Niaro ny Fahamarinana ve i Méliton avy any Sardisy?
Niaro ny Fahamarinana ve i Méliton avy any Sardisy?
MANKALAZA ny Sakafo Harivan’ny Tompo ny tena Kristianina, isan-taona, rehefa tonga ny daty mifanitsy amin’ny 14 Nisana amin’ny kalandrie hebreo. Mankatò an’ity baikon’i Jesosy ity mantsy izy ireo: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” Tamin’ny 14 Nisana taona 33 tokoa no nanorenan’i Jesosy ny Fahatsiarovana ny nahafatesany ho sorona, rehefa avy nankalaza ny Paska izy. Maty tamin’io andro io izy.—Lioka 22:19, 20; 1 Korintianina 11:23-28.
Nanomboka nanova ny fotoana sy ny fomba nankalazana an’ilay fahatsiarovana ny olona sasany, tamin’ny taonjato faharoa. Mbola ilay daty nahafatesan’i Jesosy no notsarovana tany Azia Minora. Nilaza anefa ny boky iray fa “ny nitsanganany tamin’ny maty ny alahady taorian’ny nahafatesany indray, no nankalazaina tany Roma sy Aleksandria.” Nantsoina hoe Paska Fitsanganana ilay izy. Nisy antokon’olona niady mafy anefa, mba hankalazana ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy isaky ny 14 Nisana. Mpitandrina ny Faha-14 no niantsoana azy ireo, ary niombon-kevitra tamin’izy ireo i Méliton avy any Sardisy. Iza moa izy? Ary ahoana no niarovany an’io fahamarinana ao amin’ny Baiboly io sy ny hafa?
‘Nitondra fahazavana’
Notantarain’i Eusèbe avy any Kaisaria tao amin’ny bokiny hoe Tantaran’ny Fiangonana (anglisy), fa nandefa taratasy tany amin’ny Eglizy tany Roma i Polycrate avy any Efesosy, tamin’ny faran’ny taonjato faharoa. Nosoratany io taratasy io mba hanaporofoana fa tokony hatao “mifanaraka amin’izay voalazan’ny Filazantsara ny fankalazana ny andro fahefatra ambin’ny folo amin’ny Paska, fa tsy tokony hivaona amin’izany mihitsy. Tokony hankatoavina koa ny fitsipika kristianina momba izany.” Voasoratra ao hoe anisan’ireo olona nanaporofo i Méliton, evekan’i Sardisy, any Lydia, fa ny 14 Nisana no daty tokony hotsarovana. Noresahina tao koa fa noheverin’ny mpiara-belona taminy ho anisan’ireo ‘olona nitondra fahazavana’ i Méliton ‘fony fahavelony.’ Nilaza i Polycrate fa tsy nanambady i Méliton, ary “nifantoka tanteraka tamin’ny zavatra nifandray tamin’ny Fanahy Masina. Milevina any Sardisy izy, ary miandry ny antso avy any an-danitra, rehefa hatsangana amin’ny maty.” Midika angamba izany fa anisan’ireo Apokalypsy 20:1-6.
nino i Méliton hoe aorian’ny fiverenan’i Kristy vao hatsangana ny maty.—Hita àry fa tsy maintsy ho lehilahy be herim-po sy sahy i Méliton. Nanoratra boky iray ho an’i Marc Aurèle, Mpanjaka Romanina tamin’ny taona 161 ka hatramin’ny 180, ohatra, izy, mba hiarovana ny Kristianina. Anisan’ny voalohany nanao izany izy. Sahiny ny niaro ny Kristianisma sy niampanga an’ireo lehilahy ratsy toetra sy tia harena tafahoatra. Te hangalatra ny fananan’ny Kristianina ireny lehilahy ireny, ka nampiasa didim-panjakana isan-karazany, mba hanamarinana fa ara-dalàna ny manenjika sy manameloka tsy ara-drariny azy ireo.
Sahy nanoratra toy izao tany amin’ilay mpanjaka i Méliton: “Izao zavatra iray loha izao no hany angatahinay aminao, dia ny mba hanamarinanao raha [ny Kristianina] tokoa no mahatonga izao korontana izao, ary hitsaranao amin’ny saina tsy miangatra raha toa ka mendrika ny ho faty sy hosazina izy ireo, na tokony harovana. Raha tsy avy aminao anefa io lalàna vaovao io, dia mbola miangavy mafy anao izahay mba tsy hijery anay fotsiny, eo anatrehan’ireny fandrobana mahatsiravina ataon’ny mpanenjika anay ireny. Tsy mendrika ny hampiharana an’ilay lalàna mantsy na dia ny fahavalo tsy mifaditrovana aza.”
Nampiasa ny Soratra Masina mba hiarovana ny Kristianisma
Tena tia nianatra ny Soratra Masina i Méliton. Tsy ananantsika ny lisitry ny asa sorany rehetra, nefa hita avy amin’ny lohatenin’ny sasany fa tia loha hevitra ara-baiboly izy. Ireto ny asa sorany sasany: Ny Fiainana Kristianina sy Ireo Mpaminany, Ny Fatokiana Olona, Ny Famoronana, Ny Batisa sy ny Fahamarinana ary ny Finoana sy ny Fahaterahan’i Kristy, Ny Fahaiza-mandray Vahiny, Ny Fomba Ahaizana Soratra Masina, Ny Devoly sy ny Apokalypsy Nosoratan’i Jaona.
Nandeha tany Palestina mihitsy i Méliton, mba hikaroka ny tena isan’ny boky ao amin’ny Soratra Hebreo. Izao no nosoratany ho an’ny lehilahy iray atao hoe Onésime: “Nankany Atsinanana tokoa aho, tany amin’ny toerana nitoriana sy nitrangan’ireo zavatra ireo. Efa nianarako tsara koa ireo boky ao amin’ny Testamenta Taloha.
Nosoratako ny momba izany, ka indro alefako ho anao.” Nisy ny lisitr’ireo boky ekena ho anisan’ny Soratra Hebreo tao amin’io taratasiny io. Marina fa tsy tononiny ny bokin’i Nehemia sy Estera, nefa io no lisitra tranainy indrindra nataon’ny olona mitonona ho Kristianina.Nanangona andinin-teny maromaro avy ao amin’ny Soratra Hebreo misy faminaniana momba an’i Jesosy, i Méliton, tamin’io fikarohana io. Nataony tao anatin’ilay boky hoe Santionany (anglisy) izy ireny. Aseho ao fa i Jesosy no ilay Mesia nandrasana hatry ny ela, ary niresaka mialoha momba azy ny Mpaminany sy ny Lalàn’i Mosesy.
Noporofoiny fa sarobidy ny vidim-panavotana
Maro ny Jiosy nipetraka tany amin’ireo tanàn-dehiben’i Azia Minora. Nankalaza ny Paska Hebreo, ohatra, ny Jiosy tany Sardisy, tanàna nipetrahan’i Méliton, rehefa tonga ny 14 Nisana. Nanoratra lahateny iray nitondra ny lohateny hoe Ny Paska i Méliton, ka nampiseho ny antony nilana nankalazana ny Paska fony izy io notakin’ny Lalàn’i Mosesy. Noporofoiny avy eo fa ny Sakafo Harivan’ny Tompo no tokony hankalazain’ny Kristianina isaky ny 14 Nisana.
Nanazava ny Eksodosy toko faha-12 i Méliton, ary nanaporofo fa nifanitsy tamin’ny Paska ny sorona nataon’i Kristy. Nohazavainy avy eo fa tsy nila nankalaza ny Paska ny Kristianina. Efa nofoanan’Andriamanitra mantsy ny Lalàn’i Mosesy. Nasehony koa hoe nahoana no nilaina ny sorona nataon’i Kristy. Napetrak’Andriamanitra tao amin’ny paradisa i Adama, mba ho sambatra. Tsy nankatoaviny anefa ilay didin’Andriamanitra mba tsy hihinana tamin’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Izany no antony nilana vidim-panavotana.
Nohazavain’i Méliton koa fa nirahina tetỳ an-tany i Jesosy, ary novonoina teo amin’ny tsato-kazo mba hanavotana ny olombelona mino, ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana. Tsara homarihina fa xylon no teny grika nampiasainy mba hilazana ny tsato-kazo namonoana an’i Jesosy. Midika hoe “hazo” io teny io.—Asan’ny Apostoly 5:30; 10:39; 13:29.
Nalaza tany amin’ny faritra hafa ankoatra an’i Azia Minora i Méliton. Mpamaky ny asa sorany i Tertullien sy Clément avy any Aleksandria ary Origène. Hoy anefa i Raniero Cantalamessa, mpahay tantara: “Nihatsy nalaza intsony i Méliton, ary nanjavona tsikelikely ny asa sorany, rehefa nanjary noheverina ho mpivadi-pinoana ireo Mpitandrina ny Faha-14. Taorian’ny nandresen’ireo mpankalaza ny Paska Alahady no nitrangan’izany.” Tsy hita intsony ny ankamaroan’ny asa soratr’i Méliton, rehefa nandeha ny fotoana.
Nanjary nivadi-pinoana ve izy?
Araka ny efa voalaza mialoha, dia niditra moramora teo anivon’ny fiangonana kristianina marina ny mpivadi-pinoana, taorian’ny nahafatesan’ny apostoly. (Asan’ny Apostoly 20:29, 30) Tena nisy fiantraikany teo amin’i Méliton izany. Toa nisy heriny teo amin’ny asa sorany ny tontolo romanina tamin’izany sy ny fomba fanoratry ny filozofa grika. Niangaliany fatratra mantsy ireo asa sorany. Mety ho izany no nahatonga azy hiantso ny Kristianisma hoe “ny filozofianay.” Noheveriny ho ‘porofo lehibe indrindran’ny fahombiazana’ koa ny fikambanan’ny Kristianisma anarana sy ny Fanjakana Romanina.
Tsy nankatò an’ity torohevitry ny apostoly Paoly ity tokoa izy: “Tandremo sao hisy hahalasa anareo ho rembiny amin’ny alalan’ny filozofia sy ny famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona, eny, araka ny zavatra fototra eo amin’ity tontolo ity, fa tsy araka an’i Kristy.” Maro àry ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tsy narahin’i Méliton intsony, na dia niaro ny sasany aza izy.—Kolosianina 2:8.
[Sary, pejy 18]
Nanorina ny Sakafo Harivan’ny Tompo i Jesosy, tamin’ny 14 Nisana