Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Tsaroana Momba ny Olona Sasany?

Inona no Tsaroana Momba ny Olona Sasany?

Inona no Tsaroana Momba ny Olona Sasany?

TELO arivo taona lasa teo ho eo izay, dia nandositra an’i Saoly mpanjakan’ny Isiraely, i Davida. Naniraka olona hangataka sakafo sy rano tamin’i Nabala izy. Mpiompy ondry aman’osy i Nabala, ary nanankarena. Raha ny marina, dia nananan’i Davida sy ny olony trosa izy, satria niaro ny andiam-bibiny, izy ireo. Tsy nety nanome izay nangatahin’ny irak’i Davida anefa i Nabala. Nisafoaka tamin’izy ireo mihitsy aza izy. Nitady raharaha tokoa i Nabala, satria tsy mba karazan’olona nanaiky hovingavingaina i Davida.​—1 Samoela 25:5, 8, 10, 11, 14.

Olona tia mandray vahiny ny mponina any Moyen-Orient, nefa tsy mba toy izany i Nabala. Nanao ahoana àry ny lazany? Milaza ny Baiboly fa “saro-po sy ratsy amin’izay ataony” izy, ary “tena ratsy fanahy.” Ny anarany dia nidika hoe “adala”, ary nifanaraka tamin’izany mihitsy ny nataony. (1 Samoela 25:3, 17, 25) Tianao ve raha toy izany no hahatsiarovana anao? Masiaka sy sarotiny amin’ny olona ve ianao, indrindra raha manana tombony ianao, raha oharina aminy? Sa tsara fanahy sy tia mandray vahiny ary be fiheverana ianao?

Vehivavy hendry i Abigaila

Nidi-kizo i Nabala, noho izy nasiaka. Samy nanao ny sabany teo amin’ny fehin-tsabany i Davida sy ireo lehilahy 400 niaraka taminy, ary lasa hanafay an’i Nabala. Ren’i Abigaila, vadin’i Nabala, izay nitranga. Fantany fa hisy ady atsy ho atsy. Inona àry no nataony? Lasa haingana izy nanomana sakafo be dia be ary nivoaka nitsena an’i Davida sy ny olony. Rehefa nihaona izy ireo, dia nitalaho taminy i Abigaila mba tsy handatsa-dra tsy amin’antony. Nihanalefaka àry i Davida, ka nihaino azy ary namindra fo. Maty i Nabala, taoriana kelin’izay. Nanaiky i Davida fa tena tsara toetra i Abigaila, ka naka azy ho vady.​—1 Samoela 25:14-42.

Nanao ahoana ny lazan’i Abigaila? Vehivavy “hendry” na “kinga saina” izy, araka ny teny hebreo tany am-boalohany. Niharihary fa olona nisaina izy, ary nahafantatra izay tokony hataony sy ny fotoana hanaovana izany. Tsy nivadika tamin’ilay vadiny adala sy ny ankohonany izy, fa niaro azy ireo tamin’ny loza. Rehefa maty izy tatỳ aoriana, dia nalaza ho vehivavy hendry.​—1 Samoela 25:3.

Olona nanao ahoana i Petera?

Aoka isika hiroso ho amin’ny taonjato voalohany Aorian’i Kristy, ary handinika ny apostolin’i Jesosy 12. Tsy isalasalana fa anisan’ny be resaka sy taitaitra indrindra tamin’izy ireo i Petera na Kefasy, mpanarato taloha tany Galilia. Toa olona navitrika izy, ary tsy natahotra nilaza izay tao am-pony. Nanasa ny tongotry ny mpianany, ohatra, i Jesosy indray mandeha. Inona no nataon’i Petera, rehefa tonga teo aminy i Jesosy hanasa ny tongony?

Hoy izy: “Tompoko, Hianao va hanasa ny tongotro?” Namaly i Jesosy hoe: “Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny, fa ho fantatrao rahatrizay.” Hoy indray i Petera: “Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao.” Mariho fa hentitra i Petera, nefa koa taitaitra. Inona no navalin’i Jesosy?

“Raha tsy hosasako hianao dia tsy manana anjara amiko”, hoy izy. Nilaza indray i Simona Petera hoe: “Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tànako sy ny lohako koa.” Lasa tafahoatra indray ny an’i Petera! Fantatra foana anefa izay tao an-tsainy. Tsy nihatsaravelatsihy izy.​—Jaona 13:6-9.

Ahatsiarovana an’i Petera koa ny fahalemeny, izay fahita eo amin’ny olombelona. Intelo izy, ohatra, no nanda an’i Kristy, rehefa nampangaina ho mpanara-dia an’i Jesosy avy tany Nazareta, taorian’ny nanamelohana azy. Rehefa takany ny fahadisoany, dia nitomany fatratra izy. Tsy natahotra nampiseho alahelo sy nenina izy. Tsara homarihina koa fa nitantara an’io fandavan’i Petera io ireo mpanoratra ny Filazantsara. Tena azo inoana fa i Petera ihany no nitantara izany tamin’izy ireo! Nanetry tena izy, matoa niaiky ny fahadisoany. Manana izany toetra tsara izany koa ve ianao?​—Matio 26:69-75; Marka 14:66-72; Lioka 22:54-62; Jaona 18:15-18, 25-27.

Feno ny fanahy masina i Petera tamin’ny Pentekosta, herinandro vitsivitsy taorian’ny nandavany an’i Kristy, ka sahy nitory tamin’ny Jiosy maro be. Manaporofo izany fa natoky azy i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty.​—Asan’ny Apostoly 2:14-21.

Voafandrika indray i Petera, indray mandeha. Nanazava ny apostoly Paoly fa talohan’ny nahatongavan’ny rahalahy jiosy sasany tany Antiokia, dia tsy nisalasala nifanerasera tamin’ny mpino jentilisa, i Petera. Nanjary nihatakataka tamin’izy ireo anefa izy, satria ‘natahotra ny mpomba ny famorana’, izay vao tonga avy tany Jerosalema. Nanala sarona ny fihatsarambelatsihin’i Petera i Paoly.​—Galatiana 2:11-14.

Iza tamin’ny mpianatr’i Jesosy anefa no sahy nilaza ny heviny, rehefa maro no toa niomana handao azy? Vao avy nanambara zava-baovao i Jesosy tamin’izay, mahakasika ny ilana hihinana ny nofony sy hisotroana ny rany. Hoy izy: “Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.” Tafintohina ny ankamaroan’ireo Jiosy mpanara-dia an’i Jesosy, ka nilaza hoe: “Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany?” Inona no nitranga avy eo? “Hatramin’izany dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony.”​—Jaona 6:50-66.

Nitodika tany amin’ireo apostoliny 12 i Jesosy tamin’io fotoan-dehibe io, ka nametraka an’ity fanontaniana nampieritreritra ity: “Hianareo koa va mba te-hiala?” Namaly i Petera hoe: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’Andriamanitra.”​—Jaona 6:67-69.

Nanao ahoana ny lazan’i Petera? Izay mamaky ny tantarany, dia tsy maintsy hiaiky fa olo-marina sy tsotra izy, tsy nivadika, ary vonona hiaiky ny fahalemeny. Tsara laza tokoa izy!

Inona no tsaroan’ny olona momba an’i Jesosy?

Tsy naharitra afa-tsy telo taona sy tapany ny fanompoan’i Jesosy tetỳ an-tany. Inona anefa no tsaroan’ny mpianany momba azy? Niavonavona ve izy, satria lavorary sy tsy nanota? Nandidindidy ve izy, satria fantany fa Zanak’Andriamanitra izy? Nampatahotra na nanery ny mpianany hankatò azy ve izy? Tsy mba nivazivazy na nahay nandray vazivazy mihitsy ve izy? Be atao loatra ve izy, ka tsy nanam-potoana ho an’ny osa sy ny marary ary ny ankizy? Nanambany ny hafa firenena sy ny vehivavy ve izy, toy ny fanaon’ny lehilahy tamin’izany fotoana izany? Inona no nosoratana momba azy?

Niahy ny olona i Jesosy. Rehefa dinihina ny fanompoany, dia hita fa imbetsaka izy no nanasitrana ny kilemaina sy ny marary. Nikely aina nanampy ireo sahirana izy. Naneho fiheverana ny ankizy izy, ary nandidy ny mpianany hoe: “Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana.” “Ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tànana taminy ka nitso-drano azy.” Manokana fotoana ho an’ny ankizy ve ianao sa be atao loatra, ka tsy voamarikao akory izy ireo?​—Marka 10:13-16; Matio 19:13-15.

Fony i Jesosy tetỳ an-tany, dia nijaly ny Jiosy, satria betsaka ny fitsipika sy lalàna ara-pivavahana nasaina narahiny, nefa tsy notakin’ny Lalàna akory. Nampitondra enta-mavesatra azy ireo ny mpitondra fivavahana, nefa izy ireo tsy nety nanetsika izany na dia tamin’ny rantsantanany anankiray aza. (Matio 23:4; Lioka 11:46) Tsy toy izany mihitsy anefa i Jesosy! Hoy izy: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”​—Matio 11:28-30.

Velombelona ny olona rehefa nifanerasera tamin’i Jesosy. Tsy nampitahotra ny mpianany izy, hany ka sahy nilaza ny heviny izy ireo. Nametraka fanontaniana tamin’izy ireo mihitsy aza i Jesosy, mba hampirisihana azy ireo hiresaka. (Marka 8:27-29) Tokony hanontany tena àry ny mpiandraikitra kristianina hoe: ‘Izany koa ve no tsapan’ny mpiray finoana amiko rehefa miaraka amiko izy ireo? Tena milaza amiko izay heviny ve ny anti-panahy hafa, sa misalasala ny hanao izany?’ Tena mamelombelona mihitsy ny mpiandraikitra rehefa mora hatonina sy vonon-kihaino, ary mahay mifanaraka hatrany amin’ny toe-javatra! Raha tsy mahay mandefitra kosa ny olona, dia tsy misy mazoto miresaka amim-pahatsorana aminy.

Tsy nanampatra ny fahefany mihitsy i Jesosy, na dia Zanak’Andriamanitra aza. Nampisaintsaina ny mpihaino azy kosa izy. Izany, ohatra, no nataony rehefa nitady hamandrika azy ny Fariseo, ka nanontany hoe: “Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an’i Kaisara, sa tsia?” Nasain’i Jesosy nasehon’izy ireo azy ny farantsakely iray, ary hoy izy: “An’iza ity sary sy soratra ity?” Namaly izy ireo hoe: “An’i Kaisara.” Hoy àry izy taminy: “Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” (Matio 22:15-21) Nahavaly ilay fanontaniana ny hevitra nirindra tsara.

Nahay nivazivazy ve i Jesosy? Misy mihevitra fa somary nivazivazy ihany izy, rehefa nilaza hoe moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodi-fanjaitra, noho ny hidiran’ny manankarena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 19:23, 24) Nampitombo fomba filaza izy rehefa niteny fa hiditra amin’ny vodi-fanjaitra ara-bakiteny, ny rameva. Nanao toy izany koa izy rehefa niresaka ny amin’izay mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahy, nefa tsy mahita ny andry eo amin’ny mason’ny tena. (Lioka 6:41, 42) Tsy hentitra be na nanjakazaka i Jesosy, fa be fitiavana sy sariaka. Mora kokoa ny mizaka ny adim-piainana, rehefa mahay mivazivazy ny Kristianina.

Nangoraka ny vehivavy i Jesosy

Inona no tsapan’ny vehivavy rehefa teo anatrehan’i Jesosy? Azo antoka fa maro ny vehivavy tsy nivadika nanara-dia azy, anisan’izany i Maria reniny. (Lioka 8:1-3; 23:55, 56; 24:9, 10) Tsy nisalasala nanatona azy mihitsy ny vehivavy. Indray mandeha, ohatra, dia nisy vehivavy iray nalaza ho “mpanota” nanasa ny tongotr’i Jesosy tamin’ny ranomasony, sy nanosotra izany tamin’ny menaka manitra. (Lioka 7:37, 38) Nanavatsava vahoaka koa ny vehivavy iray hafa, nandeha ra hatramin’ny taona maro, mba hikasika ny akanjony ka ho sitrana. Nidera azy noho ny finoany i Jesosy. (Matio 9:20-22) Hitan’ny vehivavy ho mora hatonina tokoa i Jesosy.

Niresaka tamin’ny vehivavy samaritanina teo am-pantsakana i Jesosy indray mandeha. Gaga be mihitsy ilay vehivavy, ka niteny hoe: “Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana?” Tsy nifampiraharaha tamin’ny Samaritanina mantsy ny Jiosy. Nanohy ny resany i Jesosy, ka nampianatra azy fahamarinana mahatalanjona momba ny ‘rano miboiboika izay hanome fiainana mandrakizay.’ Tsy sadaikatra izy niaraka tamin’ny vehivavy. Tsy nihevitra izy hoe nanambany azy ny niresaka tamin’izy ireo.​—Jaona 4:7-15.

Ahatsiarovana an’i Jesosy ny fiahiany ny olona, anisan’izany ny fahafoizan-tenany. Izy no ohatra tsara indrindra mampiseho ny fitiavan’Andriamanitra. Izy no modely tokony harahin’izay rehetra te ho mpanara-dia azy. Maka tahaka azy tsara ve ianao?​—1 Korintiana 13:4-8; 1 Petera 2:21.

Inona no tsaroana momba ny Kristianina ankehitriny?

Maro be ny Kristianina amin’ny andro ankehitriny no maty nahatoky. Tao ny efa antitra, nefa tao koa ny mbola tanora ihany. Samy tsara laza anefa izy ireo. Vehivavy be fitiavana sy tia mifanerasera amin’ny olona, ohatra, no ahatsiarovana an’i Crystal, izay maty teo amin’ny fahanterany. Lehilahy falifaly sy tia nanampy indray kosa no ahatsiarovana an’i Dirk, izay nodimandry tamin’ny faha-40 taona teo ho eo.

Ohatra iray hafa koa i José, avy any Espaina. Nanambady sy nanan-janaka vavy telo izy tany amin’ireo taona 1960, fony voarara ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Espaina. Nanana asa tsara izy tany Barcelone. Nila anti-panahy kristianina matotra anefa ny faritra atsimon’i Espaina tamin’izany fotoana izany. Niala tamin’ny asany àry i José, ary nifindra tany Malaga izy mianakavy. Sahirana ara-bola izy ireo tany, satria matetika tsy an’asa.

Lehilahy nahatoky sy ohatra tsara teo amin’ny fanompoana anefa no nahafantaran’ny olona an’i José. Fakan-tahaka koa izy tamin’ny fitaizana ny zanany, ary nanampy azy hahavita izany i Carmela vadiny. Vonona hanampy foana koa i José, rehefa nisy olona nilaina mba handamina fivoriambe kristianina tao amin’ilay faritra. Nampalahelo anefa fa nisy aretina mafy nahazo azy tamin’izy 50 taona teo ho eo, ka maty izy. Na izany aza, dia nalaza ho anti-panahy azo itokisana sy nazoto niasa izy, ary koa vady sy ray be fitiavana.

Koa inona àry no hotsaroan’ny olona momba anao? Inona no holazain’izy ireo momba anao androany, raha sanatria maty omaly ianao? Mety hanosika antsika rehetra hanatsara ny fihetsitsika izany fanontaniana izany.

Inona no azontsika atao mba hananana laza tsara? Afaka maneho bebe kokoa foana ny vokatry ny fanahy isika, toy ny fitiavana, fahari-po, fahamoram-panahy, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena. (Galatiana 5:22, 23) Marina tokoa fa “tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.”​—Mpitoriteny 7:1; Matio 7:12.

[Sary, pejy 5]

Ny fahendreny no ahatsiarovana an’i Abigaila

[Sary, pejy 7]

Olona taitaitra nefa marina no ahatsiarovana an’i Petera

[Sary, pejy 8]

Nanokana fotoana ho an’ny ankizy i Jesosy