Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niova ny Fiainako Rehefa Fantatro ny Antony Amelan’Andriamanitra ny Fijaliana Hisy

Niova ny Fiainako Rehefa Fantatro ny Antony Amelan’Andriamanitra ny Fijaliana Hisy

Tantaram-piainana

Niova ny Fiainako Rehefa Fantatro ny Antony Amelan’Andriamanitra ny Fijaliana Hisy

NOTANTARAIN’I HARRY PELOYAN

Nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy? Nanitikitika ny saiko hatramin’izaho mbola kely io fanontaniana io. Nazoto niasa sy nanao ny marina ny ray aman-dreniko, ary nikarakara tsara ny ankohonany. Tsy mpivavaka anefa i Dada, ary zara raha nivavaka i Neny, ka tsy hain’izy ireo ny namaly ilay fanontaniako.

VAO mainka nampieritreritra ahy io fanontaniana io, nandritra ny Ady Lehibe II sy taorian’izay, rehefa niasa tao amin’ny tafika an-dranomasina amerikanina aho, nandritra ny telo taona mahery. Niaraka tamin’ny sambo iray nanatitra fanampiana tany Chine aho, rehefa tapitra ny ady. Efa ho herintaona aho no tany, ary nahita olona maro tena nijaly be. Tia miasa sy marani-tsaina ny Sinoa. Maro anefa no sahirana mafy noho ny fahantrana sy herisetra vokatry ny Ady Lehibe II. Nalahelo be aho nahita an’ireo ankizy mahafatifaty nangataka taminay. Tsy ampy sakafo sy rovitra akanjo ny ankamaroany.

Fa nahoana?

Mbola tsy nahita zavatra toy izany mihitsy aho. Tany Kalifornia, eto Etazonia, mantsy aho no teraka tamin’ny 1925, ary tao no nihalehibe. Hoy foana àry aho anakampo: ‘Raha misy Mpamorona tena mahery, nahoana no avelany hianjadian’ny fijaliana toy ireny ny olona maro be, indrindra moa fa ny ankizy tsy manan-tsiny?’

Nieritreritra koa aho hoe: ‘Raha tena misy Andriamanitra, nahoana no avelany hisy foana, ny fanimban-javatra, vonoan’olona maro be, fahafatesana, ary fijaliana? Izany no nitranga, indrindra fa nandritra ny Ady Lehibe II, izay nahafatesana olona 50 tapitrisa mahery. Nahoana koa no nifamono tamin’io ady io ny olona nitovy finoana, rehefa nampirisihin’ny mpitondra fivavahany, satria fotsiny hoe samy hafa ny firenen’izy ireo?’

Ilay teleskaopy

Be loatra no maty tamin’ny Ady Lehibe II, ka nihevitra aho fa tena tsy misy Andriamanitra. Mbola mpianatry ny lise aho rehefa nanomboka ilay ady, tamin’ny 1939. Nasain’ny mpampianatra siansa nanamboatra fitaovana momba ny siansa izahay. Tia astronomia aho, ka tapa-kevitra fa hanamboatra teleskaopy misy fitaratra manana savaivo 20 santimetatra. Asa be ilay izy satria laniko tamin’io daholo ny fotoana tsy nianarako tao anatin’ny enim-bolana.

Nentiko teny an-tokotany ilay teleskaopiko rehefa vita. Alina maizim-bolana tamin’izay, ka nijery ny kintana sy ny planeta ao amin’ny rafi-masoandro misy antsika aho. Gaga aho nahita ny hamaroan’ny kintana sy ny filaminany. Vao mainka aho talanjona rehefa fantatro fa hay ny “kintana” sasany hitako vahindanitra, toy ny Voie lactée misy antsika, izay mbola misy kintana an’arivony tapitrisa koa.

Nieritreritra aho hoe: ‘Tena tsy ho tongatonga ho azy teo fotsiny ireo rehetra ireo. Tsy ho vokatry ny kisendrasendra mihitsy ny zavatra voalamina tsara hita eo amin’izao rehetra izao. Tsy maintsy ho nisy mpamorona tena mahay nanao izany. Misy ihany àry ve izany Andriamanitra?’ Tena nino aho taloha fa tsy misy Andriamanitra. Nampiova hevitra ahy anefa izay hitako tamin’ilay teleskaopy.

Hoy indray àry aho hoe: ‘Raha tena afaka namorona izao rehetra izao mahavariana ve ny Andriamanitra mahery sy hendry, dia tsy ho afaka handamina ny toe-javatra mampalahelo eto an-tany? Maninona no tsy nosakanany hatrany am-boalohany izao fijaliana rehetra izao?’ Napetrako tamin’ny mpivavaka ireo fanontaniana ireo, fa tsy nahazo valiny nahafa-po aho.

Mbola nianatra taona maromaro tany amin’ny oniversite aho rehefa vita ny fianarako teny amin’ny lise, ary niditra tao amin’ny tafika an-dranomasina amerikanina avy eo. Na ny mpitondra fivavahana tao amin’ny tafika koa aza anefa tsy tena nahavaly ny fanontaniako. Matetika izy ireo no nilaza zavatra toy ny hoe: “Tsy takatry ny saina ny asan’Andriamanitra.”

Mbola nitady valiny ihany

Mbola nitady ny valin’ny fanontaniako foana aho, rehefa niverina avy tany Chine. Tsy afaka tao an-tsaiko ilay izy, indrindra rehefa nahita ireo fasana miaramila teny amin’ireo nosy nijanonanay aho, tamin’izahay namakivaky ny Oseana Pasifika. Tovolahy vao herotrerony mantsy no milevina ao amin’ny ankamaroan’ireny fasana ireny.

Niala tao amin’ny tafika aho rehefa tafaverina teto Etazonia, ary namita ny fianarako, tao amin’ny Oniversiten’i Harvard, any Cambridge, Massachusetts. Nahazo diplaoma aho, rehefa afaka herintaona, nefa tsy nody tany Kalifornia. Nanapa-kevitra hijanona kely tatỳ amin’ny morontsiraka atsinanan’i Amerika aho, mba hitady ny valin’ny fanontaniako. Nikasa ny ho eto New York aho, satria be fivavahana teto. Nandeha niangona tany amin’ny fivavahana sasany aho mba hahalalako ny fampianarany.

Nasain’i Isabel Kapigian, nenitoako, hipetraka tany amin-dry zareo aho, rehefa tonga teto. Vavolombelon’i Jehovah izy sy ny zanany roa vavy, i Rose sy Ruth. Tsy noheveriko hahaliana ahy ny zavatra ninoan’izy ireo, ka fivavahana hafa no nandehanako. Ireo olona tany no niresahako, ary ny bokin’izy ireo no novakiko. Nanontaniako azy ireo ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy, nefa tsy nahay koa izy ireo. Nihevitra àry aho fa tena tsy misy Andriamanitra.

Hitako ny valiny

Nanontany an’ilay nenitoako sy ny zanany indray aho, raha azoko vakina ny bokin-dry zareo, mba hahalalako ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hitako avy hatrany fa tena tsy mitovy amin’ny an’ny fivavahana hafa ny azy. Miorina amin’ny Baiboly ireo fanazavana, ary tena nahafa-po ahy. Voavaly tao anatin’ny fotoana fohy ny fanontaniako momba ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy.

Hitako koa fa mampihatra izay lazain’ny Baiboly ny Vavolombelona. Nanontaniako, ohatra, i Nenitoa hoe: “Ahoana no nataon’ny tovolahy alemà Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny Ady Lehibe II? Nanao miaramila ve ry zareo ary niteny hoe ‘Heil Hitler!’, sy niarahaba ny saina nisy croix gammée?” “Tsia”, hoy izy, “ary izany no nahatonga azy ireo halefa tany amin’ny toby fitanana, ka maty tany ny ankamaroany.” Nohazavainy fa tsy nomba ny atsy na ny aroa ny Vavolombelona nandritra ny ady, na taiza na taiza nisy azy. Nogadraina ny tovolahy vavolombelona noho izany, na dia tany amin’ny firenena demokratika aza.

Nasain’i Nenitoa novakiko, avy eo, ny Jaona 13:35 manao hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.” Tsy maintsy mifankatia ny tena Kristianina, na aiza na aiza misy azy. Tsy hiandany na amin’iza na iza mihitsy izy ireo rehefa misy ady, ka hifamono satria hoe samy hafa firenena! Hoy i Nenitoa: “Ho azo eritreretina ve ny hoe handray anjara amin’ny adin’ny Romanina i Jesosy sy ny mpianany, ka hifamono?”

Nasainy novakiko koa ny 1 Jaona 3:10-12 manao hoe: “Izao no ahitana miharihary izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny Devoly: Izay rehetra tsy manao ny marina dia tsy avy amin’Andriamanitra. Toy izany koa izay tsy tia ny rahalahiny. ... Tokony hifankatia isika, fa tsy toa an’i Kaina, izay avy tamin’ilay ratsy ka namono tamin-kabibiana ny rahalahiny.”

Mazava ny voalazan’ny Baiboly: Mifankatia ny tena Kristianina, na aiza na aiza misy azy. Tsy hamono ny rahalahiny kristianina na ny olon-kafa mihitsy àry izy ireo. Izany no antony nilazan’i Jesosy hoe: “Tsy anisan’izao tontolo izao izy [ny mpianany], tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.”—Jaona 17:16.

Ny anton’ny fijaliana

Tsy ela dia fantatro fa milaza ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy ny Baiboly. Hazavainy fa lavorary ny ray aman-drenintsika voalohany rehefa noforonin’Andriamanitra, ary napetrany tao amin’ny paradisa. (Genesisy 1:26; 2:15) Nisy fanomezana faran’izay tsara nomeny azy ireo koa, dia ny safidy malalaka. Tokony hahay hampiasa azy io anefa ry zareo, satria hijinja ny vokatry ny fanapahan-keviny. Ho lavorary foana, ohatra, ry zareo, ary hanitatra ny paradisa hanerana ny tany manontolo, raha mankatò an’Andriamanitra sy ny lalàny. Ho lavorary sy sambatra koa ny taranany, ka hameno ilay paradisa be voninahitra, amin’ny farany.—Genesisy 1:28.

Tsy havelan’Andriamanitra ho lavorary intsony kosa i Adama sy Eva, raha mifidy ny tsy hiankina aminy. (Genesisy 2:16, 17) Mampalahelo isika taranany satria nanao safidy ratsy izy ireo, dia ny tsy hiankina amin’Andriamanitra. Anjely mpikomy iray no nampirisika azy ireo. Lasa nantsoina hoe Satana Devoly izy io. Naniry mafy hahaleo tena sy hivavahana izy, nefa Andriamanitra irery no manan-jo ivavahana.—Genesisy 3:1-19; Apokalypsy 4:11.

Lasa “andriamanitr’ity tontolo ity” àry i Satana. (2 Korintianina 4:4) Hoy ny Baiboly: ‘Izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.’ (1 Jaona 5:19) Nantsoin’i Jesosy hoe “ilay mpitondra an’izao tontolo izao” i Satana. (Jaona 14:30) Nahatonga tsy fahalavorariana, herisetra, fahafatesana, ary alahelo teo amin’ny olona rehetra ny tsy fankatoavan’i Satana sy ny ray aman-drenintsika voalohany.—Romanina 5:12.

“Tsy an’ny olombelona”

Mba hampisehoana ny fiantraikan’ny tsy firaharahana ny lalàn’ny Mpamorona, dia navelany hizaka ny vokatr’izany ny olona, efa an’arivony taona izay. Ampy tsara izany fotoana izany mba hahitan’ny rehetra fa marina izao lazain’ny Baiboly izao: “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany. Jehovah ô, anaro aho.”—Jeremia 10:23, 24.

Taonjato maro izao no lasa, ary hitantsika fa loza no vokatry ny tsy fiankinana tamin’Andriamanitra. Fikasany àry ny hamarana ny fitondran’olombelona izay tsy miankina aminy sy ny lalàny.

Hoavy mahatalanjona

Asehon’ny Baiboly fa hofaranan’Andriamanitra tsy ho ela ity tontolo ratsy ity. Hoy izy io: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; ... Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.”—Salamo 37:10, 11.

Hoy koa ny faminaniana ao amin’ny Daniela 2:44: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo [ny fitondrana rehetra misy ankehitriny] Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” Tsy havela hitondra intsony mihitsy ny olombelona. Ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra ny tany rehetra. Ho lasa paradisa ny tany eo ambany fitantanan’izy io, ary ho lavorary ny olona ka hiaina mandrakizay sy ho sambatra. Mampanantena ny Baiboly hoe: “Hofafan’ [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” (Apokalypsy 21:4) Hoavy mahatalanjona tokoa no ampanantenain’Andriamanitra antsika!

Niova ny fiainako

Niova ny fiainako rehefa nahazo valiny mahafa-po tamin’ireo fanontaniako aho. Te hanompo an’Andriamanitra sy hanampy olon-kafa hahalala ny antony amelany ny fijaliana hisy aho, nanomboka teo. Takatro ny maha zava-dehibe ny teny ao amin’ny 1 Jaona 2:17 hoe: “Mandalo izao tontolo izao [ity tontolo entin’i Satana ity] sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” Naniry mafy hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra aho. Nijanona teto New York àry aho, ka nanomboka niaraka tamin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanampy olona hianatra ny fahamarinana aho, ary maro ny zavatra mahafinaritra niainako tamin’izany.

Nihaona tamin’i Rose Marie Lewis aho, tamin’ny 1949. Vavolombelon’i Jehovah daholo izy sy Sadie reniny ary ny rahavaviny enina. Mpitory manontolo andro i Rose. Nanana toetra tsara maro izy, ka babony avy hatrany ny foko. Nivady izahay ny Jona 1950, ary nipetraka teto New York. Nahafinaritra anay ny fiainanay, sy ny fanantenanay hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.

Nasaina nanompo manontolo andro teto amin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, eto Brooklyn, New York, izahay sy Rose, tamin’ny 1957. Feno 54 taona ny nivadianay, tamin’ny Jona 2004. Teto Brooklyn ny 47 taona tamin’izany. Tena nahafa-po ireny taona ireny, satria nanompoana an’i Jehovah niaraka tamin’ireo mpiray finoana an’arivony.

Ny fahoriana nangidy indrindra

Nampalahelo fa voan’ny kansera ny ila havokavok’i Rose Marie, ary tamin’ny voalohandohan’ny Desambra 2004 izany no fantatra. Nilaza ny dokotera fa nitombo haingana ilay fivontosana, ka tsy maintsy nesorina. Nodidiana àry izy ny faramparan’ny Desambra. Teo aho rehefa tonga tao amin’ny efitranony, tao amin’ny hopitaly, ilay mpandidy, herinandro teo ho eo taorian’izay, ka nilaza hoe: “Afaka mody amin’izay ianao Rose Marie a! Sitrana ianao!”

Andro vitsivitsy monja taorian’ny nodiany anefa, dia nanomboka nanaintaina be teo amin’ny kibony. Tsy nitsahatra ilay izy ka niverina nanao fitsirihana tany amin’ny hopitaly indray izy. Hita fa nisy ra nivaingana tamin’ny taovany lehibe sasany, ka nanjary tsy ampy ny oksizenina nilain’ireo taova ireo. Niala nenina ny dokotera nitsabo azy, fa tsy nahomby. Maty i Rose Marie, ilay olona tiako indrindra, tamin’ny 30 Janoary 2005, herinandro vitsy monja taorian’izay. Io no fahoriana nangidy indrindra tamiko.

Efa ho 80 taona aho tamin’izay, ary efa nahita fijalian’olona maro, kanefa hafa mihitsy ny nanjo ahy. “Nofo iray” ihany izahay sy Rose Marie, araka ny Baiboly. (Genesisy 2:24) Hitako ny alahelon’ny olona rehefa misy namana na havana maty, ary efa nihatra tamiko koa izany. Mafy lavitra sady naharitra ela kokoa anefa ny alaheloko, rehefa ny vadiko no maty. Takatro tsara izao ny alahelo be manjo ny olona hatramin’izay, noho ny fahafatesan’ny havany.

Fantatro anefa ny antony isian’ny fijaliana sy ny fomba hamaranana azy io, ka tsy resin’alahelo aho. Hoy ny Salamo 34:18: “Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.” Fantatro fa mampanantena fitsanganana amin’ny maty ny Baiboly, ka ho velona indray ny maty ao am-pasana, ary hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao. Tena manampy ahy hizaka ny alaheloko izany. Hoy ny Asan’ny Apostoly 24:15: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” Tena tia an’Andriamanitra i Rose Marie, ary inoako fa tia azy koa Andriamanitra, ka hahatsiaro azy amin’ny fotoana voatondrony ary hanangana azy tsy ho ela.—Lioka 20:38; Jaona 11:25.

Malahelo be isika rehefa maty havana, nefa ho lehibe lavitra noho izany ny fifaliantsika, rehefa handray azy tafatsangana. (Marka 5:42) Mampanantena ny Baiboly hoe: “Ho velona indray ny olonao izay efa maty. ... Ny tany hiteraka ny maty.” (Isaia 26:19) Azo inoana fa hatsangana aloha ny “marina”, araka ny Asan’ny Apostoly 24:15. Hahafinaritra tokoa izany fotoana izany! Ho anisan’ireo hatsangana i Rose Marie, ka hitsena azy amim-pitiavana ny havan-tiany. Tena hahafinaritra ny hiaina ao amin’ny tontolo iray tsy hisy fijaliana intsony!

[Sary, pejy 9]

Hitako ny fijalian’ny olona, tany Chine

[Sary, pejy 10]

Miasa eto amin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, eto Brooklyn, aho, hatramin’ny 1957

[Sary, pejy 12]

Nanambady an’i Rose Marie aho, 1950

[Sary, pejy 13]

Tamin’ny faha-50 taonan’ny mariazinay, 2000