Nohindrahindraina ny “Manam-pahaizana” Kanjo Tsy Nahomby
Nohindrahindraina ny “Manam-pahaizana” Kanjo Tsy Nahomby
LOHARANON-KEVITRA 26 tapitrisa mahery, avy hatrany, no ho hitanao ao amin’ny Internet, raha mitady torohevitra momba ny fitaizana ianao. Efa ho olon-dehibe na hanan-tokantrano mihitsy aza ny zanakao vao hahavita hijery sy hamaky azy rehetra ireo ianao, raha manokana iray minitra monja isaky ny loharanon-kevitra.
Taiza no nitadiavan’ny ray aman-dreny torohevitra, tamin’ny mbola tsy nisy ny dokoteran’ankizy sy ny mpandinika momba ny sain’ny ankizy ary ny Internet? Mazàna no tany amin’ny havany akaiky toy ny reniny, ny rainy, ny nenitoany, na ny dadatoany. Vonona ny hanoro hevitra sy hanampy ara-bola ary hikarakara an’ireo ankizy izy ireny, sady afaka nanao izany. Betsaka anefa izao ny olona mifindra any an-tanàn-dehibe any amin’ny tany maro, ka zara raha mifandray amin’ireny havany akaiky ireny. Maro koa ny reny sy ray sahirana mitaiza irery ny zanany.
Azo antoka fa anisan’ny nampitombo haingana be ny isan’ireo mpanome torohevitra momba ny fitaizana izany. Ankoatra izany, dia lasa maro be ny olona mino fa afaka manampy azy ny siansa. Taloha kelin’ny 1900, ohatra, dia efa niaiky ny Amerikanina fa afaka manatsara ny lafim-piainana rehetra ny siansa. Koa tsy ho afaka hanampy amin’ny fitaizana koa ve izy io? Nisy fitarainana momba ny “tsy fahaizan’ny ray aman-dreny”, tamin’ny Fihaonam-bem-pirenena Amerikanina ho An’ny Reny, tamin’ny 1899. Nirohotra avy hatrany mba hitondra fanampiana àry ny “manam-pahaizana” momba ny fitaizana. Nampanantena izy ireo fa hanampy ireo ray aman-dreny sahirana mafy amin’ny fitaizana.
Azo itokisana ve ireo torohevitra amin’ny boky?
Nahomby ve ireny manam-pahaizana ireny? Tsy manahy firy ny amin’ny fitaizana, sy mahay mitaiza kokoa noho ireo talohany ve ny ray aman-dreny ankehitriny? Tsy izany velively, raha ny fanadihadiana natao vao haingana tany Grande-Bretagne no jerena. Hita fa mbola mitady torohevitra azo itokisana ny 35 isan-jato eo ho eo amin’ny ray aman-dreny manan-janaka kely. Misy mihevitra fa tsy misy azony atao, afa-tsy ny manaraka izay saim-pantany fotsiny.
Nandinika ireo boky momba ny fitaizana, nosoratan’ny matihanina nandritra ny taonjato iray, i Ann Hulbert, ary namintina izany tao amin’ny boky iray. Nilaza io mpanoratra manan-janaka roa io, fa vitsy tamin’ny fanazavana nomen’ireo manam-pahaizana no nifanaraka tamin’ny siansa efa voamarina. Toa avy amin’ny zavatra niainany ny torohevitra nomeny, raha ny marina, fa tsy araka ny tena zava-misy. Hamarinin’ny zava-nitranga tamin’ny lasa tokoa, fa maro tamin’ireo zavatra nosoratan’ny manam-pahaizana no mora lany andro, nifanohitra, ary hafahafa be aza indraindray.
Inona àry no vokatr’izany eo amin’ny ray aman-dreny? Raha tsorina, dia maro no very hevitra. Betsaka noho ny hatramin’izay mantsy ny torohevitra omena azy, nefa mifanohitra. Tsy ny rehetra anefa no very hevitra toy izany. Ray aman-dreny maro eran-tany no mandray soa avy amin’ny boky tranainy iray mirakitra fahendrena. Voaporofo fa mbola azo itokisana foana ny torohevitra ao amin’izy io, araka ny asehon’ny lahatsoratra manaraka.