Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba Nampiasaina Hamakivakiana Ranomasimbe

Fomba Nampiasaina Hamakivakiana Ranomasimbe

Fomba Nampiasaina Hamakivakiana Ranomasimbe

MISY nosy sy nosy kely 1 200 mahery any amin’ny Nosy Marshall. Tsy mihoatra ny enina metatra ambonin’ny ranomasina ny haavon’ny ankamaroany, ka tsy tazana intsony raha vao jerena lavidavitra. Nahavita nitety ireny nosy kely ireny anefa ny mpanao dia an-dranomasina fahiny. Nandeha lakana tsy mora mivadika izy ireo, ary afaka namakivaky velarana 650 000 kilaometatra toradroa, tany amin’ny Oseana Pasifika. Ahoana no nahavitan’izy ireo izany? “Sarintany” tsotra nefa tena nahomby, antsoina hoe sarintany vita amin’ny hazokely no nampiasain’izy ireo.

Nanjary hain’ireo mpandeha lakana ireo ny namantatra ny toerana nisy nosy hatrany amin’ny 30 kilaometatra, rehefa avy namakivaky an-taonany maro an’ilay ranomasimbe izy ireo. Nanampy azy ireo ny fijerena ny bikabikan’ireo onja. Maro izy ireny ary tsy maintsy nofantarina, ka ireo sarintany vita tamin’ny hazokely no nampiasainy. Nanao ahoana ny endrik’ireny sarintany ireny? Araka ny hitanao eto amin’ny sary, dia hazokely avy tamin’ny fakana hazo kesika na ilay tapany afovoany amin’ny ravina voaniho no nanamboarana azy ireny. Natambatambatra ireo hazokely ka nahavitana zavatra makarakara natao hampisehoana ny bikabikan’ireo onja. Nisy akorandriaka madinika nafatotra tamin’ilay izy mba hanamarihana izay toerana noheverina hoe nisy nosy.

Nandritra ny taona maro, dia tsy nambara afa-tsy tamin’olona sasantsasany, io fomba famakivakiana ranomasina tamin’io karazana sarintany io. Ahoana kosa no nianaran’ny mpandeha lakana mbola zazavao nampiasa azy io? Ny fanazaran-tena sy ny fampiasana tsy tapaka azy io no hany fomba nanaovana izany. Nisy tantsambo efa za-draharaha nampianatra azy manokana, ka nitondra azy imbetsaka tany amin’ireo nosy manodidina. Arakaraka ny nahaizan’ilay mpianatra namantatra ny bikan’ireo onja no nahatonga azy ho sahy kokoa hampiasa ilay sarintany. Afaka namakivaky samirery an’ilay ranomasimbe izy, tamin’ny farany.

Toy izany koa isika. Afaka mitari-dalana antsika eo am-pamakivakiana ny fiainana ny Tenin’Andriamanitra. Hisy olona, amin’ny voalohany, hanampy antsika hahatakatra ireo fampianarana fototra raketin’izy io. Hanjary hatoky kokoa izay voalazany isika avy eo, rehefa manohy mianatra sy mampihatra ny toro lalany. Nasaina namaky tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra i Josoa, mpitarika ny Israelita, mba ‘hitandremany hanao araka izay rehetra voasoratra eo.’ Hoy Andriamanitra taminy: “Amin’izany dia hahalavorary ny làlanao hianao sady hambinina.” (Josoa 1:8) Eny, manome tari-dalana mba hahasambatra antsika ny Baiboly.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

© Greg Vaughn