Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza Ankehitriny no Manaraka ny Fampianaran’i Kristy?

Iza Ankehitriny no Manaraka ny Fampianaran’i Kristy?

Iza Ankehitriny no Manaraka ny Fampianaran’i Kristy?

OLONA maro no mieritreritra fa anisan’ny lehilahy niavaka indrindra teto an-tany i Jesosy Kristy. Misy mihitsy aza mihevitra, fa izy no lehilahy niavaka indrindra. Nisy heriny lehibe teo amin’ny fiainan’ny olona ny fampianaran’i Jesosy, tao anatin’ny roa arivo taona teo ho eo izay. Miseho amin’ny “hatsaram-panahy kely tsy voamariky ny hafa” izany, na koa amin’ny “asa soa miavaka”, araka ny voalazan’i Melvyn Bragg, mpanoratra anglisy.

Ahoana ny amin’ny fivavahana kristianina?

Ahoana no fiheveran’ny olona ny fivavahana kristianina? Voalaza fa “anisan’ny nitondra fivoarana lehibe indrindra teo amin’ny fiainana ara-panahin’ny olombelona” izy io. Naneho ny heviny, ohatra, i David Kelso, avy ao amin’ny oniversite iray any Glasgow, Ekosy. Hoy izy: “Nandroso be mihitsy ny zavakanto, hairafitrano, filozofia, mozika, ary ny fanaovana asa soa, nandritra ireo roa arivo taona nisian[’ny fivavahana kristianina].”

Mifanipaka amin’izany anefa ny hevitry ny olona maro. Tsy lavin’izy ireo aloha fa ny atao hoe fivavahana kristianina, dia fivavahana miorina amin’ny fampianaran’i Jesosy Kristy sy ny finoana azy ho zanak’Andriamanitra. Maharikoriko azy ireo anefa ny zavatra ataon’ireo fikambanana misolo tena ny fivavahana kristianina.

Nilaza, ohatra, i Friedrich Nietzsche, filozofa alemà tamin’ny taonjato faha-19, fa ny fivavahana kristianina tatỳ aorian’ny andron’ny apostoly, no “fositra manimba mandrakariva ny zanak’olombelona.” Hoy koa izy: “Raha misy ny zavatra faran’izay mampidi-doza ho an’ny olombelona sy faran’izay ratsy hatrany amin’ny tsinay maintiny [dia io fivavahana kristianina io] ... Ampiasainy daholo na ankaso, fitaka, tetika maizimaizina, na zava-dratsy hafa, mba hanatanterahany ny sitrapony.” Marina aloha fa tafahoatra ny tenin’i Nietzsche. Maro anefa ny olona misaina sy mandini-javatra manatsoaka hevitra toa azy. Nahoana? Satria nandritra ireo taonjato lasa, dia tsy ny toetran’i Jesosy Kristy no nasehon’ireo mitonona ho Kristianina, fa “fitondran-tena maloto, vonoan’olona mahatsiravina, ary fanevatevana an’Andriamanitra.”

Mbola miaraka amin’ireo mitonona ho Kristianina ve i Kristy?

Tsara àry ny hanontaniana hoe: “Mbola miaraka amin’ireo mitonona ho Kristianina ve i Kristy?” Hamaly avy hatrany ny sasany hoe: “Mazava ho azy! Fa angaha moa izy tsy efa nampanantena ny mpanara-dia azy fa hiaraka amin’izy ireo foana, ‘ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao’?” (Matio 28:20, Fandikan-teny Protestanta) Marina fa nilaza an’izany i Jesosy. Te hilaza ve anefa izy fa hiaraka amin’izay rehetra mitonona ho mpanara-dia azy, na manao ahoana na manao ahoana fitondran-tenan’izy ireo?

Tsarovy ny zava-nisy tamin’ny andron’i Jesosy. Nihevitra ny mpitondra fivavahana sasany fa niaraka tamin’izy ireo foana Andriamanitra, satria vahoaka nofidiny hanatontosa asa manokana ny Israely. Nieritreritra àry izy ireo fa tsy handao azy mihitsy Andriamanitra, na tsara ny fitondran-tenany na ratsy. (Mika 3:11) Tafahoatra loatra anefa, tatỳ aoriana, ny fandikan’izy ireo ny lalàn’Andriamanitra sy ny fitsipiny. Noho izany, dia nilaza nivantana tamin’izy ireo i Jesosy Kristy hoe: “Indro, ilaozana eo ianareo sy ny tranonareo.” (Matio 23:38) Tsy nankasitrahan’Andriamanitra intsony ny fivavahan’izy ireo. Nolaviny izy io, ary navelany horavan’ny miaramila romanina i Jerosalema renivohiny sy ny tempoliny, tamin’ny taona 70.

Mety hihatra amin’ny fivavahana kristianina koa ve ny zavatra toy izany? Inona no fepetra napetrak’i Jesosy ho an’ny mpianany, mba hiarahany amin’izy ireo foana mandra-pahatongan’ny “fahataperan’izao tontolo izao”? Andeha hodinihintsika.

[Sary, pejy 2, 3]

Misy heriny lehibe eo amin’ny olona an-tapitrisany maneran-tany, ny fampianaran’i Jesosy Kristy