Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Ezra
Velona ny Tenin’i Jehovah
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Ezra
MIFAMPITOHY amin’ny Tantara Faharoa ny bokin’i Ezra, ary i Ezra mpisorona no nanoratra azy. Eo am-piandohana, dia miresaka momba ny didy iray navoakan’i Kyrosy, mpanjakan’i Persa, izy. Fanomezan-dalana ny Jiosy babo tany Babylona, mba hiverina tany amin’ny taniny io didy io. Nisy nanambady olona tompon-tany ireo Jiosy ireo, ka naloto teo imason’Andriamanitra. Noho izany dia nandray fepetra i Ezra mba hialan’izy ireo amin’izany, ary izay no tantarainy eo am-pamaranana ny bokiny. Mitantara zava-nitranga nandritra ny 70 taona ny bokin’i Ezra, izany hoe nanomboka tamin’ny 537 ka hatramin’ny 467 T.K.
Mazava tsara ny antony nanoratan’i Ezra io boky io. Tiany haseho fa tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah. Anisan’izany ny fanafahana ny vahoakany babo tany Babylona, sy ny famerenana tamin’ny laoniny ny fivavahana marina tao Jerosalema. Izay zava-nitranga nifandray tamin’izany ihany no nasongadin’i Ezra. Tantarainy ny nanorenana indray ny tempoly sy ny namerenana tamin’ny laoniny ny fivavahana amin’i Jehovah, na dia teo aza ny fanoherana sy ny tsy fahalavorarian’ny vahoakan’Andriamanitra. Tena mahaliana antsika io boky io, satria naverina tamin’ny laoniny koa ny fivavahana marina ankehitriny. Maro no mirohotra mankany amin’ny “tendrombohitr’i Jehovah”, ary madiva ho “feno ny fahalalana ny voninahitr’i Jehovah” ny tany manontolo.—Isaia 2:2, 3; Habakoka 2:14.
VOAORINA INDRAY NY TEMPOLY
Jiosy 50 000 teo ho eo no nody tany Jerosalema, rehefa nivoaka ilay didin’i Kyrosy nanafaka azy ireo. Nitarika azy ireo ny Governora Zerobabela na Sesbazara. Nanorina haingana ny alitara teo amin’ilay nisy azy izy ireo, ary nanomboka nanao fanatitra ho an’i Jehovah.
Nametraka ny fototry ny tranon’i Jehovah ny Israelita ny taona nanaraka. Nanakantsakana ny asan’izy ireo foana anefa ny fahavalony ary nanao izay hamoahan’ny mpanjaka didy hampitsaharana ny fanorenana ny tempoly. Nampahery ny vahoaka àry i Hagay sy Zakaria mpaminany, mba hanohizan’izy ireo ilay asa, na dia teo aza ny fandrarana. Tsy nahomby ireo fahavalo, satria efa namoaka didy hanaovana ilay fanorenana i Kyrosy, ary tsy sahin’izy ireo notoherina izany didy tsy azo ovana izany. Hita ilay didy “ny amin’ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema”, rehefa natao ny fikarohana. (Ezra 6:3) Nitohy tsara ny fanorenana taorian’izay, ka vita tanteraka ny tempoly.
Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:
1:3-6—Tsy ampy finoana ve ireo Israelita tsy niverina tany an-tanindrazany? Marina fa nisy angamba matimatin-karena na tsy nankasitraka loatra ny fivavahana marina, matoa tsy nody tany Jerosalema. Tsy izy rehetra anefa no toy izany. Tadidio fa 1 600 kilaometatra ny lalana nankany Jerosalema, ary efatra na dimy volana no anaovana izany. Tsy maintsy ho natanjaka tsara koa izay olona nody tany Jerosalema, satria hanorim-ponenana ao amin’ny tanàna efa lao nandritra ny 70 taona izy ireo, sady hanorina ny tempoly. Noho izany, dia azo inoana fa tsy afaka nody ny sasany noho ny aretina, fahanterana, adidy ara-pianakaviana, na zava-tsarotra hafa.
2:43—Iza ireo Netinima? Andevo na mpanompo niasa tao amin’ny tempoly izy ireo, fa tsy Israelita. Anisan’ny Netinima ny taranaky ny Gibeonita tamin’ny andron’i Josoa, sy ny olon-kafa “notendren’i Davida sy ny mpanapaka hanompo ny Levita.”—Ezra 8:20.
2:55—Iza ireo taranaky ny mpanompon’i Solomona? Tsy Israelita izy ireo, ary nomena asa manokana teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Mety ho mpanao dika soratra tao amin’ny tempoly izy ireo, na mpanao dika soratra ho an’ireo manam-pahefana.
2:61-63—Moa ve ny Jiosy niverina avy tany an-tsesitany nanana Orima sy Tomima, izay nampiasaina mba hahazoana valim-panontaniana tamin’i Jehovah? Nilaza tena ho anisan’ny taranaky ny mpisorona ny olona sasany, nefa tsy nisy filazana momba ny razany hanaporofoany izany. Nilaza i Ezra fa nety ho azo natao ny nanaporofo izany raha nampiasaina ny Orima sy Tomima. Tsy nanizingizina ny fisian’ireo anefa izy. Tsy milaza ny Soratra Masina hoe nampiasaina tamin’izany andro izany, na tatỳ aoriana, ireo zavatra ireo. Araka ny lovantsofina jiosy, dia nanjavona ny Orima sy Tomima rehefa rava ny tempoly tamin’ny 607 T.K.
3:12—Nahoana no nitomany ireo ‘antitra izay efa nahita ny tranon’i [Jehovah] voalohany’? Azo inoana fa nahatsiaro ny hakanton’ilay tempoly naorin’i Solomona izy ireo, ka lasa ‘toy ny tsinontsinona teo imasony’ ny fototr’ilay tempoly vaovao. (Hagay 2:2, 3) Nanahy angamba izy ireo sao tsy hahavita hanorina tempoly tsara tarehy toy ilay taloha. Azo antoka fa kivy izy ireo, ka izay no nampitomany azy.
3:8-10; 4:23, 24; 6:15, 16—Naharitra hafiriana ny fanorenana ny tempoly? Napetraka ny fototr’izy io tamin’ny 536 T.K., ‘tamin’ny taona faharoa taorian’ny nahatongavan’ny’ Israelita. Nitsahatra ny asa tamin’ny andron’i Ahasoerosy Mpanjaka, tamin’ny 522 T.K. Tsy afaka ilay fandrarana raha tsy tamin’ny 520 T.K., taona faharoa nanjakan’i Dariosy. Vita ny tempoly tamin’ny taona fahenina nanjakany, izany hoe tamin’ny 515 T.K. (Jereo ilay efajoro hoe “Ireo Mpanjaka Persanina Tamin’ny 537-467 T.K.”) Midika izany fa naharitra 20 taona teo ho eo ny fanorenana ny tempoly.
4:8–6:18—Nosoratana tamin’ny teny aramianina ireo andinin-teny ireo. Nahoana? Hita eo amin’ireo andinin-teny ireo ny taratasy nosoratan’ny manam-pahefana ho an’ny mpanjaka, sy ny taratasy misy ny valin-tenin’ny mpanjaka. Nadikan’i Ezra avy tao amin’ny antontan-taratasim-panjakana voasoratra tamin’ny teny aramianina ilay izy. Io no teny fampiasa rehefa nanao raharaham-barotra sy raharaham-panjakana. Nosoratana tamin’io teny fahiny io koa ny Ezra 7:12-26 sy ny Jeremia 10:11 ary ny Daniela 2:4–7:28.
Lesona ho antsika:
1:2. Tanteraka ny faminanian’i Isaia, izay nosoratana 200 taona teo ho eo mialoha. (Isaia ) Tanteraka foana ny faminaniana ao amin’ny Tenin’i Jehovah. 44:28
1:3-6. Toy ny Israelita sasany nijanona tany Babylona, dia maro ny Vavolombelon’i Jehovah tsy afaka manompo manontolo andro, na manompo any amin’ny toerana ilana mpitory bebe kokoa. Manampy sy mampahery an’izay afaka manao izany anefa izy ireo, ary manao fanomezana an-tsitrapo, mba hanohanana ny fitoriana ilay Fanjakana sy ny asa fanaovana mpianatra.
3:1-6. Tonga tany Jerosalema ny Babylonianina tamin’ny volana fahadimy (volana Aba, eo anelanelan’ny Jolay sy Aogositra), taona 607 T.K., ary rava tanteraka ilay tanàna, roa volana tatỳ aoriana. (2 Mpanjaka 25:8-17, 22-26) Nanolotra ny fanatitra voalohany ireo Jiosy tafody tany an-tanindrazany, tamin’ny volana fahafito, taona 537 T.K. (volana Tisry, eo anelanelan’ny Septambra sy Oktobra). Hita avy amin’izany fa feno 70 taona katroka ny naha lao an’i Jerosalema, araka ny efa voalaza mialoha. (Jeremia 25:11; 29:10) Tanteraka foana ny faminaniana ao amin’ny Tenin’i Jehovah.
4:1-3. Tsy nanaiky hiara-miasa tamin’ireo hafa firenena ny Israelita nahatoky, satria toy ny fampiraisam-pinoana amin’ny mpanompo sampy izany. (Eksodosy 20:5; 34:12) Manahaka azy ireo ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny, ka tsy mandray anjara mihitsy amin’ny fampiraisam-pinoana.
5:1-7; 6:1-12. Hain’i Jehovah ny mitantana ny zava-mitranga, mba hahombiazan’ny vahoakany.
6:14, 22. Izay mazoto manao ny asan’i Jehovah no mahazo sitraka sy fitahiana aminy.
6:21. Noho ny fahitany ny fandrosoan’ny asan’i Jehovah, dia nanova ny fiainany ny Samaritanina sasany nonina tao an-tanindrazan’ny Jiosy, sy ny Israelita sasany izay nanaraka ny fanaon’ny mpanompo sampy. Moa ve izany tsy mandrisika antsika mba hazoto amin’ny asa ampanaovin’Andriamanitra antsika, anisan’izany ny fitoriana ilay Fanjakana?
TONGA TAO JEROSALEMA I EZRA
Dimampolo taona no lasa hatramin’ny nitokanana ny tempoly vaovao. Taona 468 T.K. tamin’izay. Niainga tany Babylona ho any Jerosalema i Ezra. Nitondra ny vola nataon’ny olona fanomezana izy ary nentiny niaraka taminy koa ny sasany tamin’ny mpanompon’Andriamanitra mbola tavela tany. Inona no hitany tany Jerosalema?
Hoy ireo andriana taminy: ‘Ny Israely sy ny mpisorona ary ny Levita dia tsy mbola miavaka amin’ny olona tompon-tany, fa manaraka ny fahavetavetany. Ny lehibe sy ny mpanapaka aza no nitari-dalana tamin’izany fahadisoana izany.’ (Ezra 9:1, 2) Nalahelo mafy i Ezra tamin’izany. Nampaherezina anefa izy mba ‘hatoky tsara ka hanao’ zavatra. (Ezra 10:4) Nandray fepetra izy mba hanitsiana izay tsy nety, ary nankatò azy ny vahoaka.
Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:
7:1, 7, 11—Ilay Artaksersesy nampitsahatra ny fanorenana ny tempoly ve no resahin’ireo andinin-teny ireo? Tsia. Anaram-boninahitra niantsoana mpanjaka persanina roa ny hoe Artaksersesy. Mety ho i Bardiya ny iray na Gaumata, izay nandidy ny hampitsaharana ny fanorenana ny tempoly tamin’ny 522 T.K. Ny iray kosa dia i Artaksersesy Longimanus, ilay nanjaka tamin’ny fotoana nahatongavan’i Ezra tao Jerosalema.
7:28–8:20—Nahoana no tsy nazoto nankany Jerosalema niaraka tamin’i Ezra ny Jiosy maro tany Babylona? Mbola zara raha vita ilay tanàna, na dia efa 60 taona aza no lasa taorian’ny nodian’ny andiany voalohany tamin’ny Jiosy. Tsy maintsy nanomboka fiainam-baovao ny olona nody tany Jerosalema, nefa sarotra sy nampidi-doza ny fiainana tany. Tsy ho nanintona ny Jiosy mpanefohefo tany Babylona koa ny toe-karena tany Jerosalema. Ankoatra izany, dia nampidi-doza ny lalana nankany. Tsy maintsy natoky tanteraka an’i Jehovah àry izay nody tany, ary tsy maintsy nazoto tamin’ny fivavahana marina sy nanana herim-po hanaovana ilay dia. Na i Ezra aza nila nampaherezin’ny tanan’i Jehovah. Nampahery ny hafa izy avy eo, ka nanaraka azy ny fianakaviana 1 500, izany hoe olona 6 000 teo ho eo angamba. Mbola nanentana ny hafa izy taorian’izay, ka nanaraka azy ny Levita 38 sy ny Netinima 220.
9:1, 2—Inona no tena naha ratsy ny fanambadiana ny tompon-tany? Ny firenen’ny Israely tafaverina tany Jerosalema, dia natao hiaro ny fivavahana tamin’i Jehovah mandra-pahatongan’ny Mesia. Nanambady olona hafa firenena anefa ny sasany tamin’izy ireo. Tena nety ho nanimba ny fivavahana marina izany, satria ho nifangaro tamin’ny firenena mpanompo sampy ny firenen’ny Israely, ka mety ho nanjavona ny fivavahana madio. Ho avy amin’iza moa ny Mesia raha izany no nitranga? Tsy mahagaga àry raha nalahelo mafy i Ezra nahita ny zava-nitranga!
10:3, 44—Nahoana ny ankizy no noroahina niaraka tamin’ny reniny? Natahorana kokoa hiverina tany Jerosalema ireo vehivavy ireo, raha nijanona tany ny zanany. Matetika koa no mbola mila karakarain’ny reniny ny ankizikely.
Lesona ho antsika:
7:10. Ohatra tsara ho antsika i Ezra, izay nazoto nianatra ny Tenin’Andriamanitra sy nahay nampianatra azy io. Nivavaka izy mba hanomanana ny fony, talohan’ny nandinihany ny Lalàn’i Jehovah. Ary rehefa nandinika azy io izy, dia nifantoka tanteraka. Nampihatra izay nianarany koa izy, sady niezaka mafy nampianatra ny hafa.
7:13. Ny olona vonona hanompo azy an-tsitrapo no tian’i Jehovah.
7:27, 28; 8:21-23. Nidera an’i Jehovah i Ezra, ary nitalaho taminy tamin’ny fony manontolo, talohan’ny hanaovana ilay dia lava be sy nampidi-doza nankany Jerosalema. Nanao vivery ny ainy mihitsy izy, mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Ohatra tsara ho antsika izy.
9:2. Tokony ho zava-dehibe amintsika ilay fananarana mba hanambady “ao amin’ny Tompo ihany.”—1 Korintianina 7:39.
9:14, 15. Tsy ahazoana sitraka amin’i Jehovah ny fiarahana amin’ny naman-dratsy.
10:2-12, 44. Nanetry tena ireo Israelita nanambady vehivavy vahiny, ka nibebaka ary nanitsy ny fomba fiainany. Fakan-tahaka ny toe-tsainy sy ny nataony.
Manatanteraka ny fampanantenany i Jehovah
Sarobidy amintsika tokoa ny bokin’i Ezra! Nanatanteraka ara-potoana ny fampanantenany i Jehovah, ka nanafaka ny vahoakany babo tany Babylona, ary namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina tany Jerosalema. Moa ve izany tsy manatanjaka ny finoantsika an’i Jehovah sy ny fampanantenany?
Eritrereto koa ireo ohatra tsara hitantsika ao amin’ny bokin’i Ezra. Modelin’ny fitiavana an’Andriamanitra i Ezra sy ireo Jiosy niverina tany Jerosalema mba hamerina tamin’ny laoniny ny fivavahana madio. Asongadina ao amin’io boky io koa ny finoan’ireo vahiny tena tia an’Andriamanitra, sy ny fanetren-tenan’ireo mpanao ratsy nibebaka. Porofoin’ny bokin’i Ezra mazava tsara tokoa fa “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.”—Hebreo 4:12.
[Tabilao/Sary, pejy 18]
IREO MPANJAKA PERSANINA TAMIN’NY 537-467 T.K.
Kyrosy Lehibe (Ezra 1:1) maty tamin’ny 530T.K.
Cambyse, na Ahasoerosy (Ezra 4:6) 530-522 T.K.
Artaksersesy, angamba i Bardiya (Ezra 4:7) 522 T.K.
(Nisy namono rehefa
na Gaumata avy nanjaka fito volana monja)
Dariosy I (Ezra 4:24) 522-486 T.K.
Ksersesy, na Ahasoerosy * 486-475 T.K. (Niara-nanjaka
tamin’i Darisy I tamin’ny
496-486 T.K.)
Artaksersesy Longimanus (Ezra 7:1) 475-424 T.K.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 50 Tsy voaresaka ao amin’ny bokin’i Ezra i Ksersesy. Antsoina hoe Ahasoerosy izy ao amin’ny bokin’i Estera.
[Sary]
Ahasoerosy
[Sary, pejy 17]
Kyrosy
[Sary, pejy 17]
Varingarin’i Kyrosy, miresaka momba ny nandefasana ny babo hiverina tany amin’ny taniny
[Sary nahazoan-dalana]
Varingarina: Photograph taken by courtesy of the British Museum
[Sary, pejy 20]
Fantatrao ve hoe inona no nahatonga an’i Ezra ho mpampianatra nahay?