Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahaiza Mihaino Sady Maneho Fitiavana

Mahaiza Mihaino Sady Maneho Fitiavana

Mahaiza Mihaino Sady Maneho Fitiavana

“MISAOTRA indrindra nihaino ahy.” Efa nisy nilaza izany taminao ve vao haingana? Teny fankasitrahana tokoa izany! Be mpitia ny olona mahay mihaino. Afaka mampahery ny kivy na ireo tototry ny zava-manahirana isika, raha mihaino tsara. Tsy hitanao ve fa lasa mifankahazo tsara amin’ny olona ianao rehefa mahay mihaino? Ankoatra izany, raha ampiana fitiavana ny fihainoana, dia tena hahatonga ny Kristianina eo anivon’ny fiangonana ‘hifampihevitra ka hifandrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara.’—Hebreo 10:24.

Maro anefa no tsy mahay mihaino. Tia manoro hevitra, mitantara ny fiainany, na milaza ny heviny izy ireo, fa tsy mba manongilan-tsofina hihaino izay lazain’ny hafa. Mitaky fahaizana ny fihainoana, raha ny marina. Ahoana àry no hianarana hihaino sady haneho fitiavana an’ireo olona henointsika?

Ny tena ilaina

I Jehovah no Mpampianatra antsika Lehibe Indrindra. (Isaia 30:20) Afaka mampianatra antsika zavatra maro momba ny fihainoana izy. Diniho, ohatra, ny fomba nanampiany an’i Elia mpaminany. Norahonan’i Jezebela Vadi-mpanjaka i Elia ka nihorohoro, ary nandositra tany an’efitra, sady naniry ho faty. Rehefa tonga tany izy, dia niresaka taminy ny anjelin’Andriamanitra. Rehefa niresaka ny zavatra nampanahy azy ilay mpaminany, dia nihaino azy i Jehovah ary avy eo naneho taminy ny heriny lehibe. Inona no vokany? Afaka ny tahotr’i Elia ka niverina tany amin’ny toerana nanendrena azy izy. (1 Mpanjaka 19:2-15) Nahoana i Jehovah no maka fotoana hihainoana ny zavatra mampanahy ny mpanompony? Satria miahy azy ireo izy. (1 Petera 5:7) Hitantsika amin’izany ny zava-dehibe iray tena ilaina mba hahaizana hihaino: Ilaina ny miahy ny hafa sy tena mihevitra izay hahasoa azy ireo.

Nanao fahotana lehibe ny lehilahy iray avy any Bolivia. Tena niahy azy anefa ny mpiray finoana taminy, ka nankasitraka izany izy. Nitantara izy hoe: “Mbola tsy kivy toy izany aho teo amin’ny fiainako. Mety ho nitsahatra tsy nanompo an’i Jehovah intsony aho, raha tsy naka fotoana nihainoana ahy ny rahalahy iray. Tena nampahery izy na dia tsy niteny firy aza, satria tsapako fa niahy ahy izy matoa nihaino ahy. Tsy vahaolana mantsy no notadiaviko, satria efa fantatro ny tokony hataoko. Nila olona nihevitra ny fihetseham-poko fotsiny aho. Tsy namoy fo aho, noho izy nihaino ahy.”

Nahay nihaino sady naneho fitiavana an’ireo olona nohenoiny i Jesosy Kristy, ka modely tena tsara. Taoriana kelin’ny nahafatesany, dia nisy mpianany roa lahy nandao an’i Jerosalema mba ho any amin’ny tanàna iray, 11 kilaometatra teo ho eo niala teo. Tsy isalasana fa kivy izy ireo, ka niara-dalana taminy i Jesosy Kristy tafatsangana tamin’ny maty. Nametrahany fanontaniana voahevitra tsara izy ireo, mba hahafantarana izay nampanahy azy. Namaly izy ireo ka nilaza taminy ny zavatra nantenainy sy izay nandiso fanantenana azy. Nolazainy taminy koa ny nanahiran-tsaina azy. Niahy ireo mpianany ireo i Jesosy, ary hita tamin’ny fihainoany azy ny fitiavany, hany ka lasa vonona hihaino azy koa izy ireo. Taorian’izay, dia ‘nohazavain’i Jesosy tsara tamin’izy ireo ny hevitry ny teny momba azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra.’—Lioka 24:13-27.

Raha tiantsika hihaino antsika ny hafa, dia isika aloha no tokony hihaino azy ireo voalohany. Fanehoam-pitiavana izany. Nisy vehivavy iray avy any Bolivia nitantara hoe: “Nanomboka nanakiana ny fomba nitaizako ny zanako ny ray aman-dreniko sy ny fianakavian’ny vadiko. Nahasosotra ahy ny tenin’izy ireo, nefa lasa nisalasala ihany aho raha nety tokoa ny fomba nitaizako ny zanako. Nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tany amiko tamin’izay. Niresaka tamiko momba ny fampanantenan’Andriamanitra izy. Rehefa nanontany ny hevitro izy, dia hitako tamin’ny fomba firesany fa tena vonona hihaino ahy izy. Nampandrosoiko àry izy, ary tsy ela dia naborako taminy ny olana nahazo ahy. Naharitra nihaino ahy izy. Nanontaniany aho hoe inona no mba iriko ho an’ireo zanako, ary ahoana no hevitry ny vadiko momba izany. Nahatsiaro ho maivamaivana erỳ aho, satria niezaka hahazo ny fomba fihevitro sy ny fihetseham-poko izy. Rehefa nampiseho tamiko izay lazain’ny Baiboly momba ny fiainam-pianakaviana izy, dia tena tsapako fa noho ny fiahiany ahy no nanaovany izany.”

“Ny fitiavana ... tsy mitady izay hahasoa ny tenany”, hoy ny Baiboly. (1 Korintianina 13:4, 5) Midika izany fa raha manam-pitiavana isika, dia hampandefitra ny zavatra mahafinaritra antsika, mba hihainoana ny olona miresaka amintsika. Mila manapika tele angamba isika, na mametraka ilay gazety vakintsika, na mamono ny telefaonina, rehefa misy miresaka amintsika momba ny raharaha lehibe iray. Hiezaka mba ho tena liana amin’izay lazain’ilay olona koa isika, raha manam-pitiavana. Mila mifehy tena isika mba tsy hiresaka momba ny tenantsika, ka hilaza teny toy ny hoe: “Hoatran’izany mihitsy ny nahazo ahy.” Tsy mampaninona ny milaza zavatra toy izany, raha resaka tsotsotra amin’ny namana no atao. Raha olana lehibe anefa no resahina amintsika, dia tokony havelantsika any izay momba ny tenantsika. Misy fomba hafa koa ampisehoana fa tena miahy ny hafa isika.

Fantaro ny fihetseham-pony

Tsy latsaka ny folo ny lahatenin’i Joba ren’ireo namany. Nilaza ihany anefa i Joba hoe: “Enga anie ka hisy hihaino ahy!” (Joba 31:35) Fa nahoana? Satria tsy nampionona azy ny fihainoan’izy ireo. Tsy niraharaha an’i Joba izy ireo, sady tsy niezaka hahafantatra ny fihetseham-pony. Tsy mba niara-niory taminy izy ireo, satria tsy nahay nangoraka rehefa nihaino azy. Manoro hevitra anefa ny apostoly Petera hoe: “Miraisa saina ianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, manàna fangorahana, manetre tena.” (1 Petera 3:8) Ahoana no ahafahana miara-miory amin’ny hafa? Mila miezaka hahafantatra ny fihetseham-pony sy ny anton’izany isika. Hita fa miahy azy sy miombom-pihetseham-po aminy isika raha milaza hoe: “Nalahelo erỳ izao ianao tamin’izay e?” na “Tsy azon’ny olona mihitsy angamba ny nahazo anao tamin’izay”, na teny mitovitovy amin’izany. Maneho fiahiana koa isika, raha miezaka mamerina izay nolazainy amin’ny fomba fitenintsika, mba hampisehoana fa azontsika ny teniny. Ny hoe mihaino sady maneho fitiavana, dia tsy midika fotsiny hoe mihaino ny teny lazaina, fa midika koa hoe miezaka hahafantatra ny fihetseham-po fonosin’izy ireny.

Vavolombelon’i Jehovah i Robert, * ary mpitory manontolo andro efa za-draharaha. Nitantara izy hoe: “Nisy fotoana tena nahakivy ahy tamin’ny fanompoana, ka nangataka hiresaka tamin’ny mpiandraikitra mpitety faritany aho. Tena nihaino ahy izy, ary niezaka hahatakatra ny fihetseham-poko. Hoatran’ny tsapany tsara mihitsy aza hoe natahotra aho sao hokianiny noho ny fomba fihevitro. Nanome toky ahy izy hoe ara-dalàna ireo fihetseham-po tsapako, satria efa nandalo tamin’izany koa izy. Tena nanampy ahy hanohy ny fanompoako izany.”

Tsy maintsy miombon-kevitra amin’ilay olona ve isika rehefa mihaino azy? Tsy voatery ho izany. Azo atao kosa ny milaza fa mahafaly antsika ny nilazany izay tao am-pony. Ahoana, ohatra, raha niady tamin’ny ankizy tany am-pianarana ny zanakao lahy, na milaza aminao ny zanakao vavy rehefa tonga ao an-trano fa misy ankizilahy maharaiki-pitia azy? Tsy tsara kokoa ve raha mihaino aloha ny ray aman-dreny, sady miezaka hahazo tsara izay ao an-tsain’ilay ankizy, izay vao manazava ny tokony hatao sy ny tsy tokony hatao?

Hoy ny Ohabolana 20:5: “Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona; fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany.” Rehefa misalasala hanome torohevitra antsika ny olona hendry sy efa za-draharaha, dia isika mihitsy angamba no mila mangataka aminy mba hanoro hevitra antsika. Toy izany koa no tokony hataontsika mba hanehoana fitiavana ny olona henointsika. Mila eritreretina tsara ny fomba hanovozana ny ao am-pony. Tsara ny mametraka fanontaniana, nefa tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hitsabaka amin’ny tsy tokony hidirantsika. Zavatra tsy mahasadaikatra azy angamba no tsara anontaniana voalohany. Aoka hatao hoe misy vehivavy manana olana ao an-tokantranony. Mety tsy ho sadaikatra loatra izy raha ny fomba nifankahitan’izy mivady sy ny mariazin’izy ireo no anombohana ny resaka. Raha miresaka amin’ny olona tsy mitory intsony indray ianao, dia ho mora kokoa aminy angamba ny hanombo-dresaka amin’ny fitantarana ny fomba nahafantarany ny fahamarinana.

Tsy mora ny mihaino sady maneho fitiavana

Mety ho sarotra ny hihaino olona sosotra amintsika, satria efa mandeha ho azy amintsika ny miaro tena. Inona àry no azo atao? Hoy ny Ohabolana 15:1: “Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy.” Azo lazaina hoe mamaly mora ianao, raha mampirisika azy amin-katsaram-panahy mba hiresaka, sady maharitra mihaino izay alahelony aminao.

Samy mamerimberina izay efa nolazainy fotsiny ny olona matetika, rehefa mifamaly mafy. Samy mihevitra izy ireo hoe tsy mihaino ilay anankiray. Ho tsara tokoa anefa ny vokany, raha mba mangina ny iray ka tena mihaino! Tadidio fa ilaina ny mifehy tena sy mihevitra tsara izay holazaina ary miteny amim-pitiavana. Hoy ny Baiboly: “Izay mahatana ny molony no hendry.”—Ohabolana 10:19.

Mila miezaka sy mifehy tena isika, mba hahay hihaino sady haneho fitiavana, satria tsy tongatonga ho azy izany. Tsy ho very maina mihitsy anefa izany ezaka izany. Fanehoam-pitiavana ny mihaino rehefa miteny ny hafa, sady hahasambatra antsika izany. Hendry àry isika raha miezaka hahay hihaino sady haneho fitiavana!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Novana ny anarana.

[Sary, pejy 11]

Tsy maintsy mampandefitra ny zavatra mahafinaritra antsika isika, rehefa mihaino

[Sary, pejy 12]

Mety ho sarotra ny hihaino olona sosotra amintsika