Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahazo Ray Be Fitiavana ny Kamboty Nafoy

Nahazo Ray Be Fitiavana ny Kamboty Nafoy

Tantaram-piainana

Nahazo Ray Be Fitiavana ny Kamboty Nafoy

NOTANTARAIN’I DIMITRIS SIDIROPOULOS

“Ity ny basy, dia mitifira”, hoy ny fitreron’ilay manamboninahitra, sady nanery ahy handray ilay basy. Tsy taitra aho nanda izany. Tsiravina anefa ireo miaramila teo, nahita ireo bala nitifiran’ilay manamboninahitra ahy, nisidina teo ambonin’ny soroko. Tena saika maty aho. Tsy vao izay anefa no notandindomin-doza toy izany ny aiko.

GRIKA nipetraka tany akaikin’i Kayseri, any Kapadokia, Torkia, ny ray aman-dreniko, ary anisan’ny foko vitsy an’isa. Lasa Kristianina ny olona sasany tao amin’io faritra io, tamin’ny taonjato voalohany. (Asan’ny Apostoly 2:9) Niova tanteraka anefa ny toe-javatra teo am-piandohan’ny taonjato faha-20.

Mpitsoa-ponenana ary kamboty avy eo

Nandositra tatỳ Gresy ny ray aman-dreniko, volana vitsy taorian’ny nahaterahako, tamin’ny 1922, ka lasa mpitsoa-ponenana noho ny ady ara-pirazanana. Nisahotaka izy ireo tamin’izany, ka tsy nahatondra afa-tsy izaho, izay zaza vao amam-bolana. Niaritra fahoriana mafy dia mafy ry zareo vao tonga tao Kiria, tanàna kely akaikin’i Dràma, any avaratr’i Gresy, ary lasa nahantra be.

Maty i Dada raha mbola efa-taona aho, ary vao teraka kely ny zandriko lahy. Vao 27 taona izy, fa ny fahoriana mafy loatra nianjady taminy no nahareraka azy. Mafy loatra ny nanjo an’i Neny ka maty koa izy taoriana kelin’izay. Nahantra fadiranovana àry izahay mirahalahy. Maromaro ny trano fitaizana zaza kamboty nandefasana anay, ka teto Tesalonika ny iray tamin’ireny. Roa ambin’ny folo taona aho tamin’izaho tonga tao, ary nampiofanina ho mpanamboatra fiara simba.

Tany amin’ny trano fitaizana zaza kamboty tsy mahatamana no nahalehibe ahy, ka nanontany tena aho hoe: Nahoana no misy olona mizaka fahoriana mafy sy tsy rariny? Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny toe-javatra mampalahelo toy izany? Nahazo fanabeazana ara-pivavahana izahay, ary nampianarina fa tompon’ny hery fara tampony Andriamanitra. Tsy voazava tsara anefa hoe nahoana no misy ny faharatsiana, sady misy hatraiza hatraiza. Ny Eglizy Ortodoksa Grika no voalaza fa tsara indrindra. Tsy nahazo valiny nahafa-po anefa aho rehefa nanontany hoe: “Koa nahoana no tsy Ortodoksa ny olona rehetra, raha io no fivavahana tsara indrindra?”

Na izany aza, dia tena nanaja ny Baiboly ilay mpampianatra anay, ka nohamafisiny fa boky masina izy io. Nihevitra toy izany koa ny mpitantana ilay trano fitaizana zaza kamboty. Nahagaga anefa fa tsy mba nandeha niangona mihitsy izy. Nanontany ny antony aho, ary nilazana fa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy taloha. Tsy fantatro io fivavahana io tamin’izany.

Vita ny fianarako tao amin’ilay trano fitaizana zaza kamboty teto Tesalonika, tamin’izaho 17 taona. Efa nanomboka ny Ady Lehibe II ary teo ambany fitondrana nazia i Gresy. Maty teny an-dalana rehetra teny ny olona noho ny hanoanana mafy. Nandositra tany ambanivohitra aho mba tsy ho faty, ary niasa teny an-tsaha mba hahazoana karama varimasaka.

Namaly ny fanontaniako ny Baiboly

Niverina teto Tesalonika aho tamin’ny Aprily 1945. Tamin’izay no tonga tatỳ amiko i Paschalia, anabavin’ny namako taloha tany amin’ny trano fitaizana zaza kamboty. Nilaza izy fa tsy hita ny anadahiny, ka sao dia mba fantatro ny misy azy. Nilaza koa izy, rehefa nandeha ny resaka, fa Vavolombelon’i Jehovah, ary noresahiny ny hoe miahy ny olombelona Andriamanitra.

Tezitra aho ka nanohitra azy toy izao: ‘Nahoana àry aho no nijaly hatramin’ny fahazazako? Nahoana aho no lasa kamboty? Aiza Andriamanitra amin’ny fotoana tena ilantsika azy?’ Hoy i Paschalia: “Azonao antoka ve fa Andriamanitra no tokony homen-tsiny amin’izany rehetra izany?” Nampiasa ny Baiboliny izy ary nampiseho tamiko fa tsy mampijaly ny olona Andriamanitra. Lasa takatro fa tia ny olombelona ny Mpamorona, ary hanatsara ny fiainantsika tsy ho ela izy. Nampiasainy ny andinin-teny toy ny Isaia 35:5-7 sy ny Apokalypsy 21:3, 4, mba hampisehoana fa tsy ho ela koa dia tsy hisy intsony ny ady, fifandirana, aretina, sy fahafatesana, ary hiaina mandrakizay eto an-tany ny olona mahatoky.

Nahazo fianakaviana manohana

Reko fa maty tamin’ny fifandonan’ny mpiady anaty akata ilay anadahin’i Paschalia. Nitsidika ny fianakaviany àry aho mba hampionona azy ireo, nefa ry zareo indray no nampionona ahy tamin’ny Soratra Masina. Mbola niverina tany aho mba hahazo fampiononana bebe kokoa. Tsy ela àry aho dia lasa anisan’ireo Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy nivory tamim-piafenana mba hianatra sy hivavaka. Nailikilika ny Vavolombelona, nefa tapa-kevitra ny hiaraka tamin’izy ireo foana aho.

Teo amin’ireo Kristianina nanetry tena ireo no nahitako rivo-piainana anjakan’ny fitiavana toy ny eo anivon’ny fianakaviana. Izany no zavatra tsy mba hitako. Izy ireo no nanampy ahy hahalala ny fahamarinana, izay tena nilaiko. Namana be fiahiana sy tsy tia tena izy ireo, ka vonona hanampy sy hampionona ahy. (2 Korintianina 7:5-7) Nanjary akaiky kokoa an’i Jehovah mihitsy aza aho, ka lasa Ray be fitiavana ho ahy izy. Tena nanintona ahy ny toetrany toy ny fitiavana sy fangorahana ary fiahiana lalina. (Salamo 23:1-6) Ela ny ela ka nahazo fianakaviana kristianina sy Ray be fitiavana aho! Nanohina ny foko izany, ka tsy ela dia nanolo-tena ho an’i Jehovah aho ary natao batisa tamin’ny Septambra 1945.

Nitombo ny fahalalako ary nihanatanjaka ny finoako, rehefa namonjy ireo fivoriana kristianina aho. Dimy kilaometatra no elanelan’ny tanànanay sy ny toeram-pivoriana, nefa tsy nisy fitaterana. Matetika àry no nandeha an-tongotra ny maromaro taminay rehefa hivory. Tsy hay hadinoina ny resadresaka ara-baiboly nataonay teny an-dalana. Lasa mpisava lalana aho tamin’ny faramparan’ny taona 1945, rehefa fantatro fa azo atao ny mandray anjara amin’ny asa fitoriana ny filazantsara manontolo andro. Tena nilaina ny fifandraisana tsara tamin’i Jehovah, satria niharam-pitsapana faran’izay mafy ny finoako sy ny tsy fivadihako, tsy ela taorian’izay.

Nitondra vokatra tsy nampoizina ny fanoherana

Matetika no nanao bemidina tao amin’ny toeram-pivorianay ny polisy ary nanambana basy. Miaramila no nitondra teto Gresy satria nafotaka ny ady an-trano. Nahatsiravina ny fifamelezan’ireo antokon’olona nifandrafy. Nohararaotin’ny mpitondra fivavahana izany mba hampinoana ny manam-pahefana fa Kominista ny Vavolombelon’i Jehovah. Voaenjika mafy àry izahay.

Voasambotra imbetsaka izaho sy ny mpisava lalana roa lahy niaraka tamiko, nandritra ny roa taona, ary inenina izahay no nahazo sazy efa hatramin’ny efa-bolana. Efa feno mpigadra politika foana anefa ny fonja ka nafahana izahay. Nohararaotinay izany fanafahana tsy nampoizina izany mba hanohizana ny fitoriana. Voasambotra indray anefa izahay taoriana kelin’izay, ary nisy aza intelo tao anatin’ny herinandro. Fantatray fa maro ny rahalahy no natao sesitany tany amin’ireo nosy ngazana. Hatanjaka ve ny finoako ka hahazaka fitsapana toy izany?

Lasa sarotra be ny fiainako rehefa nasaina niseho isan’andro tany amin’ny polisy aho. Nisy paositry ny polisy tany Evosmos, any akaikin’i Tesalonika, ka tany no nandefasan’ny manam-pahefana ahy, mba harahi-maso. Nanofa trano tsy lavitra teo aho, ary nitety tanàna nanao ny asan’ny mpamotsy vilany varahina. Afaka nanatona mora foana ny olona teo amin’ny tanàna manodidina aho, noho io asako io, nefa tsy niahiahy ny polisy. Maromaro àry no nandre sy nanaiky ny vaovao tsara, ka folo mahery no lasa mpivavaka nanolo-tena ho an’i Jehovah.

Fonja valo tao anatin’ny folo taona

Nataon’ny polisy andry maso foana aho hatramin’ny faran’ny taona 1949. Niverina teto Tesalonika aho avy eo, ary dodona hanohy ny fanompoana manontolo andro. Nieritreritra aho tamin’ny 1950 fa mba vita hatreo ny fitsapana ahy. Tamin’izay indrindra anefa aho no voantso ho miaramila. Kristianina aho, ka tapa-kevitra ny tsy “hianatra ady.” (Isaia 2:4) Nampidirina am-ponja imbetsaka sy naharitra àry aho. Tamin’izany no nahitako ny sasany tamin’ireo fonja ratsy laza indrindra eto Gresy.

Ilay tao an-tanànan’i Dràma no voalohany. Nasaina nianatra nitifitra ny zazavao, nandritra ireo herinandro voalohandohany nigadrako tao. Nentina tany amin’ilay toerana fitifirana aho, indray andro. Nanome basy ahy ny manamboninahitra iray ary nandidy ahy hitifitra. Notifiriny aho rehefa tsy nety. Nasian’ireo namany totohondry mafy be aho, rehefa hitany fa tsy nanaiky lembenana. Nandrehitra sigara ry zareo ary namono izany teo amin’ny felatanako. Natsipiny tao amin’ny efitra nitokana aho avy eo, ary navelany tao nandritra ny telo andro. Nanaintaina be ny tanako main’ny sigara, ary an-taonany maro vao afaka ny holatra.

Nafindra tany amin’ny toby miaramila tany Iráklion, any Kreta, aho, talohan’ny nitondrana ahy teo amin’ny fitsarana miaramila. Nokapohina mafy aho tany, mba hivadihako tamin’i Jehovah. Natahotra aho sao hanaiky lembenana, ka nitalaho tamin’ilay Raiko any an-danitra mba hanatanjaka ahy. Tonga tao an-tsaiko ilay teny ao amin’ny Jeremia 1:19 hoe: “Hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.” Nampitony ahy ny “fiadanan’Andriamanitra.” Tsapako fa fahendrena ny matoky tanteraka an’i Jehovah.—Filipianina 4:6, 7; Ohabolana 3:5.

Fanagadrana mandra-pahafaty no saziko nanaraka. Tamin-dry zareo mantsy, dia ny Vavolombelon’i Jehovah no ratsy indrindra tamin’ireo “fahavalon’ny Fitondrana.” Tany amin’ny fonjan’i Itsedin, any ivelan’i Khania, no nasiana ahy voalohany. Natoka-monina aho tao. Lapa efa tranainy be izy io, ary feno voalavo ilay efitra nisy ahy. Nofonosiko bodofotsy efa tonta ny vatako hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia, mba tsy hikasihan’ny voalavo ahy rehefa nandady teny amiko izy ireo. Narary mafy voan’ny pnemonia aho, ka tsy maintsy mitanina andro, hoy ny dokotera. Tamin’izany no nahafahako niresaka tamin’ny ankamaroan’ireo voafonja, teny an-tokotany. Nihombo anefa ny aretiko satria nandeha ra be ny havokavoko, ka nalefa tany amin’ny hopitalin’i Iráklion aho.

Nanampy ahy indray ireo Kristianina namako, izay toy ny fianakaviako, rehefa nila azy ireo aho. (Kolosianina 4:11) Nitsidika ahy tsy tapaka ny rahalahy tany Iráklion, ary nampionona sy nankahery ahy. Nilazako izy ireo fa nila boky ara-baiboly hitoriana tamin’ny olona liana aho. Nitondrany valizy nisy fanambaniny roa sosona aho ka nafeniko tsara tao ireo boky. Faly be aho satria enina, fara fahakeliny, ny voafonja nampianarina ka lasa tena Kristianina, tamin’izaho tany amin’ireny fonja ireny!

Nifarana ihany ilay ady an-trano, ka nahena ho folo taona ny saziko. Tany amin’ny fonjan’i Rethimno, Genti Koule, ary Cassandra no nanefako izany. Afaka madiodio aho rehefa nandany folo taona latsaka kely tany amin’ny fonja valo. Niverina teto Tesalonika aho, ary noraisin’ireo rahalahy kristianina malalako tamim-pitiavana.

Nandroso be noho ny fanampian’ny Kristianina hafa

Somary nalalaka ny fanompoana nataon’ny Vavolombelona teto Gresy, tamin’ny fotoana nanafahana ahy. Nohararaotiko haingana izany mba hanohizana ny fanompoana manontolo andro. Nahazo fitahiana hafa koa aho tsy ela taorian’izay, rehefa nifankahalala tamin’i Katina, anabavy kristianina nahatoky. Tia an’i Jehovah izy ary tena nazoto nitory. Nivady izahay ny Oktobra 1959. Vao mainka nampisinda ny alaheloko tamin’ny naha kamboty ahy ny fahaterahan’i Agape, zanakay vavy, sy ny fananako ankohonana kristianina. Ary ny lehibe indrindra, dia ny fahafaham-po tsapanay mianakavy, nanompo teo ambany fiahiana sy fiarovan’i Jehovah, Raintsika be fitiavana any an-danitra.—Salamo 5:11.

Voatery nitsahatra tamin’ny asan’ny mpisava lalana aho noho ny toe-javatra tsy azo anoarana. Nanohana ny vadiko anefa aho ka afaka nanohy ny fanompoana manontolo andro izy. Fisehoan-javatra niavaka teo amin’ny fiainako, ny fivoriambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah natao tany Nuremberg, Alemaina, tamin’ny 1969. Nangataka pasipaoro aho rehefa nanomana ny diako ho any. Mbola tsy azo anefa ilay izy roa volana mahery tatỳ aoriana, ka nanontany ny antony tany amin’ny paositry ny polisy ny vadiko. Namoaka antontan-taratasy matevina avy tao amin’ny vatasarihana ny polisy iray ary nilaza hoe: “Mangataka pasipaoro ho an’ity olona ity ve ianao, mba hahafahany hitaona olona any Alemaina hanaraka ny finoany? Tsy misy hevitra izany! Mampidi-doza izy.”

Nanampy anefa i Jehovah sy ny rahalahy sasany, ka tafiditra tao amin’ny pasipaoro nitambarana ny anarako. Afaka nanatrika ilay fivoriambe nahafinaritra ihany aho. Nahatratra 150 000 mahery ny tampon’isan’ny mpanatrika. Tena hitako fa nitarika sy nampiray saina an’ilay fianakaviana kristianina iraisam-pirenena, ny fanahin’i Jehovah. Vao mainka nitombo ny fankasitrahako ny hasarobidin’ny firahalahiana kristianina, tatỳ aoriana.

Nodimandry ilay vady malalako sady namako nahatoky, tamin’ny 1977. Niezaka mafy aho nitaiza ilay zanako araka ny toro lalan’ny Baiboly. Tsy irery anefa aho tamin’izany, fa nanampy ahy indray ny mpiara-manompo. Hankasitrahako foana ny fanohanan’izy ireo nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny. Nifindra tany aminay nandritra ny fotoana kelikely mihitsy ny sasany, mba hanampy tamin’ny fikarakarana ny zanako. Tsy hohadinoiko velively ny fitiavana feno fahafoizan-tena nasehon’izy ireo.—Jaona 13:34, 35.

Nihalehibe i Agape ary nanambady rahalahy iray atao hoe Elias. Efa-dahy ny zanak’izy ireo ary samy ao amin’ny fahamarinana. Maromaro ny lalan-drako tapaka tao anatin’ireo taona faramparany, ka miharatsy ny fahasalamako. Mikarakara ahy tsara anefa ny zanako vavy sy ny ankohonany. Mbola manana antom-pifaliana maro aho na dia tsy salama aza. Tadidiko ny fotoana tsy nisian’ny rahalahy afa-tsy zato teo ho eo teto Tesalonika, ary tany an-tranon’olona no nivoriana tamim-piafenana. Efa ho 5 000 anefa izao ny Vavolombelona be zotom-po eto. (Isaia 60:22) Misy rahalahy tanora manatona ahy any amin’ireo fivoriambe, ary manontany hoe: “Tadidinao ve fa ianao no mpanatitra gazety tany aminay taloha?” Namaky ireny gazety ireny ny ankizy, ary nandroso tamin’ny fahamarinana, na dia nety ho tsy nanao izany aza ny ray aman-dreniny!

Tsapako fa tsy very maina ny niaretako fitsapana maro, rehefa mijery ny fandrosoan’ny fandaminan’i Jehovah aho. Milaza amin’ireo zafikeliko sy tanora hafa foana aho mba hahatsiaro ilay Rain’izy ireo any an-danitra mandritra ny fahatanorany. Amin’izay dia tsy handao azy ireo mihitsy izy. (Mpitoriteny 12:1) Nitana ny teny nomeny i Jehovah, ka lasa “rain’ny kamboty” ho ahy. (Salamo 68:5) Nahazo Ray be fiahiana aho tatỳ aoriana, na dia kamboty nafoy aza fony kely!

[Sary, pejy 22]

Mpahandro no asako tao amin’ny fonjan’i Dràma

[Sary, pejy 23]

Izaho sy Katina tamin’ny mariazinay, 1959

[Sary, pejy 23]

Fivoriambe tao anaty ala akaikin’i Tesalonika

[Sary, pejy 24]

Izahay sy ny zanakay vavy, 1967