Ampio ny Olona Hanaiky ny Hafatra Momba Ilay Fanjakana
Ampio ny Olona Hanaiky ny Hafatra Momba Ilay Fanjakana
‘Hoy i Agripa tamin’i Paoly: “Raha nisy kely foana dia ho naharesy lahatra ahy ho tonga Kristianina ianao.”’—ASAN’NY APOSTOLY 26:28.
1, 2. Nahoana ny apostoly Paoly no nentina teo anatrehan’i Festosy Governora sy ny Mpanjaka Heroda Agripa II?
NITSIDIKA an’i Porsio Festosy, Governora romanina tany Kaisaria, ny Mpanjaka Heroda Agripa II sy i Berenika anabaviny, tamin’ny taona 58. Nasain’i Festosy Governora izy ireo, ka tonga avy tany Jerosalema. Ny ampitson’iny, dia ‘niditra tamin’ny fomba nanetriketrika be tao amin’ny efitra fitsarana izy ireo, niaraka tamin’ny mpitari-tafika sy ny olona ambony tao an-tanàna.’ Nanome baiko i Festosy, ka nentina teo anatrehan’izy ireo i Paoly, apostoly kristianina. Ahoana no nahatonga an’io mpanara-dia an’i Jesosy Kristy io ho teo anatrehan’ny fitsaran’i Festosy Governora?—Asan’ny Apostoly 25:13-23.
2 Ny tenin’i Festosy tamin’ireo vahininy ireo no ahitana ny valin’izany. Hoy izy: “Ry Agripa Mpanjaka sy ianareo rehetra izay manatrika eto miaraka aminay, io hitanareo io ilay lehilahy nangatahin’ny Jiosy maro be tamiko, na tany Jerosalema na teto, ka niantsoantsoan’izy ireo hoe tsy mendrika ny ho velona intsony izy. Takatro anefa fa tsy nanao zavatra tokony hamonoana azy izy. Koa nony nampakatra ny raharaha any amin’Ilay Heni-kaja izy, dia tapa-kevitra aho fa handefa azy ho any. Tsy azoko antoka anefa izay hosoratako ho an’ny Tompoko momba azy. Koa nentiko eto anatrehanareo izy, ary indrindra fa eto anatrehanao ry Agripa Mpanjaka ô, mba hisy zavatra hosoratako rehefa vita ny famotorana. Tsy mety mantsy, araka ny hevitro, ny manatitra voafonja nefa tsy milaza ny fiampangana azy.”—Asan’ny Apostoly 25:24-27.
3. Nahoana ny mpitondra fivavahana no niampanga an’i Paoly?
3 Asehon’ny tenin’i Festosy fa diso ny fiampangana an’i Paoly ho nampirisika ny olona hikomy tamin’ny fanjakana. Voasazy ho faty izay nitaona ny olona hikomy toy izany. (Asan’ny Apostoly 25:11) Tsy nanao izany anefa i Paoly. Niampanga azy ny mpitondra fivavahana tany Jerosalema, satria nialona azy. Nanohitra ny asa fitorian’i Paoly izy ireo, sady tezitra mafy noho izy nanampy ny olona ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy Kristy. Nambenana tsara àry i Paoly, ary nentina avy tany Jerosalema mba ho any Kaisaria, tanàna misy seranan-tsambo sady etamazaoron’ny tafika romanina. Tany izy no nampakatra ny raharaha tany amin’i Kaisara, ary nentina tany Roma izy avy eo.
4. Inona no zavatra tsy nampoizina nolazain’i Agripa Mpanjaka?
4 Alao sary an-tsaina i Paoly tany amin’ny lapan’ny governora. Maromaro ny olona nanoloana azy, anisan’izany ilay mpitondra ny ampahany lehibe tamin’ny Fanjakana Romanina. Nitodika tany amin’i Paoly i Agripa Mpanjaka, ary nilaza hoe: ‘Mahazo miteny ianao.’ Nahagaga ny zava-nitranga tamin’izay, satria nisy vokany tamin’i Agripa Mpanjaka ny tenin’i Paoly. Nilaza mihitsy aza izy hoe: “Raha nisy kely foana dia ho naharesy lahatra ahy ho tonga Kristianina ianao.”—5. Nahoana no nisy vokany ny tenin’i Paoly tamin’i Agripa?
5 Mba eritrereto ange e! Nisy vokany tamin’ilay mpitondra ny herin’ny Tenin’Andriamanitra, noho i Paoly nahay niaro tena. (Hebreo 4:12) Nahoana no nisy vokany ny fiarovan-tenan’i Paoly? Ary inona no ianarantsika avy aminy, ka hanampy antsika hanao mpianatra? Raha fakafakaintsika ilay fiarovan-tenany, dia ahitantsika hevitra roa misongadina tsara: 1) Nahay nandresy lahatra izy. 2) Nahay nampiasa ny fahalalany ny Tenin’Andriamanitra izy, toy ny mpanao taozavatra mahay mampiasa ny fitaovany.
Mahaiza mandresy lahatra
6, 7. a) Inona no dikan’ny hoe “mandresy lahatra” ao amin’ny Baiboly? b) Nahoana no ilaina ny fandresen-dahatra, mba hanampiana ny olona hanaiky izay ampianarin’ny Baiboly?
6 Miverimberina ao amin’ny Asan’ny Apostoly ny teny grika midika hoe fandresen-dahatra, rehefa misy resaka momba an’i Paoly. Nahoana àry no ilaina ny mandresy lahatra, rehefa manao mpianatra?
7 Manazava ny atao hoe “mandresy lahatra” ny Diksionera Manazava ny Testamenta Vaovao (anglisy). Voalazan’izy io fa araka ny teny nanoratana ny Soratra Grika Kristianina tany am-boalohany, ny hoe “mandresy lahatra” dia midika hoe “mampiaiky” na “mampiova hevitra amin’ny alalan’ny fampisaintsainana, na ny fampieritreretana momba izay tsara sy ratsy.” Rehefa dinihina ny dikan’ilay fototeny niaviany, dia hita fa misy heviny hoe matoky izy io. Raha maharesy lahatra olona iray hanaiky izay ampianarin’ny Baiboly àry ianao, dia midika izany fa manjary matoky izay lazainao izy, ka mino fa marina izay ampianarinao. Mazava ho azy anefa fa tsy ampy ny mamerina izay voalazan’ny Baiboly, mba hahatonga ny olona hino sy hampihatra azy io. Tsy maintsy miaiky izy fa marina izay lazainao, na ankizy izy, na mpifanila trano, na mpiara-miasa, na mpiara-mianatra, na havana.—2 Timoty 3:14, 15.
8. Ahoana no handresena lahatra ny olona fa marina ny zavatra voalazan’ny Soratra Masina?
8 Ahoana no handresenao lahatra ny olona fa marina ny zavatra ambaranao avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra? Mba hampiova hevitra ny olona niresahany, dia niangavy azy ireo hihaino azy i Paoly, ary avy eo nampiasa hevitra nirindra sy nanome porofo marim-pototra. * Mila manome porofo mahafa-po izay manamarina ny zavatra lazainao àry ianao, fa tsy milaza fotsiny hoe marina ilay izy. Ahoana no hanaovana izany? Tokony ho azonao antoka fa mifototra tanteraka amin’ny Tenin’Andriamanitra ny zavatra lazainao, fa tsy hevitrao fotsiny. Mampiasà koa porofo fanampiny, hanamafisana ny hevitra asongadinao avy ao amin’ny Soratra Masina. (Ohabolana 16:23) Raha milaza ianao, ohatra, fa hiaina eto amin’ny tany lasa paradisa ny olombelona mankatò, dia porofoy amin’ny alalan’ny andinin-teny toy ny Lioka 23:43 na Isaia 65:21-25, izany. Inona no porofo fanampiny azonao omena? Afaka maka ohatra avy amin’ny zavatra fantatr’ilay olona iresahanao ianao. Azonao ampahatsiahivina azy ny zavatra tsotra sy mahafinaritra nefa tsy vidim-bola, toy ny hakanton’ny masoandro mody, ny fameroveron’ny voninkazo, ny tsiron’ny voankazo, na ny fifaliana mandinika vorona mamahana ny zanany. Asehoy aminy fa ny fahafinaretana toy izany dia manaporofo fa irin’ny Mpamorona hankafy ny fiainana eto an-tany isika.—Mpitoriteny 3:11, 12.
9. Ahoana no ampisehoantsika fa tsy manizingizina be loatra ny hevitsika isika rehefa mitory?
9 Rehefa miezaka mandresy lahatra ny olona hanaiky izay ampianarin’ny Baiboly ianao, dia mitandrema mba tsy hafana fo loatra, ka toy ny Kolosianina 4:6.
hoe manizingizina be loatra ny hevitrao. Tsy hanohina ny fo sy ny sain’ilay olona ianao, raha manao izany. Mampitandrina toy izao ny boky Sekolin’ny Fanompoana: “Raha mivantambantam-piteny isika milaza fahamarinana izay mampiseho amin’ilay olona fa diso ny zavatra inoany sy ankamaminy, dia hanohitra antsika izy, na dia mitanisa andinin-teny maro be aza isika. Ohatra, mety tsy hampiova ny fiheveran’ny olona momba ny fety tiam-bahoaka ny filazantsika fotsiny hoe fanaon’ny mpanompo sampy izy io. Mandaitra kokoa mazàna ny fanjohiana hevitra.” Nahoana isika no mila miezaka mafy mba tsy hanizingizina be loatra ny hevitsika? Hoy ihany ilay boky: ‘Mampirisika ny olona hiresaka ianao rehefa manjohy hevitra, sady manome azy zavatra hoeritreretina, no manao izay hitohizan’ny resaka amin’ny manaraka. Tena mandresy lahatra ny fanjohian-kevitra.’—Fandresen-dahatra manohina ny fo
10. Ahoana no nanombohan’i Paoly ny fiarovan-tenany nanoloana an’i Agripa?
10 Andeha hodinihintsika akaiky ny fiarovan-tenan’i Paoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-26. Mariho ny fomba nanombohany ny lahateniny. Nanao zavatra nanafintohina i Agripa, satria nanambady an’i Berenika anabaviny. Nahita antony marim-pototra hiderana an’io mpanjaka io anefa i Paoly, ary izay no nataony fampidiran-dresaka. Hoy izy: “Faly aho, ry Agripa Mpanjaka, fa eto anatrehanao no ilazako ny fiarovako ny tenako anio, ny amin’ny zavatra rehetra iampangan’ny Jiosy ahy. Faly tokoa aho, satria ianao mahay tsara ny fanao sy ny adihevitra rehetra eo amin’ny Jiosy. Koa miangavy anao aho mba haharitra hihaino ahy.”—Asan’ny Apostoly 26:2, 3.
11. Ahoana no ahitana fa nanaja an’i Agripa i Paoly, ary inona no soa azo tamin’izany?
11 Voamarikao ve fa nanaiky ny fahefana lehibe nananan’i Agripa i Paoly, ka niantso azy tamin’ny anaram-boninahiny hoe Mpanjaka? Naneho fanajana izy tamin’izany, ary nanome voninahitra an’i Agripa, rehefa nifantina tsara ny teniny. (1 Petera 2:17) Nekeny fa hain’i Agripa tsara ireo fombafomba sy lalàna be tsipiriany, izay nifehy ireo Jiosy vahoakany. Nilaza koa izy fa faly satria afaka hiaro tena manoloana an’io mpitondra mahalala zavatra io. Tsy niseho ho ambony noho i Agripa, izay tsy Kristianina, i Paoly, na dia Kristianina aza. (Filipianina 2:3) Niangavy an’ilay mpanjaka kosa izy mba haharitra hihaino azy. Noho ireo zavatra nataony ireo àry, dia azo inoana fa ho vonona kokoa hanaiky izay holazainy i Agripa sy ny olon-kafa nihaino azy. Toy ny hoe nametraka fototra izy tamin’izay, izany hoe nitady marimaritra iraisana, mba hanomanana ny olona hihaino ny porofo harosony.
12. Ahoana no hahafahantsika hanohina ny fon’ny olona, rehefa mitory ilay Fanjakana isika?
12 Aoka isika hanahaka ny nataon’i Paoly nanoloana an’i Agripa, ka hiezaka hanohina ny fon’ny olona itoriantsika, manomboka eo amin’ny teny fampidirana ka hatramin’ny teny famaranana. Hahavita izany isika raha tena manaja an’ilay olona, sady mihevitra ny mombamomba azy sy ny fomba fisainany.—1 Korintianina 9:20-23.
Mahaiza mampiasa ny Tenin’Andriamanitra
13. Toa an’i Paoly, inona no azonao atao mba handrisihana ny olona hanao zavatra?
13 Naniry handrisika ny olona hiaina mifanaraka amin’ny vaovao tsara i Paoly. (1 Tesalonianina 1:5-7) Izany no nahatonga azy hiezaka hanohina ny fon’izy ireo, satria ny fo no manosika ny olona hanao zavatra. Hiverenantsika kely ny fiarovan-tenany teo anatrehan’i Agripa. Mariho ny fomba ‘nanazavany ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fomba marina tsara’, rehefa namerina ny tenin’i Mosesy sy ny mpaminany izy.—2 Timoty 2:15.
14. Hazavao ny fomba nandresen’i Paoly lahatra an’i Agripa.
14 Fantatr’i Paoly fa nilaza ny tenany ho Jiosy i Agripa, izany hoe nahalala ny Jodaisma. Nampisaintsaina azy àry i Paoly, ary nanazava fa rehefa nitory izy dia ‘tsy nilaza afa-tsy izay nambara fa hitranga’ momba ny fahafatesan’ny Mesia sy ny fitsanganany amin’ny maty, “araka ny voalaza ao amin’ny Mpaminany sy Mosesy.” (Asan’ny Apostoly ) Nanontany mivantana an’i Agripa izy hoe: “Mino ny Mpaminany ve ianao, ry Agripa Mpanjaka?” Sahiran-tsaina i Agripa tamin’izay. Raha nilaza mantsy izy hoe tsy nino ny mpaminany, dia tsy hino azy ho Jiosy intsony ny olona. Raha nanaiky kosa anefa izy, dia ho niombon-kevitra tamin’ilay apostoly teo imasom-bahoaka, ka mety ho nantsoin’ny olona hoe Kristianina. Naneho fahendrena àry i Paoly, ka izy ihany no namaly ilay fanontaniany. Hoy izy: “Fantatro fa mino ianao.” Voatosika hilaza inona i Agripa tamin’izay? Hoy izy: “Raha nisy kely foana dia ho naharesy lahatra ahy ho tonga Kristianina ianao.” ( 26:22, 23Asan’ny Apostoly 26:27, 28) Marina fa tsy lasa Kristianina i Agripa, nefa hita fa nanohina ny fony ihany ny hafatra notorin’i Paoly.—Hebreo 4:12.
15. Ahoana no nahafahan’i Paoly nanorina fiangonana tany Tesalonika?
15 Voamarikao ve fa tsy nampita hafatra fotsiny i Paoly rehefa nanambara ny vaovao tsara, fa nandresy lahatra koa? Noho izy ‘nanazava ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fomba marina tsara’ toy izany, dia lasa mpino ny olona sasany, fa tsy mpihaino fotsiny. Izany no nitranga tany amin’ny synagoga tany Tesalonika. Nitady izay Jiosy sy Jentilisa natahotra an’Andriamanitra i Paoly tamin’izay. Mitantara toy izao ny Asan’ny Apostoly 17:2-4: “Niditra tao amin’izy ireo araka ny fanaony i Paoly, ary nandritra ny sabata telo no niezahany nandresy lahatra azy ireo, niorina tamin’ny Soratra Masina. Dia nohazavainy sy noporofoiny tamin’ny alalan’izay voasoratra fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ny maty i Kristy . . . Koa tonga mpino ny sasany tamin’ireo.” Nahay nandresy lahatra i Paoly. Nampiasa ny Soratra Masina izy, mba hampisaintsainana ny olona sy hanazavana ary hanaporofoana fa i Jesosy ilay Mesia nampantenaina hatry ny ela. Inona no vokany? Nanjary nisy fiangonana tany Tesalonika.
16. Ahoana no hahitanao fifaliana bebe kokoa rehefa mitory ilay Fanjakana?
16 Afaka manatsara ny fahaizanao mandresy lahatra ve ianao, rehefa manazava ny Tenin’Andriamanitra? Raha manao izany ianao, dia ho afa-po sy ho faly kokoa rehefa mitory sy mampianatra ny olona momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Izany no tsapan’ny mpitory, izay nanaraka ilay torohevitra mba hampiasa matetika kokoa ny Baiboly rehefa mitory.
17. Milazà zavatra hitanao, na ny hevi-dehibe ao amin’ilay ohatra omena eto, mba hampisehoana fa mahasoa ny fampiasana Baiboly eny amin’ny fanompoana.
17 Izao, ohatra, no nosoratan’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray: “Be dia be izao ny rahalahy sy anabavy mivimbina Baiboly rehefa mitory isan-trano. Noho izany, dia afaka mamaky andinin-teny iray amin’ny ankamaroan’ny olona iresahany izy ireo. Rehefa mieritreritra ny fanompoana ataontsika àry ny olona sy ny mpitory, dia ny Baiboly no tonga ao an-tsainy, fa tsy ny gazety sy boky fotsiny.” Mazava ho azy fa miankina amin’ny lafin-javatra maro, toy ny fanao eo an-toerana, ny hoe hivimbina Baiboly isika na tsia rehefa mitory. Na izany na tsy izany, dia tiantsika ny hahafantarana antsika ho mahay mampiasa ny Tenin’Andriamanitra, rehefa mandresy lahatra ny hafa hanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana.
Aoka ianao hanana ny fiheveran’Andriamanitra ny fanompoana
18, 19. a) Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny fanompoantsika, ary nahoana isika no tokony hiezaka hanana ny fomba fiheviny? b) Inona no hanampy antsika hahita vokatra rehefa miverina mitsidika ny olona? (Jereo ilay efajoro hoe “Fomba Hahitam-bokatra Rehefa Miverina Mitsidika”, eo amin’ny pejy 16.)
18 Mila manana ny fiheveran’Andriamanitra ny fanompoana sy maharitra koa isika, raha te 1 Timoty 2:3, 4) Tsy izany koa ve no irintsika? Maharitra koa i Jehovah, ka maro no afaka mibebaka. (2 Petera 3:9) Noho izany, raha misy olona vonona hihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana, dia mila miverina imbetsaka any aminy angamba isika, mba hanampiana azy bebe kokoa. Elaela vao hita ny fitomboan’ny voan’ilay fahamarinana, ary mila maharitra isika. (1 Korintianina 3:6) Misy hevitra maromaro mba hahatonga ilay olona ho liana kokoa amin’ny Baiboly, ao amin’ilay efajoro hoe “Fomba Hahitam-bokatra Rehefa Miverina Mitsidika.” Tadidio fa miova foana ny fiainan’ny olona, izany hoe ny olana manjo azy sy ny toe-javatra hafa. Tsy maintsy mankany aminy imbetsaka angamba isika vao hahatratra azy. Kanefa tsara ny hanaovana izany ezaka izany. Tiantsika handre ilay hafatra mitondra famonjena avy amin’Andriamanitra izy ireo. Mangataha àry fahendrena amin’i Jehovah Andriamanitra, mba hahaizanao handresy lahatra kokoa ny olona hanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana.
hanohina ny fon’ny olona. Sitrapon’Andriamanitra ny ‘hananan’ny olona rehetra fahalalana marina tsara ny fahamarinana.’ (19 Inona koa no azon’ny Kristianina atao, rehefa mahita olona maniry hahafantatra bebe kokoa ny hafatra momba ilay Fanjakana izy? Manoro hevitra momba izany ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 8 Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fandresen-dahatra ianao, dia jereo ny lesona faha-48 sy 49, ao amin’ny boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Tadidinao Ve?
• Nahoana no nisy vokany ny fiarovan-tenan’i Paoly teo anatrehan’i Agripa Mpanjaka?
• Ahoana no hatao mba hanohina ny fon’ny olona ilay hafatra entintsika?
• Ahoana no hahaizantsika hampiasa ny Tenin’Andriamanitra, ka hanohina ny fon’ny olona?
• Ahoana no hananantsika ny fomba fihevitr’Andriamanitra momba ny fanompoana?
[Fanontaniana]
[Efajoro/Sary, pejy 16]
Fomba Hahitam-bokatra Rehefa Miverina Mitsidika
• Asehoy fa tena miahy ilay olona ianao.
• Mifidiana foto-kevitra ara-baiboly hahaliana azy.
• Milazà foana foto-kevitra hodinihinareo amin’ny manaraka.
• Tsarovy foana izy aorian’ilay fitsidihana.
• Miverena haingana, angamba iray na roa andro atỳ aoriana, mba hanampiana azy bebe kokoa.
• Tadidio fa ny hanomboka fampianarana Baiboly no zava-kendrenao.
• Mivavaha amin’i Jehovah mba hahatonga an’ilay olona ho liana kokoa.
[Sary, pejy 15]
Niezaka nandresy lahatra i Paoly, nanoloana an’i Festosy Governora sy Agripa Mpanjaka