Hita ny Tena Marina
Hita ny Tena Marina
TAMIN’NY 18 Desambra 1810 no nitrangan’ity tantara ity. Alina ny andro tamin’izay, ary nisamboaravoara ny ranomasina. Very tany afovoan-dranomasina tany akaikin’ny morontsiraka atsimoatsinanan’i Ekosy ny sambo mpiady anglisy iray nantsoina hoe Pallas. Nihamaizina ny andro ary nilatsaka ny lanezy, ka vao mainka sarotra tamin’ireo tantsambo ny nahita ny jiro fara teny amoron-tsiraka. Io jiro io mantsy no ahafahan’izy ireo mitondra ny sambony ho eny amin’ny toerana azo antoka. Eritrereto ny hafalian’izy ireo tamin’ny farany rehefa nahatazana jiro, ka nitondra ny sambony nanatona an’ilay izy! Nampalahelo anefa fa tsy ilay jiro mpitari-dalana nilainy izy io, fa afo narehitry ny olona niasa teny akaikin’ny morontsiraka. Nidona tamin’ny haram-bato ilay sambo ary potika tanteraka. Tantsambo 11 no maty an-drano. Loza tokoa izany!
Rehefa jerena io tantara io, dia fahadisoana no niteraka an’ilay loza. Mety ho tojo loza lehibe kokoa noho izany anefa ny tantsambo amin’ny fotoana hafa. Mety hisy hametraka jiro sandoka eny amoron-tsiraka. Milaza ny boky iray atao hoe Vaky Sambo sy Mpandroba ary Mpanavotra (anglisy), fa niniana hamitahana ny sambo ireny jiro sandoka ireny, mba hampidona azy amin’ny haram-bato eny amin’ny sisiny, ka amin’izay dia ho afaka handroba ilay sambo ny jiolahy.
‘Hahazoanao famonjena ny Soratra Masina’
Sahala amin’ireo tantsambo voaresaka teo ianao rehefa mitady ny marina na fahazavana. Izao no loza mety hanjo anao: Mety ho diso lalana ianao satria voafitaky ny fanazavana sandoka, na mety hisy olona hinia hamitaka anao. Ahoana no azonao iarovan-tena? Ataovy azo antoka fa tsy sandoka sy azo itokisana ny loharano itadiavanao ny marina. Efa 125 taona mahery izao ity gazety ity no nanambara fa ny Tenin’Andriamanitra, izany hoe ny Baiboly, no loharano azo ianteherana indrindra ahitana ny marina. Mirakitra ‘Soratra Masina, izay manome fahendrena hahazoanao famonjena’ mantsy izy io.—2 Timoty 3:15-17, Dikanteny Iombonana eto Madagasikara.
Salamo 119:105; Ohabolana 14:15) Misy tokoa ny porofo naharesy lahatra olona an-tapitrisany, fa tena avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Aza misalasala manoratra any amin’ny mpamoaka an’ity gazety ity raha tianao ho fantatra izany. Vakio, ohatra, ny bokikely hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra. * Misy fanazavana be dia be ao amin’izy io, manaporofo fa araka ny marina sy azo itokiana ary avy amin’Andriamanitra ny Baiboly.
Ara-dalàna tokoa raha mitady porofo ianao mba hahazoanao antoka fa mpitari-dalana azo itokisana ny Baiboly. (Ireo fahamarinana fototra
Inona avy no sasany amin’ireo fahamarinana fototra raketin’ny “Soratra Masina”? Ireto ny sasany:
Tokana ny Andriamanitra Mahery Indrindra sady Mpamorona ny zava-drehetra. (Genesisy 1:1) Misy isika satria “namorona ny zava-drehetra” sy nanome aina antsika Andriamanitra. (Apokalypsy 4:11) Noho izany dia izy irery ihany no mendrika ny hivavahantsika. Ilay Mpamorona ihany no tena Loharanon’ny fahamarinana rehetra. (Salamo 36:9; Isaia 30:20, 21; 48:17, 18) Manana anarana izy ary tiany hampiasaintsika izany. (Eksodosy 3:15) Amin’ny litera Hebreo ilay anarana ary azo adika hoe YHWH. Miseho im-7000 eo ho eo izy io, ao amin’ny Baiboly, ary notononina hoe “Jehovah” amin’ny teny malagasy.—Salamo 83:18.
Noforonin’i Jehovah mba hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany ny lehilahy sy ny vehivavy. Nomeny toetra tsara mampiseho taratra ny toetrany ny olombelona. Nomeny talenta sy fahaizana koa izy ireo, mba hankafizany fiainana mahafa-po sy mandrakizay eto an-tany. (Genesisy 1:26-28) Tsy nataon’Andriamanitra ho karazana toeram-pitsapana ho an’ny lehilahy sy vehivavy mihitsy ny tany, na ho toerana hanomanana azy ireo hiaina any an-danitra. Raha izany mantsy dia toy ny hoe any an-danitra ihany ny olona vao ho afaka hifandray tsara amin’Andriamanitra.
Tsy nisy tsiny ny olona noforonin’Andriamanitra. Nanomboka nisy kosa ny faharatsiana, rehefa nanao safidy ratsy sy nikomy taminy ny olona sy ny anjely sasany. (Deoteronomia 32:5) Nisafidy ny hanapa-kevitra samirery momba izay tsara sy ratsy ny ray aman-drenintsika voalohany, na dia tsy nanana izany zo izany aza. (Genesisy 2:17; 3:1-5) Maty ny olombelona vokatr’izany. (Genesisy 3:19; Romanina 5:12) Mbola tsy namarana ny faharatsiana aloha i Jehovah, mba handaminana ireo adihevitra naterak’ilay fikomiana. Na izany aza, dia tsy miova ny fikasany momba ny tany sy ny olombelona. (Isaia 45:18) Ho avy ny fotoana hiainan’ny olombelona ao amin’ny Paradisa eto an-tany, izay tsy hisy faharatsiana intsony.—Matio 6:10; Apokalypsy 21:1-5.
Zanak’Andriamanitra i Jesosy Kristy, fa tsy Andriamanitra Mahery Indrindra. I Jesosy Kristy mihitsy no nampianatra ny mpianany hivavaka hoe: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9) Tsy nilaza mihitsy izy hoe mitovy amin’Andriamanitra. Hoy kosa aza izy: “Ny Ray dia lehibe noho izaho.”—Jaona 14:28.
Manana anjara asa tena lehibe amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra i Jesosy. Nirahin’Andriamanitra izy “ho fahazavana Jaona 12:46) Nilaza ny apostoly Petera fa “tsy misy hafa hahazoana famonjena.” (Asan’ny Apostoly 4:12) Marina izany, satria mila ny ra sarobidin’i Kristy isika mba hahazoana famonjena. (1 Petera 1:18, 19) Nanome ny ainy ho sorona i Jesosy Kristy, mba hanavotana ny olombelona ho afaka amin’ny ota nolovan’izy ireo avy tamin’ny ray aman-dreniny voalohany, dia i Adama sy Eva. (Matio 20:28; 1 Timoty 2:6) Naniraka an’i Jesosy koa Andriamanitra mba hanambara ny sitrapony sy ny fikasany.—Jaona 8:12, 32, 46, 47; 14:6; Asan’ny Apostoly 26:23.
eo amin’izao tontolo izao, mba tsy hitoetra ao amin’ny maizina izay mino [azy].” (Nanangana Fanjakana na fitondram-panjakana any an-danitra Andriamanitra, ka i Jesosy Kristy sy ny olona sasany nofidina avy tamin’ny olombelona no ho mpitondra ao. Hita manerana ny Baiboly izany foto-kevitra izany. Io fitondram-panjakana io no ampiasain’Andriamanitra, mba hanatanterahana etỳ an-tany ny sitrapony tahaka ny an-danitra. (Matio 6:10) Tsy anisan’ny fikasany tany am-boalohany ny handehanan’ny olona any an-danitra. Ny tany no nataony honenan’izy ireo. Nanana fikasana vaovao anefa Andriamanitra taorian’ny nanotan’ny olombelona. Nifidy olona “avy tamin’ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra” izy, mba “ho mpanjaka” hiaraka amin’i Kristy ao amin’ny fitondram-panjakana iray any an-danitra. (Apokalypsy 5:9, 10) Tsy ho ela io Fanjakana io dia ‘hanorotoro sy handevona’ ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra, izay nitondra fahoriana sy fijaliana be ho an’ny olona.—Daniela 2:44.
Tsy misy zavatra tsy mety maty ao amin’ny olona. Izany fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly izany no ahafantarantsika mazava tsara momba ny olombelona sy ny hoaviny. Izany koa no manaisotra ny tsy fahazoan-kevitra sy ny lainga momba ny maty, izay mahavery hevitra ny olona.
Izao no lazain’ny Baiboly, ao amin’ny Mpitoriteny 9:5, 10: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona ... Tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.” Azonao ve ny dikan’izany? Tsy manana fanahy tsy mety maty ny olona. ‘Hiverina any amin’ny tany’ izy rehefa maty.—Genesisy 3:19.
Azo velomina indray ny maty, amin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty. Avelan’Andriamanitra hisy vetivety aloha ny faharatsiana. Ho avy anefa ny fotoana “handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feon[’i Jesosy], dia hivoaka izy ireo. Koa izay nanao ny tsara dia hatsangana ho amin’ny fiainana, fa izay zatra nanao ratsy kosa hatsangana ho amin’ny fanamelohana.” (Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15) Ireo hatsangana amin’ny maty dia hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany, araka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany.
Mandiniha tsara ny Soratra Masina isan’andro
Tsy hitanao ve fa tena afaka manampy anao ny fahalalana ireo fahamarinana fototra ireo? Afaka miaro anao ‘amin’ilay atao hoe “fahalalana” sandoka’ aelin’i Satana Devoly amin’izao fotoan-tsarotra izao izany fahalalana izany. Mihambo ho “anjelin’ny mazava” mantsy izy, ary miseho ho “mpanompon’ny fahamarinana” ny solontenany. (1 Timoty 6:20; 2 Korintianina 11:13-15) Afaka miaro anao tsy ho voafitaky ny tari-dalana sandoka miorina amin’ny filozofian’ny “hendry sy mahira-tsaina” eto amin’ity tontolo ity ny fahalalana marina tsara ny Baiboly. ‘Nanda ny tenin’i Jehovah’ mantsy ny olona toy ireny.—Matio 11:25; Jeremia 8:9.
Maro ny fampianarana sy filozofia mamitaka tamin’ny andron’ny apostoly Jaona, ka nampitandrina an’ireo Kristianina voalohany izy hoe: “Aza mino izay fanambarana rehetra avy amin’ny fanahy, fa fantaro aloha raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ireny fanambarana ireny na tsia.” (1 Jaona 4:1) Eritrereto ity ohatra ity. Raha maharay hafatra mety hisy akony lehibe eo amin’ny fiainanao ianao, moa ve ianao hino izany avy hatrany satria toa avy amin’ny olona iray azo itokisana ilay izy? Sa hieritreritra tsara aloha ianao? Mazava ho azy fa tsy hanaiky be fahatany ianao. Azo inoana fa hohamarininao aloha hoe avy amin’iza marina ilay izy, ary hofakafakainao tsara izay raketiny, alohan’ny hanarahanao izay voalaza ao.
Nanome boky mirakitra fahamarinana fototra koa Andriamanitra, mba hahafahanao ‘hamantatra tsara’ raha tena azo itokisana ny tari-dalana arahinao. (1 Tesalonianina 5:21) Nahazo teny fiderana ireo olona nanana toe-tsaina tsara tamin’ny taonjato voalohany, satria “nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro” izy ireo, mba hanamarinany raha marina tokoa ny zavatra nianarany. (Asan’ny Apostoly 17:11) Afaka manao toy izany koa ianao. Aoka hitari-dalana anao ny Baiboly, izay “toy ny jiro mamirapiratra ao amin’ny toerana maizina.” (2 Petera 1:19-21) ‘Hahita ny fahalalana an’Andriamanitra’ ianao, raha manao izany, ary io fahalalana io no ahitanao ny tena marina.—Ohabolana 2:5.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 6 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Sary, pejy 4]
Toy ny jiro ny Tenin’Andriamanitra
[Sary, pejy 5]
Iza no anaran’Andriamanitra?
[Sary, pejy 5]
Hanao ahoana ny hoavin’ny olombelona?
[Sary, pejy 6]
I Jesosy ve no Andriamanitra Mahery Indrindra?
[Sary, pejy 6]
Aiza moa ireo maty?
[Sary, pejy 7]
Anisan’ny fahamarinana fototra ampianarin’ny Baiboly ny fitsanganana amin’ny maty?