Mety Amin’ny Kristianina ve ny Mandoro Emboka Manitra?
Mety Amin’ny Kristianina ve ny Mandoro Emboka Manitra?
“TIA fofona manitra ireo andriamanitra.” Fandre tany Ejipta fahiny ny teny toy izany. Tena tapany lehibe tamin’ny fivavahan’ny Ejipsianina ny fandoroana emboka manitra na ditin-kazo manitra. Nino izy ireo fa teo akaikiny ny andriamaniny, ka nandoro emboka manitra isan’andro izy ireo, na tany amin’ny tempoly izany, na tao an-trano, na rehefa nanao raharaham-barotra mihitsy aza. Nisy firenena hafa nanao toy izany koa.
Inona no atao hoe emboka manitra? Manondro ilay fofona manitra io teny io, na ilay zavatra dorana. Dity manitra, toy ny balsama na ramy, no anaovana ilay izy. Totoina ireo zavatra ireo, ary matetika no afangaro amin’ny zavatra hafa, toy ny zavamanitra fanao amin’ny sakafo na hodi-kazo na voninkazo, mba hahazoana fofona manokana, arakaraka izay ampiasana azy.
Fahiny, dia tena be mpitia ny emboka manitra, ka lasa entam-barotra sarobidy. Nanjary be mpividy àry ireo zavatra nilaina taminy. Avy tany an-tany lavitra izy ireny no nalaina, ary nentina nanaraka ny lalana falehan’ny mpivarotra. Tadidinao angamba fa namidy tamin’ny mpivarotra isimaelita i Josefa zanak’i Jakoba. ‘Avy tany Gileada [ireo mpivarotra ireo], ary ny ramevany nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any Ejipta.’ (Genesisy 37:25) Tena lasa be mpitady ny emboka manitra, ka nasiana lalana fitaterana azy io avy tany Azia nankany Eoropa. Nanomboka tamin’izay no nisian’ny lalana nampitohy ireo faritra ireo. Azo antoka fa ny mpivarotra emboka manitra no namorona izany lalana izany.
Mbola mandoro emboka manitra ihany ny fivavahana maro, rehefa misy fety na fombafomba. Mihamaro koa ny olona mandoro emboka manitra ao an-tranony, satria tiany ny fofony. Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristianina ny fandoroana emboka manitra? Ankasitrahan’Andriamanitra ve izany rehefa mivavaka aminy? Aoka hojerentsika izay lazain’ny Baiboly.
‘Masina ho an’i Jehovah’
Anisan’ny asa lehibe nataon’ny mpisorona ny fandoroana emboka manitra tao amin’ny tabernakely, teo amin’ny Isiraelita fahiny. Hoy ny Rakipahalalana (anglisy) navoakan’i McClintock sy Strong: “Toa rehefa nivavaka na nanao fanatitra masina ihany ny Hebreo vao nandoro emboka manitra. Tsy misy filazana hoe nampiasainy tamin’ny fomba hafa izy io.”
Zavatra efatra no nasain’i Jehovah Andriamanitra nafangaro sy nodorana tao amin’ny tabernakely: “Makà zava-manitra ho anao, dia natafa sy sekeleta sy helbena ary lebona madio; samy hamboarina manokana ireo. Ary ataovy ditin-kazo manitra izy, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon’ny mpangaroharo zava-manitra, dia asio sira izy, ary aoka ho madio sy masina. Ary torotoroy ny sasany ho madinika indrindra, dia ataovy eo anoloan’ny Vavolombelona ao amin’ny trano-lay fihaonana.” (Eksodosy 30:34-36) Milaza ny manam-pahaizana fa nampian’ny raby jiosy fangarony hafa tatỳ aoriana, ny emboka manitra nampiasaina tao amin’ny tempoly.
Eksodosy 30:37, 38) Nandoro emboka manitra indroa isan’andro teo ambony alitara natokana ho amin’izany ny mpisorona. (2 Tantara 13:11) Tamin’ny Andro Fanavotana, dia nandoro emboka manitra tao amin’ny Masina Indrindra ny mpisoronabe.—Levitikosy 16:12, 13.
Masina ny emboka manitra nodorana tao amin’ny tabernakely. Rehefa nivavaka tamin’Andriamanitra ihany izy io vao azo nampiasaina. Izao no didin’i Jehovah: “Ny amin’ny ditin-kazo manitra izay hataonao, dia aza mba misy atao tahaka azy ny ho anareo; ho masina aminao ho an’i Jehovah izany. Na zovy na zovy manao izay tahaka azy ho fanorohana dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.” (Tsy ny emboka manitra rehetra no neken’Andriamanitra. Nosaziny izay olona tsy mpisorona, nefa sahisahy nanolotra emboka manitra, toy ny fanaon’ny mpisorona. (Nomery 16:16-18, 35–17:5; 2 Tantara 26:16-20) Nanafintohina an’i Jehovah ny emboka manitra natolotry ny firenena jiosy, satria nandray anjara tamin’ny fanaon’ny fivavahan-diso sy nandatsa-dra izy ireo. Nihatsaravelatsihy izy ireo, ka niteny mihitsy i Jehovah fa ‘fofona fahavetavetana taminy’ ny emboka manitra natolony. (Isaia 1:13, 15) Nanjary tena tsy niraharaha ny toromarik’i Jehovah momba ny fivavahana ny Isiraelita. Nakatony ny tempoly, ary nandoro emboka manitra teo ambony alitara hafa izy ireo. (2 Tantara 28:24, 25) Nampiasaina tamin’ny fivavahana mamoafady tamin’ny andriamani-diso mihitsy aza ny emboka masina, tatỳ aoriana. Naharikoriko an’i Jehovah ireny fanao ireny.—Ezekiela 16:2, 17, 18.
Ny emboka manitra sy ny Kristianina voalohany
Nanorina ny fanekena vaovao i Kristy tamin’ny taona 33, ka tsy nanan-kery intsony ny faneken’ny Lalàna, anisan’izany ny lalàna nandidy ny mpisorona hanolotra emboka masina. (Kolosiana 2:14) Tsy misy fitantarana mihitsy hoe nandoro emboka manitra ny Kristianina voalohany rehefa nivavaka. Hoy ny Rakipahalalana navoakan’i McClintock sy Strong momba izany: “Azo antoka fa tsy nampiasa emboka manitra [ny Kristianina voalohany]. Ny mpanompo sampy no nampiasa azy io . . . Namafy vovoka emboka manitra kely teo ambony alitara ny mpanompo sampy, rehefa nivavaka.”
Tsy nety nandoro emboka manitra ho an’ny emperora romanina koa ny Kristianina voalohany, na dia nety ho novonoina ho faty aza izy ireo. Nandoro emboka manitra ho an’ny emperora mantsy izay nanaiky azy ho “andriamanitra.” (Lioka 4:8; 1 Korintiana 10:14, 20) Nampiasaina tamin’ny fanompoan-tsampy àry ny emboka manitra tamin’izany, ka tsy mahagaga raha tsy nandray anjara, na dia tamin’ny fivarotana azy io aza, ny Kristianina voalohany.
Fandoroana emboka manitra ankehitriny
Ahoana no ampiasan’ny olona ny emboka manitra ankehitriny? Misy fandoroana emboka manitra mandritra ny fety sy litorjia, any amin’ny fiangonana maro ao amin’ny Kristianisma Anarana. Mandoro emboka manitra any amin’ny tempoliny na eo anoloan’ny alitara ao an-tranony ny olona maro any Azia, mba hanomezam-boninahitra ny andriamaniny sy hiarovana ny maty. Rehefa misy fotoam-pivavahana, dia ampiasaina ny emboka manitra, mba hamenoana setroka toerana iray, hanasitranana, hanadiovana, ary hiarovana.
Lasa maro be tato ho ato ny olona mampiasa emboka manitra, na dia tsy mpivavaka aza. Misy manao izany rehefa misaintsaina. Misy boky manoro hevitra hoe ilaina ny mampiasa emboka manitra, mba “hahalasa ny eritreritra any ankoatra”, sy mba hananana “hery” mihoatra noho ny mahazatra. Milaza koa io boky io hoe raha te handamina olana, dia ilaina ny manao fombafomba arahina fandoroana emboka manitra, mba hifandraisana amin’ny “fanahy any ankoatra.” Mety amin’ny Kristianina ve ny fanao toy izany?
Tena melohin’i Jehovah mafy izay manandrana mampifangaro ny fanaon’ny fivavahan-diso amin’ny fivavahana marina. Namerina ny faminanian’i Isaia ny apostoly Paoly, ary nampihatra izany tamin’ny Kristianina. Nampitandrina azy ireo izy mba tsy hanaiky mihitsy ho voataonan’ny fivavahan-diso. Hoy izy: “Mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo.” (2 Korintiana 6:17; Isaia 52:11) Ataon’ny Kristianina marina izay ahazoana antoka, fa manalavitra ny fanao rehetra mifandray amin’ny fivavahan-diso na ny asan’ny maizina izy.—Jaona 4:24.
Moa ve anefa ny fampiasana emboka manitra amin’ny fety ara-pivavahana sy ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy midika fa tsy mety ny mampiasa azy io? Tsy voatery ho izany. Angamba misy olona te handoro emboka manitra ao an-tranony, satria tiany ny fofony. (Ohabolana 27:9) Misy zavatra tokony hodinihin’ny Kristianina anefa, alohan’ny hanapahany hevitra fa handoro emboka manitra izy. Heverin’ny olona eo amin’ny faritra misy anao ho fanaon’ny fivavahan-diso ve ny fampiasana emboka manitra? Sa anisan’ny fomba fanao rehefa mifandray amin’ny fanahy ratsy? Sa kosa be mpampiasa izy io, na dia tsy amin’ny fivavahana aza?
Raha mifidy ny handoro emboka manitra ny olona iray, dia tokony hiankina amin’ny feon’ny fieritreretany sy ny fomba fijerin’ny olon-kafa izany. (1 Korintiana 10:29) Hanaraka ity tenin’ny apostoly Paoly tamin’ny Romanina ity izy: “Aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana. Aza izay hanina no andravanao ny asan’Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an’ny olona izay mihinana amin’ny fahatafintohinana. Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao.”—Romana 14:19-21.
Toy ny emboka manitra ny vavaka
Nifanitsy tsara tamin’ny vavaka henoin’Andriamanitra ny emboka manitra natolotra, teo amin’ny Isiraelita. Izany no nahatonga an’i Davida mpanao salamo hihira toy izao ho an’i Jehovah: “Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako.”—Salamo 141:2.
Zava-dehibe tamin’ny Isiraelita nahatoky ny fanolorana emboka manitra. Nitandrina tsara izy ireo mba hifanaraka tamin’ny toromarika nomen’i Jehovah ny fikarakarana sy fandoroana azy io. Tsy manolotra emboka manitra ara-bakiteny intsony ny Kristianina ankehitriny. Vavaka mampiseho fankasitrahana lalina sy fanajana kosa no atolotr’izy ireo an’ilay Raintsika any an-danitra. Tena tsara ny fofon’ny emboka manitra natolotry ny mpisorona tao amin’ny tempoly. Manome toky antsika koa ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Ny fivavaky ny marina no sitrany.”—Ohabolana 15:8.
[Sary, pejy 29]
Masina ny emboka manitra nodorana tao amin’ny tabernakely sy ny tempoly
[Sary, pejy 30]
Mety amin’ny Kristianina ve ny mandoro emboka manitra rehefa misaintsaina?