“Tsy Nahalala Firy Momba An’Andriamanitra Aho”
“Tsy Nahalala Firy Momba An’Andriamanitra Aho”
“EFA herintaona izao no nitsidihan’ny Vavolombelon’i Jehovah ahy sy nilazany tamiko ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Katolika nandritra ny valo taona aho, nefa tsy nahalala firy momba an’Andriamanitra. Be dia be anefa ny zavatra nianarako, tao anatin’izay herintaona izay monja.” Izany no nosoratan’ny lehilahy iray mipetraka any Kerala, any Inde. Hoy koa izy: “Tena faly aho mahafantatra fa mivoaka amin’ny fiteny 139 [146 izao] Ny Tilikambo Fiambenana. Gaga koa aho mahafantatra fa ny firenena rehetra no mianatra, ka mahalala an’Andriamanitra.”
Olon-kendry maro no milaza fa tsy afaka mahafantatra an’Andriamanitra ny olona. Nasehon’ny apostoly Paoly tsara anefa fa azo atao izany, rehefa niresaka tamin’ny Atenianina vitsivitsy izy. Nivavaka teo amin’ny alitara natokana ho an’izay “Andriamanitra tsy fantatra” ny sasany tamin’izy ireo. Hoy i Paoly: “Izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo, dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, . . . manome izao rehetra izao aina sy fofon-aina ary ny zavatra rehetra; ary ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponeniny ambonin’ny tany rehetra.”—Asan’ny Apostoly 17:23-26.
Nampirisika ny mpihaino azy hiezaka hahafantatra ny Mpamorona i Paoly, satria “tsy mba lavitra antsika rehetra Izy.” (Asan’ny Apostoly 17:27) Faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao hahafantatra ilay Andriamanitra marina sy ireo toetra tsarany.