Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahasoa Anao ve ny Tsy Mivadika?

Mahasoa Anao ve ny Tsy Mivadika?

Mahasoa Anao ve ny Tsy Mivadika?

“TOKONY hiova asa ianao”, hoy i Naivo tamin’i Avotra. * “Kely loatra ny karama omen’io orinasa io anao. Hahazo vola bebe kokoa ianao, raha miova asa.”

Namaly i Avotra hoe: “Marina angamba ny anao, nefa efa ela be aho no niasa tao amin-dry zareo. Sady tena nanampy ahy ry zareo, ka tsy te hivadika aminy aho.”

“Toetra tsara aloha izany hoe tsy mivadika izany e!”, hoy i Naivo. “Kanefa matiantoka be ianao amin’izany!”

Marina io tenin’i Naivo io. Matetika no misy vola afoin’ny olona, rehefa tsy mivadika izy. Tokony ho vonona hahafoy fotoana sy tsy hitandro hasasarana koa ny olona rehefa tsy mivadika amin’ny namany, ary tokony hahatsapa adidy noho ny fitiavana izy. Inona anefa no tombony azo avy amin’izany?

Toetra be mpitia, nefa vitsy mpanana

Nanao fanadihadiana tany Alemaina ny Fikambanana Allensbach, ka ny 96 isan-jaton’ny olona nanontaniana no nilaza fa toetra mahafinaritra ny hoe tsy mivadika. Nadinadinina koa tatỳ aoriana ny tanora 18 ka hatramin’ny 24 taona, ka ny androatokon’izy ireo no nilaza fa toetra ilaina amin’izao androntsika izao izy io.

Maro be tokoa ny olona mankasitraka an’io toetra io, nefa vitsy no azo lazaina hoe tena tsy mivadika. Fahita hatraiza hatraiza, ohatra, ny olona mivadika amin’ny vadiny, na ny mpianakaviny, na ny namany. Izany koa no zava-misy eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa, ary eo amin’ny mpivarotra sy ny mpividy. Nahoana?

Mirotoroto be ny fiainana, ka tsy manam-potoana na herin-tsaina firy ny olona indraindray, mba hanefana ireo adidy isan-karazany mitaky tsy fivadihana. Sarotra amin’ny sasany angamba ny hoe tsy hivadika, satria efa nisy olona nandiso fanantenana azy. Misy koa tsy tia mifandray maharitra amin’olona, amin’izay dia tsy ilaina loatra ny tsy mivadika.

Na ahoana na ahoana, dia toetra be mpitia izy io, nefa vitsy mpanana. Mipetraka àry ny fanontaniana hoe: Mahasoa anao ve ny tsy mivadika? Raha izany no izy, amin’iza isika no tokony tsy hivadika, ary ahoana no hampisehoantsika izany? Inona avy no soa ho azontsika, raha tsy mivadika isika?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka.

[Teny notsongaina, pejy 3]

Toetra be mpitia ny tsy fivadihana, nefa vitsy mpanana