Fitotoan-koba Mamatsy Sakafo
Fitotoan-koba Mamatsy Sakafo
FITAOVANA nampiasain’ny olona efa hatramin’ny ela mba hahazoany sakafo ny fitotoan-koba. Foto-tsakafon’ny olona maro hatramin’izay mantsy ny mofo. Eny, anisan’ny zavatra tena katsahin’ny olombelona voalohany indrindra ny sakafony isan’andro.
Ilaintsika matetika ny mitoto zavatra mba hahazoana ny foto-tsakafontsika. Efa nahay izany hatramin’ny ela ny olombelona. Tsy maintsy ho tena asa mafy izany fitotoana izany, raha tsy nisy milina! Nampifandraisina tamin’ny fiainana nahazatra sy nilamina, ny feon’ny vato fikosoham-bary tamin’ny andron’ny Baiboly. Ny tsy fisian’izany kosa dia nidika fa aolo ilay tanàna.—Jeremia 25:10, 11.
Ahoana no natao hatramin’izay mba hitotoana koba? Inona no sasany tamin’ireo fomba sy fitaovana nampiasaina tamin’izany? Ary fitaovana inona no ampiasaina ankehitriny, mba hanamboarana ny sakafo hanintsika?
Nilaina ve ny fitotoan-koba?
Hoy i Jehovah tamin’i Adama sy Eva, mpivady voalohany: “Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin’ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana ho anareo ireny.” (Genesisy 1:29) Sakafo mahavelona avy amin’i Jehovah Andriamanitra ary tena ilain’ny olombelona ny voa isan-karazany. Anisan’izany ny varimbazaha, orza, seigle, avoanina, vary, ny ampemby isan-karazany, ary ny katsaka. Loharanon-kery lehibe ho an’ny vatana ny siramamy, ary ireny sakafo ireny dia misy gliosida, izay azon’ny vatana ovana ho siramamy.
Tsy mahalevona voa tsy nokarakaraina anefa ny olombelona, fa raha voatoto sy masaka kosa izy io, dia mora kokoa aminy ny mihinana azy. Ny fitotoana voa ao anaty laona, na ny fikosohana azy amin’ny vato, na koa ny fampiasana ireo miaraka, no fomba tsotra indrindra ahazoana koba na lafarinina.
Fitotoan-koba nampiasana herim-batana
Asehon’ny sarivongana hita tany amin’ny fasana ejipsianina fahiny, ny fomba nampiasana karazana fitaovana tranainy iray fikosoham-bary. Mitovitovy amin’ny lasely ilay izy ka nantsoina hoe lasely fikosoham-bary. Ahitana vato roa amin’io fitaovana io: somary milempona sy misolampy ilay eo ambany, ary kely kokoa ilay eo ambony. Vehivavy matetika no nampiasa azy io. Nandohalika tao aorian’ilay vato izy ary nohazoniny tamin’ny tanany roa ilay vato ambony. Avy eo dia tsindriany mafy araka izay tratry ny heriny ilay vato, ary atosiny mandroso sy miverina, mba hikosohana ireo voa eo anelanelan’ireo vato roa. Tsotra ilay fitaovana nefa tena nahomby!
Tena nanimba anefa ny nandohalika nandritra ny ora maro. Tsy maintsy natosika hatramin’ny farany ilay vato, ary naverina indray, ary izany dia nandreraka ny lamosina, ny sandry, ny fe, ny lohalika, ary ny rantsantongotra. Eksodosy 11:5) * Mihevitra ny manam-pahaizana fa anisan’ny fitaovana nentin’ny Israelita ny lasely fikosohana, rehefa nandao an’i Ejipta izy ireo.
Rehefa nandinika ny karan’ny olona avy any Syria fahiny ny manam-pahaizana, dia nanatsoaka hevitra fa tena simba ireo vehivavy noho ny fampiasany io fitaovana io. Simba ny ampelandohaliny sy ny vanin-damosiny farany ambany, ary voan’ny aretin’ny vanin-taolana ny ankiben-tongony. Toa ny mpanompovavy no tena nampiasa fitaovana fikosohana, tany Ejipta fahiny. (Nohatsaraina ilay fitaovana fikosohana, tatỳ aoriana. Nasiana lavaka teo amin’ilay vato ambony, mba hampidirana voa izay nikorisa avy hatrany teo anelanelan’ireo vato. Namorona milina fitotoana faran’izay tsotra ny Grika, tamin’ny taonjato fahatelo na fahefatra Talohan’i Kristy (T.K.). Nasiany tahony nitsivalana ilay vato ambony. Rehefa natosika nandroso sy niverina io tahony io, dia nifampikasoka ireo vato roa.
Tena voafetra ny zava-bitan’ireo fitaovana noresahina teo ireo. Niankina tamin’ny fanosehana azy nandroso sy niverina ny nandehanany, ary tsy nisy biby azo nampiofanina hanao izany. Herin-tsandry àry no nampandeha azy ireo. Nisy fitaovana vaovao novokarin’ny teknolojia avy eo, dia ny fitotoan-koba nihodinkodina. Azo nampiasaina amin’izay ny biby.
Mora kokoa izao ny asa
Na dia tsy mitovy aza ny zavatra lazain’ny boky dia mety ho ireo firenena tany amin’ny faritr’i Mediterane no namorona ny fitotoan-koba nihodinkodina, tamin’ny taonjato faharoa T.K. tany ho any. Efa zatra nampiasa io karazana fitaovana io ny Jiosy tany Palestina, tamin’ny taonjato voalohany. Niresaka ny amin’ny vato lehibe fikosoham-bary, toy ilay ahodin’ny ampondra, i Jesosy.—Matio 18:6, fanamarihana ambany pejy.
Nampiasaina tany Roma, sy tany amin’ny firenena maro anisan’ny Fanjakana Romanina ny fitotoana nahodin’ny biby. Mbola misy karazany maro be amin’io fitaovana io any Pompéi. Mavesatra ilay vato ambony, ary miendrika fanoto somary mahia eo afovoany. Lalin’aty kosa ilay vato ambany. Rehefa nihodina teo amin’ilay vato ambany ilay vato ambony, dia torotoro ireo voa nampidirina teo anelanelan’izy roa. Misy karazany ny haben’ilay vato ambony: eo anelanelan’ny 45 sy 90 santimetatra ny savaivony, ary nahatratra 1,80 metatra ny haavony.
Tsy tena fantatra mazava tsara raha ny fitotoan-koba nahodin’ny biby, no niavian’ny fitaovana maivana kokoa nahodin-tanana, na ny nifanohitra tamin’izany. Na ahoana na ahoana anefa, dia nisy nahatsara azy ilay nahodin-tanana, satria azo nafindrafindra sy mora nampiasaina. Vato boribory roa izy io, ary 30 ka hatramin’ny 40 santimetatra ny savaivony. Somary nivohitra ny tampon’ilay vato ambany, ary somary nilempona ny fanambanin’ilay vato ambony, mba hifampiditra tsara izy roa. Afaka nihodina ilay vato ambony, ary tahony hazo no nanodinana azy. Vehivavy roa matetika no nipetraka nifanatrika, ka nihazona ilay tahony mba hanodina ilay vato ambony. (Lioka 17:35) Ny iray tamin’izy ireo nampiditra ny voa teo amin’ny lavaka teo amin’ilay vato ambony, ary ilay faharoa kosa nanangona izay koba voatoto nivoaka tamin’ny sisin’ilay fikosohana. Noho io karazana fitaovana io, dia afaka nahazo izay nilainy ny miaramila sy ny tantsambo, na koa ireo fianakaviana nipetraka lavitra ny orinasa fitotoana.
Fitotoan-koba nahodin’ny rano na rivotra
Nanazava momba ny milina fitotoan-koba nahodin’ny rano tamin’ny androny, i Vitruve injeniera romanina, tamin’ny 27 T.K. tany ho any. Rano mandeha no nanosika kodiarana lehibe iray nipetaka tamin’ny hazo nitsivalana, ka nampihodina an’io kodiarana io. Nifandray tamin’ny kodiarana hafa nisy kinifinifiny indray io kodiarana lehibe io, ka nampihodina fitotoan-koba lehibe terỳ ambony.
Nanao ahoana ny vokatra azo avy tamin’ny fitotoana nahodin’ny rano, raha noharina tamin’ireo milina hafa? Koba latsaka ny 10 kilao isan’ora no voatoton’ny milina nahodin-tanana, nefa nety nahatratra hatramin’ny 50 kilao ny an’ny fitotoana nahodin’ny biby natanjaka. Afaka nitoto 150 ka hatramin’ny 200 kilao isan’ora kosa ny fitotoana nahodin’ny rano, namboarin’i Vitruve. Nisy karazany maro izy io, ary efa nohatsaraina imbetsaka. Mbola nampiasain’ireo mpanamboatra milina fitotoana koa ny lalàna fototra nampandeha azy io, taonjato maro tatỳ aoriana.
Tsy ny rano ihany no angovo nampiasaina mba hampandeha ireo fitotoan-koba. Nitovy ihany ny vokatra azo rehefa nosoloana fitotoan-koba nahodin’ny rivotra ilay nahodin’ny rano. Nampiasa fitotoan-koba nahodin’ny rivotra ry zareo tany Eoropa, tamin’ny taonjato faha-12 tany ho any, indrindra ny tany Alemaina, Belzika, Holandy ary tany an-toeran-kafa koa. Rehefa nampiasa milina nandeha tamin’ny etona sy ny angovo hafa ny olombelona dia tsy nampiasaina firy intsony ireny fitotoana nahodin’ny rivotra sy rano ireny.
“Ny hanina sahaza anay anio”
Mbola ahitana vitsivitsy amin’ireny fitaovana fahiny ireny any amin’ny tany sasany, na dia eo aza ny fandrosoana. Mampiasa laona sy fanoto ny faritra maro any Afrika sy Oseania hatramin’izao. Itotoana katsaka hanamboarana tortilla ny lasely fikosoham-bary, any Meksika sy Amerika Afovoany. Mbola misy vitsivitsy koa ny faritra mampiasa milina fitotoan-koba ahodin’ny rano sy ny rivotra.
Totoina amin’ny fitaovana mekanika sy mihodina ho azy daholo izao ny ankamaroan’ny lafarinina sy koba any amin’ny tany mandroso. Misy vy boribory maromaro, mandeha tsiroaroa amin’izy ireny, izay mitoto tsikelikely ireo voa, ka ahazoana koba potika tsara na tsia, araka ny ilana azy. Samy manana ny hafainganam-pandehany ireny fitaovana ireny, rehefa mihodina. Vokatr’izany, dia azo atao ny mamokatra karazana koba sy lafarinina amin’ny vidiny mirary.
Azo antoka fa tsy asa mafy toy ny taloha intsony ny fitotoana mba hahazoana lafarinina sy koba hanamboarana sakafo. Afaka mankasitraka ny Mpamorona isika noho ny nanomezany antsika voa isan-karazany sy fahaizana hanova azy ireny ho ‘hanina sahaza anio.’—Matio 6:11.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 10 Nasaina niasa tamin’ny fikosoham-bary ireo fahavalo voasambotra, toa an’i Samsona sy ireo Israelita hafa, tamin’ny andron’ny Baiboly. (Mpitsara 16:21; Fitomaniana 5:13) Nitoto voa ho an’ny ankohonany ny renim-pianakaviana.—Joba 31:10.
[Sary, pejy 23]
Lasely fikosoham-bary tany Ejipta
[Sary nahazoan-dalana]
Soprintendenza Archeologica per la Toscana, Firenze
[Sary, pejy 23]
Milina nahodin’ny biby, nitotoana oliva ahazoana menaka
[Sary nahazoan-dalana, pejy 22]
Avy amin’ny Self-Pronouncing Edition of the Holy Bible, misy ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques sy ny Dikan-teny Nohavaozina