Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampifaly ny Fon’ny Ray Aman-dreniny Izy Ireo

Nampifaly ny Fon’ny Ray Aman-dreniny Izy Ireo

Nampifaly ny Fon’ny Ray Aman-dreniny Izy Ireo

“ANAKA, raha hendry ny fonao, dia ho faly koa ny foko, dia ny foko.” (Ohabolana 23:15) Faly tokoa ny ray aman-dreny kristianina, rehefa mahazo fahendrena avy amin’i Jehovah ny zanany. Izany no nitranga tamin’ny asabotsy 10 Septambra 2005, rehefa nizarana diplaoma ny kilasy faha-119 tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada. Olona 6 859 avy amin’ny firenena maromaro no tonga nanatrika. Faly erỳ ny rehetra, indrindra fa ny ray aman-drenin’ireo 56 nahazo diplaoma.

Nanao vavaka fanokafana feno hafanam-po i David Walker, Betelita efa ela any Etazonia. I David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no nitarika ny fandaharana. Hoy izy tamin’ny ray aman-drenin’ireo nahazo diplaoma: “Mendri-piderana tokoa ianareo. Nataonareo izay hananan’ny zanakareo toetra tsara, ka izany no nahatonga azy ho te hanao misionera.” Mety hanahy ireo ray aman-dreny ireo, satria tsy ho ela dia ho any an-tany lavitra ny zanany. Nomen’ny Rahalahy Splane toky anefa izy ireo hoe: “Aza manahy. Mahavita mikarakara ny zanakareo mihoatra lavitra noho izay vitanareo i Jehovah. Alao sary an-tsaina ny zavatra tsara ho vitan’izy ireo. Sambany vao hahazo tena fampiononana ny olona mijaly.”

Ahoana no ampifaliana hatrany ny olona?

Notononin’ilay mpitari-draharaha avy eo ny lahateny efatra nanaraka, sy ireo rahalahy hamelabelatra izany. I Ralph Walls, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia, no nanao ny lahateny voalohany. “Ahirato Foana ny Masonareo” no loha hevitr’izy io. Nantitranteriny fa ratsy lavitra ny jamba ara-panahy noho ny jamba ara-bakiteny. Voan’izany ny fiangonana tany Laodikia, tamin’ny taonjato voalohany, ka nampiana mba hahita indray. Tsara lavitra anefa ny misoroka an’ilay fahajambana. Tokony hataontsika foana àry izay hampahiratra ny masontsika ara-panahy. (Apokalypsy 3:14-18) Hoy ilay mpandahateny: “Ahirato foana ny masonareo, ka tahafo ny fomba fijerin’i Jehovah ireo rahalahy manana andraikitra.” Tsy tokony hanahy be loatra ireo nahazo diplaoma, raha misy olana eo anivon’ny fiangonana. Fantatr’i Jesosy Kristy Tompo daholo izany, ka azo antoka fa halaminy amin’ny fotoana mety.

Avy eo, dia namaly an’ilay fanontaniana hoe “Vonona ve Ianareo?” i Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Mitondra ny fitafiana ilainy ny olona, rehefa manao dia. Toy izany koa fa tsy maintsy mitafy ny toetra vaovao foana ireo nahazo diplaoma. Tsy maintsy mangoraka toa an’i Jesosy izy ireo. Nisy boka nilaza taminy, ohatra, hoe: “Raha mba sitrakao fotsiny mantsy, dia ho vitanao ny hanadio ahy.” Hoy i Jesosy: “Sitrako tokoa. Madiova ianao.” (Marka 1:40-42) Hoy ilay mpandahateny: “Hahita fomba hanampiana ny olona ianareo, raha tena maniry hanampy azy.” Milaza mantsy ny Filipianina 2:3, fa tokony hanao “ny hafa ho ambony” noho ny tenany, ny Kristianina. Hoy ny Rahalahy Herd: “Zava-dehibe kokoa ny manetry tena noho ny manana fahalalana. Rehefa manetry tena ihany ianareo vao handray soa avy amin’ny fahalalanareo, ny olona hitorianareo ary ny rahalahy sy anabavy eo anivon’ny fiangonana.” Nilaza izy tamin’ny farany, fa raha mitafy ny fitiavana kristianina foana ireo nahazo diplaoma, dia ho vonona ho any amin’ny tany nanendrena azy, sady azo antoka fa hahita vokatra tsara.—Kolosianina 3:14.

Tsy andrin’ny mpanatrika ny handre an’i Mark Noumair, anisan’ny mpampianatra, hamelabelatra ilay lahateny hoe “Haneho Izany Foana ve Ianareo?” Ny fankasitrahana ny hatsaran’i Jehovah no tiana holazaina amin’ny hoe “izany.” Hoy ny Salamo 103:2: “Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra.” Tsy nankasitraka ny mana ny Israelita, nefa raha tsy nisy azy io tsy velona izy ireo. Nantsoiny hoe “mofomofo foana” izy io. (Nomery 21:5) Tsy nihena mihitsy ny hasarobidin’ny mana, na dia nandeha aza ny fotoana, fa izy ireo no tsy nahay nankasitraka intsony. Hoy ilay mpampianatra: “Hiova ny fahitanareo ny asa nanendren’i Jehovah anareo any an-tany hafa, raha tsy mihevitra izany ho zava-dehibe intsony ianareo, sady manadino ireo fitahiany.” Lazain’ny Salamo 103:4 fa ‘mamindra fo [tia sy tsara fanahy, TV ]’ i Jehovah. Hahita ireo toetrany ireo eo anivon’ny fiangonana vaovao hisy azy, ireo nahazo diplaoma.

Namelabelatra ny loha hevitra hoe “Hahazo Fitahiana ve Ianareo?” i Lawrence Bowen, anisan’ny mpampianatra. Nilaza izy fa nanazatra tena mafy ireo nianatra tao amin’ilay kilasy faha-119, mba ho tonga misionera mahita vokatra tsara. Tsy tokony hiala amin’i Jehovah sy ny asa nanendrena azy mihitsy anefa izy ireo izao. Milaza ny Apokalypsy 14:1-4 fa “nanaraka foana ny Zanak’ondry [ny 144 000] na taiza na taiza nalehany.” Tratran’izy rehetra ny tanjony, satria tsy miala amin’i Jehovah sy ny Zanany izy ireo, na inona na inona fitsapana atrehiny. Hoy ilay mpandahateny: “Tsy miala amin’i Jehovah sy ny asa nanendreny antsika koa isika, na inona na inona mitranga.” ‘Hahazo’ ny fitahian’i Jehovah ireo nahazo diplaoma, raha manao toy izany.—Deoteronomia 28:2.

Mahita vokatra eo amin’ny fanompoana

Nanompo teny amin’ny saha ireo mpianatra, rehefa faran’ny herinandro, nandritra an’ilay fianarana. Nanadinadina azy ireo i Wallace Liverance, mpitan-tsoratry ny sekoly, ka hita fa nahazo vokatra tsara izy ireo. Nitory ny vaovao tsara tamin’ny fiteny folo izy ireo, fara fahakeliny, ary nanomboka fampianarana Baiboly. Nampianatra Baiboly lehilahy sinoa, ohatra, ny mpivady iray. Nanontanian’izy ireo izy, taorian’ny nitsidihany azy indroa hoe inona no tsapany rehefa nahafantatra an’i Jehovah izy. Nosokafany tao amin’ny Jaona 17:3 ny Baiboliny, ary nasainy novakin’izy ireo. Niaiky izy avy eo fa teo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana.

Nanadinadina rahalahy telo avy eo i Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Anisan’ny Komitin’ny Sampana any Côte d’Ivoire, Ekoatera, ary any amin’ny Repoblika Dominikanina izy ireo. Nilaza izy ireo fa tsy andriny ny hahatongavan’ireo nahazo diplaoma, any aminy. Hampiany izy ireo mba ho zatra amin’ny fiainana ao amin’ilay tany nanendrena azy.

Nadinadinin’i Leonard Pearson, Betelita any Etazonia, avy eo ny rahalahy telo, anisan’ny Komitin’ny Sampana any Ouganda, Papouasie-Nouvelle-Guinée, ary any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Nampirisika an’ireo nahazo diplaoma izy ireo, mba handray anjara betsaka araka izay azony atao amin’ny fanompoana. Nanampy olona 60 ho tonga amin’ny fanoloran-tena sy batisa, ohatra, ny mpivady misionera efa nanompo 21 taona mahery tany Congo. Olona 30 izao no ampianariny Baiboly, ary manatrika fivoriana ny 22. Maro tokoa no te hianatra Baiboly, ka fotoana tena tsara hanaovana ny asa misionera izao.

Maika ny asa fitoriana

I Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny famaranana. “Miresaka ny Amin’Andriamanitra Sady Vavolombelona Manambara An’i Jesosy, Mandritra ny Andron’ny Tompo” no loha hevitr’ilay lahateny. Miverimberina ao amin’ny Apokalypsy ny teny hoe ‘mitory’, ‘manambara’, ary ‘vavolombelona manambara.’ Lazain’i Jehovah mazava tsara àry ny asa tiany hataon’ny olony. Rahoviana isika no tokony hanao izany fitoriana izany? Mandritra ny “andron’ny Tompo.” (Apokalypsy 1:9, 10) Nanomboka tamin’ny 1914 izany, ary mbola mitohy amin’izao ka hatramin’ny hoavy. Lazain’ny Apokalypsy 14:6, 7 fa tohanan’ny anjely ny asa fitoriana momba an’Andriamanitra. Asehon’ny Apokalypsy 22:17 fa nankinina tamin’ny Kristianina sisa voahosotra, ny andraikitra hitarika ny asa fitoriana momba an’i Jesosy. Isika rehetra anefa no tsy maintsy manararaotra mandray anjara amin’izany ankehitriny. Hoy i Jesosy eo amin’ny andininy faha-20: “Ho avy haingana aho.” Nampirisika ny rehetra ny Rahalahy Lösch hoe: “Antsoy ny olona hoe: ‘Avia, misotroa maimaim-poana amin’ny ranon’aina.’ Ho avy haingana i Jesosy. Vonona ve isika?”

Namarana ilay fandaharana tamin’ny vavaka fisaorana i Fred Rusk, mpampianatra tao amin’ny Sekolin’i Gileada nandritra ny 11 taona. Nampihetsi-po ny mpanatrika rehetra izany, ary nety tsara mba hamaranana an’iny andro tena nahafaly iny.

[Efajoro, pejy 13]

ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY

Tany nanana solontena: 10

Tany nanendrena: 25

Mpianatra: 56

Salanisan-taona: 32,5

Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana: 16,4

Salanisan’ny taona nanompoana manontolo andro: 12,1

[Sary, pejy 15]

Ny Kilasy Faha-119 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada

Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.

1) Helgesen, S.; Daugaard, H.; Pierluissi, A.; Joseph, I.; Racanelli, C. 2) Byrge, T.; Butler, D.; Freedlun, J.; Nuñez, K.; Pavageau, C.; Doumen, T. 3) Camacho, O.; Lindqvist, L.; Broomer, A.; Wessels, E.; Burton, J.; Woodhouse, O.; Doumen, A. 4) Tirion, A.; Connally, L.; Fournier, C.; Gil, A.; Johnsson, K.; Hamilton, L. 5) Byrd, D.; Scribner, I.; Camacho, B.; Laschinski, H.; Hallahan, M.; Libuda, O. 6) Joseph, A.; Lindqvist, M.; Helgesen, C.; Nuñez, D.; Scribner, S.; Fournier, J. 7) Pierluissi, F.; Pavageau, T.; Broomer, C.; Racanelli, P.; Butler, T.; Woodhouse, M.; Libuda, J. 8) Laschinski, M.; Freedlun, S.; Burton, I.; Tirion, M.; Byrd, M.; Byrge, J. 9) Wessels, T.; Hallahan, D.; Connally, S.; Gil, D.; Daugaard, P.; Hamilton, S.; Johnsson, T.