Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Midika ho Inona ho Anao ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

Midika ho Inona ho Anao ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

Midika ho Inona ho Anao ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

“Na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaky ny Tompo amin’ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo izy.”​—1 KORINTIANA 11:27.

1. Inona no fankalazana lehibe indrindra hatao amin’ity taona 2003 ity, ary ahoana no niandohan’izy io?

HATAO amin’ny 16 Aprily aorian’ny filentehan’ny masoandro, ny fankalazana lehibe indrindra amin’ity taona 2003 ity. Hivory mba hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy, na ny Sakafo Harivan’ny Tompo, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’io andro io. Nasehon’ny lahatsoratra teo aloha fa nankalaza izany voalohany i Jesosy, rehefa avy nankalaza ny Paska niaraka tamin’ny apostoliny, tamin’ny 14 Nisana taona 33. Mifanitsy amin’ny vatana lavorarin’i Kristy sy ny ra nalatsany, ny mofo tsy misy leviora sy ny divay mena ampiasaina amin’ny Fahatsiarovana. Io ihany no sorona afaka manavotra ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana nolovany.​—Romana 5:12; 6:23.

2. Inona no fampitandremana ao amin’ny 1 Korintiana 11:27?

2 Izay mihinana ny mofo sy misotro ny divain’ny Fahatsiarovana, dia tsy maintsy manao izany amin’ny fomba mendrika. Nanazava izany ny apostoly Paoly rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina tany Korinto fahiny. Nankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo tamin’ny fomba tsy mendrika izy ireo. (1 Korintiana 11:20-22) Hoy i Paoly: “Na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaky ny Tompo amin’ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo izy.” (1 Korintiana 11:27) Inona no hevitr’izany?

Nankalaza azy io tamin’ny fomba tsy mendrika ny sasany

3. Inona no nataon’ny Kristianina maro tany Korinto nandritra ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

3 Maro ny Kristianina tany Korinto no nankalaza ny Fahatsiarovana tamin’ny fomba tsy mendrika. Nisaratsaraka izy ireo. Nisy koa nitondra ny sakafo harivany sy nihinana izany taloha na nandritra ny fivoriana, ary matetika no nihinana sy nisotro tafahoatra izy ireo. Tsy nifantoka tamin’ny Fahatsiarovana ny sainy sy ny fony, hany ka “meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo” izy. Noana kosa ireo tsy nanan-tsakafo, ka tsy nifantoka. Maro tokoa no nihinana ny mofo sy nisotro ny divay, nefa tsy nanao izany tamim-panajana. Tsy takany tsara fa nisy heviny lehibe ilay fivoriana. Tsy mahagaga raha nitondra fanamelohana ho an’ny tenany izy ireo.​—1 Korintiana 11:27-34.

4, 5. Nahoana no mila mandini-tena ny olona zatra mihinana ny mofo sy misotro ny divain’ny Fahatsiarovana?

4 Rehefa manakaiky ny Fahatsiarovana fanao isan-taona, dia mila mandini-tena ny olona zatra mihinana ny mofo sy misotro ny divay. Tsy maintsy salama tsara ara-panahy izy ireo vao afaka mihinana an’io sakafo iraisana io, amin’ny fomba mendrika. Izay tsy manaja ny soron’i Jesosy na manao tsinontsinona azy io, dia mety ‘hofongorana tsy ho amin’ny vahoakan’Andriamanitra’, toy ny Isiraelita izay nisy fahalotoana, nefa nihinana ny sakafo iraisana.​—Levitikosy 7:20; Hebreo 10:28-31.

5 Nampitovin’i Paoly tamin’ny sakafo iraisana teo amin’ny Isiraely fahiny ny Fahatsiarovana. Niresaka momba ireo olona handray anjara hiaraka amin’i Kristy izy, ary nilaza hoe: “Tsy mahazo misotro amin’ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia hianareo; tsy mahazo mihinana amin’ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia hianareo.” (1 Korintiana 10:16-21) Raha manao fahotana lehibe ny olona iray zatra nihinana ny mofo sy nisotro ny divain’ny Fahatsiarovana, dia tokony hibaboka noho ny fahotany amin’i Jehovah izy sady hangataka fanampiana amin’ny anti-panahy. (Ohabolana 28:13; Jakoba 5:13-16) Ho afaka hihinana ny mofo sy hisotro ny divay amin’ny fomba mendrika izy, raha tena mibebaka sady mamokatra voa mendrika ny fibebahana.​—Lioka 3:8.

Manatrika amim-panajana ny Fahatsiarovana

6. Iza ihany no omen’Andriamanitra ny tombontsoa hihinana ny mofo sy hisotro ny divain’ny Fahatsiarovana?

6 Tokony hihinana ny mofo sy hisotro ny divain’ny Fahatsiarovana ve ny olona manao soa ho an’ny sisa amin’ny rahalahin’i Kristy 144 000? (Matio 25:31-40; Apokalypsy 14:1) Tsia. Ny olona voahosotry ny fanahy masin’Andriamanitra mba ho “mpiray lova amin’i Kristy” ihany no nomeny izany tombontsoa izany. (Romana 8:14-18; 1 Jaona 2:20) Inona àry no tokony hataon’ireo manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa haneran-tany, eo ambany fitondran’ilay Fanjakana? (Lioka 23:43; Apokalypsy 21:3, 4) Manatrika amim-panajana ny Fahatsiarovana fotsiny izy ireo, satria tsy mpiray lova amin’i Jesosy sady tsy manantena ho any an-danitra.​—Romana 6:3-5.

7. Ahoana no nahafantaran’ny Kristianina voalohany fa tokony hihinana ny mofo sy hisotro ny divain’ny Fahatsiarovana izy?

7 Voahosotry ny fanahy masina ny tena Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Maro izy ireo no nahazo fanomezana mahagaga avy amin’ny fanahy, toy ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra. Noho izany, dia tsy sarotra taminy ny namantatra hoe voahosotry ny fanahy izy ary tokony hihinana ny mofo sy hisotro ny divain’ny Fahatsiarovana. Ny fomba amantarana izany anefa ankehitriny, dia andinin-teny ara-tsindrimandry toy izao: “Izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra. Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray hianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.”​—Romana 8:14, 15.

8. Iza no oharina amin’ny “vary”, ary iza no atao hoe “tsimparifary” ao amin’ny Matio toko faha-13?

8 Nanomboka tamin’izany andro izany, dia nihamaro ny tena voahosotra, na “vary” tao anaty saha feno “tsimparifary”, na Kristianina sandoka. (Matio 13:24-30, 36-43) Nanjary niharihary ny “vary” nanomboka tamin’ireo taona 1870. Taona maro tatỳ aoriana, dia nilazana ny anti-panahy voahosotra hoe: ‘Tokony hohazavainareo amin’ny mpanatrika [ny Fahatsiarovana] ireto fepetra ho an’ny mpandray anjara ireto: 1) finoana ny ra nalatsak’i [Kristy], ary 2) fanoloran-tena ho an’ny Tompo sy ny fanompoana azy mandra-pahafaty. Avy eo dia tokony hasainareo hankalaza ny nahafatesan’ny Tompo ny olona rehetra manam-pinoana sy nanolo-tena toy izany.’​—Fianarana ny Soratra Masina, Boky VI, Ny Olom-baovao, pejy faha-473. *

Fitadiavana “ondry hafa”

9. Iza ireo “olona betsaka”, araka ny fanazavana azo tamin’ny 1935, ary inona no fiantraikan’izany teo amin’ny olona sasany nihinana ny mofo sy nisotro ny divain’ny Fahatsiarovana?

9 Rehefa nandeha ny fotoana, dia nifantoka tamin’ny olon-kafa, ankoatra ny voahosotra mpanara-dia an’i Kristy, ny fandaminan’i Jehovah. Nisy fiovana niavaka nifandray tamin’izany teo anelanelan’ireo taona 1930. Noheverina talohan’izay fa ny “olona betsaka” resahin’ny Apokalypsy 7:9 dia ho any an-danitra hiaraka amin’ireo voahosotra 144 000 natsangana tamin’ny maty, saingy sokajy ambany kokoa no misy azy ireo, toy ny zazavavy sakaizan’ny vadin’i Kristy. (Salamo 45:14, 15; Apokalypsy 7:4; 21:2, 9) Nohazavaina tamin’ny 31 Mey 1935 anefa fa ny “olona betsaka” dia ny “ondry hafa” miaina mandritra ny andro farany. (Jaona 10:16) Izany no fanazavana ara-baiboly nomena tao amin’ny lahateny iray nandritra ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Washington, any Etazonia. Tsy nihinana ny mofo na nisotro ny divain’ny Fahatsiarovana intsony ny olona sasany taorian’io fivoriambe io, satria takany fa hiaina eto an-tany izy, fa tsy ho any an-danitra.

10. Inona no fanantenana sy andraikitry ny “ondry hafa” ankehitriny?

10 Tamin’ny 1935 no tena nanomboka ny fitadiavana ireo “ondry hafa.” Mino ny avotra izy ireo, ary manolo-tena ho an’Andriamanitra sy manohana ny “ondry vitsy” voahosotra, amin’ny fitoriana ilay Fanjakana. (Lioka 12:32) Manantena hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireo, nefa izay ihany no tsy mampitovy azy amin’ny sisa amin’ny mpandova ilay Fanjakana. Toy ny vahiny teo amin’ny Isiraely fahiny, izay nivavaka tamin’i Jehovah sy nankatò ny Lalàna, ny ondry hafa. Manaiky ny andraikitra kristianina ankinina aminy izy, toy ny fitoriana ny vaovao tsara miaraka amin’ny Isiraely ara-panahy. (Galatiana 6:16) Tsy nekena ho mpanjaka na mpisorona teo amin’ny Isiraely anefa ny vahiny. Toy izany koa ny ondry hafa. Tsy afaka ny ho mpanjaka na mpisorona any an-danitra izy ireo.​—Deoteronomia 17:15.

11. Inona no ifandraisan’ny datin’ny batisan’ny olona iray sy ny fanantenany?

11 Nihanazava nandritra ireo taona 1930 fa amin’ny ankapobeny, dia efa voafidy ny olona ho any an-danitra. Ondry hafa manantena hiaina eto an-tany no notadiavina nanomboka tamin’izay. Raha misy voahosotra mivadika, dia inoana fa mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika hatry ny ela sady anisan’ny ondry hafa no hisolo azy, mba hameno ny isa 144 000.

Nahoana no misy diso hevitra?

12. Rahoviana ny olona iray no tsy tokony hihinana ny mofo sy hisotro ny divain’ny Fahatsiarovana intsony, ary nahoana?

12 Mahazo antoka tanteraka ny Kristianina voahosotra fa voantso ho any an-danitra izy. Ahoana anefa ny amin’ireo nihinana ny mofo sy nisotro ny divain’ny Fahatsiarovana, nefa tsy voantso ho any an-danitra? Azo antoka fa hisakana azy tsy hanao izany intsony ny eritreriny, satria fantany izao fa tsy ho any an-danitra mihitsy izy. Tsy hankasitrahan’Andriamanitra ny olona iray, raha mampiseho fa voantso ho mpanjaka sy mpisorona any an-danitra, nefa fantany tsara fa tsy voantso akory izy. (Romana 9:16; Apokalypsy 20:6) Novonoin’i Jehovah ilay Levita antsoina hoe Kora, satria niana-kendry ka nitady ho mpisorona sahala amin’i Arona sy ny zanany. (Eksodosy 28:1; Nomery 16:4-11, 31-35) Raha misy Kristianina mahatsapa fa diso izy rehefa nihinana ny mofo sy nisotro ny divain’ny Fahatsiarovana, dia tsy tokony hanao izany intsony izy ary hanetry tena sy hangataka famelan-keloka amin’i Jehovah.​—Salamo 19:13.

13, 14. Nahoana ny sasany no mety hihevitra fa voantso ho any an-danitra izy, nefa tsy izany no izy?

13 Nahoana ny sasany no mety hihevitra fa voantso ho any an-danitra izy, nefa tsy izany no izy? Angamba lasa tsy tiany intsony ny fiainana eto an-tany noho ny fahafatesan’ny vadiny na ny fahoriana hafa mahazo azy. Mety ho te ho any an-danitra koa izy, satria misy Kristianina namany milaza tena ho voahosotra. Mazava ho azy fa tsy misy olona notendren’Andriamanitra hitaona ny hafa mba homem-boninahitra ho voahosotra. Tsy mandefa feo avy any an-danitra koa izy mba hampahafantarana ny olona fa voahosotra ho mpandova ilay Fanjakana izy.

14 Mety hihevitra ny sasany fa voantso ho any an-danitra izy, noho ilay hevi-diso ampianarin’ny fivavahana sasany hoe mankany an-danitra ny tsara fanahy rehetra. Mila mitandrina àry isika mba tsy hanan-kery eo amintsika ny hevi-diso nananantsika taloha. Afaka manontany tena, ohatra, ny sasany hoe: ‘Misy vokany eo amin’ny fihetseham-poko ve ny fanafody ampiasaiko? Mora mihetsi-po be ve aho ka mety hihevi-tena ho voahosotra, na dia tsy izany aza no izy?’

15, 16. Inona no mety hahatonga ny sasany hino fa voahosotra ny tenany?

15 Afaka manontany tena koa ny sasany hoe: ‘Mitady laza ve aho, sa mitady fahefana dieny izao, na fahefana amin’ny maha mpiara-mandova amin’i Kristy?’ Tsy nanana andraikitra teo anivon’ny fiangonana ny sasany izay mpandova ilay Fanjakana, tamin’ny taonjato voalohany. Tsy mitady laza koa ny olona voantso ho any an-danitra sady tsy mirehareha noho izy voahosotra. Manetry tena izy, satria izany no takina amin’ny olona manana “ny sain’i Kristy.”​—1 Korintiana 2:16.

16 Misy angamba mihevitra fa voantso ho any an-danitra izy, satria tena mahay Baiboly be. Tsy voatery hanam-pahalalana miavaka anefa ny olona rehefa voahosotry ny fanahy, satria i Paoly aza tsy maintsy nampianatra sy nananatra ny voahosotra sasany. (1 Korintiana 3:1-3; Hebreo 5:11-14) Manana fandaharana mba hanomezana sakafo ara-panahy ho an’ny vahoakany rehetra Andriamanitra. (Matio 24:45-47) Tsy tokony hisy Kristianina voahosotra àry hihevitra fa manam-pahendrena kokoa noho ny olona manantena hiaina eto an-tany izy. Tsy ny fahaizana mamaly fanontaniana ara-baiboly, na ny fahaizana mitory sy manao lahateny, no mamaritra hoe voahosotra ny olona iray na tsia. Manam-pahaizana amin’izany koa ny Kristianina manantena hiaina eto an-tany.

17. Miankina amin’ny inona sy iza ny maha voahosotry ny fanahy ny olona iray?

17 Raha misy mpiara-manompo amintsika manana fanontaniana momba ny fiantsoana ho any an-danitra, dia afaka manampy azy ny anti-panahy na ny Kristianina matotra. Tsy isika anefa no manapa-kevitra hoe voahosotra ny olona iray na tsia. Raha tena voantso ho any an-danitra izy, dia tsy mila manontany amin’ny hafa raha tena izany no izy. “Teraka indray [ny voahosotra], tsy tamin’ny voa mety ho lo, fa tamin’ny tsy mety ho lo, dia ny tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra.” (1 Petera 1:23) Mampiasa ny fanahiny sy ny Teniny Andriamanitra mba hambolena “voa” ao amin’izy ireo, ka hahatonga azy ho “olom-baovao” manantena ho any an-danitra. (2 Korintiana 5:17) I Jehovah àry no mifidy azy ireo. “Avy amin’Andriamanitra” no mahatonga ilay olona ho voahosotra, fa ‘tsy noho ny faniriany, na noho izy mihazakazaka.’ (Romana 9:16) Ahoana àry no ahafahan’ny olona iray mahazo antoka fa voantso ho any an-danitra izy?

Nahoana izy ireo no mahazo antoka?

18. Hazavao ny dikan’ny hoe miara-milaza amin’ny fanahin’ny voahosotra ny fanahin’Andriamanitra.

18 Ny filazan’ny fanahin’Andriamanitra no mahatonga ny Kristianina voahosotra hiaiky tanteraka fa ho any an-danitra izy. Hoy i Paoly: “[Ianareo dia] nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô. Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.” (Romana 8:15-17) Ny fanahy masina dia manan-kery eo amin’ny fanahin’ny voahosotra, izany hoe ny toe-tsainy, hany ka voatosika izy hampihatra amin’ny tenany izay lazain’ny Soratra Masina momba ny zanaka ara-panahin’i Jehovah. (1 Jaona 3:2) Mahatonga azy ireo hahatsiaro tena ho zanak’Andriamanitra sy hanana fanantenana tsy manan-tsahala, ny fanahin’Andriamanitra. (Galatiana 4:6, 7) Marina fa tena hahafinaritra ny fiainan’ny olombelona lavorary mandrakizay eto an-tany, miaraka amin’ny fianakaviany sy ny namany, nefa tsy izany no fanantenana nomen’Andriamanitra ny voahosotra. Nandatsahan’Andriamanitra ny fanahiny izy ireo, ka mafy ny fanantenany ho any an-danitra. Noho izany, dia vonona izy ireo hamoy ny olona sy ny zavatra rehetra tiany eto an-tany.​—2 Korintiana 5:1-5, 8; 2 Petera 1:13, 14.

19. Inona no vokatry ny fanekena vaovao eo amin’ny fiainan’ny Kristianina voahosotra?

19 Tsy misalasala mihitsy ny Kristianina voahosotra hoe voantso ho any an-danitra izy sady nampidirina ao amin’ny fanekena vaovao. Niresaka momba izany i Jesosy, rehefa nanao ny Fahatsiarovana voalohany. Hoy izy: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo.” (Lioka 22:20) Andriamanitra sy ny voahosotra no tafiditra amin’ilay fanekena vaovao. (Jeremia 31:31-34; Hebreo 12:22-24) I Jesosy Kristy no mpanalalana, ary ny rany no mampanan-kery azy io. Tsy Jiosy ihany no tafiditra amin’ny fanekena vaovao, fa olona avy amin’ny firenena hafa koa, mba hankalaza ny anaran’i Jehovah sy ho anisan’ny “taranak’i” Abrahama. (Galatiana 3:26-29; Asan’ny Apostoly 15:14) Noho io “fanekena mandrakizay” io, dia azo atsangana amin’ny maty ny Isiraelita ara-panahy rehetra mba hiaina mandrakizay any an-danitra.​—Hebreo 13:20.

20. Inona no fanekena hafa iray iraisan’ny voahosotra sy Kristy?

20 Tsy misalasala momba ny fanantenany mihitsy ny voahosotra. Noraisina tao amin’ny fanekena hafa iray koa izy ireo, dia ny fanekena ny amin’ilay Fanjakana. Hoy i Jesosy momba izany: “Hianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ny fakam-panahy nihatra tamiko; koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ny Raiko ho Ahy.” (Lioka 22:28-30) Manan-kery mandrakizay io fanekena ataon’i Kristy amin’ny mpiara-manjaka aminy io.​—Apokalypsy 22:5.

Fotoam-pifaliana ny Fahatsiarovana

21. Ahoana no andraisantsika soa be dia be rehefa akaiky ny Fahatsiarovana?

21 Betsaka ny zavatra mahafaly rehefa akaiky ny Fahatsiarovana. Mandray soa, ohatra, isika rehefa manaraka ny fandaharana famakiana Baiboly alohan’izy io. Tena tsara koa ny mivavaka sy misaintsaina momba ny fiainan’i Jesosy teto an-tany sy ny fahafatesany. Fotoana hitoriana ilay Fanjakana koa amin’izay. (Salamo 77:12; Filipiana 4:6, 7) Ampahatsiahivina antsika mandritra ny Fahatsiarovana ny fitiavana nasehon’Andriamanitra sy Kristy, rehefa nanao ny sorom-panavotana i Jesosy. (Matio 20:28; Jaona 3:16) Mahavelom-panantenana sy mampahery io sorona io, ary tokony hahatonga antsika ho tapa-kevitra kokoa ny hanara-dia an’i Kristy. (Eksodosy 34:6; Hebreo 12:3) Tokony hanatanjaka antsika koa ny Fahatsiarovana, mba hiainantsika mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika ho an’Andriamanitra sy hanarahantsika hatrany ny dian’ny Zanany malala.

22. Inona no fanomezana tsara indrindra nataon’Andriamanitra ho an’ny olombelona, ary inona no fomba iray azontsika anehoana fankasitrahana an’izany?

22 Maro tokoa ny zava-tsoa omen’i Jehovah antsika! (Jakoba 1:17) Mitari-dalana antsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fanahiny izy, ary mampanantena fiainana mandrakizay. Ny fanomezany tsara indrindra dia ny sorona nataon’i Jesosy mba ho afaka amin’ny fahotana ny voahosotra sy ny olona rehetra mino. (1 Jaona 2:1, 2) Koa sarobidy aminao àry ve ny fahafatesan’i Jesosy? Hampiseho ny fankasitrahanao izany ve ianao, ka hanatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo, ny 16 Aprily 2003 aorian’ny filentehan’ny masoandro?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

Ahoana no Havalinao?

• Iza no tokony hihinana ny mofo sy hisotro ny divain’ny Fahatsiarovana?

• Nahoana ny “ondry hafa” no manatrika amim-panajana fotsiny ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

• Ahoana no ahafantaran’ny Kristianina voahosotra fa tokony hihinana ny mofo sy hisotro ny divain’ny Fahatsiarovana izy?

• Inona no zavatra tsara hatao rehefa akaiky ny Fahatsiarovana?

[Fanontaniana]

[Tabilao/Sary, pejy 18]

(Jereo ny gazety)

Mpanatrika ny Fahatsiarovana

TAPITRISA

15,597,746

15

14

13,147,201

13

12

11

10

 9

 8

 7

 6

 5

4,925,643

 4

 3

 2

 1

878,303

63,146

1935 1955 1975 1995 2002

[Sary, pejy 18]

Hanatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo ve ianao amin’ity taona ity?

[Sary, pejy 21]

Tsara ny mamaky Baiboly bebe kokoa sy mitory bebe kokoa, rehefa akaiky ny Fahatsiarovana