Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Christophe Plantin Mpisava Lalana teo Amin’ny Fanaovana Pirinty ny Baiboly

Christophe Plantin Mpisava Lalana teo Amin’ny Fanaovana Pirinty ny Baiboly

Christophe Plantin Mpisava Lalana teo Amin’ny Fanaovana Pirinty ny Baiboly

NALAZA ho nanao pirinty voalohany ny Baiboly, tamin’ny lohavỳ, i Johannes Gutenberg (1397-1468 tany ho any). Vitsy kosa no mahafantatra an’i Christophe Plantin tamin’ny taonjato faha-16, izay anisan’ireo nisantatra ny fanontam-pirinty. Nanana anjara lehibe izy, satria nanao izay hahazoan’ny olona eran-tany boky sy Baiboly.

Teraka tany Saint-Avertin, any Frantsa, i Christophe Plantin, tamin’ny 1520 tany ho any. Naleony anefa nipetraka tany Anvers, tany Pays-Bas, * tamin’izy 30 taona latsaka kely. Tiany mantsy ny niaina tao amin’ny toerana nisy olona nalala-tsaina sy nahafahana nitady vola bebe kokoa noho ny tany Frantsa.

Mpanambatra boky sy mpanao hoditra no asan’i Plantin voalohany. Tena tian’ny mpanankarena ny hoditra nataony, satria vita tsara. Tsy maintsy niova asa anefa izy, tamin’ny 1555. Nisy nanafika tany Anvers mantsy izy, raha handeha hanatitra boaty kely hoditra ho an’ny Mpanjaka Philippe II any Espaina, izay nitondra an’i Pays-Bas. Nisy lehilahy mamo nanindrona sabatra ny sorony. Sitrana ilay ratra, nefa tsy afaka nanao asa tanana intsony izy, ka tsy maintsy najanony ilay asany. Nanohana ara-bola azy i Hendrik Niclaes, mpitarika ny Anabatista, ka nanomboka nanao ny asa fanontam-pirinty i Plantin.

“Asa sy Fiaretana”

Nantsoin’i Plantin hoe De Gulden Passer (Ilay Kompà Volamena) ny fanontam-pirintiny. Sary famantarana ny asan’i Plantin ny sarina kompà volamena roa misy soratra hoe “Labore et Constatia”, midika hoe “Asa sy Fiaretana.” Nety tsara tamin’io lehilahy nazoto niasa io ilay famantarana.

Nitady fomba tsy hahitana olana i Plantin, satria betsaka ny korontana ara-pivavahana sy ara-politika tany Eoropa. Lehibe lavitra taminy noho ny zavatra hafa rehetra, ny asa fanontam-pirinty. Tiany ny Fanavaozana Protestanta, nefa “tsy tena naneho ny heviny momba ny fivavahana izy”, araka ny nosoratan’i Maurits Sabbe. Maro àry no nanely tsaho hoe nanao pirinty bokin’ny mpivadi-pinoana i Plantin. Voatery nandositra tany Paris nandritra ny herintaona mahery izy, ohatra, tamin’ny 1562.

Niverina tany Anvers i Plantin, tamin’ny 1563, ka nanao fifanekena ara-barotra tamin’ireo mpivarotra nanankarena. Fantatra ho mpanaraka ny finoan’i Calvin ny maro tamin’izy ireny. Nanao pirinty boky 260 i Plantin, nandritra ireo dimy taona naharetan’ilay fifanekena. Anisan’izany ny Baiboly hebreo sy grika ary latinina, mbamin’ny Baiboly katolika holandey iray nisy sary nahafinaritra.

“Zava-bita lehibe indrindra teo amin’ny fanontam-pirinty”

Nihanahery vaika ny fanoherana ny fahefan’ny Espaniola tany Pays-Bas, tamin’ny 1567. Nalefan’ny Mpanjaka Philippe II avy any Espaina àry ny Andrianan’i Alba, mba ho governora tany. Nahazo fahefana feno avy tamin’ny mpanjaka io andriana io, ka niezaka nanafoana ny fanoheran’ny Protestanta. Nanomboka tetikasa iray tena lehibe àry i Plantin, mba tsy hihevitra azy ho mpivadi-pinoana ny mpitondra. Tena tiany ny hanao pirinty Baiboly avy tamin’ny fiteny tany am-boalohany ho an’ny manam-pahaizana. Vonona ny hanohana azy tamin’ilay tetikasa ny Mpanjaka Philippe II, ka nampanantena hanome vola, sady nandefa an’i Arias Montano, mba hanara-maso an’ilay asa.

Nahay fiteny maro i Montano, sady niasa nandritra ny 11 ora isan’andro. Nisy manam-pahaizana espaniola sy belza ary frantsay nanampy azy. Ny tanjon’izy ireo dia ny hanomana fanontana vaovao tamin’ny Baiboly misy fiteny maro antsoina hoe Polyglotte de Complute. * Nataon’i Plantin tao amin’ilay Baiboly ny Vulgate latinina, Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, ary ny teny hebreo tany am-boalohany. Nampidiriny tao koa anefa ny Targoma aramianina sy ny Peshitta syriàka. Nisy dikan-teny latinina ara-bakiteny niaraka tamin’izy ireo avy.

Nanomboka tamin’ny 1568 ny fanaovana pirinty. Vita tamin’ny 1572 ilay tetikasa lehibe. Haingana be izany, raha tamin’izany. Nanoratra toy izao ho an’ny Mpanjaka Philippe II i Montano: “Be noho ny zava-bita tany Roma nandritra ny herintaona no vita teto nandritra ny iray volana.” Nanao pirinty 1 213 tamin’ilay Baiboly vaovao misy fiteny maro i Plantin, ka nisy boky valo lehibe ny tsirairay avy taminy. Nisy sarina liona, omby sy amboadia ary zanak’ondry miara-misakafo teo amin’ny fonon’ilay izy, mba hampisehoana ny Isaia 65:25. Ny vidin’ireo boky valo mbola tsy natambatra dia 70 florins. Vola be izany, satria 50 florins isan-taona no vola niditra tamin’ny fianakaviana antonontonony tamin’izany. Nantsoina hoe Baiboly Misy Fiteny Maron’i Anvers ilay Baiboly feno, tatỳ aoriana. Nantsoina hoe Biblia Regia (Baibolin’ny Mpanjaka) koa izy io, satria ny Mpanjaka Philippe II no nanohana ara-bola azy io.

Nokianina be ny asan’i Arias Montano, na dia neken’ny Papa Grégoire Faha-13 aza ilay Baiboly. Anisan’ny nokianina tamin’izany ny hoe noheverin’i Montano ho tsara kokoa noho ny Vulgate latinina, ny soratra hebreo tany am-boalohany. I León de Castro, teolojianina espaniola, no tena nanohitra azy. Nihevitra mantsy izy io fa ny Vulgate latinina no tsara indrindra amin’ny Baiboly rehetra. Nampangain’i de Castro ho nampiditra foto-kevitra manohitra ny Andriamanitra telo izay iray i Montano. Nomarihin’i de Castro manokana, ohatra, fa nesorin’ny Peshitta syriàka tao amin’ny 1 Jaona 5:7 ilay andalan-teny diso hoe: “Any an-danitra ny Ray sy ny Teny ary ny Fanahy Masina: ary iray izy telo ireo.” (Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, anglisy) Nanafaka madiodio an’i Montano anefa ny Inquisition espaniola. Maro no mihevitra ny Baiboly Misy Fiteny Maron’i Anvers ho ny “zava-bita lehibe indrindra teo amin’ny fanontam-pirinty, nataon’ny mpanao pirinty iray tamin’ny taonjato faha-16.”

Soa maharitra

Milina fanontam-pirinty roa na telo monja no nananan’ny ankamaroan’ny mpanao pirinty tamin’izany. Toa tsy latsaka ny 22 anefa ny milina nampiasain’i Plantin, ary 160 ny mpiasany, tamin’ny fotoana nisian’ny asa be indrindra. Nalaza ho mpanao pirinty lehibe indrindra izy, tany amin’ireo tany nofehezin’ny Espaniola.

Nitombo anefa ny fanoherana ny fitondrana espaniola tany Pays-Bas, ary lasa tafiditra tao amin’ilay ady i Anvers. Nikomy ny mpikarama an’ady espaniola tsy nahazo ny karamany, tamin’ny 1576, ka nandroba tao an-tanàna. Trano 600 mahery no may, ary an’arivony ny mponin’i Anvers novonoina. Nandositra ireo mpivarotra. Very vola be i Plantin. Voatery nandoa vola be tamin’ireo mpikomy koa izy.

Nifindra tany Leyde i Plantin, tamin’ny 1583. Any amin’ny 100 kilaometatra any avaratr’i Anvers no misy azy io. Nanangana fanontam-pirinty tao izy, ary notendrena ho mpanao pirintin’ny Oniversiten’i Leyde, izay natsangan’ny Protestanta. Niverina indray ilay resaka hoe nivadika tamin’ny Eglizy Katolika izy. Niverina tany Anvers àry i Plantin tamin’ny faran’ny 1585, fotoana fohy taorian’ny nahazoan’ny Espaniola indray an’ilay tanàna. Efa 60 taona mahery anefa izy tamin’izany, ary mpiasa efatra sisa no niasa tao amin’Ilay Kompà Volamena, teo amin’ny milina fanontam-pirinty iray. Tsy nety natanjaka toy ny taloha intsony ilay fanontam-pirinty, na dia niezaka nanorina indray azy io aza i Plantin, mandra-pahafatiny tamin’ny 1 Jolay 1589.

Nanonta boky 1 863 samy hafa i Christophe Plantin nandritra ny 34 taona, izany hoe efa ho 55 isan-taona. Na ny mpanao pirinty mahaleo tena ankehitriny aza dia mahita fa asa be izany! Tsy nasehon’i Plantin hoe inona marina no fivavahany. Tsy ny fanontam-pirinty ihany anefa no nohatsarainy, fa ny fianarana ny Soratra Masina koa. (2 Timoty 3:16) Nandray anjara lehibe tamin’ny fanaovana izay hahazoan’ny olon-tsotra ny Baiboly tokoa i Plantin sy ireo mpanao pirinty hafa tamin’ny androny.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ny hoe “Pays-Bas” tamin’izany, dia nanondro ny faritra amoron-tsiraka teo anelanelan’i Alemaina sy Frantsa. Anisan’izy io i Belzika sy Holandy ary Luxembourg ankehitriny.

^ feh. 11 Navoaka tamin’ny 1517 io Baiboly misy fiteny maro io. Tao anatin’izy io ny teny hebreo, grika sy latinina, ary ampahany sasany tamin’ny teny aramianina. Jereo ilay lahatsoratra hoe “Nanampy Betsaka ny Baiboly Iray Misy Fiteny Maro”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2004, pejy 28-31.

[Efajoro/​Sary, pejy 15]

TRANOMBAKOKA PLANTIN-MORETUS

Natao tranombakoka azo tsidihina, nanomboka tamin’ny 1877, ilay trano tany Anvers izay nipetrahan’i Plantin sy ny taranany sady niasan’izy ireo. Efa rava daholo ny trano fanontam-pirinty hafa tamin’izany. Misy milina fanontam-pirinty dimy tamin’ny taonjato faha-17 sy faha-18 aseho ao. Hita ao koa ny milina roa tranainy indrindra eran-tany, izany hoe efa ho tamin’ny andron’i Plantin. Ao amin’io tranombakoka io koa ny lasitra 15 000, hazo 15 000 fanaovana pirinty, ary takela-barahina 3 000 efa misy soratra milentika. Ao amin’ny fitehirizam-bokin’ilay tranombakoka kosa dia misy sora-tanana 638 tamin’ny taonjato faha-9 ka hatramin’ny faha-16, mbamin’ny boky 154 natao pirinty talohan’ny 1501. Anisan’ireo ny Baibolin’i Gutenberg, izay vita talohan’ny 1461, sy ny iray amin’ireo Baiboly Misy Fiteny Maron’i Anvers, nataon’i Plantin.

[Sary, pejy 15]

Arias Montano

[Sary, pejy 16]

Ny Baiboly Misy Fiteny Maron’i Anvers dia mirakitra ny soratra hebreo, ny “Vulgate” latinina, ary ny “Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo”, mbamin’ny “Peshitta” syriàka, sy ny Targoma aramianina miaraka amin’ny dikan-teny latinin’izy ireo avy

[Sary nahazoan-dalana]

By courtesy of Museum Plantin-Moretus/Stedelijk Prentenkabinet Antwerpen

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Ireo sary: By courtesy of Museum Plantin-Moretus/Stedelijk Prentenkabinet Antwerpen