Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Tsara Fanahy Izy

Tena Tsara Fanahy Izy

Tena Tsara Fanahy Izy

NAHAVITA ny fihazakazahany teto an-tany i Milton Henschel ny asabotsy 22 Martsa 2003, teo amin’ny faha-82 taonany. Anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taona maro izy.

Mbola tovolahy i Milton Henschel, tamin’izy nanomboka niasa tao amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nandritra ny 60 taona mahery no nanompoany tamim-pahatokiana tao. Vetivety izy dia hita ho nahay nitsara zavatra sy tena naniry hampandroso ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Tamin’ny 1939 izy no lasa mpitan-tsoratr’i N. Knorr, izay niandraikitra ny fanaovam-pirintin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tao Brooklyn. Nataon’ny Rahalahy Knorr mpanampy azy ihany ny Rahalahy Henschel tamin’ny 1942, rehefa nanomboka nitarika ny asan’ny Vavolombelona eran-tany i Knorr. Nivady i Henschel sy Lucille Bennett tamin’ny 1956, ary niara-nifaly sy niara-niory teo amin’ny fiainana izy mivady.

Niara-niasa akaiky ny Rahalahy Henschel sy ny Rahalahy Knorr, mandra-pahafatin’i Knorr tamin’ny 1977. Firenena maherin’ny 150 no efa notsidihin’ny Rahalahy Henschel, ary matetika ireny dia ireny no niarahany tamin’ny Rahalahy Knorr. Nampahery ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany izy ireo tamin’izany, indrindra fa ny misionera sy ireo niasa tany amin’ny biraon’ny sampana. Sarotra ny nanao ireny dia ireny, ary nampidi-doza aza indraindray. Nenjehina tamin-kabibiana, ohatra, ny Rahalahy Henschel tamin’ny 1963, tamin’izy nanatrika fivoriambe tany Liberia, noho izy tsy nety nandray anjara tamin’ny fombafomba nampiseho fitiavan-tanindrazana. * Tsy kivy anefa ny Rahalahy Henschel fa niverina tany Liberia indray, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, mba hihaona tamin’ny prezidàn’io tany io. Tamin’izay izy no nitady fomba hahazoan’ny Vavolombelona tany an-toerana fahalalahana ara-pivavahana bebe kokoa.

Ireto no anisan’ny nahafantarana ny Rahalahy Henschel, rehefa nisy olana na zava-tsarotra nitranga: Nahita hevitra tsara izy, nahay nifanaraka tamin’ny toe-javatra, ary be fandeferana. Ireo niara-niasa taminy no tena nahita fa olona nahay nandamin-javatra izy, nanetry tena, ary tia vazivazy. Tena nanana fitadidiana tsara koa izy ka faly erỳ ireo misionera satria tadidiny foana ny anaran’izy ireo. Nilaza fehezanteny iray na roa tamin’ny fiteny teo an-toerana koa izy, ary nanao teny feno hatsikana narahiny py maso kely.

Milaza amintsika ny Mika 6:8 fa irin’i Jehovah Andriamanitra ho “tia famindrampo” isika. Namela fianarana tsara tamin’izany i Milton Henschel. Mora nohatonina foana izy ary tena tsara fanahy na dia teo aza ny andraikitra navesatra niantsorohany. Tiany ny nilaza toy izao: “Rehefa misy toe-javatra mampisalasala dia tadidio fa ny zavatra atao amin-katsaram-panahy no tsara.” Malahelo isika namoy rahalahy malala nefa faly satria niaritra sy nahatoky hatramin’ny farany izy. Azo antoka fa azony ny valisoany, dia “ny satroboninahitry ny fiainana.”​—Apokalypsy 2:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Jereo ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1977 (frantsay), pejy 171-177.

[Sary, pejy 31]

M. Henschel sy N. Knorr

[Sary, pejy 31]

Miaraka amin’i Lucille vadiny