Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Samoela Faharoa

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Samoela Faharoa

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Samoela Faharoa

TSY maintsy mankatò tanteraka an’i Jehovah ve izay manaiky ny zony hitondra? Manao izay mahitsy eo imason’i Jehovah foana ve ny olona tsy mivadika? Olona toy inona no heverin’ilay Andriamanitra marina ho “araka ny fony”? (1 Samoela 13:14) Manome valiny mahafa-po momba izany ny bokin’ny Samoela Faharoa.

I Gada sy Natana, mpaminany nifandray akaiky tamin’i Davida mpanjakan’i Israely fahiny, no nanoratra ny Samoela Faharoa. * Vita tamin’ny 1040 T.K. tany ho any izy io, taloha kelin’ny nifaranan’ireo 40 taona nanjakan’i Davida. Miresaka indrindra momba an’i Davida sy ny fifandraisany tamin’i Jehovah izy io. Tena mampientam-po ilay fitantarana. Resahina ao fa lasa nanan-karena sy tafaray ny firenena iray rotidrotiky ny ady, rehefa notarihin’ny mpanjaka be herim-po. Tena mahaliana ilay tantara, ary hita misongadina manerana azy io ireo fihetseham-po lalina ananan’ny olombelona.

“NANDROSO SY NIHALEHIBE” I DAVIDA

(2 Samoela 1:1–10:19)

Hita tamin’ny fihetsik’i Davida rehefa nandre ny nahafatesan’i Saoly sy Jonatana, fa tia azy ireo sy Jehovah izy. Notendrena ho mpanjakan’ny fokon’i Joda i Davida, tany Hebrona. I Isboseta zanakalahin’i Saoly no natao mpanjakan’ny Israelita sisa. “Nandroso sy nihalehibe” i Davida, ary lasa mpanjakan’ny Israely rehetra, fito taona sy tapany teo ho eo tatỳ aoriana.—2 Samoela 5:10.

Azon’i Davida tamin’ny Jebosita i Jerosalema, ka nataony renivohitry ny fanjakany. Nitera-doza ny ezaka voalohany nataony, mba hamindrana ny fiaran’ny fanekena ho any Jerosalema. Nahomby kosa ilay ezaka faharoa, ka nitsinjaka noho ny hafaliana i Davida. Nanaovan’i Jehovah fifanekena momba ny fanjakana izy. Resiny ny fahavalony, raha mbola nomba azy Andriamanitra.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

2:18—Nahoana i Joaba sy ireo rahalahiny roa no nantsoina hoe izy telo lahy zanak’i Zeroia reniny? Ny anaran’ny raim-pianakaviana mazàna no ampiasaina ao amin’ny Soratra Hebreo, rehefa milaza tantaram-pirazanana. Maty tanora angamba ny vadin’i Zeroia, na noheverina ho tsy mendrika hampidirina ao amin’ny Soratra Masina ny anarany. Angamba koa nolazaina tao ny anaran’i Zeroia, satria anabavin’i Davida iray tam-po na iray ray taminy izy. (1 Tantara 2:15, 16) Ny hany firesahana momba ny rain’izy telo lahy, dia ny filazana fa any Betlehema ny fasany.—2 Samoela 2:32.

3:29—Inona no tiana holazaina amin’ny hoe lehilahy “mamahana amin’ny tehina”? Ny vehivavy mazàna no “mamahana amin’ny tehina” na manenona lamba. Mety ho nanondro ireo lehilahy voatery nanao asam-behivavy àry ireo teny ireo, noho izy kilemaina ka tsy afa-nandeha tany an’ady.

5:1, 2—Hafiriana taorian’ny namonoana an’i Isboseta no nanendrena an’i Davida ho mpanjakan’ny Israely rehetra? Azo inoana fa tsy ela taorian’ny nahafatesan’i Saoly no nanomboka ireo roa taona nanjakan’i Isboseta. Tokony ho tamin’izay koa i Davida no nanomboka nanjaka tany Hebrona, ary nanjaka fito taona sy tapany teo amin’ny Joda izy tany. Nafindrany tany Jerosalema ny renivohiny, taoriana kelin’ny nanendrena azy ho mpanjakan’ny Israely rehetra. Dimy taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Isboseta àry vao nanjaka teo amin’ny Israely rehetra i Davida.—2 Samoela 2:3, 4, 8-11; 5:4, 5.

8:2—Firy ny Moabita novonoina taorian’ny ady nifanaovany tamin’ny Israely? Tsy nisy fanisana angamba tamin’izany, fa fandrefesana no natao. Toa nasain’i Davida nandry nitandahatra teo amin’ny tany izy ireo, ary norefesina tamin’ny kofehy. Novonoina ny indroan’ny kofehy, izany hoe, ny androatokon’ny Moabita. Novelomina kosa ny fanintelon’ny kofehy, na ny ampahatelon’ny Moabita.

Lesona ho antsika:

2:1; 5:19, 23. Nanontany an’i Jehovah aloha i Davida vao nandeha nipetraka tany Hebrona, na nandeha niady tamin’ny fahavalony. Tokony hitady ny tari-dalan’i Jehovah koa isika, alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra mifandray amin’ny fanompoantsika azy.

3:26-30. Misy vokany mampalahelo ny famaliana faty.—Romanina 12:17-19.

3:31-34; 4:9-12. Tsy mba tia namaly faty na nitana lolompo i Davida. Ohatra tsara ho antsika izany.

5:12. Tsy tokony hohadinointsika fa nampianatra antsika ny lalany i Jehovah, ary nanao izay hifandraisantsika tsara aminy.

6:1-7. Tsy nanaraka ny didin’Andriamanitra i Davida, rehefa nitondra ny Fiara tamin’ny sarety. Tsy nahomby izy noho izany, na dia nanana fikasana tsara aza. (Eksodosy 25:13, 14; Nomery 4:15, 19; 7:7-9) Tsy mampiova ny zavatra takin’Andriamanitra koa ny fananana fikasana tsara. Hita izany tamin’ny nihazonan’i Oza an’ilay Fiara.

6:8, 9. Nahatezitra an’i Davida io zava-nitranga io, nefa natahotra izy avy eo. Nanome tsiny an’i Jehovah mihitsy angamba izy noho ilay loza. Mila mitandrina isika mba tsy hanome tsiny an’i Jehovah raha mahita olana amin’ny tsy fankatoavana ny didiny.

7:18, 22, 23, 26. Nanetry tena i Davida, sady tia an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo. Zava-dehibe taminy koa ny fanandratana ny anaran’Andriamanitra. Toetra tsara tokony hotahafintsika izany.

8:2. Tanteraka ny faminaniana nambara 400 taona talohan’io. (Nomery 24:17) Tanteraka foana ny tenin’i Jehovah.

9:1, 6, 7. Nanatanteraka ny fampanantenany i Davida. Tokony hiezaka hanatanteraka ny fampanantenantsika koa isika.

NAHATONGA LOZA TAMIN’NY VOAHOSONY I JEHOVAH

(2 Samoela 11:1–20:26)

Hoy i Jehovah tamin’i Davida: “Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin’ny ankohonanao ihany; ary hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao; ary izy handry amin’ny vadinao amin’izao antoandrobenanahary izao.” (2 Samoela 12:11) Ny fahotana nataon’i Davida sy Batseba no nahatonga izany fanambarana izany. Tsy maintsy nizaka ny vokatry ny fahotany i Davida, na dia nibebaka sy voavela heloka aza.

Maty aloha ilay zaza naterak’i Batseba. Naolan’i Amnona anadahiny tsy iray reny taminy i Tamara, zanakavavin’i Davida mbola virjiny. Novonoin’i Absaloma, iray tam-po tamin’i Tamara i Amnona, ho setrin’izany. Nanao tetika hanoherana ny rainy i Absaloma, ary nilaza tena ho mpanjaka tany Hebrona. Voatery nandositra i Davida, ka niala tao Jerosalema. Nanao firaisana tamin’ireo vadikelin’i Davida folo, izay nasaina niandry trano, i Absaloma. Rehefa maty i Absaloma vao nandray ny toeran’ny mpanjaka indray i Davida. Nikomy tamin’i Davida koa i Sheba Benjamita, ary maty tamin’ny farany.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

14:7—Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “vainafoko”? Ilazana ny zanaka mbola velona ny vainafo mirehitra.

19:30—Nahoana i Davida no namaly ny fanazavan’i Mefiboseta tamin’izany teny izany? Tsapan’i Davida angamba fa diso izy nanaiky an-jambany ny tenin’i Ziba, rehefa reny ny fanazavan’i Mefiboseta. (2 Samoela 16:1-4; 19:25-29) Azo inoana fa nahatezitra an’i Davida izany, ka tsy tiany hotohizina intsony ilay resaka.

Lesona ho antsika:

11:2-15. Manaporofo ny maha avy amin’Andriamanitra ny Baiboly ny fitantarana amim-pahatsorana ny fahadisoan’i Davida.

11:16-27. Tsy tokony hanafina toy ny nataon’i Davida isika, rehefa manao fahotana lehibe. Tokony hiaiky ny fahotantsika amin’i Jehovah kosa isika, ary hitady fanampiana amin’ny anti-panahin’ny fiangonana.—Ohabolana 28:13; Jakoba 5:13-16.

12:1-14. Namela ohatra tsara ho an’ny anti-panahin’ny fiangonana i Natana. Tsy maintsy manampy ireo nania ny anti-panahy, mba hanitsian’izy ireny ny fitondran-tenany. Mila fahaizana izy ireo rehefa manao izany.

12:15-23. Nanana fomba fijery mety momba ireo zavatra nihatra taminy i Davida, ka afaka niatrika izany.

15:12; 16:15, 21, 23. Nivadika i Ahitofela, ilay mpanolo-tsaina nahay, rehefa nahita fa i Absaloma indray no hanjaka. Ny avonavona sy ny fanirian-daza no nanosika azy hanao izany. Mety ho voafandrika ny olona manam-pahalalana, raha tsy maneho fanetren-tena sy tsy fivadihana.

19:25, 31. Tena nankasitraka ny fitiavana sy hatsaram-panahy nasehon’i Davida i Mefiboseta. Nekeny avy hatrany ny fanapahan-kevitry ny mpanjaka momba an’i Ziba. Tokony hanosika antsika hankatò koa, ny fankasitrahantsika an’i Jehovah sy ny fandaminany.

20:21, 22. Mety hahatonga ny maro hieren-doza ny fahendren’ny olona iray.—Mpitoriteny 9:14, 15.

“ALEONTSIKA HO AZON’NY TÀNAN’I JEHOVAH”

(2 Samoela 21:1–24:25)

Nivesatra trosan-dra i Saoly noho izy namono ny Gibeonita. Nisy mosary telo taona vokatr’izany. (Josoa 9:15) Nangataka ny hamonoana ny fito tamin’ny zanak’i Saoly ny Gibeonita, mba hamaliana io trosan-dra io. Natolotr’i Davida teo an-tanan’ny Gibeonita izy ireo, ary nifarana ilay hain-tany rehefa nilatsaka ny orana. ‘Matin’ny tanan’i Davida sy ny tanan’ny mpanompony’ ireo Filistinina goavam-be efatra.—2 Samoela 21:22.

Nanao fahadisoana lehibe i Davida, rehefa nampanao fanisam-bahoaka tsy ara-dalàna. Nibebaka izy, ary nifidy ny “ho azon’ny tànan’i Jehovah.” (2 Samoela 24:14) Noho izany dia olona 70 000 no matin’ny areti-mandringana. Nitsahatra izany loza izany, rehefa nanaraka ny toromarik’i Jehovah i Davida.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

21:8—Nahoana no lazaina fa niteraka dimy i Mikala zanakavavin’i Saoly, nefa lazain’ny 2 Samoela 6:23 (Kat.) fa tsy nanan-janaka mandra-pahafatiny izy? Zana-drahavavin’i Mikala izy ireo, izany hoe, zanak’i Meraba, ilay nanambady an’i Adriela, araka ny fanazavana eken’ny besinimaro. Maty tanora angamba i Meraba, ka i Mikala no nitaiza ny zanany satria tsy niteraka izy.

21:9, 10—Hafiriana no niandrasan’i Rizpa ny fatin’ny zanany roa lahy sy ny an’ireo zafikelin’i Saoly dimy, izay novonoin’ny Gibeonita? Nahantona izy fito lahy ireo, ary tamin’ny “niandohan’ny fararano” no nitrangan’izany, izany hoe, volana Martsa na Aprily. Navela teo amin’ny havoana ny fatin’izy ireo. Niambina an’ireo faty fito i Rizpa, na andro na alina, mandra-pitsahatry ny fahatezeran’i Jehovah ka namaranany ilay hain-tany. Mifarana volana Oktobra ny fotoam-pijinjana, ary tsy azo inoana hoe hilatsaka alohan’izay ny oram-be. Nety ho niandry ireo faty nandritra ny dimy na enim-bolana àry i Rizpa. Nasain’i Davida nalevina ny taolan’izy ireo taorian’izay.

24:1—Nahoana i Davida no nanao fahotana lehibe, rehefa nampanao fanisam-bahoaka? Tsy voararan’ny Lalàna ny fanaovana fanisam-bahoaka. (Nomery 1:1-3; 26:1-4) Tsy noresahin’ny Baiboly koa ny antony nanosika an’i Davida hanisa ny vahoaka. Resahin’ny 1 Tantara 21:1 anefa, fa i Satana no nandrisika an’i Davida hanao izany. I Joaba mpitari-tafiny koa aza mba nanandrana nampiova hevitra an’i Davida, satria fantany fa tsy nety ny hanisana ny vahoaka.

Lesona ho antsika:

22:2-51. Kanto erỳ ireo teny ao amin’ny hiran’i Davida, izay nentiny hampisehoana fa tena Andriamanitra i Jehovah, ary mendrika ny hatokisana tanteraka!

23:15-17. Nanaja fatratra ny lalàn’Andriamanitra momba ny aina sy ny ra i Davida. Tsy nekeny àry tamin’io fotoana io, na dia ny hanao zavatra toa mandika an’io lalàna io aza. Tokony hanana toe-tsaina toy izany isika, mahakasika ny didin’Andriamanitra rehetra.

24:10. Nanosika an’i Davida hibebaka ny feon’ny fieritreretany. Miasa tsara ve ny feon’ny fieritreretantsika, ka manosika antsika hanao toy izany koa?

24:14. Fantatr’i Davida tsara fa be famindram-po noho ny olombelona i Jehovah. Miaiky an’izany koa ve isika?

24:17. Nanenina i Davida noho ny fahotany, satria nitera-doza ho an’ilay firenena manontolo izany. Tokony hanenina koa ny mpanao ratsy mibebaka, noho izy nanala baraka ny fiangonana tamin’ny ratsy nataony.

Afaka ny ho ‘olona araka fon’Andriamanitra’ isika

Tena lehilahy ‘araka ny fon’i Jehovah’ ilay mpanjaka faharoa teo amin’ny Israely. (1 Samoela 13:14) Tsy nanakiana ny fitsipika marin’i Jehovah mihitsy i Davida. Niankina tamin’Andriamanitra foana izy, fa tsy nitady hahaleo tena. Niaiky ny fahadisoany izy isaky ny nanota. Nanaiky ny famaizana nampiharina taminy izy, ary nanitsy ny lalany. Lehilahy tsy nivadika i Davida. Hendry isika raha manahaka azy, indrindra rehefa manota.

Asehon’ny tantaran’i Davida tsara fa ny hoe manaiky ny zon’i Jehovah hitondra dia midika hoe manaiky ny fitsipiny momba izay tsara sy ratsy, miezaka mankatò izany, ary tsy mivadika aminy. Afaka manao izany isika rehetra. Velom-pankasitrahana tokoa isika, noho ireo lesona nianarantsika avy ao amin’ny bokin’ny Samoela Faharoa! Velona sy mahery tokoa ny hafatra ampitain’Andriamanitra ao.—Hebreo 4:12.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Tsy anisan’ny nanoratra ny Samoela Faharoa i Samoela. Mitondra ny anarany anefa izy io, satria izy no nanoratra ny ampahany lehibe tamin’ny Samoela Voalohany, ary horonana iray ihany ireo boky roa ireo tao amin’ny Soratra Hebreo tany am-boalohany.

[Sary, pejy 16]

Nanampy an’i Davida hanetry tena hatrany ny fitadidiana fa i Jehovah no nampiorina ny fanjakany

[Sary, pejy 18]

“Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin’ny ankohonanao ihany”

Batseba

Tamara

Amnona