Nanohina ny Fon’ny Ankizy Iray
Nanohina ny Fon’ny Ankizy Iray
TSY malahelo ve ianao rehefa mahita ankizy manao lalao misy adiady? Manao izany hatramin’ny ankizy kely mihitsy aza. Tsy mahagaga izany, satria feno herisetra ny fialam-boly ankehitriny. Ahoana no azonao anampiana ny ankizy tsy ho tia karazan-dalao toy izany, fa ho tia lalao milamina? Nahita fomba hanaovana izany i Waltraud, misionera vavolombelon’i Jehovah efa an-taonany maro, tatsy Afrika.
Nisy ady tao amin’ny tany nipetrahany, ka voatery nifindra tany amin’ny tany hafa tao Afrika izy. Nampianatra Baiboly vehivavy iray manan-janaka lahy dimy taona izy, rehefa tonga tany. Isaky ny nitsidika azy i Waltraud, dia nahita an’ilay ankizilahy nilalao basy kely plastika, izay hany kilalao mba nananany. Mbola tsy nahita azy nitifitra mihitsy aloha i Waltraud, nefa hitany fa nanokatra sy nanidy azy io foana ilay zaza, toy ny olona mamahana basy.
Hoy i Waltraud tamin’ilay zaza: “Fantatr’i Werner ve hoe nahoana aho no nifindra tatỳ aminareo? Satria nisy ady tany aminay. Voatery nandositra an’ireo lehilahy ratsy fanahy aho. Nitifitra olona tamin’ny basy mitovitovy amin’iny anao iny mantsy ry zareo. Tsara ve aminao izany mitifitra olona izany?”
“An, an, an!”, hoy izy nalahelo.
“Izany tokoa”, hoy i Waltraud. Nanontany indray izy hoe: “Fantatrao ve hoe nahoana aho no mitsidika anareo sy Neny isan-kerinandro? Satria te hanampy ny olona ho tia an’Andriamanitra sy ny namany izahay Vavolombelon’i Jehovah.” Nanontany ny hevitry ny renin’i Werner aloha i Waltraud, vao nilaza tamin’ilay zaza hoe: “Raha omenao ahy iny basinao iny hariako, dia hitondrako kamiao kely misy pne efatra ianao!”
Nomen’i Werner azy ilay basiny. Tsy maintsy niandry iray volana izy, vao tonga ilay kilalaony vaovao. Faly erỳ izy nandray an’ilay kamiao hazo!
Maka fotoana hiresahana amin-janakao ve ianao, ka miezaka manohina ny fony mba hanariany izay kilalao fitaovam-piadiana ananany? Hampianatra zavatra hahasoa azy mandritra ny androm-piainany ianao, raha manao izany.