Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hampihatra ny Didim-pitsarany Amin’ny Ratsy Fanahy i Jehovah

Hampihatra ny Didim-pitsarany Amin’ny Ratsy Fanahy i Jehovah

Hampihatra ny Didim-pitsarany Amin’ny Ratsy Fanahy i Jehovah

“Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao.”—AMOSA 4:12.

1, 2. Nahoana isika no matoky fa hamarana ny faharatsiana Andriamanitra?

HOFARANAN’I Jehovah ve ny faharatsiana sy ny fahoriana eto an-tany? Mitombina tokoa izany fanontaniana izany amin’izao andro izao, satria toa hita hatraiza hatraiza ny habibian’ny olombelona. Tena irintsika ny hahafoana ny herisetra sy ny fampihorohoroana ary ny kolikoly!

2 Soa ihany fa afaka matoky tanteraka isika hoe hamarana ny faharatsiana i Jehovah. Azontsika antoka fa handringana ny ratsy fanahy izy, satria fantatsika ny toetrany. Manao ny marina sy tia rariny i Jehovah. Hoy ny Teniny ao amin’ny Salamo 33:5: “Tia fahamarinana sy rariny Izy.” Hoy koa ny salamo iray: ‘Ny mifaly hampidi-doza dia halan’ny fanahin’i Jehovah.’ (Salamo 11:5) Noho izany, dia azo antoka fa tsy hilefitra mandrakizay amin’ny zavatra halany i Jehovah, ilay Andriamanitra manana ny hery fara tampony, sady tia fahamarinana sy rariny.

3. Inona no hisongadina, rehefa handinika bebe kokoa ny faminanian’i Amosa isika?

3 Mino koa isika fa hamarana ny faharatsiana i Jehovah, rehefa jerentsika ny zavatra efa nataony. Misy ohatra miavaka mampiseho ny fitondran’i Jehovah ny ratsy fanahy, ao amin’ny bokin’i Amosa. Handinika bebe kokoa ny faminanian’i Amosa isika. Hisongadina amin’izany ny zavatra telo momba ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Voalohany, ara-drariny foana izy io. Faharoa, tsy azo ialana. Ary fahatelo, tsy faobe, satria mandringana ny ratsy fanahy i Jehovah, fa mamindra fo amin’izay mibebaka sy manana toe-po tsara.—Romanina 9:17-26.

Ara-drariny foana ny didim-pitsaran’Andriamanitra

4. Taiza no nanirahan’i Jehovah an’i Amosa, ary nahoana?

4 Efa nizara roa ny Israelita tamin’ny andron’i Amosa. Ny fanjakan’ireo foko roan’i Joda tany atsimo, sy ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely tany avaratra. Nasain’i Jehovah nandao ny tanànany tany Joda i Amosa, ary nirahiny haminany sy hanambara ny didim-pitsarany tany Israely.

5. Ny fanamelohana an’iza no nambaran’i Amosa voalohany, ary nahoana no ara-drariny ny hanamelohan’Andriamanitra azy ireo?

5 Tsy ny didim-pitsaran’i Jehovah ho an’ilay fanjakana nikomy tany avaratra, no nambaran’i Amosa voalohany. Nambarany aloha ny fanamelohan’Andriamanitra an’ireo firenena enina tsy lavitra teo, dia i Syria, Filistia, Tyro, Edoma, Amona, ary Moaba. Tena ara-drariny anefa ve ny hanamelohan’Andriamanitra azy ireo? Izany tokoa, satria samy fahavalon’ny vahoakan’i Jehovah hatry ny ela izy ireo.

6. Nahoana Andriamanitra no handefa loza amin’i Syria sy Filistia ary Tyro?

6 Nomelohin’i Jehovah, ohatra, ny Syrianina satria ‘nively an’i Gileada.’ (Amosa 1:3) Nibodo ny faritanin’i Gileada, tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, ny Syrianina ary nampijaly mafy ny vahoakan’Andriamanitra nonina tany. Ary ahoana ny amin’i Filistia sy Tyro? Meloka ny Filistinina satria naka ny Israelita ho babo, ary nivarotra azy tamin’ny Edomita. Nisy koa mponin’i Tyro nivarotra ny Israelita sasany ho andevo. (Amosa 1:6, 9) Eritrereto ange izany e! Nivarotra ny vahoakan’Andriamanitra ho andevo izy ireo! Tsy mahagaga raha handefa loza amin’i Syria sy Filistia ary Tyro i Jehovah.

7. Inona no nifandraisan’i Edoma sy Amona ary Moaba tamin’ny Israely, nefa ahoana no nataon’izy ireo tamin’ny Israelita?

7 Nisy zavatra nifandraisan’i Edoma sy Amona ary Moaba tamin’ny Israely. Samy havan’ny Israelita ireo firenena telo ireo. Ny Edomita dia taranak’i Abrahama avy tamin’i Esao, kambana tamin’i Jakoba. Noho izany, dia rahalahin’ny Israelita ihany izy ireo. Ny Amonita sy Moabita kosa dia samy taranak’i Lota, zana-drahalahin’i Abrahama. Nitondra ny Israelita toy ny havany akaiky ve anefa i Edoma sy Amona ary Moaba? Tsy izany velively! Tsy niantra “ny rahalahiny” i Edoma fa namely azy tamin’ny sabatra, ary nanao habibiana tamin’ny Israelita babony ny Amonita. (Amosa 1:11, 13) Tsy lazain’i Amosa mivantana hoe nampijaly ny vahoakan’Andriamanitra i Moaba, nefa asehon’ny tantara fa nanohitra ny Israelita hatry ny ela izy ireo. Ho mafy ny famaizana an’ireo firenena telo mpihavana ireo. Handringana azy ireo amin’ny afo i Jehovah.

Tsy azo ialana ny didim-pitsaran’Andriamanitra

8. Nahoana no tsy afa-niala tamin’ny fampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany ireo firenena enina teo akaikin’ny Israely?

8 Ara-drariny tokoa raha nomelohin’Andriamanitra ireo firenena enina voaresaka eo am-piandohan’ny faminanian’i Amosa. Tsy afa-niala tamin’izany izy ireo. Manomboka eo amin’ny Amosa 1:3 ka hatramin’ny Amosa 2:1 Am 1:3–2:1, dia inenina i Jehovah no milaza hoe: “Tsy havelako izy.” Tsy navelany tokoa ny fahadisoan’ireo firenena ireo. Porofoin’ny tantara fa niharan-doza izy ireo tatỳ aoriana. Nanjavona tanteraka mihitsy aza ny efatra taminy, dia i Filistia, Moaba, Amona, ary Edoma!

9. Rariny raha hatao ahoana ny mponin’i Joda, ary inona no antony?

9 Nifantoka tamin’ilay firenena fahafito i Amosa avy eo, dia i Joda, tany niaviany. Gaga angamba ny olona tany amin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, rehefa nandre azy nanambara ny fanamelohana ny fanjakan’ny Joda. Nahoana no ara-drariny ny hanamelohana ny mponin’i Joda? “Satria nataony tsinontsinona ny lalàn’i Jehovah”, hoy ny Amosa 2:4. Tsy zavatra kely tamin’i Jehovah izany finiavana tsy hiraharaha ny Lalàny izany. Izao no efa nolazainy, araka ny Amosa 2:5: “Haterako afo ao Joda, ka handevona ny tranoben’i Jerosalema izany.”

10. Nahoana i Joda no tsy afa-niala an’ilay loza?

10 Tsy afa-niala an’ilay loza ny Joda nivadika. Fanimpitony i Jehovah no nilaza hoe: “Tsy havelako izy.” (Amosa 2:4) Nofaizina tokoa i Joda, rehefa noravan’ny Babylonianina tamin’ny 607 T.K. (Talohan’i Kristy). Hitantsika eto indray fa tsy afa-miala amin’ny didim-pitsaran’Andriamanitra ny ratsy fanahy.

11-13. Mahakasika an’iza ny didim-pitsarana lehibe indrindra nasaina nambaran’i Amosa, ary inona avy no fampahoriana hita tany amin’io firenena io?

11 Nanambara ny didim-pitsaran’i Jehovah ho an’ny firenena fito i Amosa mpaminany. Diso hevitra anefa izay nieritreritra hoe tapitra hatreo ny faminaniany. Mbola nanan-javatra maro holazaina i Amosa! Ny antony lehibe indrindra nanirahana azy, dia ny hanambara didim-pitsarana henjana ho an’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra. Ary tena ara-drariny raha nomelohin’Andriamanitra ny Israely, satria tsy nanaraka ny lalàny sy ny fivavahana marina intsony izy ireo.

12 Nasehon’ny faminanian’i Amosa fa lasa fahazarana ny nampahory ny hafa teo amin’ny fanjakan’ny Israely. Hoy ny Amosa 2:6, 7 momba izany: “Izao no lazain’i Jehovah: Noho ny fahotana telon’Isiraely, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria namidiny volafotsy ny olona marina sy kapa iray lomisy ny malahelo, ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo an-dohan’ny malahelo izy sady mamily ny alehan’ny mpandefitra.”

13 Namidy “volafotsy” ny olo-marina, izany hoe mety ho nandray tsolotra ny mpitsara, mba hanamelohana ny olona tsy nanan-tsiny. Namidin’ny mpampisambo-bola ho andevo ny mahantra, izay nety ho tsy nahaloa trosa kely nitovy tamin’ny vidina “kapa.” Nisy lehilahy mafy fo ‘nihanahana’, na niezaka mafy hampietry ny “malahelo”, ka nahatonga ireo mahantra ireo hanipy vovoka teny an-dohany, ho mariky ny fahoriana sy alahelo na ny fampietrena azy. Niely patrana ny kolikoly ka tsy afaka nanantena hahazo rariny “ny mpandefitra.”

14. Iza no nampijalina tao amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely?

14 Voamarikao ve hoe iza no nampijalina? Ny marina sy ny mpandefitra ary ny malahelo, izany hoe ny olona mahantra na heverina ho ambany. Tsy maintsy namindrana fo ny olona tsy nisy mpiaro sy nahantra, araka ny fifaneken’ny Lalàna nataon’i Jehovah tamin’ny Israelita. Vao mainka nampijalina anefa izy ireo, tao amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely.

“Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao”

15, 16. a) Nahoana ny Israelita no nampitandremana hoe: “Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao”? b) Inona no voalazan’ny Amosa 9:1, 2, mba hampisehoana fa tsy afa-mandositra ny fandringanan’Andriamanitra ny ratsy fanahy? d) Inona no nanjo ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely tamin’ny 740 T.K.?

15 Niely patrana ny fitondran-tena maloto sy ny fahotana hafa teo amin’ny Israely. Rariny àry raha nampitandrina an’ilay firenena nikomy i Amosa mpaminany hoe: “Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao.” (Amosa 4:12) Nadiva handringana ny Israelita nivadika Andriamanitra, ary tsy afa-niala tamin’izany izy ireo, satria fanimbalony i Jehovah no nilaza hoe: “Tsy havelako izy.” (Amosa 2:6) Mety hanandrana hiafina ny ratsy fanahy, nefa hoy Andriamanitra: “Tsy hisy afa-mandositra izy, sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory. Na dia mibosesika ho any amin’ny fiainan-tsi-hita aza izy, dia any no hanalan’ny tànako azy; ary na dia miakatra ho any an-danitra aza izy, dia avy any no hampidinako azy.”—Amosa 9:1, 2.

16 Tsy afa-nandositra ny fandringanan’i Jehovah ny ratsy fanahy, na dia handavaka “any amin’ny fiainan-tsi-hita” aza, izany hoe hisitrika lalina any ambanin’ny tany. Tsy afa-nandositra koa izy, na dia ‘hiakatra ho any an-danitra’ aza, izany hoe hiezaka hiafina any an-tendrombohitra avo. Nazava ny fampitandreman’i Jehovah hoe: Tsy misy toeram-piafenana tsy ho hitany. Tia ny rariny izy, ka tsy maintsy hampamoahina ny fanjakan’ny Israely noho ny asa ratsiny. Tanteraka tokoa izany, satria resin’ny Asyrianina ny fanjakan’ny Israely, tamin’ny 740 T.K., 60 taona teo ho eo taorian’ny nanoratan’i Amosa ny faminaniany.

Tsy fandringanana faobe no ataon’Andriamanitra

17, 18. Inona no asehon’ny Amosa toko faha-9 momba ny famindram-pon’Andriamanitra?

17 Nasehon’ny faminanian’i Amosa antsika fa ara-drariny foana ny didim-pitsaran’Andriamanitra, ary tsy azo ialana. Asehon’izy io amintsika koa anefa fa tsy fandringanana faobe no ataon’i Jehovah. Hitany foana ny ratsy fanahy ary handringana azy ireo izy, na aiza na aiza hiafenany. Hitany koa anefa ny olona mibebaka sy manao ny marina, ka amindrany fo. Tena mahafinaritra ny fomba anasongadinana izany, ao amin’ny toko farany amin’ny Amosa.

18 Hoy i Jehovah, ao amin’ny Amosa 9:8: “Tsy dia hofongorako avokoa ny taranak’i Jakoba.” Araka ny andininy faha-13 ka hatramin’ny faha-15, dia nampanantena izy fa ‘hampody ny vahoakany avy amin’ny fahababoana.’ Hamindrana fo izy ireo ary hiadana sy hambinina. Nampanantena i Jehovah fa ‘hahatratra ny mpijinja ny mpiasa tany.’ Eritrereto ange izany e! Ho be dia be ny vokatra, ka mbola tsy ho voangona akory ny eo dia efa ho tonga sahady ny fotoana hiasana ny tany sy hamafazana!

19. Inona no nitranga tamin’ireo sisa tamin’ny Israely sy Joda?

19 Azo lazaina hoe tsy nanao fandringanana faobe i Jehovah tany Joda sy Israely, satria namindrany fo ny ratsy fanahy nibebaka sy nanana toe-po tsara. Tanteraka ilay fampanantenana famerenana amin’ny laoniny voalazan’ny Amosa toko faha-9, rehefa niverina avy tamin’ny fahababoana tany Babylona ny sisa nibebaka tamin’ny Israely sy Joda, tamin’ny 537 T.K. Naverin’izy ireo tamin’ny laoniny ny fivavahana marina, rehefa tafody tany an-tanindrazany izy. Niadana izy ireo, ka nanorina indray ny tranony, sady nanao tanimboaloboka sy zaridaina.

Tena handringana ny ratsy fanahy i Jehovah!

20. Inona no tokony hatokisantsika, rehefa avy nandinika ny fampitandreman’i Amosa momba ny didim-pitsaran’i Jehovah isika?

20 Rehefa nandinika ny fampitandreman’i Amosa momba ny didim-pitsaran’i Jehovah isika, dia matoky fa hofaranany tokoa ny faharatsiana amin’izao androntsika izao. Nahoana? Noho ny antony roa. Voalohany, fantatra avy amin’izay nataony taloha tamin’ny ratsy fanahy ny zavatra mbola hataony amin’izao andro izao. Faharoa, noringanin’Andriamanitra ny fanjakan’ny Israely nivadi-pinoana, ka azontsika antoka fa horinganiny koa ny Kristianisma Anarana. Izy io mantsy no meloka indrindra, amin’izay rehetra anisan’ny “Babylona Lehibe”, izany hoe ny fivavahan-diso rehetra.—Apokalypsy 18:2.

21. Nahoana no ara-drariny ny hanamelohan’Andriamanitra ny Kristianisma Anarana?

21 Tsy isalasalana fa ara-drariny ny hanamelohana ny Kristianisma Anarana, satria miharihary ny fampianaran-disony sy ny fitondran-tena ratsiny. Ara-drariny ny hanamelohan’i Jehovah ny Kristianisma Anarana, sy ny sisa amin’ny tontolon’i Satana. Tsy ho afa-miala amin’izany izy ireo, satria rehefa tonga ny fotoana handringanana azy ireo dia ho tanteraka ity voalazan’ny Amosa 9:1 ity: “Tsy hisy afa-mandositra izy, sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory.” Eny, ho hitan’i Jehovah ny ratsy fanahy, na hiafina aiza na hiafina aiza.

22. Inona no voalaza ao amin’ny 2 Tesalonianina 1:6-8 momba ny didim-pitsaran’Andriamanitra?

22 Ara-drariny sy tsy azo ialana foana ny didim-pitsaran’Andriamanitra, ary tsy faobe izy io. Manaporofo izany ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto: “Marina ny an’Andriamanitra raha mamaly fahoriana an’izay mampahory anareo izy, fa manafaka anareo izay ampahorina kosa, dia ianareo izay ampahorina, mbamin’ny tenanay, rehefa haharihary i Jesosy Tompo avy any an-danitra miaraka amin’ny anjeliny mahery, ao amin’ny afo midedadeda, amin’ny fotoana hamaliany an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika.” (2 Tesalonianina 1:6-8) “Marina ny an’Andriamanitra” raha mamaly an’ireo mendrika ny homelohina, satria mampahory ireo olony voahosotra izy ireo. Tsy azo ialana izany, satria tsy ho avotra ny ain’ny ratsy fanahy rehefa ‘hiharihary i Jesosy miaraka amin’ny anjeliny mahery, ao amin’ny afo midedadeda.’ Tsy faobe koa izany, satria hamaly “an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara” i Jesosy. Rehefa handringana azy ireo Andriamanitra, dia hahatsiaro ho maivamaivana ireo olona matahotra azy, izay miaritra fahoriana.

Ny fanantenan’ny marina

23. Nahoana no mahavelom-panantenana sy mampahery ny bokin’i Amosa?

23 Mahavelom-panantenana sy mampahery ny olona manana toe-po tsara koa anefa ny faminanian’i Amosa. Voalaza ao fa tsy nofongoran’i Jehovah tanteraka ny vahoakany fahiny. Nangoniny indray ireo babo tamin’ny Israely sy Joda, ka nampodiny tany an-tanindrazany, ary tena nampiadaniny sy nambininy. Inona no dikan’izany ho antsika? Midika izany fa azo antoka hoe rehefa handringana ny ratsy fanahy i Jehovah, dia ho hitany izay toerana hiafenany. Ho hitany koa ireo mendrika ny famindram-pony, na aiza na aiza hisy azy ireny.

24. Inona avy no fitahiana raisin’ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny?

24 Manao ahoana isika mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, eo am-piandrasana ny fotoana handringanany ny ratsy fanahy? Omeny fitahiana be dia be isika! Tsy ahitana lainga na fitaka avy amin’ny fampianaran-dison’ny Kristianisma Anarana ny fivavahantsika. Nomen’i Jehovah sakafo ara-panahy tondraka koa isika. Tadidio anefa fa arahin’andraikitra lehibe ireo fitahiana tondraka omen’i Jehovah ireo. Manantena izy fa hampitandrina ny olona ny amin’ilay didim-pitsarana ho avy isika. Te hanao araka izay fara herintsika isika, mba hitadiavana ireo manana “toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.” (Asan’ny Apostoly 13:48) Irintsika koa ny hanampy olona maro be araka izay azo atao, mba hahazoany fitahiana be dia be avy amin’i Jehovah toa antsika. Tiantsika ho voavonjy izy ireo, rehefa handringana ny ratsy fanahy Andriamanitra tsy ho ela. Mazava ho azy fa tsy maintsy manana toe-po tsara isika raha te hahazo ireo fitahiana ireo. Manasongadina izany koa ny faminanian’i Amosa, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no ampisehoan’ny faminanian’i Amosa fa ara-drariny foana ny fanamelohan’i Jehovah?

• Ahoana no anaporofoan’i Amosa fa tsy azo ialana ny didim-pitsaran’Andriamanitra?

• Inona ao amin’ny bokin’i Amosa no manaporofo fa tsy faobe ny fandringanan’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16, 17]

Tsy afa-niala tamin’ny didim-pitsaran’Andriamanitra ny fanjakan’ny Israely

[Sary, pejy 18]

Niverina avy tamin’ny fahababoana tany Babylona ny sisa tamin’ny Israely sy Joda tamin’ny 537 T.K.