Fialam-boly Mahasoa sy Mamelombelona
Fialam-boly Mahasoa sy Mamelombelona
“Na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra.”—1 KORINTIANINA 10:31.
1, 2. Nahoana no azo lazaina fa “fanomezan’Andriamanitra” ny fanaovan-javatra mahafinaritra, nefa inona no fampitandremana mazava omen’ny Baiboly?
TE HANAO zavatra mahafinaritra antsika isika, ary voajanahary izany. Andriamanitra falifaly i Jehovah, ary tiany hifaly amin’ny fiainana isika ka nomeny zavatra maro be hankafizana azy io. (1 Timoty 1:11; 6:17) Nanoratra toy izao i Solomona mpanjaka hendry: “Fantatro fa tsy misy tsara amin’ny olombelona afa-tsy ny mifaly ... mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra, ... fanomezan’Andriamanitra izany.”—Mpitoriteny 3:12, 13.
2 Tena mamelombelona ny mieritreritra ny asa tsara vita sy ny mifaly amin’izany, indrindra moa raha iarahana mifaly amin’ny fianakaviana na ny namana ilay izy. Tena azo antsoina hoe “fanomezan’Andriamanitra” izany. Na dia betsaka aza anefa ny zavatra omen’ny Mpamorona antsika, dia tsy midika izany hoe mahazo miliba isika. Milaza ny Baiboly fa ratsy ny fimamoana, ny hatendan-kanina ary ny fitondran-tena maloto. Mampitandrina izy fa “tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra” ny olona manao ireo zavatra ireo.—1 Korintianina 6:9, 10; Ohabolana 23:20, 21; 1 Petera 4:1-4.
3. Inona no hanampy antsika hiambina hatrany sy hitadidy foana ny andro lehiben’i Jehovah?
3 Mandia fotoan-tsarotra ny Kristianina amin’izao andro farany izao, ka vao mainka sarotra aminy ny mitandrina mba tsy hanaraka ny fanaon’ity tontolo ratsy ity. (Jaona 17:15, 16) Araka ny efa nambara mialoha, dia ‘tia fahafinaretana fa tsy tia an’Andriamanitra’ ny olona ankehitriny, hany ka ‘tsy miraharaha’ ny porofo hoe efa tena akaiky ny “fahoriana lehibe.” (2 Timoty 3:4, 5; Matio 24:21, 37-39) Nampitandrina ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan’izany andro izany aminareo, fa ho tampoka toy ny fandrika.” (Lioka 21:34, 35) Tapa-kevitra hanaraka an’io fampitandreman’i Jesosy io isika mpanompon’Andriamanitra. Tsy toa an’ity tontolo ity izay tsy matahotra an’Andriamanitra isika, fa miezaka ny hiambina hatrany sy hitadidy foana ny andro lehiben’i Jehovah.—Zefania 3:8; Lioka 21:36.
4. a) Nahoana no sarotra ny mahita fialam-boly mety amin’ny Kristianina? b) Inona no torohevitra tokony hampiharintsika, hita ao amin’ny Efesianina 5:15, 16?
4 Tsy manao ny fanao ratsin’ity tontolo ity isika. Tsy mora anefa izany satria ataon’ny Devoly izay hahatonga an’ilay izy ho tena manintona sy mora tanterahina. Eo amin’ny resaka fialam-boly indrindra izany no tena sarotra. Natao hanaitairana ny “fanirian’ny nofo” mantsy ny ankamaroan’ny zavatra atolotr’ity tontolo ity. (1 Petera 2:11) Mety hahitana fialam-boly manimba eny amin’ny toerana faleham-bahoaka. Mety ho tonga ao an-trano koa anefa ilay izy, amin’ny alalan’ny boky, tele, Internet, na video. Izao àry no torohevitra feno fahendrena omen’ny Tenin’Andriamanitra ho an’ny Kristianina: “Mitandrema tsara hatrany mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty tsara ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.” (Efesianina 5:15, 16) Mila manaraka tsara an’io torohevitra io isika, raha tsy izany dia ho voasariky ny fialam-boly manimba sy handany fotoana amin’izany, ka handrava ny fifandraisantsika amin’i Jehovah mihitsy, ary ho ringana amin’ny farany!—Jakoba 1:14, 15.
5. Inona no tena mamelombelona antsika?
5 Be atao ny Kristianina, ka ara-dalàna raha mba te hiala voly kely indraindray. Milaza mihitsy aza ny Mpitoriteny 3:4 fa “ao ny andro ihomehezana” sy “ny andro andihizana.” Tsy milaza àry ny Baiboly hoe fandanilaniam-potoana fotsiny ny fialam-boly. Na izany aza anefa, dia tokony hamelombelona izy io, fa tsy hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, na hisakana antsika tsy hahavita ny fanompoana azy. Tsapan’ireo Kristianina matotra fa ny manome no mahasambatra kokoa. Ataon’izy ireo loha laharana eo amin’ny fiainany àry ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah, ary tena mahatsiaro ho “velombelona” izy rehefa mitondra ny zioga mora entina atolotr’i Jesosy.—Matio 11:29, 30; Asan’ny Apostoly 20:35.
Mifidiana fialam-boly mety amin’ny Kristianina
6, 7. Ahoana no ahafantarana raha mety na tsy mety amin’ny Kristianina ny fialam-boly iray?
6 Ahoana no ahalalana fa mety amin’ny Kristianina ny fialam-boly iray? Marina fa manoro ny zanany ny ray aman-dreny, ary afaka manampy koa ny anti-panahy raha ilaina. Kanefa tsy voatery hisy olona foana hanoro antsika hoe tsy mety amin’ny Kristianina ny boky, filma, lalao, dihy, na hira iray. Nilaza i Paoly fa “ny olona matotra, [dia] manana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy, satria nampiasaina.” (Hebreo 5:14; 1 Korintianina 14:20) Manome toro lalana ny Baiboly, ary afaka mitari-dalana anao ny feon’ny fieritreretanao voaofan’izy io, raha henoinao.—1 Timoty 1:19.
7 Nilaza i Jesosy fa “ny voany no ahafantarana ny hazo.” (Matio 12:33) Koa raha mamoa voa ratsy ny fialam-boly iray, izany hoe misarika antsika hanao herisetra, haloto fitondran-tena, na hifandray amin’ny fanahy ratsy, dia tsy tokony hanao izany isika. Tsy mety koa ilay izy, raha mahatandindomin-doza ny aina, na manimba fahasalamana, na miteraka fahasahiranana ara-bola, na mahakivy, na manafintohina ny hafa. Nampitandrina ny apostoly Paoly fa manota isika, raha mandratra ny feon’ny fieritreretan’ny rahalahintsika. Hoy izy: “Manota amin’i Kristy ianareo, rehefa manota toy izany amin’ny rahalahinareo ka mandratra ny feon’ny fieritreretany, izay malemy. Koa raha ny sakafo no mahatonga ny rahalahiko hihemotra, dia tsy hihinan-kena intsony mihitsy aho sao hihemotra ny rahalahiko.”—1 Korintianina 8:12, 13.
8. Inona no mety ho voka-dratsin’ny lalao video sy filma sasany?
8 Maro be izao ny lalao video sy filma. Mahafinaritra sy mampiala voly ny sasany aminy sady tsy misy vokany ratsy. Mihabetsaka anefa ny fanao raran’ny Baiboly asehon’izy ireny. Asaina manao habibiana sy mamono olona na manao fihetsika mamoafady ny mpilalao amin’ny lalao video sasany. Tsy azo lazaina ho fialam-boly tsotra fotsiny sy tsy misy maha ratsy azy izany! Halan’i Jehovah ny olona “mifaly hampidi-doza.” (Salamo 11:5; Ohabolana 3:31; Kolosianina 3:5, 6) Mahatonga anao ho tia vola, hasiaka, ho kivy, na mandany ny fotoana tokony hanaovanao zavatra hafa mahasoa ve ilay lalao ataonao? Raha izany, dia ekeo fa manimba ny fifandraisanao amin’i Jehovah ilay izy, ary ahitsio haingana izay tokony hahitsy.—Matio 18:8, 9.
Ahoana no ahitana fialam-boly mahasoa?
9, 10. Inona no ataon’ny olona hendry rehefa mifidy fialam-boly?
9 Mety hanontany isika indraindray hoe: “Inona indray izany no fialam-boly mety amin’ny Kristianina, fa toa tsy mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly daholo ny ankamaroan’ny fialam-boly atolotr’ity tontolo ity?” Matokia fa misy ny fialam-boly mahafinaritra, saingy mitaky ezaka izany. Mila eritreretina sy omanina tsara mialoha izay hatao, ary ny ray aman-dreny no tena tokony handinika izany. Maro no mahatsapa fa mahafinaritra ny miara-miala voly amin’ny fianakaviana na ireo rahalahy sy anabavy anisan’ny fiangonana. Mahafaly sy mampahery, ohatra, ny miara-misakafo sady tsy mirotoroto, fa miresadresaka ny zava-nitranga nandritra ny andro, na foto-kevitra iray avy ao amin’ny Baiboly. Azo atao koa ny mitsangantsangana, manao vakansy, na manao fanatanjahan-tena na lalao hafa mety amin’ny Kristianina. Mahafinaritra sy mamelombelona ny fialam-boly mahasoa toy izany.
10 Hoy ny anti-panahy iray manan-janaka telo: “Efa hatramin’ny mbola kely ny zanakay no nasainay nilaza ny heviny foana, rehefa hifidy toerana hanaovana vakansy izahay. Navelanay hitondra namana iray avy izy telo mianadahy indraindray, ka vao mainka nahafinaritra ny vakansy. Tsy hadinon’ny zanakay mihitsy ny fialam-boly sasany nataonay. Nisy fotoana, ohatra, nanasanay fianakaviana sy namana teo anivon’ny fiangonana. Indraindray izahay niara-nisakafo sy nilalao teny an-tokotany. Nitsangantsangana tamin’ny fiara sy nandeha an-tongotra tany an-tendrombohitra koa izahay, ka nanararaotra niana-javatra momba ny zavaboarin’i Jehovah.”
11, 12. a) Inona no azonao atao tsindraindray, mba hiarahana miala voly amin’ny olon-kafa? b) Inona no karazana fiarahana tena nahafinaritra ny maro ka tsy hadinony mihitsy?
11 Azonao atao ve indraindray ny manasa olon-kafa rehefa hiala voly ianao na ny fianakavianao? Lioka 14:12-14) Afaka manasa an’ireo vaovao koa ianao, nefa fidio tsara izay asainao mba tsy hitaona ny hafa amin’ny zava-dratsy. (2 Timoty 2:20, 21) Ary azo atao ny mitondra sakafo sy miara-misakafo amin’ireo be taona na marary, izay tsy afaka mivoaka ny tranony.—Hebreo 13:1, 2.
Mety hisy olona hila fampaherezana, toy ny olona maty vady, na mpitovo, na olona mitaiza irery ny zanany. (12 Miara-mihinana sakafo tsotsotra ny Kristianina indraindray, sady mitantara ny fomba nahitany ny fahamarinana sy izay nanampy azy tsy hivadika tamin’Andriamanitra. Mbola tsy afaka ao an-tsain’ny maro ny fotoana toy ireny. Azo atao koa ny miresaka foto-kevitra ara-baiboly, ka ampandraisina anjara ny rehetra, anisan’izany ny ankizy. Tsy tokony hatao anefa izay hahasadaikatra ny hafa, na hahatonga azy hahatsiaro tena ho tsy mahay. Hahasoa sy hampahery ny rehetra ilay izy amin’izay.
13. Inona no nampiseho fa sady nahay nandray vahiny i Jesosy sy Paoly, no nanaiky fanasana koa?
13 Nahay nandray vahiny i Jesosy sady nanaiky fanasana, ka modely ho antsika. Nanararaotra an’ireny fotoana ireny foana izy, mba hampaherezana ny hafa teo amin’ny lafiny ara-panahy. (Lioka 5:27-39; 10:42; 19:1-10; 24:28-32) Nanahaka azy ireo mpianany voalohany. (Asan’ny Apostoly 2:46, 47) Hoy ny apostoly Paoly: “Maniry mafy hahita anareo ... aho, hampitako fanomezana ara-panahy aminareo, mba hahatonga anareo ho mafy orina tsara ao amin’ny finoana, na, raha ny marimarina kokoa, dia mba hisy fifampaherezana eo amintsika, ka mba hampahery anareo ny finoako ary ny anareo kosa hampahery ahy.” (Romanina 1:11, 12) Tokony hahafahana hifampahery koa ny fiarahantsika mikorana.—Romanina 12:13; 15:1, 2.
Fampahatsiahivana sy fampitandremana
14. Nahoana no tsy fahendrena ny manasa olona be dia be mba hiara-miala voly?
14 Tsy fahendrena ny manasa olona be dia be mba hiara-miala voly, satria sarotra mazàna ny manara-maso izany. Azon’ny fianakaviana vitsivitsy atao ny miara-mitsangantsangana na miara-manao lalao tsy misy fifaninanana tafahoatra, amin’ny fotoana tsy mifanindry amin’ny fandaharana ara-panahy. Hisy vokany tsara eo amin’ny rehetra raha asaina ny anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana na olon-kafa matotra, ka vao mainka hamelombelona antsika ilay fiarahana.
15. Nahoana ny tompom-panasana no tokony hanara-maso tsara ny zava-mitranga amin’ny fanasana ataony?
15 Tsy tokony hohadinoin’ny tompom-panasana fa ilaina ny fanaraha-maso tsara. Marina fa mahafinaritra ny mandray vahiny, kanefa ahoana raha nisy olona tafintohina noho izay nitranga tao an-tranonao, satria somary nanao an-tsirambina ianao? Tsy hanenjika anao ve ny eritreritrao? Diniho ny toro lalana ao amin’ny Deoteronomia 22:8. Rehefa nanorina trano ny Israelita, dia tsy maintsy nasiany arofanina teny an-tampony. Nisy karazana lavarangana teny, izay mazàna natao handraisam-bahiny. Inona no anton’ilay arofanina? Sao ‘hisy olona hianjera eny, ka hahatonga heloka ny amin’ny ra ho ao an-tranony.’ Toy izany koa rehefa manasa olona ianao. Tokony hanao izay hiarovana azy ireo amin’ny loza ara-batana sy ara-panahy ianao, na dia tsy voatery ho hentitra loatra aza ny fitsipika apetrakao.
16. Inona avy no tokony hotandremana raha toa ka misy zava-pisotro misy alkaola amin’ny fanasana iray?
16 Mila mitandrina fatratra ianao, raha handroso Efesianina 5:18, 19) Mety hanapa-kevitra tsy hisotro mihitsy ny vahiny sasany, noho ny antony samihafa. Any amin’ny firenena sasany koa, dia misy lalàna mamaritra hoe firy taona ny olona iray vao afaka misotro. Mankatò ny lalàn’i Kaisara ny Kristianina, na dia mety ho toa hentitra loatra aza izy ireny.—Romanina 13:5.
zava-pisotro misy alkaola mandritra ny fanasanao. Maro ny Kristianina manapa-kevitra fa tsy handroso zava-pisotro misy alkaola, raha tsy izy mihitsy no manara-maso izay aroso ho an’ny vahiny sy ny habetsahan’izay sotroin’izy ireo. Tsy tokony havela hisy mihitsy ny toe-javatra mety hanafintohina ny hafa, na hahatonga ny vahiny halaim-panahy hisotro tafahoatra. (17. a) Raha hisy mozika amin’ny fanasana iray, nahoana ny tompom-panasana no mila mifantina tsara? b) Raha hisy dihy amin’ny fanasana iray, manao ahoana ny hoe dihy maotina?
17 Tokony hijery tsara ny tompom-panasana raha mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly ny mozika alefa sy ny dihy ary ny fialam-boly hafa atao. Marina fa samy manana ny mozika tiany ny olona, ary misy mozika maro azo isafidianana. Mampirisika ny olona hikomy sy haloto fitondran-tena ary hahery setra anefa ny ankamaroan’ny mozika ankehitriny. Ilaina àry ny mifantina. Tsy voatery ho mozika malefaka no atao hoe mozika mendrika. Tsy mendrika anefa ny mozika manaitaitra filana na misy teny ratsy, izay sady alefa mitatatata no mafy gadona. Raha olon-kafa no asainao mifidy ny mozika, dia mitandrema mba tsy ho olona tsy mahay mandanjalanja ny hamafin’ny zavamaneno, no asainao manao izany. Mazava ho azy fa tsy mety amin’ny Kristianina ny manao dihy misy fihetsika tsy maotina, toy ny fampandihizana ny fitombenana sy ny nono, izay manaitaitra ny filana.—1 Timoty 2:8-10.
18. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anaraha-maso ny fanasana alehan’ny zanany, mba hiarovana azy ireo?
18 Tokony hofantarin’ny ray aman-dreny kristianina izay hatao any amin’ny fiaraha-mikorana anasana ny zanany. Tsara amin’ny ankapobeny raha miaraka aminy izy ireo. Mampalahelo anefa fa nisy ray aman-dreny namela ny zanany handeha tany amin’ny fikoranana tsy voara-maso, izay nahitana olona maromaro resin’ny fakam-panahy ka naloto fitondran-tena sy nanao zavatra hafa tsy mendrika. (Efesianina 6:1-4) Na dia efa 20 taona any ho any aza ilay ankizy, sady efa hita hoe matomatotra, dia mbola mila ampiana ihany mba ‘handositra ny faniriana mpitranga eo amin’ny tanora.’—2 Timoty 2:22.
19. Inona no mila ekentsika, mba hifantohantsika amin’izay tokony ho loha laharana eo amin’ny fiainana?
19 Manome hamamiana ny fiainana ny fialam-boly mahasoa sy mamelombelona, atao tsindraindray. Tsy raran’i Jehovah izany, kanefa miara-manaiky isika fa tsy izany no fomba hanangonana harena ara-panahy any an-danitra. (Matio 6:19-21) Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Katsaho hatrany ... aloha ny fanjakan[’Andriamanitra] sy ny fahamarinany.” Nohazavainy fa izany no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana, fa tsy ny sakafo na ny zava-pisotro na ny fitafiana, izay “katsahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra.”—Matio 6:31-34.
20. Inona no zava-tsoa miandry ny mpanompo mahatokin’i Jehovah, ilay Mpanome ny zava-tsoa rehetra?
20 Tena ho afaka ‘hanao ny zava-drehetra ho voninahitr’Andriamanitra isika, na mihinana na misotro, ary na inona na inona ataontsika.’ Misaotra azy isika noho ny zava-tsoa tondraka omeny, sady mankafy izany amim-pahalalana onony. (1 Korintianina 10:31) Tsy ho ela dia ho lasa Paradisa ny tany. Ho afaka hanaram-po lalandava amin’ny fahalalahan-tanan’i Jehovah isika amin’izay, miaraka amin’ny olona rehetra mankatò ny fitsipiny marina.—Salamo 145:16; Isaia 25:6; 2 Korintianina 7:1.
Tadidinao Ve?
• Nahoana no sarotra amin’ny Kristianina ny mahita fialam-boly mahasoa?
• Inona no fialam-boly nahafinaritra ny fianakaviana kristianina sasany?
• Inona no fampahatsiahivana sy fampitandremana mila tadidina, mba hahasoa foana ny fialam-boly ataontsika?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 18]
Mifidiana fialam-boly mahasoa
[Sary, pejy 19]
Inona no karazana fialam-boly tsy ataon’ny Kristianina?