Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vahaolana Maharitra Amin’ny Fahantrana

Vahaolana Maharitra Amin’ny Fahantrana

Vahaolana Maharitra Amin’ny Fahantrana

NA DIA mahakivy aza ny tatitra momba ny fahantrana avy amin’ny faritra maro eran-tany, dia manantena hatrany ny sasany fa misy zavatra mivaingana azo atao hiadiana amin’izy io. Nambaran’ny Bankin’ny Fivoaran’i Azia, ohatra, fa “azo foanana ao anatin’ny 25 taona ny fahantrana any Azia.” Izany no matoan-dahatsoratry ny Gazetin’i Manille (anglisy). Nilaza ilay banky fa tokony hatao izay hampandrosoana ny toe-karena, mba hanafahana ny olona amin’ny fahantrana fadiranovana.

Nanome soso-kevitra sy nanao tetik’asa be dia be koa ny fikambanana sy fitondram-panjakana sasany mba hamahana ilay olana. Ireto, ohatra, no hevitra narosony: Tokony hisy tahirim-bola hatokana hanampiana ireo sahirana. Tokony hohatsaraina ny fampianarana. Tokony hofoanana ny trosa tokony haloan’ireo firenena an-dalam-pandrosoana amin’ireo firenena mandroso. Tokony hatao izay hanamora ny fanondranan’ireo firenena mahantra ny entany any ivelany. Tokony hisy trano hahofa mora amin’ny mahantra.

Nametraka tanjona hotratrarina mandra-pahatongan’ny taona 2015 ny Firenena Mikambana, nandritra ny fivoriamben’izy ireo tamin’ny 2000. Hatao, ohatra, izay tsy hisian’ny fahantrana fadiranovana sy ny hanoanana, ary ny fahasamihafana be eo amin’ny fidiram-bolan’ny olona eo anivon’ny firenena. Tanjona faran’izay tsara tokoa izany, nefa maro no misalasala raha ho tratra izany, eto amin’ity tontolo misara-bazana ity.

Torohevitra mahasoa hiadiana amin’ny fahantrana

Koa raha kely toy izany ny fanantenana fandrosoana eran-tany, aiza àry no ahazoana fanampiana? Araka ny efa nolazaina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia misy loharanom-pahendrena iray afaka manampy ny olona dieny izao. Inona moa izany? Tsy inona fa ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly.

Inona no mampiavaka ny Baiboly amin’ny boky hafa rehetra? Avy amin’ny Mpamorona, izay fahefana fara tampony, izy io. Misy fahendrena sarobidy noraketiny ao. Izany dia hita ao amin’ireo toro lalana mahasoa, izay azon’ny olona rehetra ampiharina foana, na aiza na aiza. Raha manaraka ireo toro lalana ireo ny mahantra, dia ho afa-po kokoa amin’ny fiainany dieny izao. Andeha isika handinika ohatra vitsivitsy.

Mahaiza mandanjalanja eo amin’ny resaka vola. Hoy ny Baiboly: “Fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.” (Mpitoriteny 7:12) Inona no dikan’izany? Midika izany fa tsy ny vola no zava-dehibe indrindra. Marina fa afaka miaro antsika izy io. Afaka mividy izay ilaintsika isika, rehefa manam-bola, nefa voafetra ihany ny zava-bitany. Misy zava-tsarobidy kokoa tsy voavidin’ny vola. Hahay handanjalanja eo amin’ny resaka vola sy harena isika, raha manaiky izany, ka tsy ho diso fanantenana toy ny olona matimatin-karena. Tsy mahavidy ny aina ny vola, fa ny fanaovana zavatra amim-pahendrena kosa dia afaka miaro ny aintsika dieny izao, ary afaka mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay mihitsy aza.

Aza mandany mihoatra noho izay takatry ny volanao. Tsy tena ilaintsika akory ny zavatra irintsika indraindray. Izay ilaina anefa no tokony hokarakaraina voalohany. Mora erỳ ny mieritreritra hoe ilaintsika ny zavatra iray, nefa irintsika ho azo fotsiny ilay izy, raha ny tena marina, fa tsy tena ilaintsika akory. Ny olona hendry dia hampiasa ny volany amin’izay tena ilainy aloha, toy ny sakafo, akanjo, trano, sy ny sisa. Raha misy zavatra hafa tiany hovidina ankoatra an’ireo, dia hojereny aloha raha ampy ny vola sisa tavela. Tao amin’ny fanoharana iray, dia nilaza i Jesosy fa tsara ny ‘mipetraka aloha mihevitra izay ho lany, mba hahitana raha misy hahavitana’ ny zavatra tiana hatao na tsia.​—Lioka 14:28.

Mitaiza irery ny zanany telo i Eufrosina, mipetraka any Philippines. Nandao azy ny vadiny, taona vitsivitsy lasa izay, ka tsy maintsy mamelon-tena sy mitsitsy vola izy, na dia sarotra aza izany. Nozariny hamantatra izay tena ilaina koa ny zanany. Rehefa mahita zavatra tiany, ohatra, izy ireo, dia tsy mandà tsy hividy avy hatrany i Eufrosina. Mampieritreritra azy ireo izy aloha hoe: “Afaka mahazo an’io ianareo, fa tsy maintsy misafidy. Zavatra iray ihany no azon’ny volantsika. Afaka mividy an’io zavatra tianareo io isika, na mividy hena kely na legioma hatao laoka amin’ity herinandro ity. Ka inona no tianareo? Ianareo no manapa-kevitra.” Mazàna no azon’ny zanany avy hatrany ny tiany holazaina, ka aleon’izy ireo sakafo toy izay zavatra hafa.

Mahaiza mianina. Izao no toro lalana hafa omen’ny Baiboly: “Raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.” (1 Timoty 6:8) Tsy ny vola no antoky ny fahasambarana. Maro ny olona manankarena, nefa tsy sambatra. Etsy an-danin’izany, dia maro ny mahantra no tena sambatra. Nianatra ny ho afa-po amin’ny zavatra tsotra ilaina eo amin’ny fiainana izy ireo. Nampirisihin’i Jesosy hanana ‘maso tsara’ na tsotra isika, izany hoe hifantoka amin’ireo zava-dehibe indrindra. (Matio 6:22) Manampy ny olona hianina amin’izay ananany izany. Maro ny mahantra no mahatsiaro ho afa-po, satria tsara fihavanana amin’Andriamanitra ary manana fiainam-pianakaviana sambatra. Ary tsy voavidim-bola ireo.

Ankoatra an’ireo ohatra vitsivitsy ireo, dia mbola betsaka ny torohevitra mahasoa omen’ny Baiboly hanampiana ny mahantra. Halaviro, ohatra, ny fahazaran-dratsy toy ny fifohana sigara sy ny filokana, izay mandany vola. Fantaro izay tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana, indrindra fa ny tanjona ara-panahy. Raha tsy dia misy asa firy any amin’ny faritra ipetrahanao, dia manandrama manao zavatra na asa ilain’ny olona. (Ohabolana 22:29; 23:21; Filipiana 1:9-11) Mampirisika anao hampihatra izany ‘tena fahendrena sy fisainana mazava’ izany ny Baiboly, satria “ho ain’ny fanahinao” izany.​—Ohabolana 3:21, 22.

Na dia manamaivana ny fahorian’ireo miady amin’ny fahantrana aza ny torohevitry ny Baiboly, dia mbola mampanahy ihany ny hoavy. Voaozona hahantra mandrakizay ve ny mahantra? Tsy hisy intsony ve indray andro any ny hantsana mampisaraka ny mpanefohefo sy ny mahantra fadiranovana? Andeha isika handinika vahaolana iray tsy eritreretin’ny ankamaroan’ny olona.

Manome antony mahabe fanantenana ny Baiboly

Maro no manaiky fa boky tsara ny Baiboly. Tsy fantany anefa matetika, fa manazava tsara izy io hoe kely sisa dia hisy fiovana lehibe hitranga.

Mikasa hanao zavatra Andriamanitra handaminana ny zava-manahirana ny olombelona, anisan’izany ny fahantrana. Voaporofo fa tsy mahavita izany ny fitondram-panjakan’olombelona, sady tsy maniry hanao izany, ka hosoloan’Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana? Antitranterin’ny Baiboly ao amin’ny Daniela 2:44 hoe: “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”

Hanao zavatra ny Mpitondra voatendrin’Andriamanitra, rehefa avy manafoana ireo “fanjakana” ireo. Tsy olombelona io Mpitondra io, fa fanahy mahery any an-danitra, toa an’Andriamanitra. Hainy ny mitondra ireo fiovana lehibe ilaina, mba hanafoanana ny tsy fitoviana misy ankehitriny. Ny Zanany no notendren’Andriamanitra hanao izany. (Asan’ny Apostoly 17:31) Izao no hataon’io Mpitondra io, araka ny Salamo 72:12-14: “Hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo. Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny rany.” Izany ka fanantenana faran’izay tsara! Hisy fanamaivanana ihany amin’ny farany! Hamonjy ny mahantra sy ny malahelo ilay Mpitondra voatendrin’Andriamanitra.

Ho voavaha ny olana maro be mifandray amin’ny fahantrana amin’izany andro izany. Hoy ny Salamo 72:16: “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza.” Tsy hisy intsony ny tsy fahampian-tsakafo vokatry ny mosary, na ny tsy fisian’ny vola, na ny tsy fahaizana mitantana.

Ho voavaha koa ny olana hafa. Maro, ohatra, ankehitriny no tsy manana trano azy manokana. Mampanantena anefa Andriamanitra hoe: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany.” (Isaia 65:21, 22) Samy hanana ny tranony ny olona, ary ho finaritra amin’ny asany. Araka izany, dia mampanantena Andriamanitra fa hanafoana tanteraka ny fahantrana izy. Tsy hisy intsony hantsana goavana mampisaraka ny manankarena sy ny mahantra, na olona zara fa manana izay ivelomana.

Raha sambany ianao vao mahare ireo fampanantenan’ny Baiboly ireo, dia mety hisalasala hoe ho tanteraka tokoa ve izany. Rehefa dinihina akaiky anefa ny Baiboly, dia hita fa tanteraka daholo ny zavatra nampanantenain’Andriamanitra fahiny. (Isaia 55:11) Ny zava-dehibe àry dia tsy hoe: Tena hisy tokoa ve izany? Fa ny hoe: Inona no tsy maintsy ataonao mba handraisanao soa rehefa mitranga izany?

Ho eo ve ianao?

Koa satria an’Andriamanitra ilay fanjakana hitondra fiovana, dia tsy maintsy ho ny karazan’olona hekeny ho vahoakany isika. Tsy nanafina ny fepetra tokony harahintsika izy, fa nanome toromarika ao amin’ny Baiboly.

Manao ny marina ny Zanak’Andriamanitra, izay notendreny ho Mpitondra. (Isaia 11:3-5) Tsy maintsy manao ny marina koa àry ireo hekena ho vahoakan’ilay fanjakana. Hoy ny Ohabolana 2:21, 22: “Ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.”

Misy fomba ianarana mameno ireo fepetra ireo ve? Misy tokoa. Mila mianatra ny Baiboly sy mampihatra ny tari-dalany ianao, mba hananana io hoavy tena sambatra io. (Jaona 17:3) Ho faly hanampy anao amin’izany fianarana izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Manasa anao hanararaotra izany izahay, mba ho anisan’ireo olona tsy hiaina anaty fahantrana sy ny tsy rariny intsony ianao.

[Sary, pejy 5]

Eufrosina: “Mitsitsy vola izahay mianakavy, ka manana izay ilainay”

[Sary, pejy 6]

Tsy voavidim-bola ny fihavanana tsara amin’Andriamanitra sy ny fiainam-pianakaviana sambatra