Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Hitako Daholo Izay Nilaiko”

“Hitako Daholo Izay Nilaiko”

“Hitako Daholo Izay Nilaiko”

OLONA 120 tapitrisa mahery no ketraka maneran-tany, araka ny tatitra nataon’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana. Olona iray tapitrisa no mamono tena isan-taona, ary eo amin’ny 10 na 20 tapitrisa no manandrana manao izany. Inona no afaka manampy ny olona ketraka? Mety hanamaivana ny fahoriany ny fitsaboana. Tena mila fiaraha-miory koa izy ireo. Nahazo fanampiana azo ampiharina avy tamin’ny boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny olona ketraka sasany, araka ny hita amin’ity taratasy avy tany Frantsa ity:

“Vao haingana izay, dia tsy hitako intsony izay antony hahavelomana. Nangataka tamin’Andriamanitra aho mba ho faty. Tsy nisy fihetseham-po intsony tao anatiko tao. Tsy hitako izay natao, ka nivavaka mafy tamin’i Jehovah aho. Nanapa-kevitra koa aho fa hamaky ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2002, ka vitako tao anatin’ny telo andro ilay izy. Tena nampahery ahy ilay izy, sady nanatanjaka ny finoako.”

“Nikaroka tao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! koa aho. Tena gaga aho tamin’izay! Efa 15 taona aho no namaky an’ireo gazety ireo, nefa tsy tsapako mihitsy hoe hay tena mampahery sy mamelombelona ny lahatsoratra ao anatiny. Ny mpanoratra azy ireo dia tena feno fitiavana, toetra tsy fahita firy ankehitriny. Hitako daholo izay nilaiko.”

Hoy ny Baiboly: “Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.” (Salamo 34:18) Azo antoka fa hahazo fampaherezana sy fanantenana momba ny hoavy, avy ao amin’ny Baiboly, ny olona rehetra “manana fo mangorakoraka” sy “torotoro fanahy.” Mizara boky sy gazety ara-baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanampiana ireo mila fampiononana avy amin’Andriamanitra.