Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Nandeha Sambo Nankany Sipra”

“Nandeha Sambo Nankany Sipra”

“Nandeha Sambo Nankany Sipra”

IZANY no nanombohan’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ny fitantarana momba ny dia misioneran’i Paoly sy Barnabasy ary Jaona Marka. Nitsidika an’i Sipra izy ireo, tamin’ny taona 47 tany ho any. (Asan’ny Apostoly 13:4) Toerana manan-danja ao amin’ny faritra atsinanan’i Mediterane i Sipra (Chypre), na taloha na ankehitriny.

Naniry mafy an’io nosy io ny Romanina, ka lasa teo ambany fahefany izy io, tamin’ny taona 58 T.K. Tena mahaliana ny tantaran’i Sipra, talohan’izay. Nofehezin’ny Fenisianina ilay nosy, avy eo dia ny Grika, Asyrianina, Persanina, ary ny Ejipsianina. Tamin’ny Moyen Âge, dia tonga koa ny mpanao ady masina, ny fokon’ny Francs, ny mponin’i Venise, ary ny Otomanina. Naka azy io ny Anglisy tamin’ny 1914, ary nitondra tao amin’ilay nosy hatramin’ny nahazoany ny fahaleovan-tena tamin’ny 1960.

Ny fizahan-tany no tena fidiram-bolan’i Sipra ankehitriny. Be harena voajanahary anefa tany, tamin’ny andron’i Paoly, ka nohararaotin’ny Romanina hamenoana ny kitapom-bolany izany. Efa ela be mihitsy no fantatra fa nisy varahina teo amin’ilay nosy. Tombanana ho 250 000 taonina ny varahina efa azo, rehefa nifarana ny fitondrana romanina. Ala matevina be dia be anefa no ripaka mba handrendrehana varahina, ary efa nanjavona ny ankamaroan’izy ireny tamin’ny fotoana nahatongavan’i Paoly tany.

I Sipra teo ambany fitondran’ny Romanina

Araka ny Rakipahalalana Britannica (anglisy), dia nomen’i Jules César an’i Ejipta i Sipra, ary mbola nomen’i Marc Antoine an’i Ejipta koa izy io, tatỳ aoriana. Rehefa nitondra anefa i Aogosto, dia naverina tamin’i Roma i Sipra. Marina àry ny voalazan’i Lioka, mpanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, fa ny governora no nitondra tany, ka i Roma no nanendry azy ireny. I Sergio Paolo no governora, tamin’ny fotoana nitorian’i Paoly tany.—Asan’ny Apostoly 13:7.

Nampiroborobo ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy ny orinasa tao Sipra ny Pax Romana, na ilay fandriampahalemana iraisam-pirenena nampirisihan’i Roma. Vokatr’izany, dia nandroso be ny varotra. Nitondra fidiram-bola fanampiny ho an’ilay nosy ny fisian’ireo andian-tafika romanina sy ireo mpanao fivahiniana masina nirohotra tany, mba hankalaza an’i Aphrodite, andriamanitra mpiaro an’ilay nosy. Noho izany, dia nanjary nisy lalana vaovao sy seranan-tsambo ary tranom-panjakana tsara tarehy, naorina tany amin’ilay nosy. Ny teny grika no nohazonina ho fiteny ofisialy, ary olona maro no nivavaka tamin’i Aphrodite, Apollon, Zeosy, ary koa ny Emperora romanina. Nanan-karena sady nifaly tamin’ny fialam-boly maro ny olona.

Izany no toe-piainana hitan’i Paoly rehefa namakivaky an’i Sipra izy, mba hampianatra ny olona momba an’i Kristy. Efa tafiditra tany Sipra anefa ny Kristianisma talohan’ny nahatongavan’i Paoly. Milaza amintsika ny fitantaran’ny Asan’ny Apostoly, fa nandositra tany ny sasany tamin’ireo Kristianina voalohany rehefa maty i Stefana, maritiora kristianina voalohany. (Asan’ny Apostoly 11:19) Nahalala tsara an’ilay nosy i Barnabasy, naman’i Paoly, satria teraka tany izy. Tsy isalasalana àry fa mpitari-dalana tsara dia tsara ho an’i Paoly izy, tamin’io dia misionerany io.—Asan’ny Apostoly 4:36; 13:2.

Fijerena ny dian’i Paoly tany Sipra

Tsy mora ny manangona fanazavana momba ny dian’i Paoly tany Sipra. Azon’ny mpanao fikarohana ambanin’ny tany antoka anefa, fa tsara ny lalana tany, tamin’ny andron’ny Romanina. Azo inoana fa manaraka ny lalan’ireo misionera tany am-boalohany ihany ny lalam-be amin’ny andro ankehitriny, noho ny toetoetr’ilay nosy.

Nandeha sambo avy tany Seleokia ho any amin’ny seranan’i Salamisy i Paoly sy Barnabasy ary Jaona Marka. Nahoana moa izy ireo no nankany, nefa i Pafo no renivohitra sy seranana lehibe indrindran’ilay nosy? Satria teo amin’ny morontsiraka atsinanana no nisy an’i Salamisy, ary 200 kilaometatra monja avy teo Seleokia. Nataon’ny Romanina ho renivohitra hisolo an’i Salamisy i Pafo, rehefa nitondra tany izy ireo. Mbola i Salamisy anefa no foibe momba ny fampianarana sy ny kolontsaina ary ny varotra.—Asan’ny Apostoly 13:5.

Na dia sisan-javatra aza no hany tavela amin’ny tanànan’i Salamisy, dia nohamarinin’ireo zavatra hitan’ny mpanao fikarohana ambanin’ny tany, fa nandroso be sady nanan-karena ilay tanàna. Ny tsena no toerana firesahan’ny olona momba ny politika sy ny fivavahana. Azo inoana koa fa izy io no toerana fivoriana lehibe indrindra naorin’ny romanina tany amin’ny faritr’i Mediterane, tamin’ireo hita hatramin’izay. Tamin’ny andron’i Aogosto Kaisara ilay tanàna, ary izao no hitan’ireo mpanao fikarohana ambanin’ny tany avy tamin’ireo sisan-javatra rava: gorodona misy sarisary, efitra fanaovana fanatanjahan-tena, toerana fandroana mahavariana, kianja lehibe, fasana tsara tarehy, ary trano fanaovana teatra nahazaka olona 15 000. Tsy lavitra teo no nisy an’ireo sisan-javatra avy tamin’ny tempoly mijoalajoalan’i Zeosy.

Tsy afaka niaro ilay tanàna tamin’ny fandravan’ny horohoron-tany anefa i Zeosy. Rava noho ilay horohoron-tany lehibe tamin’ny taona 15 T.K., ny faritra maro tamin’ny tanànan’i Salamisy, na dia naorin’i Aogosto indray aza izy io, tatỳ aoriana. Mbola nandrava ilay tanàna avy eo ny horohoron-tany, tamin’ny taona 77, ary naorina indray izy io taorian’izany. Nisy horohoron-tany maro nandrava an’i Salamisy tamin’ny taonjato fahefatra, ka tsy tafaverina tamin’ny laoniny intsony ny voninahiny. Nokaohin’ny riaka ny seranany, hatramin’ny Moyen Âge, ka tsy nisy nikarakara intsony.

Tsy voalaza ao amin’ny Baiboly ny fandraisan’ny mponin’i Salamisy ny fitorian-dry Paoly. Tsy maintsy nitory tamin’ny olona tao amin’ny faritra hafa koa anefa izy. Lalam-be telo no nisafidianan’ireo misionera rehefa niala avy tao Salamisy izy ireo. Ny voalohany nankany amin’ny morontsiraka avaratra ary nandalo ny tandavan-tendrombohitr’i Kyrenia. Ny faharoa niankandrefana ary namakivaky ny tapany lehibe amin’ilay nosy teo amin’ny lemak’i Mésorée. Ary ny fahatelo kosa nizotra nanaraka ny morontsiraka atsimo.

Ilay lalana fahatelo no narahin’i Paoly, araka ny lovantsofina. Mandalo tanimboly mahavokatra izay misy tanimena miavaka io lalana io. Manakaiky ny tanànan’i Larnaca ilay lalana, rehefa lasa 50 kilaometatra eo ho eo any atsimoandrefana, ary avy eo, dia miolaka mianavaratra mankany afovoan-tany.

“Namakivaky ilay nosy manontolo”

Tsy ela io lalam-be io dia nipaka tany amin’ny tanànan’i Ledra fahiny. Eo amin’io toerana io no miorina i Nicosie, renivohitr’i Sipra amin’izao fotoana izao. Nanjavona avokoa ny porofon’ny fisian’io tanàna fahiny io. Misy lalana tery sy be mpampiasa antsoina hoe Lalana Ledra anefa ao afovoan’i Nicosie. Voahodidina rindrina naorin’ny mponin’i Venise tamin’ny taonjato faha-16, ilay lalana. Tsy fantatsika raha nankao Ledra ry Paoly, na tsia. Milaza fotsiny ny Baiboly fa “namakivaky ilay nosy manontolo” izy ireo. (Asan’ny Apostoly 13:6) Milaza ny Jeografian’ireo Tany ao Amin’ny Baiboly, Nataon’i Wycliffe (anglisy), fa “mety hidika izany hoe nahavita nitsidika ny Jiosy nanerana an’i Sipra izy ireo.”

Azo antoka, fa naniry mafy ny hiresaka tamin’ny olona betsaka araka izay azony natao i Paoly, tany Sipra. Noho izany dia tsy maintsy ho nanaraka ilay lalana nianatsimo avy teo Ledra izy ireo, ary namakivaky an’i Amathus sy Kourion, tanàna roa anisan’ny lehibe indrindra.

Avo be tambonin’ny ranomasina no nisy ny tanànan’i Kourion, izany hoe teo an-tampon’ny hantsam-bato iray midina tampoka mankeo amin’ireo tora-pasika. Voan’ilay horohoron-tany nandrava an’i Salamisy tamin’ny taona 77 koa io tanàna grika sy romanina io. Hita ao amin’ilay toerana ny sisan-javatra avy tamin’ny tempoly iray natokana ho an’i Apollon, izay tombanana ho tamin’ny taona 100. Nahazaka mpijery 6 000 ny kianjan’ilay tanàna. Hita tamin’ireo sary tsara tarehy nandravaka ny gorodon’ireo trano, fa nanana fiainana nampiadana ny ankamaroan’ny olona tao Kourion.

Nandeha nankany Pafo

Niainga avy teo Kourion indray ireo misionera, ary nanohy niankandrefana namakivaky an’ireo faritra mpamokatra divay. Misy fiakarana be ilay lalana, ary avy eo misy fidinana tampoka. Miolakolaka be izy io mandra-pahatonga eny ambany, eny amin’ny tora-pasika. Araka ny angano grika, dia teo amin’io tora-pasika io no nisehoan’i Aphrodite andriamanibavy, ho toy ny zazakely avy any an-dranomasina.

I Aphrodite no andriamanitra grika tian’ny olona indrindra tany Sipra, sady izy no tena nivavahan’izy ireo hatramin’ny taonjato faharoa. Tao Pafo no nisy ny foiben’ny fivavahana taminy, ary nisy fety lehibe hankamasinana azy, natao tao isaky ny lohataona. Tonga tao Pafo mba hankalaza an’ireny fety ireny ny mpanao fivahiniana masina avy any Azia Minora, Ejipta, Gresy, ary hatrany Persa. Tafiditra tao Sipra ny fivavahana tamin’i Farao, rehefa teo ambanin’ny fitondran’ireo Ptolémées, mpanjaka ejipsianina, ilay nosy.

I Pafo no nataon’ny Romanina ho renivohitr’i Sipra sy toeram-piasan’ny governora. Nomena alalana hanefy ireo vola varahina koa io tanàna io. Rava noho ilay horohoron-tany tamin’ny 15 T.K., koa anefa izy io. Toy izay nitranga tamin’i Salamisy, dia namatsy vola hanorenana indray an’ilay tanàna i Aogosto. Araka ny fikarohana ambanin’ny tany teo amin’ilay toerana, dia hita fa tanàna nanan-karena i Pafo, satria nanana lalana malalaka, trano mihaja, sekoly fianarana mozika, kianja mitafo, ary trano fanaovana teatra.

Toy izany ilay Pafo notsidihin’i Paoly sy Barnabasy ary Jaona Marka. Tao i Sergio Paolo governora, izay “lehilahy nahira-tsaina” no “naniry mafy handre ny tenin’Andriamanitra”, na dia nanohitra mafy an’izany aza i Elyma mpimasy. “Talanjona tamin’ny fampianaran’i Jehovah” ilay governora.—Asan’ny Apostoly 13:6-12.

Nitory tany Azia Minora indray ireo misionera, rehefa avy tany Sipra. Zavatra niavaka teo amin’ny fielezan’ny Kristianisma marina, iny dia misionera voalohany nataon’i Paoly iny. Ny boky iray momba ny dian’i Paoly tany Atsinanana, dia miantso azy iny hoe “ny tena fiandohan’ny misiona kristianina sy ny ... asa misionera nataon’i Paoly.” Hoy koa ilay boky: “Dingana voalohany tsy azo ialana i Sipra rehefa hanao dia misionera, satria fihaonan’ireo lalan-tsambo mankany Syria sy Azia Minora ary Gresy izy.” Vao fiandohana fotsiny anefa izy iny. Mitohy ilay asa kristianina, 2 000 taona eo ho eo atỳ aoriana, ary tena azo lazaina fa tonga tsara “any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany” ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’i Jehovah.—Asan’ny Apostoly 1:8.

[Sarintany, pejy 20]

(Jereo ny gazety)

SIPRA

NICOSIE (Ledra)

Salamisy

Pafo

Kourion

Amathus

Larnaca

T. KYRENIA

TANY LEMAK’I MÉSORÉE

T. TRÓODHOS

[Sary, pejy 21]

Feno ny fanahy masina i Paoly tao Pafo, ary nanajamba ny mason’i Elyma mpimasy