Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aiza no Ahitana ny Tena Fampiononana?

Aiza no Ahitana ny Tena Fampiononana?

Aiza no Ahitana ny Tena Fampiononana?

“Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika . . . mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra.”​—2 KORINTIANA 1:3, 4.

1. Inona avy no toe-javatra mety hahatonga ny olona hangetaheta fampiononana?

REHEFA marary mafy ny olona iray, dia mety hihevitra fa potika tanteraka ny fiainany. Lasa mahantra fadiranovana ny sasany, aorian’ny horohoron-tany, rivo-doza, ary mosary. Noho ny ady, dia mety hisy mpianakavy hamoy ny ainy, trano rava, na olona voatery hitsoa-ponenana. Mety hahatsiaro ho tsy afa-manoatra koa ny olona iharan’ny tsy rariny. Mangetaheta fampiononana mihitsy ny olona mijaly toy izany. Aiza àry no hahitany fampiononana?

2. Nahoana no tsy manan-tsahala ny fampiononana avy amin’i Jehovah?

2 Misy olona sy fikambanana miezaka hanome fampiononana. Ankasitrahana ny teny maneho hatsaram-panahy lazain’izy ireo. Mikarakara izay ilaina eo no ho eo koa izy ireo, rehefa manome sakafo sy fialofana ary akanjo. I Jehovah, ilay Andriamanitra marina ihany anefa, no afaka manarina ny tsy mety rehetra sy manao izay tsy hitrangan’ny loza toy izany intsony. Hoy ny Baiboly momba azy: “Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra anay.” (2 Korintiana 1:3, 4) Ahoana no ampiononan’i Jehovah antsika?

Famahana ny olana hatrany am-potony

3. Ahoana no hamahan’Andriamanitra ny olan’ny olombelona hatrany am-potony, mba hampiononana azy ireo?

3 Teraka tsy lavorary ny olombelona rehetra, noho ny fahotan’i Adama. Niteraka olana be dia be izay miafara amin’ny fahafatesana izany. (Romana 5:12) Vao mainka manampy trotraka koa i Satana Devoly, ilay “andrianan’izao tontolo izao.” (Jaona 12:31; 1 Jaona 5:19) Tsy hoe onena fotsiny anefa i Jehovah mahita ny toe-javatra mampalahelo misy ny olombelona. Naniraka ny Zanany lahitokana mihitsy izy hanavotra antsika, ary nilaza fa hafahana amin’ny vokatry ny fahotan’i Adama isika raha mino ny Zanany. (Jaona 3:16; 1 Jaona 4:10) Nilaza koa izy fa handringana an’i Satana sy ny tontolo ratsiny i Jesosy Kristy, izay efa nomena ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.​—Matio 28:18; 1 Jaona 3:8; Apokalypsy 6:2; 20:10.

4. a) Inona no nataon’i Jehovah mba hatokisantsika bebe kokoa ny fampanantenany fanamaivanana? b) Ahoana no anampiany antsika hahatakatra ny fotoana hiavian’ny fanamaivanana?

4 Mba hahatonga antsika hatoky bebe kokoa ny fampanantenan’Andriamanitra, dia nitahiry porofo be dia be izy, izay mampiseho fa tanteraka foana ny teniny. (Josoa 23:14) Noraketiny ao amin’ny Baiboly ny fomba namonjeny ny mpanompony tamin’ny toe-javatra toa tsy azo nialana, raha araka ny fijerin’ny olombelona azy fotsiny. (Eksodosy 14:4-31; 2 Mpanjaka 18:13–19:37) Nasehon’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy koa, fa mikasa hanasitrana ny olona amin’ny “rofy rehetra” izy, ary hanangana ny maty mihitsy aza. (Matio 9:35; 11:3-6) Rahoviana izany rehetra izany no hitranga? Mamaly izany ny Baiboly, rehefa miresaka momba ny andro faran’ity tontolo ity, ka aorian’izay no hisy ny lanitra vaovao sy tany vaovao. Mifanitsy amin’izao andro iainantsika izao ny zavatra nolazain’i Jesosy momba izany andro farany izany.​—Matio 24:3-14; 2 Timoty 3:1-5.

Fampiononana ho an’ny vahoaka ory

5. Nisarika ny sain’ny Isiraely fahiny ho amin’ny inona i Jehovah, rehefa nampionona azy ireo?

5 Rehefa mandinika ny fomba nitondran’i Jehovah ny Isiraely fahiny isika, dia mahita ny fomba nampiononany azy ireo tamin’ny fotoan-tsarotra. Nampahatsiahy azy ireo ny toetrany izy. Nahatonga azy ireo hatoky bebe kokoa ny fampanantenany izany. Nasain’i Jehovah nampiasa fifanoherana manaitra ny mpaminaniny, mba hampisehoana fa izy no Andriamanitra velona sy marina, fa ireo sampy kosa tsy afaka manampy ny tenany na ireo mpivavaka taminy. (Isaia 41:10; 46:1; Jeremia 10:2-15) Rehefa niteny tamin’i Isaia mpaminany i Jehovah hoe “ampionòny, ampionòny ny oloko”, dia nasainy nampiasa fanoharana sy nilazalaza ny zavaboariny izy, mba hanantitranterana fa tsy manan-tsahala i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina.​—Isaia 40:1-31.

6. Inona no nolazain’i Jehovah indraindray mahakasika ny fotoana hanafahana ny vahoakany?

6 Nilaza fotoana voafaritra tsara hanavotany ny vahoakany i Jehovah indraindray, mba hampiononana azy ireo. Nety ho mbola lavitra ilay fotoana na efa akaiky. Taloha kelin’ny nanavotana ireo Isiraelita nampahorina tany Ejipta, ohatra, dia hoy i Jehovah tamin’izy ireo: “Mbola hahatonga loza iray koa amin’i Farao sy Egypta Aho; ary rehefa afaka izany, dia handefa anareo hiala atỳ izy.” (Eksodosy 11:1) Rehefa nisy firenena telo nivondrona nanafika an’i Joda, tamin’ny andron’i Josafata Mpanjaka, dia nilaza taminy i Jehovah fa hamonjy azy ireo izy ‘ny ampitson’iny.’ (2 Tantara 20:1-4, 14-17) Efa ho 200 taona mialoha kosa anefa no nilazan’i Isaia fa hafahana avy any Babylona ny Isiraelita. Nanome tsipiriany fanampiny koa i Jeremia, 100 taona teo ho eo talohan’ny nanafahana azy ireo. Tena nampahery ny vahoakan’Andriamanitra tokoa ireny faminaniana ireny, rehefa nadiva hafahana izy ireo!​—Isaia 44:26–45:3; Jeremia 25:11-14.

7. Inona matetika no voaresaka tao amin’ireo fampanantenana fanafahana, ary inona no herin’izany teo amin’ny olona nahatoky teo amin’ny Isiraely?

7 Tsara homarihina fa matetika no nirakitra fanazavana momba ny Mesia, ireo fampanantenana nampionona ny vahoakan’Andriamanitra. (Isaia 53:1-12) Nahavelom-panantenana an’ireo olona nahatoky niatrika fisedrana maro izany, tao anatin’ny taranaka maro nifandimby. Izao no vakintsika ao amin’ny Lioka 2:25: “Indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely [izany hoe ny fiavian’ny Mesia]; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy.” Fantatr’i Simeona ilay fampanantenana momba ny Mesia ao amin’ny Soratra Masina, ary nisy heriny teo amin’ny fiainany ny fiandrasany ny fahatanterahan’izany. Tsy fantany kosa ny fomba hahatanterahan’ilay fampanantenana, ary tsy nitranga fony fahavelony ilay famonjena nambara mialoha. Faly anefa izy, rehefa fantany hoe iza no ampiasain’Andriamanitra hitondra izany ‘famonjena’ izany.​—Lioka 2:30.

Fampiononana amin’ny alalan’i Kristy

8. Nanao ahoana ny fanampiana nomen’i Jesosy, raha ampitahaina amin’izay nantenain’ny vahoaka?

8 Matetika i Jesosy Kristy no tsy nanome ny fanampiana nantenain’ny olona, fony izy nanompo tetỳ an-tany. Nankahala ny fanandevozan’ny Romanina, ohatra, ny sasany ka naniry mafy hoe hisy Mesia hanafaka azy amin’izany. Tsy nampirisika ny vahoaka hikomy anefa i Jesosy, fa nilaza taminy kosa mba ‘handoa ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara.’ (Matio 22:21) Mihoatra lavitra noho ny fanafahana ny olona amin’ny fangejan’ny mpitondra ara-politika mantsy ny fikasan’Andriamanitra. Nitady hanao an’i Jesosy ho mpanjaka koa ny vahoaka, nefa nilaza izy fa “hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28; Jaona 6:15) Mbola tsy tonga ny fotoana hanjakany tamin’izay, ary i Jehovah no hanome azy ny fahefana hanjaka, fa tsy vahoaka tsy afa-po.

9. a) Inona no hafatra mampionona notorin’i Jesosy? b) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa mahakasika ny fiainan’ny olona ilay hafatra? d) Inona no ho vokatry ny fanompoan’i Jesosy eo amin’ireo olona hiaina atỳ aoriana?

9 Lafiny iray lehibe tamin’ny fampiononana nomen’i Jesosy, ny “teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” Nitory an’io hafatra io hatraiza hatraiza izy. (Lioka 4:43) Nasongadiny fa mahakasika ny zava-manahirana fahitan’ny olona isan’andro io hafatra io, rehefa nasehony izay hataon’ny Mesia Mpanjaka ho an’ny olombelona. Nanjary nisy tsirony indray ny fiainan’ireo olona nijaly, rehefa nampahiratra ny jamba sy nampiteny ny moana i Jesosy (Matio 12:22; Marka 10:51, 52), nanasitrana ny kilemaina (Marka 2:3-12), sy ireo Isiraelita voan’ny aretina naharikoriko (Lioka 5:12, 13), ary nanamaivana ny fanaintainan’ireo narary mafy. (Marka 5:25-29) Nitondra fanamaivanana lehibe ho an’ireo fianakaviana nidonam-pahoriana koa izy, rehefa nanangana ny zanany tamin’ny maty. (Lioka 7:11-15; 8:49-56) Nasehony fa vitany ny mifehy tafio-drivotra mampidi-doza sy manome izay sakafo ilain’ny vahoaka be. (Marka 4:37-41; 8:2-9) Nomen’i Jesosy toro lalana koa ny olona, mba hahaizan’izy ireo handamina zava-manahirana. Noho izany, dia afaka nanantena izy ireo fa hanao ny marina ny Mesia, rehefa hanjaka. Nampionona ireo nihaino sy nino azy àry i Jesosy nandritra ny fanompoany. Tsy izany ihany anefa fa nampahery ny olona hiaina an’arivo taona atỳ aoriana koa izy.

10. Inona no soa entin’ny soron’i Jesosy?

10 Nahazo tsindrimandry ny apostoly Jaona, 60 taona mahery taorian’ny nanaovan’i Jesosy sorona ny ainy sy nitsanganany ho any an-danitra. Hoy izy: “Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina; ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa.” (1 Jaona 2:1, 2) Tena mampionona antsika ireo soa entin’ny sorona lavorary nataon’i Jesosy. Fantatsika fa afaka mahazo famelan-keloka sy sitraka amin’Andriamanitra isika, ary manana fieritreretana madio sy manantena fiainana mandrakizay.​—Jaona 14:6; Romana 6:23; Hebreo 9:24-28; 1 Petera 3:21.

Mpampionona ny fanahy masina

11. Talohan’ny nahafatesan’i Jesosy, inona koa no nampanantenainy fa hitondra fampiononana?

11 Niaraka tamin’ny apostoliny i Jesosy, ny hariva talohan’ny nanaovany sorona ny ainy. Tamin’izay izy dia niresaka momba ny fandaharana hafa iray nataon’ny Rainy any an-danitra mba hampiononana azy ireo. Hoy izy: “Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa [na Mpampionona, Grika: pa·raʹkle·tos] mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana.” Nanome toky azy ireo koa i Jesosy hoe: “Ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, . . . no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.” (Jaona 14:16, 17, 26) Ahoana no nampiononan’ny fanahy masina azy ireo?

12. Nahoana no mampionona olona maro ny fanahy masina, rehefa nampahatsiahy ny mpianatr’i Jesosy ny zavatra nolazainy taminy?

12 Nampianarin’i Jesosy zavatra be dia be ny apostoliny. Azo antoka fa tsy nanadino izany mihitsy izy ireo, nefa tadidiny ve izay tena nolazain’i Jesosy? Nisy fampianarana lehibe sasany hadinon’izy ireo ve, satria tsy lavorary izy ireo? Nanome toky azy ireo i Jesosy fa ‘hampahatsiaro azy ny zavatra rehetra izay nolazainy taminy’, ny fanahy masina. Izany no nahafahan’i Matio nanoratra ny Filazantsara voalohany, valo taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Noraketiny ao ilay Toriteny nampahery nataon’i Jesosy teo An-tendrombohitra, ny fanoharana maro be nataony momba ilay Fanjakana, ary ireo tsipiriany nomeny hamantarana ny fanatrehany. Dimampolo taona mahery tatỳ aoriana koa, dia afaka nanoratra tantara azo itokiana sy feno tsipiriany momba ireo andro farany niainan’i Jesosy tetỳ an-tany, ny apostoly Jaona. Tena mampahery mihitsy ireo tantara ara-tsindrimandry ireo mandraka ankehitriny!

13. Hazavao fa toy ny mpampianatra ho an’ny Kristianina voalohany ny fanahy masina.

13 Tsy nampahatsiahy ny tenin’i Jesosy fotsiny ny fanahy masina, fa nampianatra sy nitari-dalana ny mpianany koa, mba hahatakaran’izy ireo tsara kokoa ny fikasan’Andriamanitra. Tsy azon’izy ireo tsara, ohatra, ny zavatra nolazain’i Jesosy taminy. Kanefa rehefa nampian’ny fanahy masina ry Jaona, Petera, Jakoba, Joda, ary Paoly tatỳ aoriana, dia afaka nanoratra sy nanazava bebe kokoa ny fizotran’ny fikasan’Andriamanitra. Toy ny mpampianatra àry ny fanahy masina, ka nanome toky an’ireo mpianatra fa nitari-dalana azy ireo Andriamanitra.

14. Tamin’ny fomba ahoana avy no nanampian’ny fanahy masina ny vahoakan’i Jehovah?

14 Nahariharin’ireo fanomezana mahagaga avy tamin’ny fanahy koa, fa ny fiangonana kristianina indray no ankasitrahan’Andriamanitra, fa tsy ny Isiraely ara-nofo intsony. (Hebreo 2:4) Lafiny iray lehibe namantarana ireo tena mpianatr’i Jesosy ny fanehoan’izy ireo ny vokatr’io fanahy io. (Jaona 13:35; Galatiana 5:22-24) Nanatanjaka an’ilay fiangonana koa ny fanahy, ka nahatonga azy tsy hatahotra, fa ho sahy hitory.​—Asan’ny Apostoly 4:31.

Fanampiana rehefa iharan’ny fahoriana faran’izay mafy

15. a) Inona avy no fahoriana nozakain’ny Kristianina taloha sy ankehitriny? b) Nahoana no mety hila hampaherezina koa ny Kristianina mampahery ny hafa indraindray?

15 Tsy maintsy enjehina ny olona rehetra nanolo-tena ho an’i Jehovah sy tsy mivadika aminy. (2 Timoty 3:12) Miaritra fahoriana faran’izay mafy anefa ny Kristianina maro. Enjehin’ny vahoaka romotra ny sasany, ary alefa any amin’ny toby fitanana, na fonja, na toby fiasana an-tery vozona sy feno habibiana. Ny fitondram-panjakana mihitsy aza no tena manenjika indraindray, na avelany ho afa-maina ireo olona mpandika lalàna mihetraketraka amin’izy ireny. Misy koa Kristianina marary mafy, na mahita olana lehibe eo anivon’ny fianakaviany. Mety ho sahiran-tsaina koa ny Kristianina matotra, izay tsy mitsahatra ny manampy ny mpiray finoana aminy hiatrika zava-tsarotra. Mampahery ny hafa izy, nefa mety mba hila fampaherezana koa.

16. Inona no fanampiana azon’i Davida, rehefa niaritra fahoriana mafy izy?

16 Nitalaho fanampiana tamin’Andriamanitra i Davida, rehefa nifofo ny ainy i Saoly Mpanjaka. Hoy izy: “Andriamanitra ô, henoy ny fivavako . . . Ao amin’ny aloky ny elatrao no ialofako.” (Salamo 54:2, 4; 57:1) Nahazo fanampiana ve i Davida? Eny. Nampiasa an’i Gada mpaminany sy Abiatara mpisorona i Jehovah, mba hanome tari-dalana an’i Davida. Nampiasa an’i Jonatana, zanak’i Saoly, koa izy mba hampaherezana ilay tovolahy. (1 Samoela 22:1, 5; 23:9-13, 16-18) Navelan’i Jehovah hanafika ilay tany koa ny Filistinina, mba hahavariana an’i Saoly, ka tsy hanenjehany an’i Davida.​—1 Samoela 23:27, 28.

17. Taiza i Jesosy no nitady fanampiana, rehefa faran’izay ory?

17 Faran’izay ory koa i Jesosy Kristy, rehefa nanakaiky ny fotoana hahafatesany. Fantany tsara mantsy fa hisy vokany eo amin’ny anaran’ny Rainy any an-danitra sy ny hoavin’ny olombelona rehetra, ny fitondran-tenany. Nivavaka mafy izy, ary “fadiranovana” mihitsy aza. Nataon’Andriamanitra izay hahazoan’i Jesosy ny fanampiana nilainy tamin’io fotoan-tsarotra io.​—Lioka 22:41-44.

18. Inona no fampiononana nomen’Andriamanitra an’ireo Kristianina voalohany izay nenjehina tamin-kalozana?

18 Nenjehina tamin-kalozana ny Kristianina taorian’ny niorenan’ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany, hany ka niparitaka nandao an’i Jerosalema izy rehetra, afa-tsy ny apostoly ihany. Nisy aza lehilahy sy vehivavy notaritaritina hivoaka ny tranony. Inona no fampiononana nomen’Andriamanitra azy ireo? Nanome toky azy ireo ny Teniny fa nanana “fananana tsara lavitra sady maharitra” izy ireo, dia lova mandrakizay any an-danitra miaraka amin’i Kristy. (Hebreo 10:34; Efesiana 1:18-20) Rehefa nitory foana izy ireo, dia nahita porofo fa nomba azy ireo ny fanahin’Andriamanitra, ka vao mainka izany nahafaly azy ireo.​—Matio 5:11, 12; Asan’ny Apostoly 8:1-40.

19. Ahoana no fiheveran’i Paoly ny fampiononana avy amin’Andriamanitra, na dia nenjehina tamin-kalozana aza izy?

19 Nenjehina koa i Saoly (Paoly), izay nanenjika mafy ny hafa, noho izy niova ho Kristianina. Nitady hanakantsakana ny fanompoan’i Paoly ny mpanao ody iray tany amin’ny nosy Kyprosy, ka nampiasa fitaka sy nanolana ny fahamarinana. Notoraham-bato i Paoly tany Galatia, ka noheverina fa efa maty mihitsy. (Asan’ny Apostoly 13:8-10; 14:19) Nokapohina tamin’ny hazo izy tany Makedonia. (Asan’ny Apostoly 16:22, 23) Izao no nosoratany, rehefa avy norotahin’ny vahoaka romotra tany Efesosy izy: “Novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza; eny, tsy nanampo izay ho velona intsony izahay.” (2 Korintiana 1:8, 9) Nanoratra ny teny fampiononana hitantsika eo amin’ny fehintsoratra faha-2 koa anefa izy, tao amin’io taratasiny io.​—2 Korintiana 1:3, 4.

20 Inona no azonao atao mba hampiononana ny hafa toy izany? Maro no mila izany ankehitriny, rehefa ketraka noho ny loza mianjady amin’ny olona maro be, na noho ny zava-manahirana azy samirery. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba ampiononana ireny olona ireny.

Tadidinao Ve?

• Nahoana no tsy misy fampiononana sarobidy noho ny fampiononana avy amin’Andriamanitra?

• Inona no fampiononana omen’i Kristy?

• Nahoana ny fanahy masina no atao hoe mpampionona?

• Ahoana no nampiononan’Andriamanitra ny mpanompony sasany, izay niharan’ny fahoriana mafy?

[Fanontaniana]

20. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

[Sary, pejy 15]

Milaza ny Baiboly fa nampionona ny vahoakany i Jehovah rehefa nanafaka azy ireo

[Sary, pejy 16]

Nampionona ny olona i Jesosy rehefa nampianatra sy nanasitrana azy, ary nanangana ireo maty

[Sary, pejy 18]

Nahazo fanampiana avy tany ambony i Jesosy