Iza no Tena Kristianina?
Iza no Tena Kristianina?
‘IREO mampianatra sy manaraka ny fampianaran’i Jesosy Kristy, no tena Kristianina.’ (Ny Atao hoe Kristianina) Mazava ny tian’i Hans Küng, teolojianina soisa, hambara amin’izany, dia izao: Ireo olona tso-po manaraka ny fampianaran’i Jesosy ihany no tena Kristianina.
Inona àry no hanjo an’ireo olona na fivavahana mihambo ho mpanara-dia an’i Kristy, nefa tsy manaraka ny fampianarany? I Jesosy mihitsy no nilaza fa maro ny olona hihambo ho Kristianina. Hitanisa ny zavatra nataony mba hanaporofoany ny nanompoany an’i Jesosy izy ireo, ka hilaza hoe: “Tsy efa naminany tamin’ny anaranao ve izahay, sy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao, ary efa nanao fahagagana maro tamin’ny anaranao?” Ahoana anefa no havalin’i Jesosy azy ireo? Miharihary amin’ireto Matio 7:22, 23.
teny manaitra ireto ny didim-pitsarany: “Tsy fantatro mihitsy ianareo! Mialà amiko, ianareo mpandika lalàna.”—Izany ka fampitandremana tsy miolakolaka ho an’ireo “mpandika lalàna” mihambo ho mpanara-dia an’i Jesosy! Misy fepetra roa lehibe takina amin’ireo tena Kristianina. Tsy maintsy manaraka izany ny olona raha tsy tiany ny holavin’i Jesosy, sy hoheveriny ho mpandika lalàna. Andeha isika handinika ireo fepetra ireo.
“Mifankatia”
Izao no fepetra iray napetrak’i Jesosy: “Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba ifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.”—Jaona 13:34, 35.
Takin’i Jesosy ny hifankatiavan’ny mpanara-dia azy, sy ny hitiavany ny mpiara-belona aminy. Maro ny Kristianina nahafeno an’io fepetra io nandritra ny taonjato maro, taorian’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany. Ahoana anefa ny amin’ireo fivavahana maro mihambo ho solon-tenan’i Kristy? Naneho fitiavana koa ve izy ireo, raha ny tantarany no jerena? Tsy izany velively. Nitarika ady sy fifandonana maro be, izay namoizana ain’olona tsy manan-tsiny, izy ireo.—Apokalypsy 18:24.
Mbola mitohy mandraka ankehitriny izany. Firenena mihambo ho Kristianina no nitarika ireo ady lehibe roa nandripahana ain’olona maro be, tamin’ny taonjato faha-20. Olona nitonona ho Kristianina koa no nitarika ny vonoan’olona mahatsiravina saika handripahana foko iray tany Rwanda, tamin’ny 1994. Hoy i Desmond Tutu, arseveka anglikanina taloha: “Mitovy finoana ireo olona nifamono ireo, ary Kristianina ny ankamaroany.”
“Tsy miala amin’ny teniko”
Nilaza ny fepetra faharoa tsy maintsy fenoin’ny tena Kristianina koa i Jesosy. Hoy izy: “Raha tsy miala amin’ny teniko ianareo dia tena mpianatro tokoa, ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.”—Jaona 8:31, 32.
Tsy tian’i Jesosy hiala amin’ny teniny ny mpanara-dia azy, izany hoe iriny hanaraka hatrany ny fampianarany. Nilaza anefa i Küng, teolojianina, fa “filozofia grika indray no nampianarin’ireo” mpitondra fivavahana nihambo ho nanara-dia an’i Kristy. Navelan’izy ireo ny fampianaran’i Jesosy, fa nosoloany zavatra hafa, toy ny tsy fahafatesan’ny fanahy, afofandiovana, fivavahana amin’i Maria. Navahan’izy ireo tamin’ny olon-tsotra koa ny mpitondra fivavahana. Izany rehetra izany dia nalaina avy tamin’ny fampianaran’ny filozofa sy ny fivavahan’ny mpanompo sampy.—1 Korintianina 1:19-21; 3:18-20.
Eo koa ny amin’ny Andriamanitra telo izay iray, izay fampianarana saro-takarina, sady manondrotra an’i Jesosy eo amin’ny toerana tsy noeritreretiny mihitsy. Nanjary tsy nivavaka tamin’i Jehovah Ray ny olona noho io fampianarana io, na dia io Rainy io aza no nasain’i Jesosy hivavahana. (Matio 5:16; 6:9; Jaona 14:28; 20:17) Hoy i Hans Küng: ‘Ny Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba no Andriamanitra noresahin’i Jesosy. Tsy iza izany fa i Iaveh. Izy io ihany no nolazain’i Jesosy fa Andriamanitra.’ Mba firy amin’ny olona miaina ankehitriny anefa no mahafantatra fa i Iaveh na Jehovah, no anaran’ny Ray sady Andriamanitr’i Jesosy?
Nandidy ny Kristianina i Jesosy mba tsy hitsabaka amin’ny politika. Nandika tanteraka an’izany anefa ny mpitondra fivavahana. “Nafana ny fanindrahindram-poko” tany Galilia, tamin’ny andron’i Jesosy, araka ny nolazain’ilay mpanoratra atao hoe Trevor Morrow. Maro tamin’ny Jiosy tia tanindrazana no nitolona sy nitam-piadiana, mba hahazoana fahafahana ara-politika sy ara-pivavahana. Nasain’i Jesosy nirotsaka tamin’izany tolona izany ve ny mpianany? Tsia. Nilaza tamin’izy ireo kosa izy hoe: “Tsy anisan’izao tontolo izao ianareo.” (Jaona 15:19; 17:14) Tsy nanaraka an’izany anefa ny mpitondra fivavahana. Nampianarin’izy ireo kosa fa mila “miady sy manao politika ny fiangonana”, araka ny nolazain’i Hubert Butler, mpanoratra irlandey. Hoy koa izy: “Matetika ny fivavahana kristianina manao politika no fatra-panohana ny tafika. Ary mazàna ny mpitondra fivavahana no mitso-drano ny tafi-panjakana ho setrin’ny tombontsoa omena azy, rehefa mifanaraka tsara izy sy ny mpitondra fanjakana.”
Mandà an’i Jesosy ny mpampianatra sandoka
Nampitandrina ny apostoly Paoly, fa hisy Kristianina hivaona amin’ny fampianaran’i Kristy. Nolazainy fa rehefa maty izy dia hisy “amboadia masiaka” avy amin’ireo mihambo ho Kristianina, ary ‘hanolana hevi-teny mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.’ (Asan’ny Apostoly 20:29, 30) ‘Hilaza ampahibemaso ho mahafantatra an’Andriamanitra’ izy ireny, nefa “mandà azy amin’ny ataony.” (Titosy 1:16) Nampitandrina koa ny apostoly Petera, fa hisy mpampianatra sandoka “hampiditra mangingina sekta manimba, sady handa an’ilay tompo nividy azy.” Ratsy fitondran-tena izy ireo, hoy izy, ka izany no “hanevatevana ny lalan’ny fahamarinana.” (2 Petera 2:1, 2) Nilaza i W. Vine, manam-pahaizana grika, fa ny hoe mandà an’i Kristy dia midika hoe “mandà ny Ray sy ny Zanaka, ka mivadi-pinoana sy manely fampianarana manimba.”
Inona no hataon’i Jesosy, raha ‘miala amin’ny teniny’ ireo mihambo ho mpianany, sady tsy mahafeno ny fepetra hafa napetrany? Nampitandrina izy hoe: “Izay mandà ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa eo anatrehan’ny Raiko any an-danitra.” (Matio 10:33) Mazava ho azy fa tsy holavin’i Jesosy ny olona iray raha nanao fahadisoana, nefa efa mba niezaka mafy ny tsy hivadika. Na dia nanda an’i Jesosy intelo aza, ohatra, ny apostoly Petera, dia nibebaka izy ka voavela ny helony. (Matio 26:69-75) Lavin’i Jesosy kosa ny olona na fivavahana toy ny amboadia mitafy hodi-janak’ondry, izany hoe miseho ho mpanara-dia azy nefa mandà an-kitsirano hatrany ny fampianarany. Hoy i Jesosy momba ny mpampianatra sandoka toy izany: ‘Ireo voa izay vokariny no hahafantaranareo tsara an’ireny olona ireny.’—Matio 7:15-20.
Nirongatra ny fivadiham-pinoana rehefa maty ny apostoly
Oviana ny Kristianina sandoka no nanomboka nanda an’i Kristy? Tsy ela taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Efa nampitandrina izy fa hamafy “tsimparifary” eo amin’ny “voa” i Satana Devoly, izany hoe hampiely Kristianina sandoka eo anivon’ny tena Kristianina, izay vao avy nambolen’i Jesosy nandritra ny fanompoany. (Matio 13:24, 25, 37-39) Nampitandrina koa ny apostoly Paoly fa efa nisy mpampianatra namitaka, tamin’ny androny. Nilaza izy fa ‘tsy [tena] tia ny fahamarinana’ ireny olona ireny, ka izany no antony lehibe indrindra nialan’izy ireo tamin’ny fampianaran’i Jesosy Kristy.—2 Tesalonianina 2:10.
Nisakana ny fivadiham-pinoana tsy hiroborobo ireo apostolin’i Jesosy Kristy, tamin’izy ireo mbola velona. Rehefa maty anefa izy ireo, dia nampiasain’ny mpitondra fivavahana “ny fahagagana rehetra, mbamin’ny famantarana sy fambara mandainga rehetra ... [ary] ny famitahana tsy marina rehetra”, mba hamitahana ny olona. Vokatr’izany, dia nihamaro ny olona niala tamin’ny fahamarinana nampianarin’i Jesosy 2 Tesalonianina 2:3, 6-12) Niova ilay fiangonana kristianina voalohany, tsy ela tatỳ aoriana, ka lasa fivavahana izay azo inoana fa “hampitolagaga an’i Jesosy, ary na i Paoly aza”, araka ny tenin’i Bertrand Russel, filozofa anglisy.
sy ny apostoliny. (Naverina tamin’ny laoniny ny tena fivavahana kristianina
Hita araka izany, fa tsy hita taratra teo amin’ny zavatra nataon’ireo fivavahana mihambo ho Kristianina mihitsy ny fampianaran’i Kristy, taorian’ny nahafatesan’ny apostoly. Izany anefa tsy midika hoe tsy nitana ny teny nataony i Jesosy. Mbola miaraka amin’ny mpanara-dia azy foana izy “mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 28:20) Azo antoka fa nisy foana ny olona tsy nivadika, izay ‘nampianatra sy nanaraka ny fampianaran’i Jesosy Kristy’, nanomboka tamin’ny fotoana nilazany an’ireo teny ireo. Nitana ny teny nataony tokoa i Jesosy Kristy. Nanohana ny olona toy ireny izy, rehefa niezaka naneho fitiavana izay marika amantarana ny tena Kristianina izy ireny, sady tsy niala tamin’ny fahamarinana nampianariny.
Nampanantena koa i Jesosy, fa hanangona ny mpianany mahatoky eo anivon’ny fiangonana miavaka iray, mandritra ny andro farany. Io no ampiasainy mba hanatanterahana ny sitrapony. (Matio 24:14, 45-47) Mampiasa an’io fiangonana io izy ankehitriny, mba hanangonana ny “vahoaka be”, dia lehilahy sy vehivavy ary ankizy ‘avy amin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra.’ Mitarika azy ireo koa izy, sady mampiray azy ho “andiany iray” ary “iray ihany ny mpiandry.”—Apokalypsy 7:9, 14-17; Jaona 10:16; Efesianina 4:11-16.
Aoka àry ianao hiala amin’ny fivavahana nandoto ny anaran’i Kristy sy nanala baraka ny Kristianisma nandritra ireo roa arivo taona lasa. Raha tsy izany, dia mety ‘hanjo anao ny loza hanjo’ azy ireo, rehefa hampihatra ny didim-pitsarany amin’izy ireo tsy ho ela Andriamanitra, araka ny nolazain’i Jesosy Kristy tamin’ny apostoly Jaona. (Apokalypsy 1:1; 18:4, 5) Aoka ianao ho tapa-kevitra ny hiaraka amin’ireo tena Kristianina. Nilaza mantsy i Mika mpaminany fa amin’ny andro farany dia hihaino ny fampianaran’Andriamanitra ireo tena mpivavaka ireo, ary ‘handeha amin’ny atorony’ ka hanaraka ny fivavahana madio izay naverina tamin’ny laoniny. (Mika 4:1-4) Ho faly ny mpampanonta an’ity gazety ity hampahafantatra anao hoe iza ireo tena mpivavaka ireo.
[Sary, pejy 5]
Nahoana ny tena Kristianina no tsy mandray anjara amin’ny ady?
[Sary nahazoan-dalana]
Miaramila, ankavia: U.S. National Archives photo; fanipazana lelafo, ankavanana: U.S. Army Photo
[Sary, pejy 7]
Ny ‘fifankatiavana’ sy ny ‘fanarahana ny teniny’ no fepetra lehibe takin’i Jesosy amin’ny tena Kristianina