Mbola Miana-javatra Aho Hatramin’izao
Tantaram-piainana
Mbola Miana-javatra Aho Hatramin’izao
NOTANTARAIN’I HAROLD GLUYAS
Misy zavatra mbola tsaroako, 70 taona mahery lasa izay. Nipetrapetraka tao an-dakozian’i Neny aho, ary nahita fonosana dite nisy soratra hoe “Diten’i Ceylan.” Nisy sarim-behivavy koa teo amin’ilay fonosana. Mioty ravin-dite ao amin’ny saha maitso mavana any Ceylan (Sri Lanka ankehitriny) izy ireo. Lavitra be an’i Aostralia Atsimo, tany ngazana nonenanay, i Ceylan. Lasa saina aho teo am-pandinihana ilay sary. Tsy maintsy ho toerana kanto sy mahavariana izao izany Ceylan izany! Tsy fantatro tamin’izay fa ho lasa misionera mandritra ny 45 taona any amin’io nosy tsara tarehy io aho.
TERAKA tamin’ny Aprily 1922 aho. Hafa tanteraka noho ny amin’izao fotoana izao ny fiainana tamin’izany. Namboly tany akaikin’i Kimba, tanàna any afovoan’ny kontinanta midadasik’i Aostralia, ny fianakaviako. Tanàna ambanivohitra mitokana i Kimba, ary eo amin’ny sisiny atsimo amin’ny tany efitra lehiben’i Aostralia no misy azy. Mafy ny fiainana tamin’izany, satria tsy maintsy niady tamin’ny hain-tany sy ny bibikely ary ny hafanam-be foana izahay. Niezaka mafy i Neny mba hikarakara anay enina mianadahy sy Dada. Tranokely vifotsy no mba nipetrahanay.
Tamiko anefa, dia nahafahana nanao izay tiana sy feno zava-nahaliana ilay toerana. Tsaroako fa nahavariana ahy erỳ tamin’izany ny nahita omby maromaro natanjaka be, nampiasaina mba hanadio ny toerana feno kirihitra. Nahavariana
ahy koa ny rivo-mahery nandalo teo amin’ilay toerana, ka nampitorajofo ny vovoka. Raha ny marina àry, dia efa nianatra momba ny fiainana aho, taloha elan’ny nandehanako tany am-pianarana. Sekoly kely tsy nisy afa-tsy mpampianatra iray no nianarako, ary nandeha an-tongotra dimy kilaometatra aho vao tonga tany.Tia fivavahana ny ray aman-dreniko, nefa tsy niangona mihitsy izy ireo, satria lavitra be ny tanànanay ny fiangonana. Nanomboka nihaino ny lahateny ara-baiboly nataon’i Rutherford Mpitsara anefa i Neny, tany am-piandohan’ireo taona 1930. Nisy radio nandefa azy ireny mantsy tao Adélaïde, isan-kerinandro. Noheveriko fa mpitory teny iray tao Adélaïde fotsiny i Rutherford Mpitsara, ka tsy tena nahaliana ahy. Tsy andrin’i Neny kosa anefa io fandaharan’i Rutherford io. Nihaino tsara izy, na dia tsy tena nivoaka aza ilay feo, satria efa antitra ny radionay.
Indray tolakandro nafana be sady be vovoka, dia nisy kamiaonety tranainy nijanona teo anoloan’ny tranonay. Lehilahy roa nitafy tsara no nivoaka avy tao. Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Nihaino ny hafatra nentiny i Neny ary nanome vola ho takalon’ny boky maromaro noraisiny. Nanomboka namaky avy hatrany izy, ary nisy vokany lalina teo aminy izay novakiny. Nasainy nitondra azy teny amin’ny mpiray tanàna àry i Dada, mba hahafahany hiresaka momba izay nianarany.
Fiarahana nahasoa
Voatery nifindra teto Adélaïde, 500 kilaometatra miala an’i Kimba izahay, tsy ela taorian’izay, satria mafy loatra ny fiainana tany ambanivohitra. Nanomboka niaraka tamin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto izahay, ary nandroso tamin’ny fianarana Baiboly. Nifarana hatreo koa ny fandehanako tany am-pianarana. Vao 13 taona aho tamin’izay, ary nahavita ny taona fahafito. Olona tsy dia niraika firy tamin’ny fiainana aho, ka nety ho nahatonga ahy tsy ho liana intsony tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra izany. Soa ihany anefa fa nisy rahalahy nahafinaritra maromaro, mpisava lalana na mpitory manontolo andro, nanampy ahy.
Efa tia an’i Jehovah aho tao am-poko tao, fa ny fiarahako tamin’ireny rahalahy be zotom-po ireny no namelona azy io tatỳ aoriana. Tiako ny niaraka tamin’izy ireny ary nahafinaritra ahy ny zotom-pony. Rehefa nisy fampirisihana hanao fanompoana manontolo andro àry, tamin’ny fivoriambe iray teto Adélaïde tamin’ny 1940, dia nahagaga fa nisoratra anarana aho. Mbola tsy vita batisa akory aho tamin’izay, sady zara raha nahay nitory. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana anefa, dia nasaina nankany Warrnambool aho, mba hiara-miasa tamin’ny antokona mpisava lalana tany. Dimanjato kilaometatra avy eto Adélaïde, ao amin’ny fanjakan’i Victoria, no misy azy io.
Mbola tsy tena matotra ny fanapahan-kevitro tamin’izay. Vetivety anefa dia lasa tiako be ny fanompoana, ary faly aho milaza fa tsy nihena mihitsy izany fitiavana izany hatramin’izao.
Raha ny marina, dia fiovana lehibe teo amin’ny fiainako izany, ary nanomboka tena nandroso ara-panahy aho. Nianarako fa mahasoa ny manatona akaiky an’ireo tia manompo an’Andriamanitra. Mety hampipoitra ny toetrantsika tsara indrindra sy ny fahaizantsika izany, na be na kely ny fianarana vitantsika. Hitako koa fa mahasoa mandritra ny fiainana ny zavatra nianarana tamin’ireny fiarahana ireny.Nanatanjaka ahy ny fitsapana
Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Aostralia, tsy ela taorian’ny naha mpisava lalana ahy. Tsy fantatro izay tokony hatao, ka nangataka toromarika tamin’ireo rahalahy aho. Nohazavain’izy ireo fa tsy voarara ny miresaka momba ny Baiboly. Nanomboka nandeha isan-trano àry izahay sy ireo mpisava lalana namako, ka niresaka hafatra fohy avy ao amin’ny Baiboly. Izany no nanatanjaka ahy, ka nahafahako niatrika ireo fitsapana niseho taorian’izay avy hatrany.
Feno 18 taona aho, efa-bolana tatỳ aoriana, ka voantso ho miaramila. Tamin’izay no nahafahako niaro ny finoako teo anatrehan’ny manamboninahitra maromaro sy mpitsara iray. Naiditra tao amin’ny fonjan’i Adélaïde aho avy eo. Efa nisy rahalahy 20 teo ho eo nogadraina tao tamin’izay, satria tsy nety hanao raharaha miaramila koa. Nasaina niasa mafy namaky vato sy nanamboatra lalana izahay. Nanampy ahy hahay hiaritra sy tsy hivadika hatrany izany. Tsara fitondran-tena ary sahy nijoro tamin’ny finoanay izahay, ka lasa nanaja anay ny mpiambina maro, tamin’ny farany.
Tafavoaka ny fonja aho, volana maromaro tatỳ aoriana, ka faly satria nisakafo tsara indray ary nanohy avy hatrany ny asan’ny mpisava lalana. Tsy nisy namana afaka niaraka tamiko anefa, satria vitsy kely ny mpisava lalana. Nanontaniana àry aho raha nazoto hitory irery tany amin’ny toeram-pambolena lavitra, tany Aostralia Atsimo. Nanaiky aho, ary niondrana an-tsambo nankany amin’ny Saikinosy Yorke. Tsy nitondra afa-tsy ny zavatra nilaiko tamin’ny fitoriana sy bisikileta aho. Rehefa tonga tany aho, dia nisy fianakaviana liana nanoro ahy hotely kely iray. Ramatoa tsara fanahy no tompon’izy io, ary nitondra ahy toy ny zanany mihitsy. Nandeha bisikileta tamin’ny lalana be vovoka aho, nandritra ny andro, ary nitory tamin’ireo tanàna kely nanerana ilay saikinosy. Natory tany amin’ny hotely kely aho indraindray, mba hitoriana tany amin’ny faritra lavitra. Nahavita an-jatony kilaometatra tamin’ny bisikileta aho noho izany, ary nahita zavatra maro nahaliana. Tsy nampaninona ahy mihitsy ny nanompo irery. Tsapako fa nanampy ahy i Jehovah, ary nahatonga ahy ho akaiky kokoa azy izany.
Nahatsiaro tena ho tsy mahay
Nisy taratasy voaraiko tamin’ny 1946, nanendry ahy ho mpanompon’ireo rahalahy (mpiandraikitra ny faritra ankehitriny). Hitsidika fiangonana maromaro ao amin’ny faritra iray aho amin’izany. Tsy afeniko fa tena sarotra tamiko ny niantsoroka ny andraikitra nentin’io fanendrena io. Sendra nahare rahalahy niteny toy izao aho, indray andro: “Tsy tena mahay mandaha-teny i Harold, fa ny mitory no tena hainy.” Marina tokoa fa tsy dia nahay nandaha-teny sy nandamin-javatra aho. Tena nampahery ahy anefa ny tenin’io rahalahy io, satria ny fitoriana no asa lehibe indrindra tokony hataon’ny Kristianina.
Faly be izahay tamin’ny 1947, rehefa nahafantatra fa tonga hitsidika anay ny Rahalahy Nathan Knorr sy Milton Henschel, avy tany amin’
ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, any Brooklyn. Izay indray vao nisy rahalahy nitsidika anay avy any amin’ny foibe, taorian’ny Rahalahy Rutherford, tamin’ny 1938. Nasiana fivoriambe àry tao Sydney. Tahaka ny mpisava lalana tanora maro, dia nahaliana ahy ny hiofana ho misionera tany amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana tany South Lansing, New York, Etazonia. Nisokatra vao haingana io sekoly io tamin’izay. Nanontany tena ny maro taminay raha ny olona nahavita fianarana ambony ihany no horaisina. Nanazava anefa ny Rahalahy Knorr fa raha mahay mamaky lahatsoratra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana izahay ary mahatadidy ireo hevi-dehibe, dia mety haharaka ny fianarana any Gileada.Nihevitra aho fa nety ho tsy hahafeno fepetra satria tsy nahavita fianarana firy. Gaga anefa aho, volana maromaro tatỳ aoriana, fa nasaina nanao fangatahana hiofana tany Gileada. Nekena ny fangatahako, ka nanatrika ny kilasy faha-16 natao tamin’ny 1950 aho. Lasa natoky tena kokoa aho noho ny zavatra nahafinaritra nianarako sy niainako tany amin’ilay sekoly. Hitako fa tsy ny fianarana vita no tena antoky ny fahombiazana, fa ny fahazotoana sy ny fankatoavana kosa. Nampirisika anay hiezaka araka izay azonay natao ireo mpampianatra. Nankatò izany torohevitra izany aho, ka naharaka tsara sy nanao fandrosoana.
Nandao tany ngazana aho ka nankany amin’ny nosy kanto
Voatendry hankany Ceylan (Sri Lanka ankehitriny) izahay sy ny rahalahy roa hafa avy eto Aostralia, rehefa nahazo diplaoma. Tonga tao Colombo renivohitra izahay, tamin’ny Septambra 1951. Toerana mahamay sy mando i Colombo. Nahita zava-baovao izahay, ary nandre feo sy fofona manitra isan-karazany tsy nahazatra anay. Rehefa tafidina ny sambo izahay, dia taratasy fanasana no nentin’ny iray tamin’ireo misionera efa tany, niarahabana ahy tonga soa. Mahakasika ny lahateny ho an’ny besinimaro hatao ao amin’ny zaridainam-bahoaka ny alahady nanaraka, ilay izy. Gaga aho nahita fa izaho no mpandahateny voasoratra teo! Azonao an-tsaina angamba ny fanahiako. Nampianatra ahy hanaiky izay anjara nomena ahy anefa ireo taona naha mpisava lalana ahy teto Aostralia. Vitako soa aman-tsara àry ilay lahateny, noho ny fanampian’i Jehovah. Efa nisy rahalahy efatra tao amin’ny tranon’ny misionera tao Colombo tamin’izay. Nanomboka nianatra ny fiteny cinghalais, izay fiteny sarotra, niaraka tamin’izy ireo izahay, sady nandray anjara tamin’ny fitoriana. Niasa irery izahay matetika, ary faly satria mahay manaja sy tia mandray vahiny ny olona any. Nihanitombo haingana ny isan’ny mpanatrika fivoriana.
Nanomboka nieritreritra momba ny anabavy iray mpisava lalana mahafinaritra, atao hoe Sybil aho, tatỳ aoriana. Teny ambony sambo no nifankahitanay, tamin’izaho hanatrika ny Sekolin’i Gileada. Izy kosa hanatrika fivoriambe iraisam-pirenena tany New York tamin’izay. Nanatrika ny Sekolin’i Gileada, kilasy faha-21 izy tatỳ aoriana, ary voatendry tany Hong Kong tamin’ny 1953. Nanapa-kevitra ny hanoratra taminy aho, ary nitohy hatramin’ny 1955 ny fifanoratanay. Tonga tany amiko tany Ceylan i Sybil tamin’io taona io, ary tany no natao ny mariazinay.
Jaffna, tanàna any amin’ny farany avaratr’i Sri Lanka, no toerana voalohany nanendrena anay mivady ho misionera. Nanomboka nisara-bazana ny Cinghalais sy ny Tamouls noho ny tsy fitovian-kevitra ara-politika, tamin’ny 1955 tany ho any. Nahatonga azy ireo hiady izany, taona
maromaro tatỳ aoriana. Tena nampahery anefa ny nahita Vavolombelona cinghalais sy tamouls nifampiaro am-bolana maro, nandritra izany fotoan-tsarotra izany! Nanatanjaka ny finoan’ireo rahalahy ireny fitsapana ireny.Nitory sy nampianatra tany Sri Lanka
Ilana faharetana sy fikirizana ny miara-monina amin’ny Hindoa sy ny Miozolimanina. Nanjary hitanay ny lafy tsaran’ny kolontsain’izy ireo, sy ny toetra mahatehotia nananany. Tsy nahazatra azy ireo ny nahita vahiny nandeha bisy, ka matetika izy ireo no nijerijery be anay. Nitsikitsiky be tamin’izy ireo anefa i Sybil. Faly erỳ izahay avy eo satria tsy nijerijery intsony izy ireo fa nitsikitsiky be koa!
Nisy barazy teny an-dalana indray mandeha, ka voatery nijanona izahay. Rehefa avy nanontany ilay mpiambina hoe avy taiza izahay ary ho aiza, dia nametraka fanontaniana nahakasika ny fiainanay manokana izy.
“Iza ity ramatoa ity?”
“Vadiko izy”, hoy aho.
“Efa firy taona ianareo no nivady?”
“Valo taona.”
“Manan-janaka ve ianareo?”
“Tsia.”
“Izany ve? Efa mba nanatona dokotera ve ianareo?”
Nahagaga anay ny fanontaniana toy izany tamin’ny voalohany. Hitanay anefa, tatỳ aoriana, fa hay fiahiana ny hafa tamim-pahatsorana fotsiny ilay izy. Anisan’ny toetra mahafinaritra indrindra ananan’ny mponina any izany, raha ny marina. Raha vao mijorojoro eny an-kalamanjana eny fotsiny ny olona iray, dia misy manatona sy manontany azy moramora hoe: ‘Sao dia misy azoko anampiana anao?’
Fiovana sy fisaintsainana
Mbola nisy fanendrena hafa koa azonay, ankoatra ny asa misionera tany Sri Lanka. Voatendry hanao ny asan’ny faritra sy vondrom-paritra ary ho anisan’ny Komitin’ny Sampana aho. Fitopolo taona mahery aho tamin’ny 1996. Faly aho rehefa mieritreritra ireo 45 taona mahery nanaovako ny asa misionera tany Sri Lanka. Roapolo teo ho eo ny olona tao amin’ny fivoriana natrehiko voalohany tao Colombo. Nitombo izany ka nahatratra 3 500 mahery! Maro tamin’izy ireo no toy ny zanaka sy zafikelinay mivady ara-panahy. Mbola betsaka anefa ny asa tokony hatao any Sri Lanka, ary ny tanjaka sy ny fahaizan’ny tanora kokoa no ilaina. Nieritreritra momba izany izahay, ka nanaiky rehefa nanasa anay hody eto Aostralia ny Filan-kevi-pitantanana. Nisy mpivady misionera tanora kokoa àry afaka nisolo anay tany Sri Lanka.
Telo amby valopolo taona aho izao, ary faly izahay sy Sybil satria mbola mamela anay hanohy ny fanompoan’ny mpisava lalana manokana eto Adélaïde ihany, ny fahasalamanay. Io fanompoana io no mahatonga ny sainay mbola hiasa tsara, sy ho afaka hizatra amin’ny toe-javatra vaovao, anisan’izany ny fiainana eto Aostralia.
Mbola manome izay rehetra ilainay foana i Jehovah, ary tia sy manampy anay ireo rahalahy sy anabavy eo anivon’ny fiangonanay. Voatendry ho mpitan-tsoratra aho, tsy ela izay. Hitako àry fa raha mbola miezaka hanompo an’i Jehovah amim-pahatokiana aho, dia mitohy hatrany ny fampianarana ahy. Tena gaga aho rehefa mitodika ny lasa, satria izaho izay tambanivohitra kely tsy niraika tamin’ny fiainana iny, no nahazo fampianarana sarobidy, izay mbola mitohy hatramin’izao.
[Sary, pejy 26]
Ny mariazinay, 1955
[Sary, pejy 27]
Miara-mitory amin’i Rajan Kadirgamar, rahalahy tany Sri Lanka, tamin’ny 1957
[Sary, pejy 28]
Izahay sy Sybil ankehitriny