Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Mitsidika Anao Foana ny Vavolombelon’i Jehovah?

Nahoana no Mitsidika Anao Foana ny Vavolombelon’i Jehovah?

Nahoana no Mitsidika Anao Foana ny Vavolombelon’i Jehovah?

Fantatra maneran-tany ny fikirizan’ny Vavolombelon’i Jehovah manao fanompoana isan-trano. Misy manontany tena hoe nahoana ny Vavolombelona no mitsidika azy foana, indrindra fa raha tsy dia liana tamin’ny hafatra nentin’ny Vavolombelona izy ireo teo aloha. Manazava ny antony hitsidihan’izy ireo foana ireto taratasy roa avy any Rosia ireto.

Hoy i Masha, tovovavy 19 taona, any Khabarovsk: “Tsoriko aloha fa nohalaviriko toy ny areti-mifindra ny Vavolombelon’i Jehovah taloha.” Niova anefa ny fihetsiny rehefa avy namaky gazety vitsivitsy navoakan’ny Vavolombelona izy. Hoy izy: “Tena mahaliana sy manome fahazavana ara-panahy avokoa izy rehetra. Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe mahatonga anao hanana fomba fijery hafa ilay izy. Nanjary takatro tsikelikely ny zava-kendren’ny fiainana.”

Nanoratra toy izao i Svetlana, avy ao amin’ny tanànan’i Ussuriysk, 80 kilaometatra avaratr’i Vladivostok: “Vao haingana aho no nanomboka namaky Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Tena ilaina amin’izao androntsika izao ireo gazety ireo. Ankafiziko daholo ireo lahatsoratra. Tena mahaliana sy ahalalan-javatra ary manome fahazavana ara-panahy izy ireny. Misaotra betsaka anareo! Soa ihany fa misy olona tsara fanahy toa anareo, manao izany asa tena ilaina izany.”

Zava-dehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany ilay fanontaniana mampisaintsaina napetraky ny apostoly Paoly, hoe: “Ary [hataon’ny olona] ahoana no fandre raha tsy misy mitory?” (Romanina 10:14) Rehefa mitsidika anao àry ny Vavolombelona amin’ny manaraka, nahoana raha maka minitra vitsivitsy monja mba hihainoana azy? Mety ho tianao koa ilay hafatra mampionona avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.