Tena ‘Handova ny Tany ve ny Mpandefitra’?
Tena ‘Handova ny Tany ve ny Mpandefitra’?
“FANTATRAO angamba ilay tenin’i Jesosy hoe ‘ny malemy fanahy, na mpandefitra, no handova ny tany.’ Rehefa jerena anefa ny fomba ifampitondran’ny olona sy ny fanimbany ny tany, inona sisa no mba holovain’ny mpandefitra, araka ny hevitrao?”—Matio 5:5; Salamo 37:11.
Io no fanontaniana apetrak’i Myriam, Vavolombelon’i Jehovah, rehefa te hanombo-dresaka momba ny Baiboly izy. Nisy rangahy namaly fa raha nampanantena izany i Jesosy, dia tsy maintsy ho tany mahafinaritra no holovana, fa tsy tany efa potika na tsy azo onenana intsony.
Be fanantenana tokoa io rangahy io. Afaka manantena toa azy koa anefa ve isika? Izany mihitsy, satria misy antony marim-pototra omen’ny Baiboly, manaporofo fa ho tanteraka io fampanantenana io. Mifandray akaiky amin’ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona sy ny tany izany, raha ny marina. Matoky koa isika fa izay kasain’Andriamanitra, dia hotontosainy. (Isaia 55:11) Inona àry no fikasany tany am-boalohany momba ny olombelona, ary ahoana no hahatanterahan’izany?
Manana fikasana mandrakizay momba ny tany Andriamanitra
Nanana fikasana voafaritra tsara i Jehovah Andriamanitra, rehefa namorona ny tany. “Izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana): Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.” (Isaia 45:18) Natao hipetrahan’ny olombelona ny tany, araka izany. Tian’Andriamanitra ho fonenany mandrakizay mihitsy izy io. “Nanorina ny tany tambonin’ny fanorenany Izy, mba tsy hihetsehany mandrakizay doria.”—Salamo 104:5; 119:90.
Hitantsika tamin’ilay asa nampanaovin’Andriamanitra ny mpivady voalohany koa ny fikasany momba ny tany. Hoy i Jehovah tamin’i Adama sy Eva: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” (Genesisy 1:28) Nankininy tamin’i Adama sy Eva ny tany, ary tiany ho fonenan’izy ireo sy ny taranany mandrakizay. Hoy ny mpanao salamo, taonjato mato tatỳ aoriana: “Ny lanitra dia an’i Jehovah; fa ny tany nomeny ho an’ny zanak’olombelona.”—Salamo 115:16.
Mba hahatanteraka izany fampanantenana faran’izay tsara izany, dia tsy maintsy nanaiky Genesisy 2:16, 17) Tsy maintsy nankatò io didy tsotra sy mazava io i Adama sy Eva, mba hiainany foana tao amin’ny saha Edena. Raha nankatò izy mivady, dia ho nampiseho fa nankasitrahany ny zava-drehetra nataon’ilay Rainy any an-danitra ho azy.
i Adama sy Eva mbamin’ny taranany, fa Mpanjakany i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona sy Mpanome aina. Tsy maintsy vonona hankatò azy koa izy ireo. Nampahafantatra izany mazava tsara i Jehovah, rehefa nandidy an’i Adama hoe: “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Ninia nandika ilay didin’Andriamanitra anefa i Adama sy Eva. Hita tamin’izany fa nanda an’Andriamanitra, izay nanome azy ny zava-drehetra izy ireo. (Genesisy 3:6) Noho izany, dia tsy afaka nipetraka tao amin’ilay Paradisa tsara tarehy intsony izy ireo sy ny taranany. (Romanina 5:12) Tsy afaka hanatontosa ny fikasany momba ny tany intsony àry ve Andriamanitra, noho izy mivady tsy nankatò?
Tsy miova Andriamanitra
Nasain’Andriamanitra nanoratra toy izao i Malakia mpaminany: “Izaho Jehovah dia tsy miova.” (Malakia 3:6) Nilaza i L. Fillion, manam-pahaizana frantsay momba ny Baiboly, fa mifandray akaiky amin’ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra ireo teny ireo. Nanoratra izy hoe: “Afaka nandringana ny vahoakany nikomy i Jehovah. Tsy nanova ny fampanantenany anefa izy, ka tsy maintsy hanatanteraka izay efa nampanantenainy taloha, na inona na inona mitranga.” Tsy hanadino ny fampanantenany izy, fa hanatontosa izany amin’ny fotoana voatondrony. Anisan’izany ny fampanantenany tamin’ny olona sasany, na firenena, na ny olombelona rehetra mihitsy. “Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, dia ilay teny izay voadidiny ho an’ny taranaka arivo mandimby.”—Salamo 105:8.
Ahoana anefa no ahazoantsika antoka fa tsy niova ny fikasan’i Jehovah tany am-boalohany momba ny tany? Afaka matoky izany isika, satria miverimberina imbetsaka ao anatin’ny Baiboly fa tian’Andriamanitra homena ny olombelona mankatò ny tany. (Salamo 25:13; 37:9, 22, 29, 34) Voalaza ao koa fa handry fahizay ny olona tahin’i Jehovah, ka “samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy”, ary “tsy hisy hanaitaitra azy.” (Mika 4:4; Ezekiela 34:28) Ireo voafidin’i Jehovah dia ‘hanao trano ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka izy ka hihinana ny vokatra aminy.’ Na ny bibidia aza dia hihavana aminy.—Isaia 11:6-9; 65:21, 25.
Milaza koa ny Baiboly fa ho toy ny tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka ny fiainana, rehefa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra. Nilamina sy nanan-karena ny firenen’ny Israely tamin’izany. “Ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin’ny andron’i Solomona rehetra, samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.” (1 Mpanjaka 5:5) Milaza ny Baiboly fa “lehibe noho i Solomona” i Jesosy, ary naminany toy izao momba ny fanjakany ny mpanao salamo: “Ny marina hitrebona amin’ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony. Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza.”—Lioka 11:31; Salamo 72:7, 16.
Hitana ny teniny i Jehovah Andriamanitra, ka hanome ny tany ho lova tokoa izy, ary hamerina azy io amin’ny hakantony taloha. Milaza izy ao amin’ny Apokalypsy 21:4 fa ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenainy, dia “hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason[’ny olona], ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” Paradisa tokoa no ampanantenainy.—Lioka 23:43.
Ahoana no ahazoana ilay lova nampanantenaina?
Hovana ho paradisa ny tany, eo ambany fitondram-panjakana iray any an-danitra hotantanan’i Jesosy Kristy. (Matio 6:9, 10) ‘Handringana izay manimba ny tany’ aloha io Fanjakana io. (Apokalypsy 11:18; Daniela 2:44) Avy eo, dia hanatanteraka ity faminaniana ity i Jesosy Kristy, ilay “Andrian’ny fiadanana”: “Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana.” (Isaia 9:5, 6) Afaka handova ny tany ny olona an-tapitrisany amin’izany fotoana izany, anisan’izany ireo olona hatsangana amin’ny maty.—Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15.
Matio 5:5) Inona no atao hoe malemy fanahy, na mandefitra? Mazàna no lazaina fa “malemy fanahy” na “mandefitra” ny olona, rehefa mahay miaritra, mihafy, mizaka izay mihatra aminy, malemy paika, ary mora ifanarahana. Lalina kokoa anefa ny hevitr’ilay teny grika voalohany nadika hoe “malemy fanahy.” Hoy i William Barclay ao amin’ilay bokiny hoe Diksioneran’ny Testamenta Vaovao (anglisy): “Milaza hatsaram-panahy io teny io. Kanefa, misy tanjaka toy ny vy ao ambadik’ilay hatsaram-panahy.” Izy io dia toe-tsaina mahatonga ny olona hiaritra ny tsy rariny, nefa tsy ho sosotra na hitady hamaly faty. Manana izany toe-tsaina izany izy, satria mifandray tsara amin’Andriamanitra, ary mahazo hery avy amin’izany.—Isaia 12:2; Filipianina 4:13.
Iza no hahazo io lova faran’izay tsara io? Hoy i Jesosy: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Manetry tena sy manaiky ny fitsipik’Andriamanitra amin’izay rehetra ataony ny olona mandefitra. Tsy manizingizina ny heviny izy, ary tsy miziriziry hanaraka ny hevitry ny olon-kafa. Vonona handray ny fampianaran’i Jehovah kosa izy. Hoy i Davida mpanao salamo: “Mitarika ny mpandefitra amin’ny marina [i Jehovah] ary mampianatra ny mpandefitra ny làlany.”—Salamo 25:9; Ohabolana 3:5, 6.
Ho anisan’ireo “mpandefitra” handova ny tany àry ve ianao? Afaka manantena handova ilay paradisa an-tany sy hiaina ao amin’izy io mandrakizay ianao, raha mianatra tsara ny Baiboly mba hahafantarana an’i Jehovah sy ny sitrapony, sady mampihatra izay ianaranao.—Jaona 17:3.
[Sary, pejy 5]
Hita amin’ilay asa nampanaovin’Andriamanitra an’i Adama sy Eva ny fikasany momba ny tany
[Sary, pejy 6, 7]
Hiadana sy hilamina toy ny tamin’ny andron’i Solomona ny fiainana ao amin’ilay lova nampanantenaina
[Sary nahazoan-dalana]
Ondry sy havoana: Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.; karazana antilopa: Hai-Bar, Yotvata, Israel; mpamboly: Garo Nalbandian
[Sary, pejy 7]
Ho ao amin’ilay tontolo vaovao hitoeran’ny fahamarinana ve ianao?