Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo—Fizarana 3 sy 4

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo—Fizarana 3 sy 4

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo—Fizarana 3 sy 4

NIVAVAKA tamin’Andriamanitra ny mpanao salamo hoe: “Hotorina any am-pasana va ny famindramponao, ary ny fahamarinanao any amin’ny fandringanana?” (Salamo 88:11) Mazava ho azy fa tsia. Tsy afaka midera an’i Jehovah isika raha tsy velona. Antony iray lehibe tokony hiderantsika azy àry izany. Te ho velona foana koa isika mba hidera azy.

Milaza antony maro tokony hiderantsika ny Mpamorona sy hankalazana ny anarany, ny Fizarana Fahatelo sy Fahefatra amin’ny Salamo (Salamo 73 ka hatramin’ny 106). Raha misaintsaina azy ireo isika dia hihalalina ny fankasitrahantsika ny “tenin’Andriamanitra”, ka hidera azy bebe kokoa isika. (Hebreo 4:12) Andeha àry aloha hodinihintsika akaiky ny Fizarana Fahatelo.

“NY HO AKAIKIN’ANDRIAMANITRA NO MAHATSARA AHY”

(Salamo 73:1–89:52)

I Asafa na ny ankohonany no nanao ny salamo 11 voalohany ao amin’ny fizarana fahatelo. Hazavain’ny hira fanokafana hoe inona no niaro an’i Asafa tsy ho voafitaky ny hevi-diso. Nahay nanatsoaka hevitra marina izy. Hoy izy: “Izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy.” (Salamo 73:28) Hita ao amin’ny Salamo 74 ny alahelony noho ny faharavan’i Jerosalema. Lazain’ny Salamo 75 sy 76 ary 77 fa Mpitsara marina i Jehovah, Mpamonjy ny mpandefitra, ary Mpihaino vavaka. Mamerina ny tantaran’ny Israelita, nanomboka tamin’ny andron’i Mosesy ka hatramin’i Davida, ny Salamo 78. Miresaka ny alahelon’ny mpanao salamo noho ny faharavan’ny tempoly ny Salamo 79. Fangatahana amin’Andriamanitra mba hamerina ny vahoakany any amin’ny taniny, ny Salamo 80. Ahitana fampirisihana mba hankatò Azy, ao amin’ny Salamo 81. Miangavy an’Andriamanitra ny mpanao salamo, ao amin’ny Salamo 82 sy 83, mba hampihatra didim-pitsarana amin’ny fahavalony sy ny mpitsara ratsy fanahy.

Nihira ny zanak’i Kora hoe: “Manina sady vonton’alahelo ny kianjan’i Jehovah ny fanahiko.” (Salamo 84:2) Fangataham-pitahiana tamin’Andriamanitra ho an’ireo tafaverina avy any an-tsesitany, ny Salamo 85. Antitranterin’izy io fa sarobidy lavitra noho ny fitahiana ara-batana ny fitahiana ara-panahy. Niangavy an’Andriamanitra mba hiaro sy hampianatra azy i Davida, ao amin’ny Salamo 86. Hira momba an’i Ziona sy ireo teraka tany ny Salamo 87. Arahin’ny vavaka natao ho an’i Jehovah izany, ao amin’ny Salamo 88. Asongadin’ny Salamo 89 ny fitiavan’i Jehovah sy ny hatsaram-panahiny, noho izy nanao fifanekena tamin’i Davida. I Etana no nanao io salamo io. Anisan’ireo lehilahy hendry efatra tamin’ny andron’i Solomona angamba izy.—1 Mpanjaka 5:11.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

73:9—Inona no dikan’ny hoe “manao vava manakatra ny lanitra” ny ratsy fanahy, “ary ny lelany mandeha mitety ny tany”? Tsy manaja na iza na iza eto an-tany sy any an-danitra, ny ratsy fanahy, ka sahy manevateva an’Andriamanitra amin’ny vavany. Manendrikendrika olona amin’ny lelany koa izy ireo.

74:13, 14—Oviana i Jehovah no ‘namakivaky ny lohan’ny dragona tao anaty rano sy nanorotoro ny lohan’ny mamba’? Antsoina hoe “ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin’ny Neiliny” i “Farao, mpanjakan’i Egypta.” (Ezekiela 29:3) Mety hanondro ny tafiny matanjaka kosa ny hoe mamba. Resy tanteraka i Farao sy ny tafiny, rehefa nanafaka ny Israelita tamin’ny fanandevozana tany Ejipta i Jehovah. Izany angamba no tiana holazaina amin’ny hoe fanorotoroana ny lohany.

75:4, 5, 10—Inona no dikan’ny hoe ‘tandroka’? Fitaovam-piadiana tena mafy ny tandroka. Hery na tanjaka àry no tiana holazaina amin’ny hoe ‘tandroka.’ Asandratr’i Jehovah ny tandroky ny olony, ka lasa misandratra izy ireo. ‘Tapahiny [kosa] ny tandroky ny ratsy fanahy.’ Tsy tokony ‘hanandratra ny tandrotsika ho avo’ isika, izany hoe tsy tokony hirehareha na hihevi-tena ho ambony. I Jehovah no manandratra antsika, ka tokony hoheverina ho avy aminy ny andraikitra omena antsika eo anivon’ny fiangonana.—Salamo 75:7.

76:10—Nahoana no midera an’i Jehovah ny “fahatezeran’ny olona”? Tezitra amintsika ny olona noho isika mpanompon’Andriamanitra. Avelany hitranga izany satria mety hisy vokany tsara. Mety ho fampiofanana antsika, izay zava-tsarotra atrehintsika. Mandra-pahavitan’ilay fampiofanana fotsiny isika no avelan’i Jehovah hijaly. (1 Petera 5:10) ‘Isikinan’Andriamanitra ny fahatezerana sisa’ asehon’ny olona. Ahoana raha maty isika noho ilay fijaliana? Mitondra fiderana ho an’i Jehovah koa izany. Mety hanjary hanome voninahitra Azy mantsy ireo mahita antsika mahatoky mandra-pahafaty.

78:24, 25—Nahoana ny mana no antsoina hoe “varin’ny lanitra” sy “fihinan’ny mahery”? Ny anjely no antsoina hoe “mahery” eto. Na io teny io na ilay hoe “varin’ny lanitra” anefa dia samy tsy midika fa mihinana mana ny anjely. Antsoina hoe “varin’ny lanitra” ny mana, satria avy any an-danitra. (Salamo 105:40) Mipetraka any mantsy ny anjely, na ny “mahery.” Ny hoe “fihinan’ny mahery” àry dia mety hidika fotsiny fa avy amin’ilay Andriamanitra mipetraka any an-danitra ny mana. (Salamo 11:4) Nampiasa anjely koa angamba i Jehovah rehefa nanome ny mana ho an’ny Israelita.

82:1, 6—Iza no antsoina hoe “andriamanitra” sy “zanaky ny Avo Indrindra”? Samy iantsoana ny mpitsara olombelona teo amin’ny Israely ireo. Nety izany satria mpitondra tenin’Andriamanitra sy solontenany izy ireo.—Jaona 10:33-36.

83:2—Inona no dikan’ny hoe ‘manandratra ny loha’? Vonona hanao zavatra na hampiasa hery ny olona manandratra loha. Matetika izany no atao mba hanoherana, hiadiana, na hampijaliana.

Lesona ho antsika:

73:2-5, 18-20, 25, 28. Tsy tokony hialona ny harenan’ny ratsy fanahy sy hanaraka ny fanaony ratsy isika. Eo amin’izay mahasolafaka mantsy izy ireo, ary azo antoka fa ‘haripaka ho ringana.’ Ho very maina koa ny ezaka ataontsika mba hanesorana ny faharatsiana. Tsy maintsy misy foana izany raha mbola olona tsy lavorary no mitondra. Hahay hiatrika ny zava-dratsy, toa an’i Asafa isika, raha mitoetra ho “akaikin’Andriamanitra” sy mankamamy ny fifandraisantsika aminy.

73:3, 6, 8, 27. Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hirehareha, hanambony tena, haneso, ary hanambaka, na dia toa mahasoa aza izany.

73:15-17. Tsy tokony holazaina amin’ny besinimaro izay mampiady saina antsika. Hanakivy ny olona fotsiny ny ‘fitenenana’ izany. Tokony hisaintsaina mangina an’ilay zavatra mampanahy antsika kosa isika, ary tsy hisaraka amin’ny mpiray finoana mba handaminana azy ireny.—Ohabolana 18:1.

73:21-24. Hitovy amin’ny biby tsy misaina isika, raha ‘lotika ny fontsika’ noho ny fiadanan’ny ratsy fanahy. Entim-po fotsiny izay manao izany, fa tsy mieritreritra tsara. Tokony hanaraka ny torohevitr’i Jehovah kosa isika, ary hatoky tanteraka fa ‘hihazona ny tanantsika ankavanana’ izy ka hanohana antsika. ‘Handray antsika ho amin’ny voninahitra’ koa i Jehovah, izany hoe ho namantsika akaiky.

77:6. Mila manokana fotoana hianarana sy hisaintsainana isika, raha tena zava-dehibe amintsika ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ka tiantsika hokarohina tsara. Tokony haka fotoana hipetrahana irery àry isika mba hisaintsainana!

79:9. Mihaino ny vavaka ataontsika i Jehovah, indrindra fa raha momba ny fanamasinana ny anarany izany.

81:13, 16. Hahazo fitahiana maro be isika, raha mihaino an’i Jehovah sy mandeha amin’ny lalany.—Ohabolana 10:22.

82:2, 5. Mampihorohoro “ny fanambanin’ny tany” ny tsy rariny, izany hoe mampikorontana ny fiaraha-monina.

84:1-4, 10-12. Nanome modely ho antsika ny mpanao salamo. Sarobidy tamin’izy ireo ny toeram-pivavahana tamin’i Jehovah, ary afa-po tamin’ny anjara fanompoany tao izy ireo.

86:5. Tena tokony ho velom-pankasitrahana isika, noho i Jehovah “mamela heloka”! Mikaroka porofo ahafahany mamindra fo amin’ny mpanota nibebaka izy.

87:5, 6. Mety ho fantatr’ireo hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany ve ny anaran’ireo natsangana ho any an-danitra? Mety ho fantany tokoa, rehefa jerena ireo andinin-teny ireo.

88:13, 14. Mety ho elaela vao valian’i Jehovah ny vavaka ataontsika momba ny olana iray, satria mety ho tiany ho hita raha tena tia azy isika na tsia.

“MISAORA AZY, MANKALAZÀ NY ANARANY”

(Salamo 90:1–106:48)

Ahitana antony maro tokony hiderana an’i Jehovah, ao amin’ny fizarana fahefatra. Asehon’i Mosesy ao amin’ny Salamo 90, fa mihelina ny halavan’ny androm-piainan’ny olona, tsy toy ny an’ny “Mpanjakan’ny mandrakizay.” (1 Timoty 1:17) Lazainy ao amin’ny Salamo 91:2, fa ‘fialofany sy batery fiarovana ho azy’ i Jehovah, izany hoe Mpiaro azy. Miresaka ny toetra tsaran’Andriamanitra sy ny fomba fisainany ambony ary ny asany mahatalanjona, ireo salamo vitsivitsy manaraka. Salamo telo no manomboka amin’ny hoe: “Jehovah no Mpanjaka.” (Salamo 93:1; 97:1; 99:1) Manasa antsika ‘hisaotra’ an’i Jehovah sy ‘hankalaza ny anarany’ ny mpanao salamo, satria izy no Mpanao antsika.—Salamo 100:4.

Ahoana no tokony hanatontosan’ny mpitondra ny andraikiny, raha matahotra an’i Jehovah izy? Mamaly izany ny Salamo 101, nataon’i Davida Mpanjaka. Lazain’ny Salamo manaraka fa ‘hijery ny fivavaky ny mahantra’ i Jehovah, ‘ka tsy hanevateva ny fivavahany.’ (Salamo 102:17) Asehon’ny Salamo 103 fa be fitiavana sy hatsaram-panahy ary mamindra fo i Jehovah. Hoy ilay mpanao salamo, rehefa niresaka momba ny zavatra maro noforonin’Andriamanitra teto an-tany: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra.” (Salamo 104:24) Midera an’i Jehovah noho ny asany mahatalanjona, ny hira roa farany ao amin’ny Fizarana Fahefatra.—Salamo 105:2, 5; 106:7, 22.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

91:1, 2—Inona ilay “fierena izay an’ny Avo Indrindra” ary ahoana no ‘hitoerantsika’ ao? Toerana an’ohatra izy io, ary manondro ny fiarovan’i Jehovah ny fifandraisantsika aminy mba tsy ho simba. Tsy manana ahiahy isika noho izany. Fierena izy io, satria tsy hitan’ireo tsy matoky an’Andriamanitra. Mitoetra ao isika raha manao an’i Jehovah ho fialofana sy batery fiarovana ho antsika, midera azy noho izy Mpitondra An’izao Rehetra Izao, ary mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Tsy manana ahiahy isika, satria fantatsika fa vonona hanampy antsika foana i Jehovah.—Salamo 90:1.

92:12—Nahoana no lazaina fa ‘mamololona tahaka ny rofia’ ny marina? Miavaka ny hazo rofia satria mamokatra foana. Toy ny rofia ny olo-marina satria manao izay mahitsy eo imason’i Jehovah, ary mamokatra “voa tsara” foana na asa tsara.—Matio 7:17-20.

Lesona ho antsika:

90:7, 8, 13, 14. Simba foana ny fifandraisantsika amin’ilay tena Andriamanitra, isaky ny manota isika. Hitany koa izay ota miafina ataontsika. Hahazo sitraka aminy indray anefa isika ary ‘hovokisany famindram-po’, raha tena mibebaka sy tsy mamerina an’ilay fahadisoana intsony.

90:10, 12. Fohy ny androm-piainantsika ka tokony ‘hanisa ny androntsika’ isika. Amin’ny fomba ahoana? Manao izany isika raha manana “fo hendry” ka tsy mandanilany ny andro sisa iainantsika, fa mampiasa an’izany araka ny itiavan’i Jehovah azy. Tokony hataontsika ho loha laharana eo amin’ny fiainana àry ilay Fanjakana. Tokony hampiasaintsika amim-pahendrena koa ny fotoanantsika.—Efesianina 5:15, 16; Filipianina 1:10.

90:17. Tsara ny mivavaka amin’i Jehovah mba ‘hampitoerany ny asan’ny tanantsika’, sy hitahiany ny ezaka ataontsika eo amin’ny fanompoana.

92:14, 15. “Dofodofotra sy maitso”, na marisika amin’ny fanompoana foana ny zokiolona, satria mazoto mianatra ny Tenin’i Jehovah sy miaraka tsy tapaka amin’ny vahoakany. Sarobidy eo anivon’ny fiangonana koa izy ireo noho izany.

94:19. Hampahery antsika ny mamaky sy misaintsaina ny ‘fampiononana’ ao amin’ny Baiboly, na inona na inona nahatonga antsika hanana “ahiahy.”

95:7, 8. Tsy ho mafy fo isika raha mihaino ny torohevitry ny Soratra Masina sy mihevitra izany ho zava-dehibe ary vonona hankatò.—Hebreo 3:7, 8.

106:36, 37. Hita avy amin’ireo andinin-teny ireo, fa mifandray ny fanompoan-tsampy sy ny fanaovana fanatitra ho an’ny demonia. Mety hanjary hofehezin’ny fanahy ratsy àry ny olona manompo sampy. Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Mitandrema tena amin’ny sampy.”—1 Jaona 5:21.

Miderà an’i Jah

Mifarana amin’ny fampirisihana hoe: “Haleloia”, izany hoe: “Miderà an’i Jah”, ireo salamo telo farany ao amin’ny Fizarana Fahefatra. Manomboka amin’izany koa ny farany amin’ireo salamo telo ireo. (Salamo 104:35; 105:45; 106:1, 48) Miverimberina ao amin’ny Fizarana Fahefatra mihitsy aza izany.

Manana antony maro tokony hiderana an’i Jehovah tokoa isika. Be dia be ny zavatra azontsika saintsainina ao amin’ny Salamo 73 ka hatramin’ny 106, ka mahatonga ny fontsika ho feno fankasitrahana an’ilay Raintsika any an-danitra. Moa ve isika tsy maniry ‘hidera an’i Jehovah’ amin’ny herintsika rehetra, rehefa mieritreritra izay rehetra efa nataony ho antsika, sy mbola hataony?

[Sary, pejy 10]

Afaka miatrika ny zava-dratsy, toa an’i Asafa isika, raha mitoetra ho “akaikin’Andriamanitra”

[Sary, pejy 11]

Resy teo amin’ny Ranomasina Mena i Farao

[Sary, pejy 11]

Fantatrao ve hoe nahoana no antsoina hoe “fihinan’ny mahery” ny mana?

[Sary, pejy 13]

Inona no manampy antsika hanafoana ny ‘ahiahintsika’?