Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahagagana efa Hitanao!

Fahagagana efa Hitanao!

Fahagagana efa Hitanao!

NY TENY hoe “fahagagana” dia midika koa hoe “zavatra mahavariana ny saina, izany hoe tsy fahita andavanandro amin’ny hatsarany na ny habeny.” Efa nahita io karazana fahagagana io isika rehetra.

Mahafantatra tsara kokoa ny lalàn’ny natiora ny olona, hany ka mahatanteraka zavatra noheverina fa tsy ho vita mihitsy taloha. Efa mahazatra antsika, ohatra, ny zavatra vitan’ny ordinatera, ny televiziona, ny sambon-danitra, ary ny teknolojia maoderina hafa. Zavatra tsy azo eritreretina hisy anefa izany, ho an’ny ankamaroan’ny olona niaina tany amin’ny zato taona lasa.

Misy mpahay siansa miaiky fa ampahany kely amin’ny zava-mahatalanjona nataon’Andriamanitra ihany no fantany. Noho izany, dia manaiky izy ireo fa tsy afaka manizingizina intsony hoe tsy afaka hitranga mihitsy ny zavatra iray. Ny hany azony lazaina, dia hoe mety tsy hitranga ilay izy. Midika izany fa mety mbola hisy “fahagagana” hitranga.

Azo lazaina hoe efa nahita fahagagana daholo isika, na dia ilay “fahagagana” midika hoe zavatra “avy amin’ny hery ambony noho ny an’ny olombelona” aza no resahina. Mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ohatra, isika. Avy amin’ilay Mpamorona izay manana “hery ambony noho ny an’ny olombelona”, izy ireny. Ankoatra izany, iza no mahavita manazava amin’ny an-tsipiriany ny fomba fiasan’ny vatan’olombelona, na ny atidoha, na ny fitomboan’ny zaza ao am-bohoka? Izao no lazain’ny boky iray: ‘Zavaboary mahatalanjona sy saro-takarina ny vatan’olombelona, izay baikoin’ny atidoha. Ny vatana dia toy ny milina be kojakojany afaka mahita, mandre, manimbolo, mahatsapa, ary mahare tsiron-javatra. Mandeha ho azy sy afaka mivezivezy izy io, ary azo oharina amin’ny ordinatera afaka miteraka ordinatera mitovy tanteraka aminy.’ Nanao fahagagana tokoa Andriamanitra rehefa namorona ny “vatan’olombelona”, izay mbola mahazendana antsika foana. Efa nahita karazana fahagagana hafa koa ianao, na dia mety ho tsy noheverinao ho fahagagana aza ilay izy.

Azo atao hoe fahagagana ve ny boky iray?

Tsy misy boky miely be toy ny Baiboly. Mihevitra azy io ho toy ny fahagagana ve ianao? Azo lazaina ve fa avy amin’ny “hery ambony noho ny an’ny olombelona” ny Baiboly? Marina fa olombelona no nanoratra azy, nefa nilaza izy ireo fa ny hevitr’Andriamanitra no nosoratany, fa tsy ny an’ny tenany. (2 Samoela 23:1, 2; 2 Petera 1:20, 21) Eritrereto izao: Nisy olona 40 teo ho eo nanoratra azy io, ary niaina tao anatin’ny fe-potoana naharitra 1 600 taona mahery izy ireo. Samy hafa fiaviana koa izy ireo. Tao ny mpiandry ondry, miaramila, mpanarato, mpiasam-panjakana, dokotera, mpisorona, ary mpanjaka. Kanefa, mifanaraka tsara ny hafatra nosoratany, izay mahavelom-panantenana sy marina.

Nandinika tsara ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tsy mandray azy io ‘ho tenin’olona fa araka ny tena izy, dia tenin’Andriamanitra.’ (1 Tesalonianina 2:13) Toa mifanohitra ny hevitra sasany ao amin’izy io indraindray. Hazavaina ao amin’ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa, fa mifanaraka amin’ilay hafatra ankapobe ao amin’ny Baiboly ihany ireo hevitra ireo. Porofoin’izany firindrana izany fa avy amin’Andriamanitra tokoa izy io. *

Tsy misy mihitsy boky niezahana mafy hopotehina toy ny Baiboly. Mbola misy foana anefa izy io, ary na izy manontolo na ny ampahany aminy dia misy amin’ny fiteny 2 000, fara fahakeliny. Ny herin’Andriamanitra no niaro azy io, sady nahatonga ny soratra ao anatiny tsy hiova. Tena fahagagana tokoa ny Baiboly!

“Velona sy Mahery”

Tsy misy fahagagana toy ny taloha intsony ankehitriny, izany hoe fanasitranana mahagaga sy fananganana ny maty. Afaka matoky anefa isika fa mbola hahita an’ireny fahagagana ireny indray, ao amin’ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra. Mbola ho tsara lavitra noho izay eritreretintsika izany, ary hitondra fanamaivanana maharitra.

Mahavita zava-mahagaga koa anefa ny Baiboly ankehitriny. Manosika ny olona hiova sy hihatsara izy io. (Jereo ilay ohatra eo amin’ilay hoe “Ny Herin’ny Tenin’Andriamanitra”, pejy 8.) Hoy ny Hebreo 4:12: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, eny, maranitra noho ny sabatra roa lela ary manindrona ka mahavita manavaka ny miseho ivelany sy ny any am-po ary mampisaraka ny tonon-taolana sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.” Tena nampiova ny fiainan’ny olona enina tapitrisa mahery tokoa ny Baiboly, satria manan-java-kendrena izy ireo izao, ary manana fanantenana faran’izay tsara.

Nahoana raha avela hanao zava-mahagaga eo amin’ny fiainanao ny Baiboly?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Raha te handalina bebe kokoa momba izany ianao, dia misy ohatra be dia be ao amin’ny toko faha-7 amin’ilay boky hoe Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 7]

EFA MATY SA MBOLA VELONA?

Milaza ny Jaona 19:33, 34 fa efa maty i Jesosy, rehefa ‘nolefonin’ny iray tamin’ireo miaramila ny takibany, ka tonga dia nisy ra sy rano nivoaka.’ Asehon’ny Matio 27:49, 50 anefa fa mbola velona izy tamin’izay. Inona no anton’izany fahasamihafana izany?

Milaza ny Lalàn’i Mosesy, fa tsy azo avela hihantona eo amin’ny hazo mandritra ny alina manontolo ny mpanao heloka bevava. (Deoteronomia 21:22, 23) Tamin’ny andron’i Jesosy àry, dia fanao ny nanapaka ny tongotry ny mpanao heloka bevava, raha mbola velona izy rehefa hariva ny andro. Maty haingana kokoa izy amin’izay, satria tsy nety nijoro nahitsy ny vatany, ka tsy afaka niaina tsara intsony izy. Notapahin’ny miaramila ny tongotr’ireo olon-dratsy teo akaikin’i Jesosy, nefa tsy notapahiny ny tongotr’i Jesosy. Midika izany fa noheverin’izy ireo ho efa maty izy. Nandefona ny takibany àry izy ireo, mba hahazoana antoka fa maty tokoa izy, ary mba tsy hahatonga ny olona hilaza hoe nitsangana tamin’ny maty izy, raha sendra mbola velona.

Samy hafa kosa ny filaharan’ny zava-nitranga ao amin’ny Matio 27:49, 50. Izao no voalaza ao: “Naka lefona ny lehilahy hafa iray ka nanindrona ny takibany, dia nisy ra sy rano nivoaka. Ary niantsoantso mafy indray i Jesosy, dia tapitra ny ainy.” Tsy hita ao amin’ireo Baiboly sora-tanana fahiny anefa ireo teny natao sora-mandry. Maro ny manam-pahaizana mihevitra fa nampidirina tao amin’ny Filazantsaran’i Jaona izy io tatỳ aoriana, saingy diso toerana. Noho izany, dia natao ao anaty fononteny ireo teny ireo ao amin’ny dikan-teny maro, na nasiana fanamarihana ambany pejy, na nesorina.

Natao anaty fononteny mahitsy roa sosona izy io ao amin’ny Baiboly nadikan’i Westcott sy Hort, izay nampiasaina rehefa nandika ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Misy fanamarihana miaraka amin’izy io, manao hoe: “Mety ho ny olona nandika tanana ny Baiboly mihitsy no nampiditra ireo teny ireo.”

Miharihary àry fa marina ny voalaza ao amin’ny Jaona 19:33, 34, fa efa maty i Jesosy rehefa nolefonin’ny miaramila romanina ny takibany.

[Efajoro/Sary, pejy 8]

MAHERY NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nisaraka ny ray aman-drenin’i Detlef, fony izy mbola zatovo. * Nanjary mpidoroka zava-mahadomelina sy toaka izy, ary mpihaino mozika heavy metal. Lasa anisan’ireny jiolahim-boto manasola loha atao hoe skinhead ireny koa izy, ka tsy ela dia nahita olana tamin’ny polisy, noho izy nahery setra.

Niady tamin’ny andian-jiolahim-boto 35 ny skinhead 60 tamin’ny 1992, tao amin’ny hotely iray sady bara, tany avaratratsinanan’i Alemaina. Voadaroka mafy i Thomas, iray tamin’ireo jiolahy fahavalon-dry Detlef, ka maty. Nigadra ny maromaro tamin’ny mpitarika azy ireo, anisan’izany i Detlef, rehefa avy notsaraina. Nalaza tamin’ny vaovao mihitsy ilay raharaha.

Nomen’ny Vavolombelon’i Jehovah taratasy mivalona izy, taoriana kelin’ny nanafahana azy. Ny lohatenin’ilay izy dia hoe “Nahoana ny Fiainana no Feno Zava-manahirana toy Izao?” Niaiky avy hatrany i Detlef fa marina ny voalaza tao, ka nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona izy. Nanova tanteraka ny fiainany izany. Vavolombelon’i Jehovah be zotom-po izy, nanomboka tamin’ny 1996.

Anisan’ireo jiolahy fahavalon-dry Detlef taloha i Siegfried, naman’i Thomas, ilay tovolahy maty. Lasa Vavolombelon’i Jehovah koa izy, ary anti-panahy eo anivon’ny fiangonana. Nanao lahateny tany amin’ny fiangonan-dry Detlef izy indray mandeha (manatrika fivoriana ao koa ny renin’i Thomas indraindray). Nanasa an’i Siegfried hisakafo i Detlef tamin’izay. Ho nifankahala tanteraka izy ireo raha tamin’ny folo taona lasa. Mifankatia toy ny mpirahalahy anefa izy ireo izao.

Tsy andrin’izy roa lahy ny hitsena an’i Thomas rehefa ho paradisa ny tany. Hoy i Detlef: “Vao mieritreritra an’izany fotsiny aho, dia efa latsa-dranomaso. Tena nanenenako ny zavatra nataoko.” Maniry hanampy an’i Thomas hahafantatra an’i Jehovah sy hifaly amin’ny fanantenana omen’ny Baiboly izy mirahalahy, toy ny efa ataony ankehitriny amin’ny olon-kafa.

Tena mahery tokoa ny Tenin’Andriamanitra!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 25 Novana ny anarana sasany.

[Sary, pejy 6]

Zavaboary mahatalanjona ny vatan’olombelona

[Sary nahazoan-dalana]

Anatomy Improved and Illustrated, London, 1723, Bernardino Genga