tsara Fanahy’
AVY amin’i Jehovah Andriamanitra ny fiainana. (Salamo 36:9) Marina tokoa “fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika.” (Asan’ny Apostoly 17:28) Tsy feno fankasitrahana tokoa ve ny fontsika rehefa mandinika ireo fitahiana omeny an’ireo mifandray akaiky aminy? Marina tokoa fa “fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra.” (Romana 6:23) Tena zava-dehibe mihitsy ny hitadiavantsika ny fankasitrahan’i Jehovah!
Manome toky antsika ny mpanao salamo fa ‘manome fahasoavana Andriamanitra.’ (Salamo 84:11) Omeny an’iza anefa izany? Matetika no ankasitrahana ny olona iray noho ny fanabeazana azony, ny harenany, ny volon-kodiny, ny fiaviany, ary ny zavatra toy izany. Iza anefa no ankasitrahan’Andriamanitra? Mamaly toy izao i Solomona, mpanjakan’ny Isiraely fahiny: “Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin’i Jehovah; fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny.”—Ohabolana 12:2.
Mazava tsara araka izany fa mankasitraka ireo olona tsara toetra i Jehovah. Anisan’izany toetra tsara izany ny fahaiza-manitsy tena, ny tsy fiangarana, ny fanetren-tena, ny fangoraham-po, ary ny fahamalinana. Madio ny eritreritry ny olona tsara fanahy, mandrisika ny teniny, ary ara-drariny sy mahasoa ny zavatra ataony. Mampiseho amintsika ny tokony ho herin’ny hatsaram-panahy eo amin’ny fiainantsika andavanandro, ny tapany voalohany amin’ny Ohabolana toko faha-12 ao amin’ny Baiboly. Resahiny ao koa ny soa raisintsika raha maneho io toetra tsara io isika. Hahazo hevi-dalina sy “hanao soa” isika raha mandinika izay voalaza ao. (Salamo 36:3) Hanampy antsika hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra ny fampiharana ireo torohevitra feno fahendrena avy ao.
Zava-dehibe ny fifehezana
“Izay tia fananarana [na fifehezana] no tia fahalalana”, hoy i Solomona, “fa izay mandà anatra dia biby.” (Ohabolana 12:1) Dodona mandray fifehezana ny olona te hanatsara ny toetrany. Mailaka izy mampihatra ny torohevitra reny tamin’ny fivoriana kristianina na nomen’ny olona azy. Toy ny fanindronana omby manosika azy hanana fitondran-tena tsara, ny teny ao amin’ny Baiboly sy ireo boky sy gazety ara-baiboly. Mitady fahalalana izy ary mampiasa izany hanitsiany ny diany. Eny, tia fahalalana koa ny olona tia fifehezana.
Tena ilain’ny mpivavaka marina mihitsy ny fifehezana, indrindra ny fahaiza-manitsy tena! Mety haniry handalina kokoa ny Tenin’Andriamanitra isika. Mety haniry hahita vokatra bebe kokoa eo amin’ny fanompoana isika, na mety haniry ho mpampianatra tsara kokoa ny Tenin’Andriamanitra. (Matio 24:14; 28:19, 20) Mila mahay manitsy tena anefa isika raha tiantsika ho tanteraka ny faniriantsika. Ilaina koa ny fahaiza-manitsy tena eo amin’ny lafiny hafa amin’ny fiainantsika. Betsaka, ohatra, ny zavatra miteraka fanirian-dratsy amin’izao fotoana izao. Tsy mitaky fahaiza-manitsy tena ve ny fifehezana ny masontsika tsy hifantoka amin’ny zava-dratsy? Ankoatra izany, mety ho avy any an-tsaintsika lalina any mihitsy no hipoiran’ny eritreritra maloto, satria “ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany.” (Genesisy 8:21) Mila mahay manitsy tena àry isika mba tsy hieritreritra zavatra maloto.
Tsy tia fifehezana sy fahalalana kosa izay mandà anatra. Mampitovy tena amin’ny biby tsy misy saina sy tsy mahalala izay tsara sy ratsy izy ireo amin’izany. Tsy maintsy tapa-kevitra mafy isika hanohitra izany fironana izany.
“Ny fàkan’ny marina tsy mba hihetsika”
Mazava ho azy fa tsy manao zavatra tsy marina na tsy ara-drariny ny olona tsara fanahy. Tena ilaina àry ny manao ny marina mba hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah. Nihira toy izao i Davida Mpanjaka: “Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.” (Salamo 5:12) Hoy i Solomona rehefa nampitaha ny toe-piainan’ny marina sy ny ratsy fanahy: “Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; fa ny fàkan’ny marina tsy mba hihetsika.”—Ohabolana 12:3.
Toa ambinina ny ratsy fanahy. Diniho izay nitranga tamin’i Asafa mpanao salamo. Hoy izy: “Fa izaho dia saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako.” Nahoana? Mamaly toy izao izy: “Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy.” (Salamo 73:2, 3) Lasa takany anefa fa eo amin’izay mahasolafaka no nametrahan’i Jehovah ny ratsy fanahy, rehefa nankany amin’ny tempoly fitoerana masina izy. (Salamo 73:17, 18) Mihelina ihany ny fahombiazana mety hananan’ny ratsy fanahy. Koa nahoana moa isika no tokony hitsiriritra azy?
Mifanohitra amin’izany, fa miorina tsara ny olona ankasitrahan’i Jehovah. Nampiasa teny an’ohatra i Solomona rehefa niresaka ny faka tena matanjaky ny hazo iray, ka nilaza hoe: “Ny fàkan’ny marina tsy mba hihetsika.” (Ohabolana 12:3) Mety handrakotra hektara maromaro ny faka tsy taza-mason’ny hazo goavana iray, toy ny séquoia any Kalifornia, ary afaka mamahatra mafy tsara rehefa misy tondra-drano na rivo-mahery. Mahatohitra horohoron-tany mahery mihitsy aza ny séquoia mijoalajoala iray.
Toy ny faka eo amin’ny nofon-tany mamelona iray, ny saintsika sy ny fontsika dia mila manadihady bebe kokoa ny Tenin’Andriamanitra, ary manovo ny rano manome fiainana raketiny. Ho mafy orina sy hatanjaka tsara ny finoantsika amin’izay, ary ho azo antoka sy hiorina tsara ny fanantenantsika. (Hebreo 6:19) Amin’izay isika dia tsy “ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianaran-[diso] samy hafa rehetra.” (Efesiana 4:14) Mazava ho azy fa hiharan’ny vokatry ny fanenjehana mahery toy ny tafio-drivotra isika ary mety hatahotra mihitsy aza, rehefa miatrika fisedrana. ‘Tsy hihetsiketsika anefa isika raha mamaka tsara.’
“Ny vehivavy tsara dia satroboninahitry ny lahy”
Fantatry ny olona maro ity fomba fiteny ity: “Matoa mahomby ny lehilahy dia misy vehivavy tsara iray manohana azy.” Niresaka ny maha zava-dehibe ny fanohanan’ny vehivavy i Solomona rehefa nilaza hoe: “Ny vehivavy tsara dia satroboninahitry ny lahy; fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lo ao anatin’ny taolana.” (Ohabolana 12:4) Mamintina lafiny maro amin’ny hatsaram-panahy ny teny hoe “tsara.” Anisan’ny hatsaran-toetra ananan’ilay vehivavy tsara resahin’ny Ohabolana toko faha-31, ny fahazotoana miasa sy ny fahatokiana ary ny fahendrena. Toy ny satroboninahitra ho an’ny vadiny ny vehivavy manana ireo toetra ireo. Omem-boninahitra sy hajain’ny olona ny vadiny noho ny fitondran-tenany tsara. Tsy hisisika hanao izay tiany na oviana na oviana mihitsy izy na hifaninana amin’ny vadiny. Hanaiky ny vadiny kosa izy ary ho mpanampy sy famenony.
Rahoviana ny vehivavy no mety hanao izay mahamenatra, ary inona no mety ho vokatr’izany? Anisan’ny fitondran-tena mahamenatra ny fitiavana mifanditra sy ny fanitsakitsaham-bady. (Ohabolana 7:10-23; 19:13) Fanaintainana mitohy ho an’ny vadin’ilay vehivavy no vokatr’izany. Milaza ny boky iray fa ‘tahaka ny lo ao anatin’ny taolan’ny’ vadiny izy amin’izay, amin’ny heviny hoe “mitondra fahavoazana ho azy, toy ny aretina mampahalemy ny vatana.” Milaza ny boky hafa iray fa “ny ‘kansera’, izay aretina mikiky tsikelikely ny fahavitrihan’ny olona, no mety ho azo ampitahana an’izany amin’izao andro izao.” Maneho hatsaran-toetra ny vehivavy kristianina mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra.
Ny eritreritra sy ny atao ary ny vokany
Mitarika antsika hanao zavatra ny eritreritsika, ary misy vokany izay zavatra ataontsika. Asehon’i Solomona indray izao fa manosika antsika hanao zavatra ny eritreritsika, ka nampitahainy toy izao ny olona marina sy ny ratsy fanahy: “Rariny ny hevitry ny marina; fa fitaka ny fisainan’ny ratsy fanahy. Ny tenin’ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-dra; fa ny vavan’ny marina hamonjy azy.”—Ohabolana 12:5, 6.
Na dia ny eritreritry ny olona tsara fanahy aza dia madio sy ara-drariny ary marina. Tsara fikasa ny olona marina satria tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy. Ny fitiavan-tenan’ny ratsy fanahy kosa no manosika azy hanao zavatra. Mamitaka ny hafa àry izy mba hanatratrarana ny zava-kendreny. Mamitaka sy tsy misalasala mamandrika ny tsy manan-tsiny izy, ary angamba miampanga lainga azy mihitsy any amin’ny fitsarana. Te hanisy ratsy ny tsy manan-tsiny izy, ka manao teny “otrika ho enti-mandatsa-dra.” Afaka manalavitra izany loza izany ny marina, satria mahafantatra ny tetiky ny ratsy fanahy sy ampy fahendrena mba hitandremana. Afaka manampy an’ireo tsy mitandrina sy manafaka azy ireo amin’ny tetika mamitaky ny ratsy fanahy mihitsy aza izy.
Inona no hiafaran’ny marina sy ny ratsy fanahy? Mamaly i Solomona hoe: “Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; fa ny mpianakavin’ny marina haharitra.” (Ohabolana 12:7) Tafiditra amin’ny hoe mpianakavy ny “tsirairay amin’ny fianakaviana sy ny zava-tsarobidy rehetra ananan’ny olona iray mba hampandeha tsara ny fiainany”, araka ny boky iray. Mety ho tafiditra amin’ny mpianakavin’ny olona marina koa aza ny taranany. Na ahoana na ahoana, dia mazava tsara ny tian’ilay ohabolana holazaina: Mafy orina ny finoan’ny marina ao anatin’ny fisedrana.
Hahomby kokoa ny fiainan’ny manetry tena
Nilaza toy izao ny mpanjakan’ny Isiraely rehefa nanasongadina ny hasarobidin’ny fahaiza-manavaka: “Araka ny fahendren’ny olona no hiderana azy; fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona.” (Ohabolana 12:8) Tsy faingam-bava ny olona mahay manavaka. Mieritreritra tsara izy vao miteny ary mifandray tsara amin’ny olona, satria mahatonga azy hifidy tsara izay holazainy ‘ny fahendreny.’ “Mahafihim-bava” ny olona mahay manavaka rehefa sendra fanontaniana adaladala na miorina amin’ny tombantombana. (Ohabolana 17:27) Tena mahazo dera avy amin’i Jehovah sy mampifaly azy ny olona toy izany. Tena tsy mitovy amin’ireo mamoaka hevitra miolakolaka avy amin’izay “meloka am-po” mihitsy izy!
Eny, tena deraina ny olona hendry. Mampianatra antsika ny hasarobidin’ny fanetren-tena indray ny ohabolana manaraka. Hoy izy: “Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory.” (Ohabolana 12:9) Toa te hilaza i Solomona hoe aleo manetry tena na dia tsy manam-bola firy aza, ary manana mpanompo iray monja, toy izay mandany izay tena ilaina eo amin’ny fiainana mba hihazonana fari-piainana ambony. Tena torohevitra tsara tokoa izany hoe miaina mifanaraka amin’izay ananantsika izany!
Mampianatra hatsaram-panahy ny fiainana any ambanivohitra
Manome fianarana roa momba ny hatsaram-panahy i Solomona rehefa niresaka ny amin’ny fiainana any ambanivohitra. Hoy izy: “Ny marina mitsimbina ny ain’ny bibiny; fa fahasiahana kosa no famindrampon’ny ratsy fanahy.” (Ohabolana 12:10) Mikarakara sy tsara fanahy amin’ny bibiny ny olona marina. Fantany izay ilain’ny bibiny, ary miahy izay hahasoa azy izy. Mety hilaza ny ratsy fanahy fa miahy ny bibiny, nefa tsy manome izay ilainy akory izy. Fitiavan-tena no antony manosika azy, ary tsy mikarakara ilay biby izy raha tsy ahazoany tombontsoa izany. Heveriny hoe mikarakara tsara ny bibiny izy, hay mampijaly azy izy raha ny tena marina.
Tokony hokarakaraina tsara koa ny biby ao an-trano. Lozabe tokoa isika raha toa ka miompy biby, nefa avy eo mampijaly azy tsy amin’antony na tsy miraharaha azy! Mety ho hatsaram-panahy ny hamonoana biby iray marary mafy na maratra ka mijaly be.
Lafiny iray hafa amin’ny fiainana any ambanivohitra ny fambolena. Nampiasa izany i Solomona rehefa nilaza hoe: “Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina.” Eny tokoa, mitondra valisoa ny asa mafy sy misy heviny. “Fa izay manaraka ny olom-poana dia tsy ampy saina.” (Ohabolana 12:11) Ny olona tsy mahay mitsara zavatra na tsy mahazo hevi-javatra, izany hoe “tsy ampy saina” dia mikatsaka zavatra tsy ilaina na koa zavatra mety hahazoam-bola nefa tsy azo antoka sy miankina amin’ny kisendrasendra. Mazava tsara ny lesona azo avy amin’ireo andininy roa ireo: Mamindrà fo ary mazotoa miasa.
Mamokatra ny fiainan’ny olona marina
“Ny mpanota maniry ny hazan’ny ratsy fanahy”, hoy ilay mpanjaka hendry. (Ohabolana 12:12a) Ahoana no anaovan’ny mpanota izany? Maniry hahazo ireo zavatra nobaboin’ny mpanao ratsy izy.
Inona kosa no azo lazaina ny amin’ireo tsara fanahy? Tia fifehezana ny olona toy izany ary mafy orina tsara ny finoany. Marina izy, malina sy manetry tena, ary mangoraka sy mazoto. “Fa ny fakan’ny marina kosa, mahavokatra”, hoy i Solomona. (Ohabolana 12:12b, Fandikan-teny Katolika) “Haharitra mandrakizay ny fakan’ny marina”, hoy ny Fandikan-teny Amerikanina (anglisy). Miorina mafy sy milamin-tsaina ny olona toy izany. Marina tokoa fa ‘mahazo sitraka amin’Andriamanitra ny tsara fanahy.’ Enga anie àry isika ‘hatoky an’i Jehovah ka hanao soa.’—Salamo 37:3.
[Sary, pejy 31]
Mafy orina tsara toy ny hazo be iray, ny finoan’ny marina