Nianatra Nitoky Tanteraka Tamin’i Jehovah Izahay
Tantaram-piainana
Nianatra Nitoky Tanteraka Tamin’i Jehovah Izahay
NOTANTARAIN’I NATALIE HOLTORF
Tonga tao aminay ny lehilahy iray hatsatra, tamin’ny volana Jona 1945. Nijoro naharitra teo am-baravarana izy. Taitra be i Ruth zanako faravavy, ka niantso hoe: “Neny, misy vahiny ao am-baravarana!” Tsy fantany akory fa i Ferdinand rainy sady vady malalako ilay vahiny. Roa taona talohan’io izy no niala ny trano sy voasambotra, izany hoe telo andro monja taorian’ny nahaterahan’i Ruth. Nalefa tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia izy tamin’ny farany. Ela ny ela ka nihaona ihany i Ruth sy ny rainy, ary tafaray indray ny fianakavianay. Nifampitantara zavatra maro izahay sy Ferdinand!
TERAKA tamin’ny 1909 tao Kiel i Ferdinand, ary izaho tamin’ny 1907 tao Dresde, samy tany Alemaina. Nihaona voalohany tamin’ny Mpianatra ny Baiboly (anarana nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany) ny fianakaviako fony aho 12 taona. Ary niala tamin’ny Fiangonana Ara-pilazantsara, sy nanolo-tena ho an’i Jehovah aho rehefa 19 taona.
Nahazo diplaoma tamin’ny sekoly fiofanana ho tantsambo i Ferdinand ka nanao io asa io. Nanontany tena ny amin’ny fisian’ny Mpamorona izy nandritra ny dia nataony. Rehefa tafaverina izy dia nitsidika ny rahalahiny, izay Mpianatra ny Baiboly. Nahatonga azy hiaiky iny fitsidihana iray iny, fa ao amin’ny Baiboly ny valin’ireo fanontaniana nanitikitika ny sainy. Niala tamin’ny Fiangonana Loteranina
izy ary tapa-kevitra ny tsy hanao ny asan’ny tantsambo intsony. Naniry mafy ny hitory mandritra ny androm-piainany izy, rehefa nifarana ny andro voalohany nitoriany. Nanolo-tena ho an’i Jehovah izy ny alin’iny, ary natao batisa tamin’ny Aogositra 1931.Tantsambo sady mpitory
Nandeha lamasinina nanketo Holandy i Ferdinand tamin’ny Novambra 1931, mba hanampy tamin’ny asa fitoriana. Rehefa nilaza tamin’ny anadahy niandraikitra ny asa teto izy fa tantsambo, dia nihiaka ilay anadahy hoe: “Lehilahy toa anao mihitsy no ilainay!” Nanofa sambo mantsy ireo anadahy, mba hahafahan’ny mpisava lalana maromaro (na mpitory manontolo andro) hitory tamin’ny tanàna amoron-drano, tany amin’ny tapany avaratr’i Holandy. Tsy nisy nahay nitondra sambo ireo mpandeha dimy, ka i Ferdinand no natao kapiteny.
Nasaina nanao ny asan’ny mpisava lalana, tao Tilburg any atsimon’i Holandy, i Ferdinand enim-bolana tatỳ aoriana. Tonga tao Tilburg koa aho tamin’izay hanao ny asan’ny mpisava lalana, ary nihaona tamin’i Ferdinand. Nasaina nifindra avy hatrany tany Groningue any avaratra izahay, ary natao ny raharahanay tamin’ny Oktobra 1932. Niara-nipetraka tamin’ny mpisava lalana maromaro izahay tany, ka sady nanao ny asan’ny mpisava lalana no nanao ny volan-tantelinay.
Teraka tamin’ny 1935 i Esther zanakay vavy. Tapa-kevitra ny ho mpisava lalana foana izahay na dia kely fidiram-bola aza. Nifindra tanàna izahay ary nipetraka tamina trano kely. Rehefa izaho no nikarakara ny zazakely tao an-trano, dia anjaran’ny vadiko ny nanompo tontolo andro. Nifamadika izahay ny ampitso. Izany foana no nataonay mandra-pahalehibe an’i Esther, ka azo nentina nanompo izy.
Nampanahy ny toe-draharaha politika teto Eoropa tsy ela taorian’izay. Renay ny fanenjehana ny Vavolombelona tany Alemaina, ary fantatray fa tsy ho ela koa ny anay. Nieritreritra izahay hoe ahoana no hiaretanay raha mafy be ny fanenjehana. Nandrara ny vahiny tsy hitory na hizara boky sy gazety ara-pivavahana ny lalàna navoakan’ny fitondrana holandey, tamin’ny 1938. Mba hanampiana anay hanompo hatrany, dia nanome anay ny anaran’ireo liana tamin’ny fitoriana ny Vavolombelona holandey, ka afaka nampianatra Baiboly ny sasany tamin’izy ireo izahay.
Nandamina fivoriamben’ny vondrom-paritra iray teto Holandy ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izay fotoana izay. Naniry ho any izahay na dia tsy nanam-bola hatao saran-dalana handehanana lamasinina aza. Nandeha bisikileta telo andro àry izahay, ka natao teo aloha i Esther kely. Nilasy tao amin’ny Vavolombelona nipetraka tamin’izay tanàna nolalovanay izahay rehefa alina. Faly erỳ izahay nanatrika ny fivoriambenay voalohany! Nanatanjaka anay ho amin’ny Salamo 31:6 manao hoe: ‘Jehovah no itokiako.’
fitsapana ho avy ilay fandaharana. Nampahatsiahivina koa izahay mba hatoky an’Andriamanitra. Nanjary teny filamatray ny voalazan’nyNataon’ny Nazia haza lambo
Niditra an-keriny teto Holandy ny Nazia tamin’ny Mey 1940. Tonga tampoka tao aminay ny Gestapo, na polisy miafina, taoriana kelin’izay, rehefa nampirina boky sy gazety vao tonga izahay. Nentina tany amin’ny biraon’ny Gestapo i Ferdinand. Nitsidika azy tany foana izahay sy Esther ary indraindray izy nalaina am-bavany sy nokapohina teo imasonay. Nafahana tampoka i Ferdinand ny volana Desambra, nefa vetivety ihany. Nahita fiaran’ny Gestapo teo akaikin’ny tranonay izahay indray hariva, rehefa nody. Afaka nitsoaka i Ferdinand, fa izahay sy Esther niditra ny trano. Efa niandry anay ny Gestapo, ary nitady an’i Ferdinand izy ireo. Tonga tao an-trano ny polisy holandey ny alin’iny, rehefa lasa ny Gestapo, ka nitondra sy naka am-bavany ahy. Nandeha niafina tany amin-dry Norder (mpivady vao vita batisa) izahay sy Esther ny ampitso, ary nampiantrano sy niaro anay izy ireo.
Voasambotra tamin’ny faramparan’ny Janoary 1941 ny mpivady mpisava lalana iray, nipetraka tao anaty sambo. Nandeha naka ny entan’izy ireo sasany tao an-tsambo ny vadiko sy ny mpiandraikitra ny faritra (mpiandraikitra mpitety fiangonana) ny ampitson’iny. Nisambotra azy ireo ny mpanohana ny Gestapo, nefa afaka nitsoaka tamin’ny bisikiletany i Ferdinand. Naiditra am-ponja kosa ilay mpiandraikitra ny faritra.
Nasain’ireo anadahy tompon’andraikitra hanao ny asan’ilay mpiandraikitra ny faritra i Ferdinand. Tsy afaka nody nihoatra ny telo andro isam-bolana izy noho izany. Fitsapana vaovao ho anay ilay izy, nefa nanohy ny asan’ny mpisava lalana foana aho. Vao mainka nikaroka ireo Vavolombelona ny Gestapo ka tsy maintsy nifindrafindra trano izahay. Intelo nifindra izahay tamin’ny 1942. Tanàna farany nifindranay i Rotterdam, nifanalavitra be tamin’ny toerana nanaovan’i Ferdinand ny fanompoany tamim-piafenana. Niandry vohoka ny zanakay faharoa aho tamin’izay. Nandray anay tsara tao an-tranony ny fianakavian-dry Kamp, manana zanaka mirahalahy nalefa vao haingana tany amin’ny toby fitanana.
Nitsongo dia anay ny Gestapo
Teraka tamin’ny Jolay 1943, i Ruth, zanakay faharoa. Afaka niaraka taminay telo andro i Ferdinand taorian’ny nahaterahan’i Ruth, nefa tsy maintsy nandeha izy, ary ela be indray vao ho hitanay. Voasambotra tany Amsterdam izy, telo herinandro teo ho eo tatỳ aoriana. Nentina tany amin’ny biraon’ny Gestapo izy, ary nohamarinina tany ny momba azy. Mafy ny fakana am-bavany nataon’ny Gestapo azy, sady notereny hilaza zavatra momba ny asa fitoriana izy. Ny hany nolazainy anefa dia hoe Vavolombelon’i Jehovah izy, ary tsy manao politika. Nisafoaka taminy ny polisy Gestapo satria teratany alemà izy, nefa tsy nanao raharaha miaramila. Norahonany ho faty izy fa mpamadika hono.
Notazonina tany am-ponja izy ny dimy volana nanaraka, ary norahonana hotifirina foana. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy anefa izy. Inona no nanampy azy hanana finoana matanjaka foana? Ny Tenin’Andriamanitra. Marina aloha fa tsy navela hanana Baiboly i Ferdinand satria Vavolombelona. Afaka nangataka iray anefa ny voafonja hafa. Noreseny lahatra àry ny mpiara-migadra taminy hanafatra iray tany amin’ny fianakaviany, ka nanao izany tokoa izy io. Isaky ny nitantara izany i Ferdinand, taona maro tatỳ aoriana, dia faly erỳ nilaza hoe: “Tena nampahery ahy iny Baiboly iny!”
Nentina tampoka tany amin’ny toby fitanana tao Vught eto Holandy i Ferdinand, tamin’ny fiandohan’ny Janoary 1944. Tsy
nampoizina hoe fitahiana ho azy ilay fifindran-toerana, satria Vavolombelona 46 no nihaona taminy tao. Faly erỳ aho nahafantatra fa mbola velona izy, rehefa reko ny namindrana toerana azy!Nitory foana na dia tany amin’ny toby fitanana aza
Mafy be ny fiainana tany amin’ny toby. Tsy ampy ny sakafo, tsy nisy akanjo mafana ary namirifiry ny hatsiaka. Izany foana no niainana isan’andro. Tratran’ny aretin-tenda mafy i Ferdinand. Nankany amin’ny toeram-pitsaboana izy, rehefa vita ny fiantsoana anarana naharitra ela tao anatin’ny hatsiaka. Ny marary nanana hafanana 40 degre na mihoatra ihany no navela hijanonana tany. Nasaina niverina niasa àry i Ferdinand satria 39 degre monja ny hafanany! Nanampy azy hiafina fotoana kelikely tamin’ny toerana mafana anefa ny voafonja hafa tsara fanahy. Nihatsara izy rehefa nihanafana ny andro. Nizara ny sakafo nalefa ho azy koa ny anadahy sasany, ka nihanatanjaka indray i Ferdinand.
Efa zatra nitory ny vadiko talohan’ny nigadrany, ary niresaka ny finoany hatrany amin’ny toby fitanana izy. Nesoin’ny tompon’andraikitry ny toby izy matetika, satria nanao ilay telozoro volomparasy nahafantarana ny voafonja Vavolombelona. Nohararaotiny anefa izany hanombohan-dresaka tamin’izy ireo. Voafetra ny olona azo nitoriana tamin’ny voalohany, satria Vavolombelon’i Jehovah ny ankamaroan’ny voafonja tao amin’ny trano nisy ireo anadahy. Nanontany tena izy ireo hoe: ‘Ahoana àry no ahitantsika voafonja betsaka kokoa?’ Tsy nampoizina akory fa namaha izany olana izany ny fandaminan-javatra tao amin’ny toby. Tamin’ny fomba ahoana?
Nanafina Baiboly 12 sy boky ary gazety ara-baiboly ireo anadahy. Tratran’ny mpiambina ny boky sasany indray andro, fa tsy fantany hoe an’iza. Tapa-kevitra àry ny tompon’andraikitry ny toby fa tsy maintsy ravana ny firaisan-tsain’ny Vavolombelona. Noho izany, dia nafindra tany amin’ny trano nisy voafonja tsy Vavolombelona izy ireo ho saziny. Tsy maintsy nipetraka teo akaikin’ny tsy Vavolombelona koa izy ireo rehefa nisakafo. Nanjary fitahiana izany. Afaka nitory tamin’ny voafonja betsaka kokoa izao ireo anadahy, ary izany no zava-dehibe indrindra tamin’izy ireo.
Nitaiza irery azy mirahavavy
Mbola nipetraka tao Rotterdam izahay telo mianaka tamin’izany. Nangatsiaka be ny ririnina tamin’ny 1943/1944. Tao ambadiky ny tranonay ny tobin’ny miaramila alemà mpanjera fiaramanidina. Ary teo anoloana ny Seranan’i Waal, izay lasibatry ny fiaramanidina mpandatsaka baomban’ny Mpiray Dina. Tsy toerana nampidi-doza toy izany mihitsy no tokony ho niafenana. Zara raha nisy koa ny sakafo. Nianatra nitoky tanteraka tamin’i Jehovah mbola tsy nisy ohatra izany izahay.—Ohabolana 3:5, 6.
Valo taona i Esther tamin’izay, ary nanampy ny fianakaviana kelinay izy nilahatra sakafo nozaraina ho an’ny mahantra. Matetika anefa no tsy nisy intsony rehefa tonga ny anjarany. Tany am-pitadiavana sakafo izy, indray andro, no nandalo ny fiaramanidina mpandatsaka baomba. Nivarahontsana aho nahare ireo baomba nipoaka. Niova ho ranomasom-pifaliana anefa izany rehefa nody izy ka tsy naninon-tsy naninona sady nitondra betiravy vitsivitsy. Nanontany avy hatrany aho hoe: “Fa inona no nitranga?” Tony izy namaly hoe: “Rehefa nilatsaka ny baomba dia nataoko ilay nolazain’i dada hoe: ‘Midaboha amin’ny tany, aza mihetsika, ary mivavaha.’ Dia nety ilay izy!”
Tsara kokoa rehefa i Esther no niantsena raha mbola azo natao, satria fantatra be hoe Alemà aho rehefa miteny. Voamariky ny miaramila alemà izany, ka nanomboka nanontany an’i Esther izy ireo. Nahay nihazona tsiambaratelo anefa izy. Nampianariko Baiboly
izy, sady nampianariko namaky teny sy nanoratra ary zavatra hafa tao an-trano, satria tsy afaka nankany am-pianarana.Nanampy ahy tamin’ny fanompoana koa i Esther. Nojereny aloha raha tsy nisy nampanahy ny lalana, izay aho vao nandeha nampianatra Baiboly. Nohamarininy raha teo amin’ny toerany ny famantarana nifanarahanay sy ilay mpianatra. Napetrak’ilay mpianatra tamin’ny toerana manokana teo am-baravarankely, ohatra, ny tavim-boninkazo, ahafantarana hoe afaka nandroso aho na tsia. Nijanona tany ivelany kosa i Esther nanositosika an’i Ruth kely tao anaty posiposin-jaza, sady nanara-maso ny manodidina.
Tany Sachsenhausen
Ary mba nanao ahoana i Ferdinand? Noterena handeha an-tongotra hatreny amin’ny gara izy sy ireo voafonja hafa tamin’ny Septambra 1944. Voafonja 80 no nafatratra isaky ny vagao fitondrana entana. Nisy rano iray siô hisasana sy iray hafa hosotroina tao amin’ny vagao tsirairay. Telo andro sy telo alina ny dia ary feno hipoka ny vagao! Zara raha nisy rivotra. Nihidy ilay izy ary lavadavaka kely fotsiny no tetsy sy teroa. Tsy hay lazaina ny hafanana, ny hanoanana, ary ny hetaheta, tsy resahina intsony koa ny fofona.
Nijanona tao amin’ny toby fitanana nalaza ratsy tao Sachsenhausen ny lamasinina. Tsy navela hitondra izay entana mba nananany ny voafonja rehetra, afa-tsy ireo Baiboly kely 12 nentin’ny Vavolombelona!
Nentina tany Rathenow, toby teo ambany fiahian’ny tao Sachsenhausen, i Ferdinand sy ny anadahy valo mba hanamboatra fitaovam-piadiana. Tsy nety nanao io asa io ry zareo na dia norahonana matetika ho faty aza. Mba hifampirisihana tsy hivadika àry dia niresaka andinin-teny toy ny Salamo 18:2 izy ireo rehefa maraina. Nieritreritra momba izany izy ireo nandritra ny andro. Nanampy azy ireo hisaintsaina ny fanompoany an’i Jehovah izany.
Fantatra tamin’ny farany, fa efa akaiky ny miaramila rosianina sy ny Mpiray Dina rehefa nirefodrefotra ny tafondro. Tao amin’ny toby nisy an-dry Ferdinand no tonga voalohany ny Rosianina. Nomeny sakafo ny voafonja ary nasainy nivoaka ny toby. Navelan’ny tafika rosianina hody izy ireo, tamin’ny faran’ny Aprily 1945.
Tafaray ihany izahay mianakavy
Tonga teto Holandy i Ferdinand, ny 15 Jona. Nandray azy tsara ny anadahy tao Groningue. Tsy ela dia fantany fa mbola velona izahay, ary eto Holandy. Renay koa fa tafaverina izy. Toy ny zato taona no niandrasana azy. Kanjo niantso i Ruth kely tamin’ny farany hoe: “Neny, misy vahiny ao am-baravarana!” Hay ny ray malalany, eny, ny vady malalako no tao!
Zava-manahirana be dia be no tsy maintsy nalamina, vao afaka niaina toy ny fianakaviana rehetra indray izahay. Tsy nahita hipetrahana izahay, ary tena sarotra ny nahazo alalana honina maharitra. Nailikilin’ny manam-pahefana holandey izahay nandritra
ny taona maromaro satria Alemà. Nilamina ihany ny zava-drehetra tamin’ny farany, ary afaka niara-nanompo an’i Jehovah izahay mianakavy, araka ny fanirianay hatry ny ela.‘Jehovah no itokiako’
Isaky ny nihaona tamin’ireo namanay nandia ireny fotoan-tsarotra ireny toa anay izahay, dia tsaroanay fa nitantana sy tia anay i Jehovah. (Salamo 7:1) Faly izahay navelan’i Jehovah handray anjara tamin’ny fitomboan’ny asan’ilay Fanjakana nandritra izay fotoana izay. Noresahinay matetika koa ny fahasambaranay nanao fanompoana masina ho an’i Jehovah nandritra ny fahatanoranay.—Mpitoriteny 12:1.
Niara-nanompo an’i Jehovah nandritra ny 50 taona mahery izahay sy Ferdinand, taorian’ny fanenjehan’ny Nazia. Nahavita ny fanompoany an’i Jehovah teto an-tany izy, tamin’ny 20 Desambra 1995. Efa ho 98 taona aho izao. Misaotra an’i Jehovah isan’andro aho, fa tena nanohana anay ny zanakay tao anatin’ireny fotoan-tsarotra ireny, ary mbola afaka manompo azy foana aho ho voninahitry ny anarany. Tena mankasitraka izay rehetra nataon’i Jehovah ho ahy aho, ary maniry hiaina mifanaraka amin’ilay teny filamatro hoe: ‘Jehovah no itokiako.’—Salamo 31:6.
[Sary, pejy 19]
Izaho sy Ferdinand tamin’ny Oktobra 1932
[Sary, pejy 19]
“Almina”, ilay sambo nentina nitory sy ireo nampiasa azy io
[Sary, pejy 22]
Miaraka amin’i Ferdinand sy ny ankizy