Fanontanian’ny Mpamaky
Fanontanian’ny Mpamaky
Raha ampijalijalin’ny demonia foana ny olona iray, inona no azony atao mba ho afaka amin’izany izy?
Asehon’ny Tenin’Andriamanitra fa afaka miala amin’izany fampijalijaliana izany ny olona tafihin’ny demonia. Tena ilainy aloha ny mivavaka. (Marka 9:25-29) Mety hila hanao dingana fanampiny koa anefa izy. Manazava izany ny zava-nitranga tamin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany.
Nifandray tamin’ny demonia ny olona sasany tany Efesosy fahiny, tamin’izy ireo mbola tsy Kristianina. Rehefa tapa-kevitra hanompo an’Andriamanitra anefa izy ireo, dia ‘nanangona ny bokiny ireo mpanao mazia ka nandoro izany teo anatrehan’ny rehetra.’ (Asan’ny Apostoly 19:19). Nandoro ny bokiny nisy fanaovana sikidy ireo Efesianina vao tonga mpino ireo. Izany koa no tokony hataon’izay te ho afaka amin’ny fanafihan’ny demonia amin’izao andro izao. Tsy maintsy manary izay zavatra rehetra misy ifandraisana amin’ny herin’ny maizina àry izy ireo. Anisan’izany ny boky, gazety, filma, fanazavana nalaina tao amin’ny Internet, mozika noraisim-peo, ary “ody fiaro.”—Deoteronomia 7:25, 26; 1 Korintianina 10:21.
Taona vitsivitsy taorian’ny nandoroan’ireo Kristianina tany Efesosy ireo ny bokiny momba ny mazia, dia nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: ‘Mitolona amin’ireo fanahy ratsy isika.’ (Efesianina 6:12) Nampirisika mafy an’ireny Kristianina ireny toy izao àry izy: “Tafio avokoa ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra mba hahafahanareo ho mafy orina ka hahatohitra ny teti-dratsin’ny Devoly.” (Efesianina 6:11) Mbola tokony hampiharina foana io torohevitra io. Tsy maintsy miezaka mafy manatsara ny fifandraisany amin’Andriamanitra ny Kristianina mba ho voaro amin’ny fanafihan’ny fanahy ratsy. Nanamafy i Paoly hoe: “Ambonin’izany rehetra izany, dia raiso ny ampinga lehibe, dia ny finoana, izay hahafahanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy.” (Efesianina 6:16) Manatanjaka ny finoana ny fianarana Baiboly. (Romanina 10:17; Kolosianina 2:6, 7) Ny fianarana Baiboly tsy tapaka àry no manampy antsika hitombo finoana, izay hiaro antsika amin’ny herin’ny fanahy ratsy.—Salamo 91:4; 1 Jaona 5:5.
Mbola nila nanao dingana lehibe hafa koa anefa ireny Kristianina tany Efesosy ireny. Hoy i Paoly: “Mivavaha mandrakariva na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, eo ambany fitarihan’ny fanahy, sady manaova vavaka sy fitalahoana amin’ny endriny rehetra.” (Efesianina 6:18) Tena zava-dehibe tokoa ny mitalaho na mivavaka mafy mba hahazoana ny fiarovan’i Jehovah. Tena mila manao izany izay te ho afaka amin’ny fanafihan’ny demonia. (Ohabolana 18:10; Matio 6:13; 1 Jaona 5:18, 19) Izany indrindra no ilazan’ny Baiboly hoe: “Koa maneke an’Andriamanitra ianareo, fa tohero kosa ny Devoly, dia handositra anareo izy.”—Jakoba 4:7.
Tokony hivavaka mafy ny olona tafihin’ny demonia, mba ho afaka amin’izany. Ireo Kristianina hafa koa anefa dia afaka mivavaka ho an’izay tena maniry hanompo an’i Jehovah ka miezaka mafy hanohitra ny fanahy ratsy. Azon’izy ireo atao ny mangataka amin’Andriamanitra mba hanome tanjaka ara-panahy an’ilay ampahorin’ny demonia, ka hahafahany hanohitra azy ireny. Azo antoka fa hahasoa an’ireo miezaka mafy ‘hanohitra ny Devoly’, ny vavaka ataon’ny mpanompon’Andriamanitra. Milaza mantsy ny Baiboly fa “ny fitalahoan’ny olo-marina dia manan-kery lehibe, rehefa miasa.”—Jakoba 5:16.
[Sary, pejy 31]
Nandoro ny bokiny momba ny mazia ny Kristianina tany Efesosy