Ahoana no Tokony Hahatsiarovana An’i Jesosy Kristy?
Ahoana no Tokony Hahatsiarovana An’i Jesosy Kristy?
“Tena anisan’ny olona nanan-kery indrindra hatramin’izay” i Jesosy Kristy.—“Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao.”
NY ZAVA-BITAN’NY olo-manga matetika no ahatsiarovana azy. Koa nahoana àry ny nahaterahan’i Jesosy no tsaroan’ny maro, fa tsy ny zava-bitany? Hain’ny ankamaroan’ny olona milaza ho Kristianina, ny tantaran’ny nahaterahan’i Jesosy. Firy amin’izy ireo anefa no mba mahatadidy ny toriteniny tsara dia tsara teo an-tendrombohitra, sy miezaka mampihatra izany?
Marina aloha fa niavaka ny nahaterahan’i Jesosy. Izay nataony sy nampianariny anefa no zava-dehibe kokoa tamin’ny mpianany. Azo antoka fa tsy nirin’Andriamanitra
hisongadina kokoa noho ny fiainan’i Kristy mihitsy, ny fahaterahany. Ireo angano sy fombafomba mifandray amin’ny nahaterahany anefa no lasa misongadina kokoa rehefa Krismasy, fa tsy i Kristy.Mampieritreritra koa ny fomba ankalazana ny Krismasy ankehitriny. Maro no tsy manao afa-tsy izay ahazoana tombom-barotra amin’io fotoana io. Ahoana no ho fiheveran’i Jesosy an’izany, raha miverina etỳ an-tany izy? Nitsidika ny tempolin’i Jerosalema izy, roa arivo taona lasa izay. Tezitra be izy nahita ireo mpanakalo vola sy mpivarotra nanararaotra ny fety ara-pivavahana jiosy, mba hahazoam-bola. Hoy izy: “Ento mivoaka any ireo! Aza atao trano fivarotana intsony ny tranon’ny Raiko!” (Jaona 2:13-16) Tsy nankasitrahan’i Jesosy mihitsy àry ny fampifangaroana ny varotra sy ny fivavahana.
Sahiran-tsaina ny Katolika tso-po maro any Espaina, satria vao mainka lasa resa-barotra fotsiny ny Krismasy. Tsy mahagaga anefa izany, rehefa jerena ny niandohan’ireo fanao maro amin’io fety io. Hoy ihany i Juan Arias: ‘Maro ny Kristianina manakiana hoe lasa fetin’ny “mpanompo sampy” ny Krismasy, ary ny lanonana sy ny fividianan-javatra indray no lasa zava-dehibe kokoa noho ny fivavahana. Tsy fantatry ny ankamaroan’izy ireo anefa fa tany am-piandohana mihitsy io fety io, dia efa naka tahaka ny ankamaroan’ny fanaon’ny Romanina mpanompo sampy, tamin’ny fankalazany ny fetin’ny [masoandro].’—El País, 24 Desambra 2001.
Tato ho ato, dia nilaza ny rakipahalalana sy mpanao gazety espaniola maro fa avy tamin’ny mpanompo sampy ireo fanao amin’ny Krismasy, sady resa-barotra fotsiny. Niaiky toy izao ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana Katolika (espaniola), momba ny datin’ny Krismasy: “Nanapa-kevitra ny hifidy an’io daty io ny Eglizy Romanina, angamba satria soloany fety kristianina ny fetin’ny mpanompo sampy. ... Fantatsika fa nankalaza ny natalis invicti, na ny nipoiran’ny ‘masoandro tsy mety resy’ ny mpanompo sampy tany Roma fahiny, isaky ny 25 Desambra.”
Hoy koa ny Enciclopedia Hispánica: ‘Tsy nisy kajy natao mba hahitana hoe tokony hankalazaina ny 25 Desambra ny Krismasy. Andro nankalazan’ny Romanina ny fipoiran’ny masoandro tamin’ny ririnina kosa izy io, ary novana ho fety kristianina.’ Inona no nataon’ny Romanina tamin’izay? Nanao fety sy lanonana feno filibana izy ireo, ary nifanolotra fanomezana. Tsy te hanafoana an’io fety be mpitia io ny mpitondra fivavahana. “Novany ho fety kristianina” àry izy io, ary nolazainy fa andro nahaterahan’i Jesosy ilay izy, fa tsy andro nipoiran’ny masoandro.
Tsy mora tamin’ny voalohany (tamin’ireo taona 300 sy 400) ny nisakana ny olona tsy hivavaka tamin’ny masoandro, sy hanao ireo fombafomba nifandray tamin’izany. Voatery nandresy lahatra ny mpiray finoana taminy àry ilay Katolika atao hoe “Masindahy” Augustin, mba tsy hanome voninahitra ny masoandro toy ny mpanompo sampy izy ireo, rehefa 25 Desambra. Toa mbola manan-kery ihany anefa ankehitriny, ireo fombafomba natao tany Roma fahiny.
Fotoana anaovana fety sy ivarotana
Nandritra ireo taonjato, dia maro ny antony nahatonga ny Krismasy ho ny fety malaza indrindra eran-tany sy fotoana ivarotana. Nampidirina tsikelikely tamin’ny Krismasy tany Roma ireo fanao tamin’ny fety natao tamin’ny ririnina, indrindra fa ireo fanao tany Eoropa avaratra. * Ary nandritra ireo taona 1900, dia niezaka mafy ny mpivarotra sy ny mpanao dokam-barotra matihanina, mba hampahalaza izay fanao rehetra mety hahazoana tombony be.
Inona no vokany? Ny fankalazana ny nahaterahan’i Kristy indray no lasa zava-dehibe kokoa noho ny hevitr’izy io. Na i Kristy aza tsy resahina firy intsony. “Fetim-pianakaviana fanao eran-tany [ny Krismasy], ary samy manana ny fomba ankalazany azy io ny tsirairay”, hoy ilay gazety espaniola El País.
Manamarina izany ny zava-mitranga any Espaina sy any amin’ny tany maro hafa. Lasa manetriketrika be hatrany ny Krismasy, fa mihena kosa ny fahalalana an’i Kristy. Nanjary nitovy tamin’ireo fanao tany Roma fahiny indray izy io, izany hoe lanonana feno filibana, fety, ary fifanolorana fanomezana.
Zaza no teraka ho antsika
Tsy dia misy ifandraisana loatra amin’i Kristy ny Krismasy. Ahoana àry no tokony hahatsiarovan’ny tena Kristianina ny nahaterahan’i Kristy sy ny fiainany? Naminany toy izao i Isaia, 700 taona teo ho eo talohan’ny nahaterahan’i Jesosy: “Zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony.” (Isaia 9:5) Nahoana izy no nilaza fa tena zava-dehibe ny nahaterahan’i Jesosy sy ny asa hataony atỳ aoriana? Satria ho lasa mpitondra mahery i Jesosy. Hantsoina hoe Andrian’ny fiadanana izy, ary tsy hanam-pahataperana ny fiadanana sy ny fitondrany. Hampaharitra ny fitondrany koa ny “rariny sy ny hitsiny.”—Isaia 9:6.
Niray hevitra tamin’i Isaia ny anjely Gabriela, rehefa nanambara tamin’i Maria fa ho bevohoka an’i Jesosy izy. Nilaza izy hoe: “Ho lehibe izy ka hantsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra, ary i Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. Ary ho mpanjaka eo amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay izy, ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.” (Lioka 1:32, 33) Zava-dehibe àry ny nahaterahan’i Kristy, noho ny asa hotanterahiny amin’ny maha Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra azy. Hitondra soa ho an’ny rehetra ny fitondrany, anisan’izany ianao sy ny havanao. Nilaza mantsy ireo anjely, fa hitondra “fiadanana etỳ ambonin’ny tany eo amin’ny olona ankasitrahan[’Andriamanitra]” ny fahaterahany.—Lioka 2:14.
Iza tokoa moa no tsy maniry hiaina ao anatin’ny fiadanana sy ny rariny? Tsy maintsy ankasitrahan’Andriamanitra sy mifandray tsara aminy anefa isika, vao hiadana eo ambany fitondran’i Kristy. Mba hifandraisana aminy àry, dia ilaintsika aloha ny mianatra momba azy sy Kristy. Hoy i Jesosy momba izany: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3.
Rehefa mahalala tsara an’i Jesosy isika, dia ho fantatsika ny fomba tiany hahatsiarovana azy. Ho tiany ve raha mihinana sy misotro ary mifanolotra fanomezana amin’ny andro nanaovan’ny mpanompo sampy fety fahiny isika, mba hahatsiarovana azy? Sarotra inoana izany. Nilaza tamin’ny mpianany ny zavatra niriny i Jesosy, ny alina talohan’ny nahafatesany. Hoy izy: “Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia ahy. Ary izay tia ahy kosa dia ho tian’ny Raiko, ary izaho ho tia azy.”—Jaona 14:21.
Nandalina ny Soratra Masina ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nanampy azy izany hamantatra ny didin’Andriamanitra sy Jesosy. Ho faly izy hanampy anao hamantatra ireo didy lehibe ireo, mba hahatsiarovanao an’i Jesosy araka ny tokony ho izy.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 11 Ohatra miavaka amin’izany ny hazo Noely sy Dadabe Noely.
[Efajoro/Sary, pejy 6, 7]
Raran’ny Baiboly ve ny Fety sy ny Fanolorana Fanomezana?
Fanolorana fanomezana
Milaza ny Baiboly fa mety ny manolotra fanomezana. Antsoina hoe Mpanome “ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra” mihitsy aza i Jehovah. (Jakoba 1:17) Nilaza i Jesosy fa hanolotra fanomezana ho an’ny zanany, ny ray aman-dreny tsara fanahy. (Lioka 11:11-13) Nanolotra fanomezana ho an’i Joba koa ny namany sy ny fianakaviany, rehefa sitrana izy. (Joba 42:11) Tsy voatery natao tamin’ny andro manokana na fety anefa izany rehetra izany, fa vokatry ny fo.—2 Korintianina 9:7.
Fivoriam-pianakaviana
Mampiray ny mpianakavy ny fivoriam-pianakaviana, indrindra rehefa tsy miara-mipetraka intsony izy ireo. Nanatrika fampakaram-bady tany Kana i Jesosy sy ny mpianany, ary azo inoana fa tafavory tao daholo ny fianakaviana sy ny namana. (Jaona 2:1-10) Tao amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ilay zanaka adala, dia nanao fanasam-be ho an’ny fianakaviana ilay ray rehefa nody ny zanany. Nisy mozika sy dihy koa tamin’izay.—Lioka 15:21-25.
Fihinanana sakafo matsiro
Milaza ny Baiboly matetika fa nisy mpanompon’Andriamanitra niara-nihinana sakafo matsiro tamin’ny fianakaviany, namany, na mpiara-mivavaka taminy. Nanomana hanim-py ho an’ireo anjely telo nitsidika azy i Abrahama. Nomeny hen’omby, ronono, rononomandry, ary mofo izy ireo. (Genesisy 18:6-8) Nilaza koa i Solomona fa raha ‘mihinana sy misotro ary miravoravo’ isika, dia fanomezan’Andriamanitra izany.—Mpitoriteny 3:13; 8:15.
Mazava àry fa tian’Andriamanitra ny hankafizantsika sakafo matsiro miaraka amin’ny havana aman-tsakaiza, ary ankasitrahany ny fanolorana fanomezana. Afaka manao izany foana isika, na rahoviana na rahoviana ao anatin’ny taona.