Tsara erỳ ny Teny Atao Amin’izay Andro Mahamety Azy!
Tsara erỳ ny Teny Atao Amin’izay Andro Mahamety Azy!
NANATRIKA fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, ry Kim sy ny zanany vavikely roa taona sy tapany. Niezaka mafy nihaino tsara sy nandray an-tsoratra i Kim, tontolo andro, sady nanampy an’ilay zanany mba hipetraka tsara. Rehefa nifarana ny fandaharana, dia nitodika tany amin’i Kim ny anabavy kristianina iray ary nidera azy mivady, noho izy ireo nanara-maso tsara ny zanany nandritra ilay fandaharana. Tena zava-dehibe tamin’i Kim ilay teny fiderana, ka na taona maro atỳ aoriana aza dia mbola miteny izy hoe: “Rehefa vizana be aho any am-pivoriana, dia eritreretiko izay nolazain’ilay rahavavy. Mbola mandrisika ahy hitaiza tsara ny zanakay foana ilay teniny.” Mety hampahery tokoa ny teny atao amin’ny fotoana mety. Hoy ny Baiboly: “Endrey ny hatsaran’ny teny atao amin’izay andro mahamety azy!”—Ohabolana 15:23.
Sarotra amin’ny sasany anefa ny midera ny hafa. Mihevi-tena ho tsy mahay isika indraindray, ka sarotra amintsika ny midera olona. Hoy ny Kristianina iray: “Rehefa midera ny hafa aho, dia toy ny hoe mampiakatra azy avy ao anaty fotaka. Izaho indray anefa no milentika rehefa manao izany, satria mihevitra ny tenako ho tsy mendrika aho.” Sarotra amin’ny olona koa ny midera ny hafa, raha saro-kenatra izy, na tsy matoky tena, na matahotra sao handika vilana ny teniny ny olona. Mety ho sarotra amintsika koa ny hidera ny hafa, raha tsy dia nahazo teny fiderana isika tamin’ny fahazazantsika, na tsy nahazo mihitsy.
Mety hiezaka mafy hidera ny hafa anefa isika rehefa tsapantsika ny soa entin’izany, na eo amin’ilay midera izany na eo amin’ilay deraina. (Ohabolana 3:27) Inona avy àry no soa azo avy amin’ny fanaovana teny fiderana? Hodinihintsika vetivety ny sasany.
Ireo soa azo
Mihamatoky tena ny olona rehefa deraina. Hoy i Elaine, vehivavy kristianina manambady: “Tsapako hoe matoky ahy sy mihevitra ahy ho mahavita zavatra tsara ny olona, rehefa midera ahy.” Rehefa deraina tokoa ny olona tsy matoky tena, dia mety hanana herim-po hiatrehana zava-tsarotra, ka ho faly. Ny tanora indrindra no mandray soa avy amin’ny teny fiderana, rehefa mendrika izany izy ireo. Milaza toy izao, ohatra, ny tanora iray kivy noho izy tsy mahita afa-tsy lafy ratsin-javatra: “Manao araka izay fara heriko foana aho mba hampifaliana an’i Jehovah. Tsapako anefa indraindray fa tsy misy zavatra tsara vitako, na inona na inona ataoko. Faly erỳ àry aho rehefa misy midera.” Marina tokoa ilay ohabolana ao amin’ny Baiboly hoe: “Ny teny atao amin’ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.”—Ohabolana 25:11.
Mandrisika sy mampahery ny teny fiderana. Hoy ny mpitory manontolo andro iray: “Mandrisika ahy hanao fanompoana bebe kokoa sy hanatsara izany, ny teny fiderana.” Milaza ny vehivavy iray manan-janaka roa, fa rehefa manome valin-teny ny zanany any am-pivoriana ka misy mankasitraka, dia vao mainka te hamaly. Mety handrisika ny tanora ho tonga Kristianina matotra tokoa izany. Ilaintsika rehetra, raha ny marina, ny omena toky fa ankasitrahana sy misy vidiny isika. Mety ho reraka sy ho kivy isika, noho ity tontolo
be zava-manahirana ity. Hoy ny anti-panahy kristianina iray: “Heveriko ho valim-bavaka ny teny fiderana, rehefa kivy iny aho indraindray.” Hoy koa i Elaine: “Mihevitra aho indraindray hoe ny teny fiderana ataon’ny hafa no ampisehoan’i Jehovah fa ankasitrahany aho.”Mahatsapa tena ho tsy miady irery ny olona mahazo teny fiderana. Miahy ny hafa ianao rehefa midera azy, ka lasa mahafinaritra ny fiarahanareo, ary mifampatoky sy mifankasitraka ianareo. Hita amin’ny teny fiderana ataontsika, fa tena tia an’ireo Kristianina namantsika isika ary mihevitra azy ho sarobidy. Hoy i Josie, renim-pianakaviana: “Tsy maintsy niezaka mafy aho taloha mba tsy hiala tamin’ny fahamarinana, satria tsy nitovy finoana tamiko ny tao an-trano. Vao mainka tapa-kevitra ny tsy hivadika aho tamin’izany, rehefa nidera ahy ireo Kristianina matotra.” “Rantsambatana mifampiankina [tokoa] isika.”—Efesianina 4:25.
Manampy antsika hahita ny toetra tsaran’ny hafa, ny faniriana hanao teny fiderana. Ny toetra tsaran’ny hafa no ifantohantsika fa tsy ny fahalemeny. Hoy i David, anti-panahy kristianina: “Hidera ny hafa matetika kokoa isika, raha mahay mankasitraka.” Raha mitadidy isika fa tsy mitsitsy teny fiderana ho an’ny olombelona tsy lavorary i Jehovah sy ny Zanany, dia hanao toy izany koa isika.—Matio 25:21-23; 1 Korintianina 4:5.
Ireo mendrika hoderaina
Mpamorona i Jehovah Andriamanitra, ka anisan’ireo tena mendrika hoderaina. (Apokalypsy 4:11) Tsy hoe mila antsika izy mba hahatonga azy hatoky tena, na handrisika azy hanao zavatra. Rehefa midera azy anefa isika, noho izy mahatalanjona sy be fitiavana ary tsara fanahy, dia hanatona antsika izy ka hihatsara ny fifandraisantsika aminy. Tsy hirehareha noho ny zava-bitantsika koa isika fa hanetry tena, raha Andriamanitra no deraintsika. Ho tsapantsika mantsy fa i Jehovah no antoky ny fahombiazantsika. (Jeremia 9:22, 23) Mampanantena fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra mendrika i Jehovah, ary antony hafa tokony hiderantsika azy koa izany. (Apokalypsy 21:3, 4) Naniry mafy “hankalaza ny anaran’Andriamanitra” sy “hidera Azy amin’ny fisaorana” i Davida Mpanjaka fahiny. (Salamo 69:30) Enga anie ka ho izany koa no faniriantsika.
Mendrika hoderaina koa ny mpiray finoana amintsika. Nandidy antsika “hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara” Andriamanitra, ka mankatò izany isika rehefa manao teny fiderana. (Hebreo 10:24) Modely ho antsika ny apostoly Paoly, amin’io lafiny io. Hoy izy tamin’ny fiangonana tany Roma: “Misaotra an’Andriamanitro amin’ny alalan’i Jesosy Kristy aho aloha noho ny aminareo rehetra, satria re laza eran’izao tontolo izao ny finoanareo.” (Romanina 1:8) Nanao toy izany koa ny apostoly Jaona. Noderainy i Gaio, mpiray finoana taminy, satria modely tsara izy tamin’ny ‘nandehanany hatrany tao amin’ny fahamarinana.’—3 Jaona 1-4.
Afaka mankasitraka ny Kristianina hafa koa isika ankehitriny, rehefa maneho toetra tsara toy ny an’i Kristy izy, na manao tsara ny anjarany amin’ny fivoriana, na manome valin-teny avy amin’ny fo. Azontsika deraina koa ny ankizy rehefa miezaka mafy manaraka ao amin’ny Baiboliny, ny andinin-teny vakina mandritra ny fivoriana. Hoy i Elaine, voalaza terỳ aloha: “Manana talenta samihafa isika vahoakan’Andriamanitra. Asehontsika fa mankasitraka an’ireny talenta ireny isika, rehefa mahatsikaritra izay ataon’ny hafa.”
Eo anivon’ny fianakaviana
Ahoana ny amin’ny fankasitrahana ny mpianakavintsika? Mitaky fotoana sy hery ary fitiavana avy amin’ny mpivady ny fikarakarana izay ilain’ny fianakaviany, toy ny fanatanjahana ny finoany, ny fiarahana aminy, ary ny famelomana azy. Tena mendrika hifanome teny fiderana àry ny mpivady, ary tokony hidera azy koa ny zanany. (Efesianina 5:33) Milaza toy izao momba ny vehivavy tsara, ohatra, ny Tenin’Andriamanitra: “Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; ny lahy koa mitsangana ka midera azy.”—Ohabolana 31:10, 28.
Mendrika hoderaina koa ny ankizy. Mampalahelo fa misy ray aman-dreny mailaka erỳ milaza amin-janany izay tokony hataony, nefa mahalana vao midera azy, na dia miezaka mankatò sy manaja azy aza izy ireo. (Lioka 3:22) Raha efa hatramin’ny fahakeliny ny ankizy no noderaina, dia matetika izy no mahatsapa fa tiana ary matoky tena kokoa.
Marina fa mitaky ezaka ny manao teny fiderana, nefa maro ny soa entiny. Arakaraka ny mampahazoto antsika manao teny fiderana no hitomboan’ny fahasambarantsika.—Asan’ny Apostoly 20:35.
Manàna toe-tsaina tsara rehefa mahazo na manome teny fiderana
Mety ho fitsapana ho an’ny sasany anefa ny mahazo teny fiderana. (Ohabolana 27:21) Mety ho vao mainka hanambony tena ny olona miavonavona rehefa deraina. (Ohabolana 16:18) Ilaina àry ny mitandrina. Nanome izao torohevitra mivantana izao mantsy ny apostoly Paoly: “Izao no lazaiko amin’ny olona rehetra eo aminareo: Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina, fa rehefa mieritreritra kosa, dia mba ataovy tanjona ny ho tonga olona misaina, araka ny fatram-pinoana nozarain’Andriamanitra taminy avy.” (Romanina 12:3) Tsara angamba ny tsy manasongadina ny hakingan-tsain’ilay olona na ny hatsaran-tarehiny, mba tsy hahatonga azy hanambony tena. Derao kosa izy noho ny zavatra tsara vitany.
Mety hahasoa antsika ny teny fiderana, raha manana toe-tsaina tsara isika rehefa manome na mahazo azy io. Mety ho hitantsika fa i Jehovah no nahatonga antsika hahavita ny zavatra tsara rehetra nataontsika. Mety handrisika antsika hitondra tena tsara foana koa ny teny fiderana.
Fanomezana azontsika rehetra atao ny teny fiderana amim-pahatsorana. Mety tsy ho tsapantsika akory fa nisy heriny lalina teo amin’ilay nahazo azy, ny teny fiderana nataontsika.
[Efajoro/Sary, pejy 18]
Taratasy Iray Tena Nanohina ny Fony
Mbola tadidin’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray, ilay fotoana nodian’izy mivady tao an-tranony, rehefa avy nanompo nandritra ny andro iray nangatsiaka be izy ireo. Hoy izy: “Nangatsiaka ny vadiko sady kivy, ary nilaza fa toa tsy ho afaka hanohy intsony. Nilaza izy hoe: ‘Aleoko lavitra manompo manontolo andro miaraka amin’ny fiangonana iray sy mipetraka amin’ny toerana iray, ary manana fampianarana Baiboly.’ Tsy nandray fanapahan-kevitra avy hatrany aho, fa nilaza fotsiny hoe aleo aloha hovitaina ity herinandro ity, dia ho hita eo izay heviny. Ho nohajaiko ny fihetseham-pony, raha ny hiala no mbola masaka tao an-tsainy. Nijanona teo amin’ny paositra izahay, tamin’izay andro izay, ary nisy taratasy ho an’ny vadiko tao. Avy tany amin’ny biraon’ny sampana ilay izy. Teny fiderana azy noho ny ezaka ataony eny amin’ny fanompoana sy ny fiaretany, no tao anatiny. Voalaza tao koa fa tena tsy mora ny miovaova fandriana isan-kerinandro. Tena nanohina ny fony ilay teny fiderana, ka tsy niresaka intsony momba ilay fikasany hiala tamin’ny asa fitetezam-paritany izy. Imbetsaka aza izy, raha ny marina, no nampirisika ahy hanohy foana, rehefa nieritreritra ny hitsahatra aho.” Nitety faritany nandritra ny efa ho 40 taona izy mivady.
[[Sary, pejy 17]
Iza no mendrika hoderaina eo anivon’ny fiangonanao?
[[Sary, pejy 19]
Mihatsara ny zava-bitan’ny ankizy rehefa tiana sy deraina izy