Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahasoa Ahy ny Tsy Fivadihan’ny Havako

Nahasoa Ahy ny Tsy Fivadihan’ny Havako

Tantaram-piainana

Nahasoa Ahy ny Tsy Fivadihan’ny Havako

NOTANTARAIN’I KATHLEEN COOKE

NANATRIKA ny lahateny nataon’i Charles Russell i Mary Thompson renibeko, rehefa namangy fianakaviana tany Glasgow, any Ekosy, tamin’ny 1911. Lehilahy nanana andraikitra lehibe tao amin’ny fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny) i Russell. Tena tian’i Bebe ny zavatra reny tany, ka nifandray tamin’ny Mpianatra ny Baiboly teto Afrika Atsimo izy rehefa nody. Iray tamin’ireo 16 natao batisa izy, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany nataon’ny Mpianatra ny Baiboly teto, tamin’ny Aprily 1914. Enin-taona tamin’izay i Edith zanany, ilay lasa reniko.

Nisy tsy fifanarahana teo amin’ny Mpianatra ny Baiboly eran-tany, rehefa maty ny Rahalahy Russell, tamin’ny 1916. Nihena ny isan’ny Kristianina tsy nivadika tamin’i Jehovah, tao Durban. Lasa 12 izy ireo raha 60 teo aloha. Anisan’ireo tsy nivadika koa i Ingeborg Myrdal, bebeko avy amin’i Dada, sy Henry zanany lahy vao vita batisa. Nirotsaka ho mpisava lalana (Vavolombelon’i Jehovah mpitory manontolo andro) i Henry, tamin’ny 1924. Nitory tany amin’ny faritra maro nanerana ny tapany atsimon’i Afrika izy nandritra ny dimy taona taorian’izay. Nivady i Henry sy Edith, tamin’ny 1930, ary teraka aho telo taona tatỳ aoriana.

Fianakaviana lehibe

Tany Mozambika aloha izahay no nipetraka, ary avy eo nifindra tany amin-dry Bebe sy Dadabe Thompson, teto Johannesburg, tamin’ny 1939. Tsy nahaliana an’i Dadabe ny fahamarinana tao amin’ny Baiboly, ary nanohitra an’i Bebe izy indraindray. Na izany aza, dia tena tia nandray vahiny izy. Teraka tamin’ny 1940 i Thelma zandriko vavy, ary nampianarina hikarakara olona be taona izahay. Niresaka ela momba ny fiainanay taloha na ny zava-nitranga nandritra ny andro ny fianakavianay matetika, rehefa nisakafo hariva.

Faly koa izahay rehefa nisy Vavolombelona tonga nitsidika, indrindra fa ireo mpitory manontolo andro. Nahatonga anay hankasitraka kokoa ny lovanay ara-panahy ny resaka nifanaovanay tamin’izy ireny nandritra ny sakafo hariva. Tena naniry ho lasa mpisava lalana toa azy ireo àry izahay sy Thelma.

Mbola kely izahay dia efa nampianarina ho tia mamaky teny. Samy namaky teny ho anay na i Neny, na i Dada, na i Bebe. Boky misy tantara mahafinaritra na Baiboly mihitsy no novakin’izy ireo taminay. Laharam-pahamehana taminay ny fivoriana kristianina sy ny fitoriana. Mpikarakara fitambaran’olona (mpiandraikitra mpitantan-draharaha ankehitriny) teo anivon’ny Fiangonan’i Johannesburg i Dada, ka tsy maintsy tonga aloha tany am-pivoriana daholo izahay. I Dada no nanara-maso ny zava-drehetra, rehefa nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra. I Neny kosa no nitady trano hilasian’ireo solontena tonga nanatrika.

Fivoriambe niavaka ho anay

Niavaka ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra teto Johannesburg, tamin’ny 1948. Sambany vao nisy solontenan’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, any Brooklyn, New York, tonga nanatrika. Notendrena hitondra an’i Nathan Knorr sy Milton Henschel tamin’ny fiarany i Dada, nandritra ny fotoana nijanonan’izy ireo teto. Natao batisa tamin’io fivoriambe io aho.

Gaga tamin’ny zavatra nolazain’ny rainy taminy i Dada, taoriana kelin’izay. Nilaza mantsy io dadabeko io fa tena nanenina izy nanaiky ho voatarik’ireo niala tsy ho Mpianatra ny Baiboly intsony, rehefa maty ny Rahalahy Russell. Maty volana vitsivitsy taorian’izay i Dadabe. I Bebe Myrdal kosa nahavita ny fanompoany an’i Jehovah teto an-tany, tamin’ny 1955. Tsy nivadika mandra-pahafatiny izy.

Zava-nitranga nanova ny fiainako

Nirotsaka ho mpisava lalana maharitra aho, tamin’ny 1 Febroary 1949. Tsy ela taorian’izay, dia nisy filazana fa hisy fivoriambe iraisam-pirenena hatao any New York ny taona nanaraka. Faly be ny rehetra! Naniry mafy ho any izahay, nefa tsy nanana saran-dalana. Maty anefa i Dadabe Thompson tamin’ny Febroary 1950, ka nataon’i Bebe saran-dalana ho anay dimy mianaka ny vola nolovainy taminy.

Nisy taratasy tonga avy tany amin’ny Foibe any Brooklyn, herinandro vitsivitsy talohan’ny handehananay. Fanasana ahy hanatrika ny kilasy faha-16 amin’ny sekolin’i Gileada ho an’ny misionera ilay izy. Hafaliana re izany! Mbola tsy feno 17 taona akory mantsy aho tamin’izay. Rehefa nanomboka ilay sekoly, dia hita fa folo izahay no nahazo io tombontsoa lehibe io, teto Afrika Atsimo.

Nahazo diplaoma izahay ny Febroary 1951, ary voatendry ho misionera teto Afrika Atsimo ihany ny valo taminay. Tany amin’ny tanàna kely niteny afrikaans izahay sy ny namako no tena nitory, nandritra ny taona vitsivitsy nanaraka. Tsy nahay tsara an’io fiteny io aho tamin’ny voalohany. Tsaroako fa nitomany aho teny ambony bisikileta rehefa nody, indray andro, satria tsy nahay nitory. Nihanahay anefa aho rehefa nandeha ny fotoana, ary notahin’i Jehovah ny ezaka nataoko.

Fanambadiana sy fitetezam-paritany

Nifankahalala tamin’i John Cooke aho, tamin’ny 1955. Voatendry ho misionera teto Afrika izy, tamin’izay. Anisan’ny nanomboka ny asa fitoriana tany Frantsa sy Portogaly ary Espaina izy, taloha sy taorian’ny Ady Lehibe II. Hoy izy taorian’ny nifankahitanay: “Nisy zavatra telo tsy nampoiziko tao anatin’ny herinandro ... Nisy rahalahy tena nalala-tanana nanome ahy fiara kely, voatendry ho mpanampy ny vondrom-paritra aho, ary raiki-pitia.” * Nivady izahay tamin’ny Desambra 1957.

Nanome toky ahy i John, talohan’ny mariazinay, fa hahafinaritra be foana ny miaraka aminy, ary marina ny teniny. Nitsidika fiangonana nanerana an’i Afrika Atsimo izahay, ary tany amin’ny tanànan’ny mainty hoditra ny ankabeazany. Ny fidirana tany fotsiny dia efa nilana fahazoan-dalana, isan-kerinandro, ary manginy fotsiny ny fangatahana fahazoan-dalana hatory any. Natory tany amin’ny tanànan’ny fotsy hoditra teny akaiky teny izahay indraindray, ka nanao ladina an-tany tao amin’ny fivarotana tsy nisy olona, ary niafina mba tsy ho hitan’ny mpandalo. Matetika anefa izahay no tsy maintsy natory tany amin’ny Vavolombelona fotsy hoditra, na dia lavitra aza ny tranon’izy ireo.

Tsy maintsy nianina tamin’ny trano tsotra natsangana tany anaty kirihitra koa izahay, rehefa nanao fivoriambe. Nampiseho ny filma navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay, tamin’izany, ka nahatonga ny olona hidera antsika noho isika toy ny mpirahalahy maneran-tany. Matetika no tsy nisy elektrisite tamin’ny toerana nalehanay, ka nitondra gropy izahay. Nisy zava-tsarotra tsy maintsy natrehinay koa tany amin’ny faritra nofehezin’ny Britanika. Voarara mantsy ny boky sy gazetintsika tany, ary sarotra ny nianatra teny zoloa. Faly anefa izahay fa afaka nanompo an’ireo rahalahinay.

Lasa mpampianatra tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, teto Afrika Atsimo, i John, tamin’ny Aogositra 1961. Izy no voalohany nanao izany teto. Natao hanampiana ny mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana io sekoly io, ary naharitra iray volana. Nahay nampianatra i John. Nanohina ny fon’ny mpianatra koa izy, satria nitombina sy tsotra ny fanazavany, ary nazava tsara ny fanoharany. Nitety toerana maro izahay, nandritra ny herintaona sy tapany latsaka, mba hampianatra kilasy miteny anglisy. Nandeha nitory niaraka tamin’ny Vavolombelona teo an-toerana aho, rehefa nampianatra i John. Gaga be izahay avy eo, fa naharay taratasy fanasana hanompo teto amin’ny Betelan’i Afrika Atsimo, eto Johannesburg, ary hanomboka ny 1 Jolay 1964 izany.

Nanomboka nanahiran-tsaina anay anefa ny toe-pahasalaman’i John. Tamin’ny 1948, dia voan’ny tioberkilaozy izy, nandritra ny fotoana kelikely. Nanjary rera-dava izy taorian’izay. Toy ny hoe voan’ny gripa izy, ary nandamaka am-pandriana nandritra ny andro maromaro. Tsy afaka nanao na inona na inona sy nifanerasera tamin’ny olona izy. Nolazain’ny dokotera nizaha azy, taloha kelin’ny niantsoana anay ho any amin’ny Betela, fa aretin’ny olona kivy no nahazo an’i John.

Nanoro hevitra anay ny dokotera mba hampihena ny fanompoana ataonay. Tsy nanaiky an’izany anefa ny eritreritray. Voatendry hiasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana i John, tao amin’ny Betela, ary izaho kosa nanitsy tsipelin-teny. Tena faly izahay nanana efitra anay manokana! Nanompo tany amin’ny faritany miteny portogey i John, talohan’ny mariazinay. Nasaina nanampy an’ilay hany fianakaviana portogey Vavolombelona, teto Johannesburg, àry izahay tamin’ny 1967, mba hitory tamin’ireo Portogey be dia be teto Johannesburg sy ny manodidina. Tsy maintsy nianatra fiteny hafa indray àry aho.

Miparitaka amin’ny faritra midadasika ny olona miteny portogey, ka nanao dia lavitra imbetsaka izahay, mba hanatratrarana ny olona liana. Nahatratra 300 kilaometatra indraindray ny lalana nalehanay. Tonga nitsidika anay anefa ireo Vavolombelona niteny portogey avy any Mozambika, rehefa fivoriambe, ka nanampy an’ireo vaovao tokoa izany. Telopolo teo ho eo monja izahay tamin’ny voalohany, nefa lasa fiangonana efatra, tao anatin’ny 11 taona.

Fiovana tany an-trano

Nisy fiovana tany an-tranon’i Dada sy Neny nandritra izany fotoana izany. Nanambady an’i John Urban, mpisava lalana avy any Etazonia, i Thelma rahavaviko, tamin’ny 1960. Nanatrika ny kilasy faha-40 tamin’ny sekolin’i Gileada izy ireo, ary misionera tany Brezila nandritra ny 25 taona. Niverina tany Ohio izy mivady, tamin’ny 1990, mba hikarakara ny ray aman-drenin’i John. Mpitory manontolo andro foana izy ireo hatramin’izao, na dia eo aza ny havizanana noho ny fikarakarana ny ray aman-dreny tsy salama.

Nahavita ny fanompoany an’i Jehovah teto an-tany i Bebe Thompson, tamin’ny 1965, tamin’izy 98 taona. Tsy nivadika mandra-pahafatiny izy. Nisotro ronono i Dada tamin’io taona io. Nanolo-tena hiaraka taminay àry i Dada sy Neny, rehefa nantsoina hanampy an’ireo olona miteny portogey teto izahay. Tena nanampy an’ilay antokon’olona hanana finoana matanjaka i Dada sy Neny, ka volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia lasa nisy fiangonana miteny portogey. Voan’ny kansera i Neny avy eo, ary maty tamin’ny 1971. Fito taona taorian’izay kosa i Dada no maty.

Niatrika ny aretin’i John

Taorian’ny 1970, dia hita fa tsy hihatsara ny fahasalaman’i John. Tsy maintsy namoy tsikelikely ny fanendrena sasany nankamaminy teto amin’ny Betela izy. Anisan’izany ny fitarihana ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana fanaon’ny fianakavian’ny Betela isan-kerinandro, sy ny fandinihana ny Baiboly isa-maraina. Niova ny asa nanendrena azy, fa tsy tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana intsony. Tao amin’ny sampan-draharaha mpandray sy mpandefa taratasy izy aloha, ary teny an-jaridaina tatỳ aoriana.

Olona be zotom-po i John, ka mafy taminy izany fiovana izany. Niezaka nampahatsiahy azy foana aho mba tsy hanao zavatra be loatra. Nivazivazy tamiko anefa izy ka namihina ahy tamim-pitiavana sady nilaza hoe mpanakantsakana azy, hono, aho. Hitanay tamin’ny farany fa tsara kokoa raha miala amin’ny fiangonana miteny portogey, ka mifindra ao amin’ny fiangonana mivory ao amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Betela.

Nifandray akaiky kokoa tamin’i Jehovah i John, arakaraka ny naharariany. Nampahery ny nahita izany. Rehefa taitra, ohatra, izy amin’ny misasakalina ary kivy be, dia niresadresaka izahay mandra-pahatongany ho tony, ka ho afaka hivavaka mba hahazoany hery. Nahay niatrika irery ny fahoriany izy, tatỳ aoriana. Niezahany naverimberina moramora ny Filipianina 4:6, 7 manao hoe: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona ...” Nihatony izy avy eo ka afaka nivavaka. Taitra koa aho matetika, ary nandinika mangina azy nitalaho ela be tamin’i Jehovah, ka ny molony ihany no nihetsiketsika.

Tsy antonona intsony ilay Betela nisy anay, ka nisy Betela lehibe kokoa naorina tany ivelan’i Johannesburg. Matetika izahay sy John no nandeha tany amin’io toerana milamina io, izay lavitra ny tabataba sy ny loton’ny tanàn-dehibe. Nomena efitra vonjimaika tany izahay, mandra-pahavitan’ilay Betela. Tena nanampy an’i John izany.

Zava-tsarotra vaovao

Vao mainka tsy niasa tsara intsony ny sain’i John, ka nihasarotra kokoa taminy ny nanatontosa ny asa nanendrena azy. Tena nanohina ny foko ny nahita ny fomba nanampian’ny olon-kafa an’i John tamin’ny ezaka nataony. Rehefa nisy anadahy nandeha nanao fikarohana, ohatra, tany amin’ny tranombokim-panjakana, dia nentiny niaraka taminy i John. Feno taratasy mivalona sy gazety ny paosin’i John isaky ny ho any izy, mba hahafahany hitory. Nanampy azy hahatsiaro tena ho misy vidiny sy ho afa-po izany.

Voan’ny aretin’i Alzheimer i John, avy eo, ka tsy nahay namaky teny intsony. Tena nankasitraka ireo kasety misy lahatsoratra ara-baiboly sy hiran’ilay Fanjakana izahay. Nihaino an’ireny imbetsaka izahay. Matetika i John no nikofokofoka be, rehefa tsy niara-nihaino kasety taminy aho. Niara-nipetraka taminy àry aho na dia naharitra ela aza izany. Niezaka nanao zavatra aho, ka nanjaitra sy nanao ba. Feno akanjo ba sy lamba firakotra àry tao aminay!

Tsy maintsy nikarakara azy bebe kokoa aho, rehefa nandeha ny fotoana. Nahafaly ahy ny nikarakara azy hatramin’ny farany, na dia vizana be aza aho matetika ka tsy te hamaky boky na hianatra. Niala aina moramora teo an-tsandriko izy, tamin’ny 1998, tamin’izy 85 taona. Tsy nivadika mihitsy izy mandra-pahafatiny. Tsy andriko ny hahita azy hitsangana amin’ny maty, ary ho tomady sy salama saina indray!

Nahazo hery indray

Tsy mora tamiko ny nipetra-drery, rehefa maty i John. Nitsidika an-dry Thelma tany Etazonia àry aho, tamin’ny Mey 1999. Tena nahafinaritra sy nampahery ahy ny nahita indray ireo namana tsy foiko, indrindra rehefa nitsidika ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, tany New York aho! Tsy nivadika mihitsy izy ireo. Tena nahazo ny fampaherezana nilaiko aho tany!

Rehefa mieritreritra ny fiainan’ireo havako tsy nivadika aho, dia mahatadidy zavatra maro be nahasoa ahy. Noho ny toromarika sy modely ary fanampiana nomen’izy ireo, dia nianatra nitia olona avy amin’ny foko sy firenena samihafa aho. Nianatra ny hanam-paharetana sy hahay hiaritra ary hifanaraka amin’ny zava-misy koa aho. Ambonin’ny zava-drehetra, dia hitako fa tsara fanahy tamiko i Jehovah, ilay Mpihaino vavaka. Mitovy amin’ny an’ny mpanao salamo ny fihetseham-poko. Hoy izy: “Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; te-ho voky ny zava-tsoa ao amin’ny tranonao izahay, dia ny zava-masina ao amin’ny tempolinao.”—Salamo 65:4.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 18 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) 15 Jona 1960, pejy 186-187.

[Sary, pejy 8]

I Bebe sy ireo zanany vavy

[Sary, pejy 9]

Niaraka tamin’i Dada sy Neny, tamin’izaho natao batisa, 1948

[Sary, pejy 10]

Miaraka amin’ny mpianatra sivy avy teto Afrika Atsimo sy Albert Schroeder, mpitan-tsoratry ny sekolin’i Gileada

[Sary, pejy 10]

Niaraka tamin’i John, 1984